Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve Raha Miady ny Kristianina?

Mety ve Raha Miady ny Kristianina?

Mety ve Raha Miady ny Kristianina?

“Inona no fitsipika mamaritra fa heloka na fahotana ny miady? Saro-pantarina izany!”—Oliver O’Donovan, mpampianatra momba ny fitsipika kristianina

MISY sarina miaramila maty sy olona reraky ny ady ary fianakaviana miverina any amin’ny taniny, eo amin’ilay sary hoso-doko antsoina hoe Sorona, ao amin’ny Tranombakoky ny Ady any Kanada. Misy sarin’i Jesosy Kristy eo amin’ny lakroa koa ilay izy. Tezitra ny mpitsidika sasany mahita hoe nampiarahina tamin’ny sary misy ady feno habibiana ny sarin’i Jesosy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana.” (Isaia 9:6) Mihevitra kosa ny hafa fa tian’Andriamanitra sy ny Zanany handeha hiady ny Kristianina, mba hiarovana ny fiandrianam-pireneny sy hisian’ny filaminana. Mankasitraka ny sorona nataon’ny mpiray tanindrazana taminy àry izy ireo.

Efa an-jatony taona ny mpitondra fivavahana no nanao toriteny manohana ny ady. Nanoratra toy izao, ohatra, ilay teolojianina atao hoe Augustin, tamin’ny taona 417: “Tsy tokony hieritreritra ianareo hoe tsy eken’Andriamanitra ny miaramila mampiasa fitaovam-piadiana. ... Misy miady amin’ny fahavalo tsy hita maso mba hiarovana anareo ka mivavaka. Ianareo kosa miady amin’ny olon-dia hita maso mba hiarovana azy ireo.” Nanazava koa i Thomas d’Aquin, tamin’ny taonjato faha-13, fa “mety ny miady ary ara-drariny izy io, raha natao hiarovana ny mahantra sy ny firenena manontolo amin’ny fahavalo mpamadika.”

Ahoana ny hevitrao? Tahin’Andriamanitra ve ny ady raha toa misy antony tsara hanaovana azy, ohatra hoe mba hiarovana ny fiandrianam-pirenena na hanafahana an’ireo iharan’ny tsindry hazo lena? Inona no “fitsipika” mila fantarin’ny Kristianina mba hahalalana ny hevitr’Andriamanitra momba izany?

Ny modelin’i Jesosy Kristy

Azo fantarina ve ny fiheveran’Andriamanitra ny raharaha sarotra, toy ny ady ankehitriny? Fantatry ny apostoly Paoly fa ho sarotra amintsika izany, ka hoy izy: “ ‘Iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah, mba hampianatra azy?’ Isika kosa anefa manana ny sain’i Kristy.” (1 Korintianina 2:16) Nalefan’i Jehovah Andriamanitra ho etỳ an-tany àry i Jesosy mba ho Modelintsika. Hita taratra tamin’izay nolazainy sy nataony ny fomba fihevitr’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra. Inona àry no nolazain’i Jesosy momba ny ady? Nanohana azy io ve izy?

Misy mihevitra angamba fa tena mety ny mampiasa fitaovam-piadiana mba hiarovana an’i Jesosy Kristy. Nihevitra toy izany i Petera, izay apostoliny sady namany. Rehefa nisy namadika i Jesosy ka nosamborin’ny andian’olona nitam-piadiana tamin’ny misasakalina, dia “nanatsotra ny tanany [i Petera] ka nanatsoaka ny sabany, ary namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofiny.” Nety ve ny nampiasana fitaovam-piadiana teo? Hoy i Jesosy tamin’i Petera: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.”—Matio 26:47-52.

Tsy nahagaga ny fihetsik’i Jesosy. Hoy izy, roa taona talohan’io: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45) Azo lazaina ve hoe tia ny fahavalony sy mivavaka ho azy ireo ny Kristianina raha miady aminy?

Asehon’ny tantara fa nanana fahavalo maro ny Kristianina. Nanameloka sy namono an’i Jesosy Kristy, ohatra, ny Romanina. Tsy ela taorian’izay, dia lasa heloka mahafaty na dia ny filazana ho Kristianina fotsiny aza. Efa nampoizin’i Jesosy fa mety hanao toy ny Jiosy sasany ny Kristianina, ka halaim-panahy hitondra fiadiana sy hikomy amin’ny Romanina mpampahory. Hoy àry izy momba ny mpanara-dia azy: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Nifidy ny tsy hanao politika ny Kristianina. Tsy nandray anjara tamin’ny ady mihitsy izy ireo, na inona na inona tsy rariny na fandrahonana ampiharina aminy na amin’ny fireneny.

Mpanohana ny Fanjakan’Andriamanitra

Nanaraka ny tenin’i Jesosy ny tena Kristianina, ka tsy nandray anjara tamin’ny ady sy ny politika. Diniho izay nitranga tany Ikonioma, tanàna tany Azia Minora. “Nitady hampiasa herisetra ny hafa firenena sy ny Jiosy mbamin’ny mpitondra azy, mba hanalam-baraka sy hitoraham-bato [an’i Paoly sy Barnabasy]. Rehefa nampahafantarina azy roa lahy anefa izany, dia nandositra tany an-tanànan’i Lykaonia sy Lystra sy Derbe ary ny faritra manodidina izy ireo, ka nanohy ny fitoriana ny vaovao tsara tany.” (Asan’ny Apostoly 14:5-7) Mariho fa tsy namaly faty na nandray fitaovam-piadiana mba hiarovan-tena ny Kristianina, rehefa niharan’ny fanenjehana mahery vaika. Nanohy nitory “ny vaovao tsara” kosa izy ireo. Inona ilay vaovao tsara tsy maintsy notorin’izy ireo?

Nitovy tamin’ny an’i Jesosy ihany izany. Hoy i Jesosy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho.’ (Lioka 4:43) Nanohana ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy sy ny mpanara-dia azy. Tsy nampiasa tafika mihitsy i Kristy mba hiarovana an’io Fanjakana io. Hoy izy: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

‘Mifankatiava’

Ahoana no amantarana ny tena mpivavaka rehefa misy ady? Tsy mandray anjara amin’izany izy ireo. Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Misy antokon’olona mifankatia toy izany na esoina sy gadraina ary vonoina aza, noho izy ireo tsy mety mitondra fitaovam-piadiana. Olona an-tapitrisany no faly satria lasa anisan’izy ireo.

Vavolombelon’i Jehovah 10 000 teo ho eo, tany amin’ireo faritr’i Eoropa nofehezin’ny Nazia, no nogadraina satria tsy nandray anjara tamin’ny ady. Nalefa tany amin’ny toby fitanana ny 3 000 teo ho eo tamin’izy ireo. Maherin’ny 4 300 koa ny Vavolombelona tany Etazonia nogadraina tamin’io fotoana io, satria tsy nety nanao miaramila. Tsy nandray fitaovam-piadiana mba hiadiana amin’ny mpiray finoana aminy sy ny olon-kafa mihitsy anefa ireo Vavolombelona alemà sy amerikanina ireo. Ahoana tokoa moa no ahafahany milaza fa mifankatia sy tia ny mpiara-belona aminy izy ireo, nefa izy ireo aza mandray fitaovam-piadiana?

Maro ny olona mihevitra fa ilaina ny miady mba hiarovan-tena. Eritrereto anefa izao: Tafavoaka velona ihany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, na dia nampijalina tamin-kabibiana aza nefa tsy namaly faty. Tsy nahavita nanafoana ny Fivavahana Kristianina ny Fanjakana Romanina natanjaka. Miroborobo ny tena Kristianina hatramin’izao, ary mbola tsy mandray anjara amin’ny ady ihany. Miantehitra amin’ny fanampian’Andriamanitra izy ireo, fa tsy amin’ny herin’ny tenany. Izao no lazain’ny Baiboly: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ”—Romanina 12:19.

[Efajoro, pejy 30]

ADY NOTAHIN’ANDRIAMANITRA

Nifidy ny Israelita ho fireneny manokana Andriamanitra, taonjato maro talohan’ny nisian’ny Fivavahana Kristianina. Navelan’Andriamanitra hanana tafika sy hiady izy ireo indraindray. Izao no nolazaina tamin’ny Israelita, talohan’ny nidiran’izy ireo tao Kanana, ilay tany nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama: “Hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao tokoa [ny firenena fito] ka horesenao. Tsy maintsy haringanao tanteraka ireny. Aza manao fifanekena aminy na mamindra fo aminy.” (Deoteronomia 7:1, 2) Nandresy an’ireo fahavalo ireo àry i Josoa mpitari-tafika israelita, “araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.”—Josoa 10:40.

Ady tsy nisy indrafo mba hangejana firenen-kafa fotsiny ve io nataon’ny Israelita io? Tsy izany mihitsy. Feno fanompoan-tsampy sy fandatsahan-dra ary firaisana mamoafady tao amin’ireo firenena ireo. Na ny ankizy aza nodorana ho sorona. (Nomery 33:52; Jeremia 7:31) Masina Andriamanitra sady tia rariny ary tia ny olony, ka voatery nanala ny fahalotoana rehetra teo amin’ilay tany. Mijery ny ao am-pon’ny tsirairay anefa izy, ary mitsimbina ny ain’ireo vonona hanompo azy sy hiala amin’ny fanao ratsiny. Tsy mahavita an’izany ny mpitari-tafika ankehitriny.

[Sary, pejy 31]

Tian’i Jesosy hiady ve ny mpianany mba hiarovana azy na hiarovana ny Kristianina namany?

[Sary, pejy 31]

Vavolombelon’i Jehovah nafahana avy tao amin’ny toby fitanan’i Buchenwald, tamin’ny 1945