Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Fiainana ao An-tokantrano

Momba ny Fiainana ao An-tokantrano

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika

Momba ny Fiainana ao An-tokantrano

Ahoana no hananana tokantrano sambatra?

Masina ny fanambadiana. Hoy i Jesosy rehefa nisy nanontany azy raha azo atao ny misara-panambadiana: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona. ... Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Matio 19:4-6, 9) Mila mifanaja àry ny mpivady. Tsy hanana ahiahy sy ho sambatra amin’izay ny fianakaviana manontolo.

Nahoana no sambatra ny tokantrano tia an’Andriamanitra?

Hoy i Jesosy: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.” Inona no didy lehibe faharoa? Hoy ihany izy: “Tiavo ny namanao [anisan’izany ny ankohonanao] tahaka ny tenanao.” (Matio 22:37-39) Tokony hifandray tsara amin’Andriamanitra àry ny mpianakavy tsirairay. Handrisika azy ireo hifankatia izany, ka ho sambatra izy ireo.

Inona no azonao atao mba hahasambatra ny vadinao?

Mila manahaka an’i Jesosy ny lehilahy, raha tiany ho sambatra ny vadiny. Nahafoy tena ho an’ny fiangonana i Jesosy. (Efesianina 5:25) Hoy izy: ‘Tsy tonga mba hotompoina ny Zanak’olona fa mba hanompo.’ (Matio 20:28) Tsy nanjakazaka na nasiaka tamin’ny mpianany i Jesosy, fa namelombelona azy ireo kosa. (Matio 11:28) Tokony ho tsara fanahy àry ny lehilahy na dia izy aza no loham-pianakaviana. Hahasoa ny vady aman-janany izany.

Mila manahaka an’i Jesosy koa ny vehivavy. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra no lohan’i Kristy.’ Voalaza ao koa hoe: “Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Korintianina 11:3) Tsy nihevitra i Jesosy hoe nanambany azy ny nanaiky an’Andriamanitra. Tena nanaja ny Rainy izy. Hoy izy: “Manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:29) Hanaiky ny fahefan’ny vadiny koa àry ny vehivavy raha tia sy manaja an’Andriamanitra. Tena hahasambatra ny tokantranony izany.

Ahoana no nifandraisan’i Jesosy tamin’ny ankizy? Inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’izany?

Nifanerasera tamin’ny ankizy i Jesosy, ary te hahalala ny hevitr’izy ireo sy ny fihetseham-pony. Hoy ny Baiboly: ‘Nantsoin’i Jesosy hankeo aminy ny zazakely, ka hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona ahy.” ’ (Lioka 18:15, 16) Indray andro, dia tezitra ny olona rehefa nahita ankizilahy nidera an’i Jesosy. Niaro an’ireo ankizy ireo anefa i Jesosy, ka hoy izy tamin’ireo mpanakiana: “Mbola tsy novakinareo mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no anomezanao fiderana’?”—Matio 21:15, 16.

Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’i Jesosy?

Tena tia fivavahana i Jesosy. “Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra” tao amin’ny tempoly i Jesosy, tamin’izy 12 taona, ary “nihaino sady nanontany” azy ireo. “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.” (Lioka 2:42, 46, 47) Tsy nanambony tena noho ny fahaizany anefa izy, fa nankatò ny ray aman-dreniny kosa. Hoy ny Baiboly: ‘Nankatò azy ireo foana izy.’—Lioka 2:51.

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * toko 14

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.