Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anisan’ny Fiangonana Protestanta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Anisan’ny Fiangonana Protestanta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manontany ny Mpamaky

Anisan’ny Fiangonana Protestanta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy mihevitra ny tenany ho anisan’ny fiangonana protestanta ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana?

Tany Eoropa no niandohan’ny Fivavahana Protestanta, tamin’ny taonjato faha-16, vokatry ny ezaka natao mba hanavaozana ny Fivavahana Katolika. Tamin’ilay fihaonam-be tany Spire, Alemaina, tamin’ny 1529 no nampiasana voalohany ny teny hoe “Protestanta”, mba hiantsoana ny mpanara-dia an’i Martin Luther. Niantsoana an’izay rehetra manaiky ny foto-pinoana iorenan’ny Fanavaozana Protestanta sy ny tanjon’izy io ilay teny, nanomboka teo. Izao no amaritan’ny diksionera iray ny hoe Protestanta: “Olona anisan’ny antokom-pivavahana iray mandà ny fahefana feno ananan’ny Papa, ary manaiky an’ireo foto-pinoana iorenan’ny Fanavaozana Protestanta, dia ny hoe ny finoanao ihany no hanamarinana anao, mpitondra fivavahana avokoa ny mpino rehetra, ary ao amin’ny Baiboly ihany no misy ny fahamarinana.”

Marina fa lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahefana feno ananan’ny Papa, ary tena inoan’izy ireo fa marina ny Baiboly. Maro anefa no tsy itovizan’izy ireo amin’ny Fivavahana Protestanta. Milaza, ohatra, Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy) fa “hafa mihitsy” ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto misy lafiny telo mampiavaka azy ireo.

Voalohany, marina fa nisy nolavin’ireo mpitarika ny Fanavaozana Protestanta ny foto-pinoan’ny Katolika. Mbola nohazoniny anefa ny sasany, toy ny finoana ny Andriamanitra tokana olona telo, ny afobe, ary ny hoe misy fanahy tsy mety maty. Mino kosa ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ireo foto-pinoana ireo, sady mahatonga ny olona hanana hevi-diso momba an’Andriamanitra.—Jereo ny pejy 4-7.

Faharoa, tsy manohitra be fahatany ny fampianaran’ny fivavahana hafa ny Vavolombelon’i Jehovah, fa manome fampianarana mahasoa kosa. Zava-dehibe amin’izy ireo izao torohevitry ny Baiboly izao: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina.” (2 Timoty 2:24, 25, Prot.) Ahariharin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa mifanohitra amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny fivavahana maro. Tsy ny hanova an’ireny fivavahana ireny anefa no tanjony, fa ny hanampy olona tso-po hahalala marina tsara an’Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly. (Kolosianina 1:9, 10) Tsy mandany andro miady hevitra amin’ireo miziriziry amin’ny heviny ny Vavolombelon’i Jehovah.—2 Timoty 2:23.

Fahatelo, nizara ho antokom-pivavahana an-jatony ny Protestanta, fa ny Vavolombelon’i Jehovah kosa tafaray maneran-tany foana. Mitovy ny foto-pinoan’ireo Vavolombelona any amin’ny tany 230 mahery, satria arahin’izy ireo ilay torohevitry ny apostoly Paoly hoe: ‘Mifanaraha tsara amin’izay lazainareo.’ Tsy misy fisaratsarahana eo anivony. Tena ‘miray saina sy miray hevitra’ kosa izy ireo. (1 Korintianina 1:10) Samy miezaka mafy koa izy ireo mba “hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.”—Efesianina 4:3.