Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mianara Bebe Kokoa mba Hanatsarana ny Vavaka Ataonao

Mianara Bebe Kokoa mba Hanatsarana ny Vavaka Ataonao

Mianara Bebe Kokoa mba Hanatsarana ny Vavaka Ataonao

“Ry Jehovah ô! Aoka re ny sofinao mba hihaino tsara ny vavaka ataon’ity mpanomponao.”—NEH. 1:11.

1, 2. Nahoana no mahasoa ny mandinika ireo vavaka ao amin’ny Baiboly?

ANISAN’NY zava-dehibe takin’i Jehovah ny vavaka sy ny fianarana Baiboly. (1 Tes. 5:17; 2 Tim. 3:16, 17) Tsy bokim-bavaka ny Baiboly, nefa misy vavaka maro be ao, indrindra ao amin’ny Salamo.

2 Hahita vavaka mahalaza tsara izay tsapanao ianao, rehefa mamaky sy mianatra Baiboly. Hihatsara ny vavakao, raha maka hevitra ao ianao. Maro ny olona nahazo valim-bavaka fahiny. Inona no ianarantsika avy amin’izy ireny sy ny vavaka nataony?

Angataho ny tari-dalan’Andriamanitra ary araho

3, 4. Inona no nanirahana an’ilay mpanompon’i Abrahama, ary inona no ianarantsika avy amin’ny valim-bavaka azony?

3 Ampianarin’ny Baiboly fa ilaina foana ny mangataka ny tari-dalan’Andriamanitra. Intỳ misy ohatra: Nirahin’i Abrahama ho any Mezopotamia, mba hitady vady matahotra an’Andriamanitra ho an’i Isaka, ny mpanompony iray. I Eliezera angamba izy io. Nahita vehivavy nantsaka izy rehefa tonga tany, ka nivavaka hoe: ‘Jehovah ô, aoka izay tovovavy hilazako hoe: “Mba ampidino kely ny sininao hisotroako”, ka hilaza hoe: “Misotroa, ary hanome rano ho an’ny ramevanao koa aho”, no hotendrenao ho an’i Isaka mpanomponao. Dia izany no hahafantarako fa tsy miovaova ny fitiavana asehonao amin’ny tompoko.’—Gen. 24:12-14.

4 Nivaly ny vavak’ilay mpanompo. Nampisotro rano ny ramevany mantsy i Rebeka, ary nanaraka azy tany Kanana, ka lasa vadin’i Isaka. Marina fa tsy hanome anao famantarana manokana Andriamanitra, nefa hitari-dalana anao izy, raha mivavaka aminy sy manaiky hotarihin’ny fanahiny ianao.—Gal. 5:18.

Mampitony ny vavaka

5, 6. Inona no mampiavaka an’ilay vavak’i Jakoba?

5 Mampitony ny vavaka. Natahotra an’i Esao rahalahiny i Jakoba, ka nivavaka hoe: ‘Jehovah ô! Izaho tsy mendrika ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fitokisana rehetra nasehonao tamin’ny mpanomponao. Mba vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Esao rahalahiko re aho, fa matahotra azy aho e! Sao mantsy izy ho tonga hanafika ahy mbamin’ny ankizy sy ny reniny. Ary ianao efa nilaza hoe: “Hanisy soa anao tokoa aho, ary ny taranakao hataoko maro be tsy hita isa tahaka ny fasika any an-dranomasina.” ’—Gen. 32:9-12.

6 Nahazo valim-bavaka i Jakoba. Nihavana indray mantsy izy sy Esao. Marina fa nandray fepetra hiarovana ny ankohonany izy. I Jehovah anefa no tena nanampy azy. (Gen. 33:1-4) Vakio tsara ilay vavaka nataony, dia ho hitanao fa tsy hoe nitalaho famonjena fotsiny izy. Nilaza koa izy fa nino an’ilay Taranaka nampanantenaina, ary noderainy Andriamanitra noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Misy zavatra mampahatahotra anao ve izao? (2 Kor. 7:5) Mivavaha toa an’i Jakoba, fa ho tony ianao. Aza mangataka fotsiny anefa fa asehoy aminy koa hoe manam-pinoana ianao.

Mangataha fahendrena

7. Nahoana i Mosesy no nivavaka mba hahafantatra ny lalan’i Jehovah?

7 Mila mangataka fahendrena amin’i Jehovah ianao, mba hahaizanao mampifaly azy. Nivavaka i Mosesy mba hahafantatra ny lalan’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Ianao miteny amiko hoe: “Ento miakatra [miala an’i Ejipta] ity vahoaka ity.” Koa raha mahazo sitraka aminao àry aho, dia mba ampahafantaro ahy re ny lalanao, hahazoako sitraka aminao e!’ (Eks. 33:12, 13) Lasa nahafantatra kokoa ny lalan’i Jehovah àry i Mosesy. Tena nilainy izany satria nasaina nitarika ny vahoakan’i Jehovah izy.

8. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny 1 Mpanjaka 3:7-14?

8 Nivavaka i Davida hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô.” (Sal. 25:4) Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah koa i Solomona, mba hahaizany hitondra ny Israelita. Nahafaly an’i Jehovah izany, ka tsy fahendrena fotsiny no nomeny azy, fa harena sy voninahitra koa. (Vakio ny 1 Mpanjaka 3:7-14.) Nahazo tombontsoam-panompoana ve ianao, ka manahy? Mivavaha mba hahazo fahendrena, ary manetre tena. Hanampy anao ho za-draharaha sy hanam-pahendrena ary hanatanteraka amim-pitiavana an’ilay andraikitra Andriamanitra.

Mivavaha amin’ny fo

9, 10. Inona avy no nolazain’i Solomona momba ny fo, tao amin’ilay vavaka nataony?

9 Tokony hivavaka amin’ny fo isika, raha te hohenoin’i Jehovah. Hita ao amin’ny 1 Mpanjaka toko faha-8 fa nanao vavaka toy izany i Solomona, rehefa nitokana ny tempoly tamin’ny 1026 T.K. Nidera an’i Jehovah teo anatrehan’ny vahoaka izy. Nofenoin’i Jehovah rahona mantsy ilay tempoly, rehefa tafapetraka tao amin’ny Masina Indrindra ny vata nisy ny fifanekena.

10 Diniho ilay vavak’i Solomona. Miverimberina ao ny hoe ‘fo.’ Nilaza, ohatra, izy fa i Jehovah irery no mahalala ny ao am-po. (1 Mpanj. 8:38, 39) Niteny koa izy fa havelan’Andriamanitra ny helok’izay ‘miverina aminy amin’ny fo manontolo.’ Hohenoiny koa ny fitalahoan’ireo manompo azy amin’ny fo manontolo, na dia any an-tsesitany aza izy ireo. (1 Mpanj. 8:48, 58, 61) Tokony hatao amin’ny fo àry ny vavaka.

Afaka manampy anao ny Salamo

11, 12. Inona no ianaranao avy amin’ny hiran’ilay Levita natao sesitany?

11 Azonao dinihina koa ny Salamo, raha tianao ny hanatsara ny vavakao sy hanam-paharetana rehefa miandry valim-bavaka. Hita ao, ohatra, fa nanam-paharetana ny Levita iray natao sesitany. Tsy afaka nankany an-tranon’i Jehovah izy, nefa nihira hoe: “Nahoana re aho no dia mamoy fo e? Ary nahoana aho no sahiran-tsaina? Hiandry an’Andriamanitra aho, satria mbola hidera azy, fa izy no famonjena lehibe ho ahy sady Andriamanitro.”—Sal. 42:5, 11; 43:5.

12 Inona no ianaranao avy amin’izany? Migadra noho ny fahamarinana angamba ianao, ka tsy afaka miara-mivory amin’ireo rahalahinao. Miandrasa an’Andriamanitra, fa hanao zavatra izy. (Sal. 37:5) Saintsaino ireo zavatra nahafaly anao tamin’ny fanompoana azy. Mivavaha mba hahavita “hiandry” azy mandra-panafahany anao, ka hiarahanao indray amin’ny vahoakany.

Mivavaha amim-pinoana

13. Nahoana ianao no tokony hivavaka amim-pinoana, araka ny Jakoba 1:5-8?

13 Mivavaha foana amim-pinoana, na inona na inona manjo anao. Araho ny torohevitr’i Jakoba, rehefa misy fitsapana. Mivavaha, ary matokia fa hanome fahendrena anao i Jehovah, mba hahavitanao hiaritra. (Vakio ny Jakoba 1:5-8.) Fantany izay mampanahy anao, ary afaka mitari-dalana sy mampahery anao amin’ny alalan’ny fanahiny izy. Lazao azy àry ny ao am-ponao, ary aza ‘misalasala mihitsy’ hoe hamaly anao izy sa tsia. Araho koa ny teniny sy ny fitarihan’ny fanahiny.

14, 15. Inona no porofo fa nanam-pinoana i Hana?

14 Nasehon’i Hana vadin’i Elkana, tamin’ny vavaka nataony sy ny fihetsiny fa nanam-pinoana izy. Momba i Hana, fa i Penina rafivaviny kosa niteraka maro, ka nampijaly azy. Nangataka zanakalahy tamin’i Jehovah àry izy, ary nivoady fa homeny azy izy io. Nihetsiketsika ny molony tamin’izy nivavaka, ka nihevitra i Ely Mpisoronabe fa mamo izy. Hoy i Ely, rehefa fantany fa tsy mamo i Hana: “Homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!” Nino i Hana fa hahazo valim-bavaka, na dia mbola tsy fantany tsara aza ilay izy. Hita tamin’ny endriny àry fa “tsy niady saina intsony izy”, sady tsy nalahelo na kivy intsony.—1 Sam. 1:9-18.

15 Niteraka an’i Samoela i Hana. Rehefa nisara-nono ilay zaza, dia nateriny tany amin’ny tranolay masina mba hanompo an’i Jehovah. (1 Sam. 1:19-28) Mbola nivavaka indray izy tamin’io. Nahoana raha saintsainina izay nolazainy? Hanatsara ny vavaka ataonao izany. Ho hitanao koa fa misinda ny alahelo rehefa mivavaka sy mino fa hamaly izany i Jehovah.—1 Sam. 2:1-10.

16, 17. Inona no vokany, rehefa nivavaka tamim-pinoana i Nehemia?

16 Nanam-pinoana koa i Nehemia, olo-marina tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Nivavaka izy hoe: “Ry Jehovah ô! Aoka re ny sofinao mba hihaino tsara ny vavaka ataon’ity mpanomponao, sy ataon’ireo mpanomponao, izay finaritra amin’ny fahatahorana ny anaranao e! Ary mba ataovy mahomby re izay ataon’ny mpanomponao anio e, ka ataovy miantra ahy io lehilahy io.” Iza ilay “lehilahy” noresahiny? I Artaksersesy Mpanjaka Persianina. I Nehemia no mpandroso ny zava-pisotrony.—Neh. 1:11.

17 Nivavaka tamim-pinoana nandritra ny andro maro i Nehemia, rehefa reny fa “tena voa mafy sy latsain’ny olona” ny Jiosy nody avy tany Babylona, ary “mbola rava ny mandan’i Jerosalema.” (Neh. 1:3, 4) Nivaly tokoa ilay vavaka, ary tsy araka ny nampoiziny. Navelan’i Artaksersesy hanorina ny mandan’i Jerosalema izy. (Neh. 2:1-8) Tsy ela dia vita ilay manda. Namaly an’i Nehemia i Jehovah satria nanam-pinoana izy, sady zava-dehibe taminy ny fivavahana marina. Ary ahoana ny vavaka ataonao?

Derao sy isaory i Jehovah

18, 19. Inona avy no antony tokony hisaorana sy hiderana an’i Jehovah?

18 Aza hadinoina ny midera sy misaotra an’i Jehovah. Misy antony maro tokony hanaovantsika izany! Nihira momba ny fanjakan’i Jehovah, ohatra, i Davida. (Vakio ny Salamo 145:10-13.) Hita amin’ny vavaka ataonao ve fa ankasitrahanao ny mitory ilay Fanjakana? Te hisaotra an’i Jehovah koa ve ianao noho ny fivoriana sy fivoriambe? Misy teny mahalaza tsara izay tsapanao ao amin’ny Salamo.—Sal. 27:4; 122:1.

19 Sarobidy aminao ve ny fifandraisanao amin’Andriamanitra? Afaka mivavaka toy izao ianao: “Hidera anao eo amin’ireo firenena aho, Jehovah ô, ary hihira fiderana ho anao eo amin’ny firenena samy hafa. Fa lehibe ny hatsaram-panahinao feno fitiavana ka mipaka hatreny amin’ny lanitra, ary ny fahamarinanao hatreny amin’ny rahona. Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô! Aoka ho ambonin’ny tany manontolo ny voninahitrao.” (Sal. 57:9-11) Manohina ny fo tokoa izany vavaka izany! Ho tsara toy izany koa ny vavaka ataonao, raha mampiasa teny ao amin’ny Salamo ianao.

Aoka ianao hanaja lalina an’Andriamanitra

20. Inona no porofo fa nanaja lalina an’Andriamanitra i Maria?

20 Tokony hanaja lalina an’Andriamanitra ianao rehefa mivavaka. Nanao izany i Maria, rehefa nahalala fa izy no hiteraka ny Mesia. Nitovitovy ny vavaka nataony sy ilay vavak’i Hana tamin’izy nanatitra an’i Samoela tany amin’ny tranolay. Hoy i Maria: “Mankalaza an’i Jehovah aho, ary tsy tanako ny hafaliako amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy.” (Lioka 1:46, 47) Tsy mahagaga raha voafidy ho renin’ny Mesia i Maria! Nahoana raha manao vavaka mitovitovy amin’ny azy?

21. Inona no porofo fa nanaja lalina an’i Jehovah i Jesosy, sady nino fa nohenoiny?

21 Nanaja lalina an’i Jehovah koa i Jesosy, ary tena nino fa nohenoiny. “Niandrandra ny lanitra”, ohatra, izy talohan’ny nananganany an’i Lazarosy, ka nanao hoe: “Misaotra anao aho, Ray ô, fa efa nihaino ahy ianao. Fantatro fa mihaino ahy foana ianao.” (Jaona 11:41, 42) Maneho fanajana sy finoana toy izany ve ianao? Diniho ilay vavaka nampianariny. Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny fahatanterahan’ny sitrapony no tena nasongadiny. (Mat. 6:9, 10) Eritrereto ny vavaka ataonao. Hita ve fa zava-dehibe aminao koa ireo? Izany no tokony ho izy.

22. Nahoana ianao no afaka matoky fa hanampy anao ho sahy hitory i Jehovah?

22 Matetika isika no mivavaka mba ho sahy hitory, rehefa iharam-panenjehana na fitsapana hafa. Tsy navelan’ny Fitsarana Avo Jiosy ‘hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy’ intsony i Petera sy Jaona, nefa tsy nanaiky. (Asa. 4:18-20) Notantarain’izy ireo tamin’ny mpiray finoana izany, rehefa nafahana izy. Nitalaho tamin’Andriamanitra àry izy rehetra, mba hampiany ho sahy hitory. Azo inoana fa faly be izy ireo, rehefa nivaly ilay vavaka. “Feno fanahy masina” mantsy izy rehetra, ka “nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:24-31.) Maro be no lasa mpanompon’i Jehovah vokatr’izany. Afaka manampy anao ho sahy hitory koa ny vavaka.

Hatsarao hatrany ny vavaka ataonao

23, 24. a) Milazà vavaka hafa mety hanampy anao. b) Inona no hataonao mba hanatsarana ny vavakao?

23 Mbola maro ny vavaka azonao vakina sy dinihina, mba hanatsarana ny vavaka ataonao. Afaka manahaka an’i Jona, ohatra, ianao, ka milaza amin’i Jehovah fa ‘avy aminy ny famonjena.’ (Jona 2:1-10) Nanao fahotana lehibe ve ianao, ary efa nanatona anti-panahy, nefa mbola ory ka te hilaza amin’i Jehovah fa tena nibebaka? Azonao ampiasaina ny vavak’i Davida. (Sal. 51:1-12) Te hidera an’i Jehovah ve ianao? Ampiasao ny vavak’i Jeremia. (Jer. 32:16-19) Maniry hanambady ve ianao, nefa te hankatò an’ilay didy hoe tsy tokony ‘hanambady afa-tsy ao amin’ny Tompo ihany’? Saintsaino ilay vavaka ao amin’ny Ezra toko faha-9, ary mivavaha mafy.—1 Kor. 7:39; Ezra 9:6, 10-15.

24 Vakio sy ianaro foana àry ny Baiboly, ary tadiavo izay hevitra azo ampiasaina rehefa hitalaho na hisaotra na hidera an’i Jehovah. Ho lasa akaiky kokoa azy ianao, raha mianatra bebe kokoa mba hanatsarana ny vavakao.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tokony hangataka ny tari-dalan’Andriamanitra sy hanaraka izany?

• Nahoana isika no tokony hangataka fahendrena?

• Nahoana no afaka manatsara ny vavaka ny bokin’ny Salamo?

• Nahoana isika no tokony haneho finoana sy fanajana lalina, rehefa mivavaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Nangataka ny tari-dalan’Andriamanitra ilay mpanompon’i Abrahama. Ary ianao?

[Sary, pejy 10]

Manatsara ny vavaka ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana