Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mesia, Ilay Nirahina Hamonjy Antsika!

Ny Mesia, Ilay Nirahina Hamonjy Antsika!

Ny Mesia, Ilay Nirahina Hamonjy Antsika!

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.”—1 KOR. 15:22.

1, 2. a) Inona no nolazain’i Andrea sy Filipo, rehefa avy nahita an’i Jesosy? b) Nahoana no betsaka kokoa ny porofo ananantsika fa i Jesosy no Mesia?

RESY lahatra i Andrea fa i Jesosy avy any Nazareta no Mesia, ka hoy izy tamin’i Petera rahalahiny: “Efa hitanay ny Mesia!” Hoy koa i Filipo tamin’i Natanaela namany: “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna sy voasoratry ny mpaminany, dia i Jesosy, zanak’i Josefa avy any Nazareta.”—Jaona 1:40, 41, 45.

2 Tena resy lahatra ve ianao fa i Jesosy no Mesia nampanantenaina sy ‘Mpitarika Lehibe Indrindra mitondra famonjena’? (Heb. 2:10) Manana porofo be lavitra mantsy isika raha oharina amin’ireo mpianany, satria manana ny Baiboly. Hita tsara ao fa i Jesosy no Kristy. Resahina ao ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny nahaterahany ka hatramin’ny nitsanganany. (Vakio ny Jaona 20:30, 31.) Voalaza ao koa fa mbola hanohy ny asan’ny Mesia izy any an-danitra. (Jaona 6:40; vakio ny 1 Korintianina 15:22.) Afaka miteny koa àry isika hoe ‘efa nahita ny Mesia.’ Aleo anefa aloha hojerentsika hoe nahoana ny mpianatr’i Jesosy no nino fa izy no Mesia.

Naharihary tsikelikely ilay “zava-miafina masina”

3, 4. a) Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no afaka nilaza fa izy no Mesia? b) Nahoana isika no milaza fa tanteraka tamin’i Jesosy irery ihany ny faminaniana rehetra momba ny Mesia?

3 Nahoana ireo mpianatra no afaka nilaza fa i Jesosy no Mesia? Satria nolazain’i Jehovah tsikelikely tamin’ny alalan’ireo mpaminany ny fomba hahalalana azy. Ity misy ohatra avy amin’ny manam-pahaizana iray mba hanazavana izany: Nisy lehilahy maromaro tsy nifankahalala, nefa samy nitondra silaka sarivongana tao amin’ny efitra iray. Rehefa natambatra izy rehetra, dia nanome sarivongana iray tsy nisy tsininy. Tsy maintsy ho olona iray àry no namorona ilay sarivongana, sady nizara ny silany tsirairay tamin’ireo lehilahy. Toy ilay silaka sarivongana ny faminaniana tsirairay momba ny Mesia, satria samy ahalalana zava-dehibe momba azy.

4 Kisendrasendra ve ny hoe tanteraka tamin’ny olona iray ny faminaniana rehetra momba ny Mesia? “Tena sarotra inoana izany”, hoy ny mpikaroka iray. “I Jesosy irery teo amin’ny tantara no nahatanteraka ireo faminaniana momba ny Mesia.”

5, 6. a) Ahoana no hanasaziana an’i Satana? b) Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah tsikelikely an’ilay “taranaka”?

5 Mbola “zava-miafina masina” ny faminaniana momba ny Mesia, tamin’ny voalohany. Misy lafiny maro mahakasika ny zavaboary misaina rehetra ilay zava-miafina. (Kol. 1:26, 27; Gen. 3:15) Anisan’izany ny sazy hampiharina amin’i Satana Devoly, ilay “menarana tany am-boalohany” nahatonga ny fahotana sy fahafatesana. (Apok. 12:9) Inona no hanjo an’i Satana? Nilaza i Jehovah fa hanorotoro ny lohan’i Satana ny ‘taranaky’ ny “vehivavy” iray, ka tsy hisy intsony ny fikomiana sy ny aretina ary ny fahafatesana. Navela handratra ny voditongotr’ilay “taranaka” anefa aloha i Satana.

6 Nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely ilay “taranaka.” Nianiana tamin’i Abrahama izy hoe: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.” (Gen. 22:18) Nilaza i Mosesy fa ho “mpaminany” lehibe noho izy ilay taranaka. (Deot. 18:18, 19) Nomena toky i Davida fa ho avy amin’ny taranany ny Mesia, ary handova ny fanjakany mandrakizay. Mbola nanamafy izany koa ireo mpaminany.—2 Sam. 7:12, 16; Jer. 23:5, 6.

Porofo fa i Jesosy no Mesia

7. Ahoana no nahatongavan’ilay taranaka tetỳ an-tany?

7 Ilay Zanaka Lahimatoan’Andriamanitra no notendreny ho “taranaka” nampanantenaina. Avy amin’ilay “vehivavy” vadiny, na ny fandaminany any an-danitra misy an’ireo anjely, izy io. Tsy maintsy ‘namoy ny zava-drehetra’ tany an-danitra ilay Zanaka, ary nateraka ho olona lavorary. (Fil. 2:5-7; Jaona 1:14) ‘Nanaloka’ an’i Maria ny fanahy masina rehefa nafindra tao an-kibony izy io. ‘Masina sy Zanak’Andriamanitra’ àry i Jesosy rehefa teraka.—Lioka 1:35.

8. Inona no faminaniana momba ny Mesia tanteraka tamin’i Jesosy, rehefa natao batisa izy?

8 Efa voalaza ny toerana hahaterahan’i Jesosy sy ny fotoana hahatongavany ho Mesia. Teraka tao Betlehema izy. (Mika 5:2) Efa niandriandry ny Mesia ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, ka hoy ny sasany momba an’i Jaona Mpanao Batisa: “Izy angamba no Kristy?” Hoy anefa i Jaona: “Ho avy ilay mahery noho izaho.” (Lioka 3:15, 16) Niseho tamin’ny fotoana voalazan’ny faminaniana tokoa ny Mesia. (Dan. 9:25) Natao batisa mantsy i Jesosy, tamin’ny taona 29, rehefa 30 taona. Nanomboka ny fanompoany izy, ka nitory hoe: “Efa tonga ny fotoana voatondro, ary efa manakaiky ny fanjakan’Andriamanitra.”—Mar. 1:14, 15.

9. Inona no neken’ny mpianatr’i Jesosy, na dia mbola nisy zavatra tsy takany aza?

9 Nihoby an’i Jesosy ny vahoaka, satria nihevitra azy ho Mpanjaka. Mbola tsy tena takatr’izy ireo anefa fa tsy hanjaka avy hatrany izy, ary any an-danitra ny fanjakany. (Jaona 12:12-16; 16:12, 13; Asa. 2:32-36) Na izany aza, dia tsy nisalasala i Petera nilaza tamin’i Jesosy hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.” (Mat. 16:13-16) Mbola nilaza teny nitovy tamin’io i Petera, rehefa nisy mpianatra maro tafintohina tamin’ny fampianaran’i Jesosy ka nandao azy.—Vakio ny Jaona 6:66-69.

Henoy ilay Mesia

10. Nahoana i Jehovah no nilaza fa tena mila mihaino ny Zanany isika?

10 Anjely mahery i Jesosy tany an-danitra. “Solontenan’ny Ray” kosa izy teto an-tany. (Jaona 16:27, 28) Hoy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Hoy i Jehovah, rehefa niova tarehy i Jesosy: “Henoy izy.” Vao mainka izany nanamafy fa i Jesosy no Mesia. (Lioka 9:35) Mila mihaino na mankatò azy àry isika, ka maneho finoana sy manao asa tsara. Ilaina izany raha te hampifaly an’Andriamanitra sy hiaina mandrakizay.—Jaona 3:16, 35, 36.

11, 12. a) Nahoana ny Jiosy no tsy nino fa i Jesosy no Mesia? b) Iza ihany no nino an’i Jesosy?

11 Maro ny porofo fa i Jesosy no Mesia. Tsy nino azy anefa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nihevitra mantsy izy ireo fa mpitondra ara-politika ny Mesia, ka hanafaka azy amin’ny fampahorian’ny Romanina. (Vakio ny Jaona 12:34.) Tsy neken’izy ireo ho Mesia àry i Jesosy, satria natao tsinontsinona, nihatakatahan’ny olona, nijaly, nahita aretina maro, ary maty, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Isaia 53:3, 5) Na ny mpianany aza mba diso fanantenana koa, satria tsy nanafaka ny firenen’izy ireo izy. Tsy nivadika mihitsy anefa izy ireo, ka nahalala ny tena marina tatỳ aoriana.—Lioka 24:21.

12 Mbola nisy antony hafa koa tsy naneken’ny olona fa i Jesosy no Mesia. Maro no nihevitra fa hafahafa ny fampianarany. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa izay ‘mandà tena’, “mihinana” ny nofony sy ny rany, “ateraka indray”, ary “tsy anisan’izao tontolo izao” no ho tafiditra ao amin’ilay Fanjakana. (Mar. 8:34; Jaona 3:3; 6:53; 17:14, 16) Nihevitra izany ho sarotra tanterahina ireo mpanambony tena sy mpanankarena ary mpihatsaravelatsihy. Ny Jiosy nanetry tena ihany no nino fa i Jesosy no Mesia. Nisy Samaritanina koa nino azy, ka niteny hoe: “Io tokoa no mpamonjy an’izao tontolo izao.”—Jaona 4:25, 26, 41, 42; 7:31.

13. Ahoana no nampaharatra ny voditongotr’ilay taranaka?

13 Nilaza i Jesosy fa homelohin’ny lehiben’ny mpisorona izy, ary hofantsihan’ny hafa firenena amin’ny hazo fijaliana, nefa hatsangana amin’ny andro fahatelo. (Mat. 20:17-19) Nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra izy, rehefa nilaza tamin’ny Fitsarana Avo Jiosy fa “Kristy Zanak’Andriamanitra.” (Mat. 26:63-66) Nampangain’ny Jiosy ho nitaona olona hikomy koa izy, ka ‘natolotr’i Pilato mba hatao araka ny sitrapon’izy ireo’, na dia hitany aza fa “tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty.” (Lioka 23:13-15, 25) ‘Nolavin’izy ireo’ àry ilay ‘Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana’, ka novonoiny, na dia niharihary aza fa irak’Andriamanitra. (Asa. 3:13-15) ‘Novonoina’ tokoa ny Mesia, araka ny efa voalaza mialoha, ka nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo, tamin’ny Paska taona 33. (Dan. 9:26, 27; Asa. 2:22, 23) Tanteraka ny Genesisy 3:15 hoe haratra ny ‘voditongotr’ilay’ taranaka.

Nahoana no tsy maintsy maty ny Mesia?

14, 15. a) Nahoana i Jehovah no namela an’i Jesosy ho faty? b) Inona no nataon’i Jesosy taorian’ny nananganana azy?

14 Navelan’i Jehovah ho faty i Jesosy noho ny antony lehibe roa. Voalohany, nampiharihary lafiny lehibe iray tamin’ilay “zava-miafina masina” i Jesosy, rehefa tsy nivadika mandra-pahafatiny. Noporofoiny fa mahavita ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ sy manohana ny zony hitondra ny olombelona lavorary, na dia ampijalin’i Satana toy inona aza. (1 Tim. 3:16) Faharoa, nilaza i Jesosy fa ‘tonga hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro’ izy. (Mat. 20:28) Noho io “vidim-panavotana mifandanja” io, dia azo afahana amin’ny ota ny taranak’i Adama, ary afaka ny hiaina mandrakizay raha mino fa mpamonjy nirahin’Andriamanitra i Jesosy.—1 Tim. 2:5, 6.

15 Natsangana i Kristy, rehefa afaka telo andro. Niseho tamin’ny mpianany nandritra ny 40 andro izy, mba ho hitan’izy ireo fa velona, ary nanome azy ireo toromarika fanampiny. (Asa. 1:3-5) Niakatra tany an-danitra izy avy eo, ary natolony an’i Jehovah ny vidin’ny sorona sarobidy nataony. Niandry ny fotoana voatondro hanjakany izy taorian’izay, nefa tsy hoe nipetra-potsiny.

Mbola mitohy ny asan’ny Mesia

16, 17. Inona no nataon’i Jesosy, rehefa tonga tany an-danitra, ary inona no mbola hataony?

16 Nanjaka teo anivon’ny fiangonana i Jesosy nanomboka tamin’ny niakarany tany an-danitra, ka manara-maso akaiky ny asan’izy io. (Kol. 1:13) Lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, tatỳ aoriana. Tamin’ny 1914 izany no nitranga, rehefa jerena ny faminanian’ny Baiboly sy ny zava-misy eran-tany. Nanomboka teo koa ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 24:3; Apok. 11:15) Nandroaka an’i Satana sy ny demonia avy any an-danitra izy sy ireo anjely masina, tsy ela taorian’izay.—Apok. 12:7-10.

17 Efa hifarana ny asa fitoriana sy fampianarana natombok’i Jesosy tamin’ny taona 29. Hitsara ny olon-drehetra izy tsy ho ela. Hilaza amin’ireo manaiky azy ho mpamonjy izy hoe: “Mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Mat. 25:31-34, 41) Handringana an’izay tsy manaiky azy ho Mpanjaka izy sy ny tafika any an-danitra, sady hanafoana ny faharatsiana rehetra. Hofatorany i Satana sy ny demonia avy eo, ary hatsipiny ao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka.”—Apok. 19:11-14; 20:1-3.

18, 19. Inona ireo asa farany hataon’ny Mesia, ary inona no ho vokany ho an’ny olona mankatò?

18 Hamita tanteraka ny asany i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Ho “Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana” izy. (Isaia 9:6, 7) Hataony lavorary ny olona, anisan’izany ireo hatsangany amin’ny maty. (Jaona 5:26-29) Hitarika azy ireo any amin’ny “loharanon’ny ranon’aina” izy, ka ho afaka hihavana amin’i Jehovah izay rehetra mankatò. (Vakio ny Apokalypsy 7:16, 17.) Hotsapaina farany ny olona avy eo, ary ‘hatsipy mafy ao amin’ny farihy afo sy solifara’ ireo mikomy, anisan’izany i Satana sy ny demonia. Amin’izay no ho torotoro ny lohan’ilay “menarana.”—Apok. 20:10.

19 Tena hahavita tsara ny asany àry i Jesosy, ilay Mesia! Ho lasa paradisa ny tany, ary ho feno olona salama tsara sy sambatra mandrakizay. Tsy ho afa-baraka intsony ny anarana masin’i Jehovah. Ho voaporofo koa fa izy no manana ny zo hitondra. Fitahiana lehibe àry no miandry an’izay mankatò an’ilay Voahosotr’Andriamanitra!

Efa hitanao ve ny Mesia?

20, 21. Nahoana ianao no tokony hitory momba ny Mesia?

20 Nanomboka ny parosia, na fanatrehan’i Kristy, rehefa lasa Mpanjaka izy, tamin’ny 1914. Tsy hita maso ny fanatrehany, nefa miharihary satria tanteraka ireo faminaniana momba izany. (Apok. 6:2-8) Toy ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany anefa, dia maro be ny olona tsy mahalala fa efa manatrika ny Mesia. Manantena izy ireo fa ho mpitondra ara-politika ny Mesia, na hampiasa mpanao politika. Isika kosa nianatra fa efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izao i Jesosy. Tsy nahafaly antsika ve izany? Azo antoka fa nilaza toy ny mpianany isika hoe: “Efa hitanay ny Mesia!”

21 Manasongadina ny asan’ny Mesia ve ianao, rehefa mampianatra ny fahamarinana? Hahatonga anao hankasitraka kokoa an’izay efa nataony ho anao sy izay ataony ankehitriny ary mbola hataony izany. Azo inoana fa efa nitory tamin’ny havana aman-tsakaiza momba ny Mesia ianao, toa an’i Andrea sy Filipo. Miresaha indray amin’izy ireo, ary porofoy aminy fa i Jesosy Kristy tokoa ilay Mesia nirahin’Andriamanitra hamonjy antsika!

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no afaka nilaza fa izy no Mesia?

• Inona no antony lehibe roa nahafatesan’i Jesosy?

• Inona no asa mbola hataon’ny Mesia?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Ahoana no nahalalan’ny olona tamin’ny taonjato voalohany fa i Jesosy no Mesia?

[Sary, pejy 23]

Manasongadina ny asan’ny Mesia ve ianao rehefa mampianatra?