Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga Teto Amin’ny Nosy Mena ny Baiboly

Tonga Teto Amin’ny Nosy Mena ny Baiboly

Tonga Teto Amin’ny Nosy Mena ny Baiboly

EFAJATO kilaometatra atsimoatsinanan’i Afrika no misy an’i Madagasikara, ilay nosy lehibe indrindra fahefatra eran-tany. Efa fantatry ny Malagasy hatry ny ela ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, satria efa 170 taona mahery izao no nisian’ny Baiboly malagasy mirakitra io anarana io. Tena be fikirizana sy be fandavan-tena ireo nandika ny Baiboly malagasy voalohany.

Tatsy amin’ny nosy Maorisy no natomboka ny fandikana ny Baiboly tamin’ny teny malagasy. Atoa Robert Farquhar, governora anglisy tany, no nampanao ny fandikana ny Filazantsara, tamin’ny 1813. Nampirisihiny koa Radama I, mpanjakan’i Madagasikara, mba hanasa mpampianatra avy tamin’ny Fikambanan’ny Misioneran’i Londres (LMS) ho atỳ Madagasikara, ilay Nosy Mena.

Tonga tao an-tseranan’i Toamasina tamin’ny 18 Aogositra 1818 àry ny misionera galoà roa atao hoe David Jones sy Thomas Bevan, avy tatsy Maorisy. Hitan’izy ireo fa mpivavaka tamin’ny razana ny Malagasy, sady fatra-panaja lovantsofina. Nahavariana azy koa ny teny malagasy, izay avy tamin’ny teny malezianina sy polinezianina.

Nanokatra sekoly kely tao Toamasina i Jones sy Bevan, ary avy eo nalainy avy tatsy Maorisy ny vady aman-janak’izy ireo. Nampalahelo anefa fa voan’ny tazomoka ireo fianakaviana roa ireo. Maty ny vady aman-janak’i Jones tamin’ny Desambra 1818. Maty koa ry Bevan mianakavy, roa volana taorian’izay, ka i Jones sisa no velona.

Tsy nahakivy an’i Jones anefa izany. Tapa-kevitra ny hampiely ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny mponin’i Madagasikara izy. Niverina tatsy Maorisy aloha izy, mandra-pahasalamany tsara. Nanomboka nianatra teny malagasy izy tany, na dia sarotra aza izany. Tsy ela izy dia nanandrana nandika ny Filazantsaran’i Jaona.

Niverina teto Madagasikara i Jones tamin’ny Oktobra 1820. Nankatỳ Antananarivo renivohitra izy, ary nanokatra sekolin’ny misiona. Tsy nisy boky na solaitrabe na dabilio tamin’izany, kanefa tena tsara ny fandaharam-pianarana ary nazoto ireo mpianatra.

Niasa irery nandritra ny fito volana teo ho eo i Jones vao nahazo namana vaovao, dia i David Griffiths. Misionera solon’i Bevan izy io. Nanokan-tena handika ny Baiboly amin’ny teny malagasy izy roa lahy.

Natomboka ilay fandikan-teny

Ny sorabe (teny malagasy nosoratana tamin’ny tarehintsoratra arabo) ihany no soratra nisy teto, tamin’ny 1820 tany ho any. Vitsy kely anefa no nahay namaky azy io. Niresaka tamin-dRadama I àry ireo misionera, ka navelany hampiasa ny soratra romanina, fa tsy ny sorabe.

Natomboka tamin’ny 10 Septambra 1823 ilay fandikan-teny. Nandika ny Genesisy sy Matio i Jones, fa i Griffiths kosa nandika ny Eksodosy sy Lioka. Tsy nitsitsy aina mihitsy izy mirahalahy. Nampianatra tany an-tsekoly koa mantsy izy ireo ny maraina sy ny tolakandro, ary nanomana sy nitarika fotoam-pivavahana tamin’ny fiteny telo, ny faran’ny herinandro. Ilay fandikan-teny anefa no nataony vaindohan-draharaha.

Nampian’ny mpianatra 12 izy roa lahy, ka voadikany tao anatin’ny herintaona sy tapany monja ny Soratra Grika manontolo, sy ny boky maro ao amin’ny Soratra Hebreo. Voadika ny Baiboly manontolo, ny taona nanaraka. Vao savaranonando fotsiny anefa izy io, ka nila fanitsiana sy fanatsarana. Nirahina hanampy azy ireo àry ny manam-pahaizana roa momba ny fiteny, dia i David Johns sy Joseph Freeman, avy any Angletera.

Nipoitra ny olana

Nirahin’ny LMS hanangana milina fanontam-pirinty voalohany teto Madagasikara i Charles Hovenden, rehefa vita ilay fandikan-teny. Tonga tamin’ny 21 Novambra 1826 izy. Voan’ny tazomoka anefa izy ka maty, iray volana monja taorian’ny nahatongavany. Tsy vita àry ilay milina. Tonga i James Cameron, mpanao asa tanana mahay avy any Ekosy, ny taona nanaraka. Nahita boky niaraka tamin’ilay milina fanontam-pirinty izy, ka niezaka nanangana azy io. Efa nanandrana imbetsaka izy vao nahavita pirinty ampahany tamin’ny Genesisy toko voalohany, ny 4 Desambra 1827. *

Tena nanohana an’ilay asa fandikan-teny Radama I. Hoy i David Jones: “Tena tsara fanahy sy mahay mandray olona Radama Mpanjaka. Te hampandroso ny fampianarana izy, ary aminy dia sarobidy noho ny Volamena sy Volafotsy ny fampianarana ny vahoakany haharaka ny fandrosoana.” Nipoitra anefa ny olana rehefa maty Radama I tamin’ny 27 Jolay 1828. Ny vadiny, Ranavalona I, no nanjaka nandimby azy, saingy tsy dia nanohana an’ilay asa fandikan-teny izy.

Nisy mpitsidika avy tany Angletera nangataka ny hihaona tamin’ilay mpanjakavavy, mba hiresaka momba ilay asa fandikan-teny. Tsy nekena anefa ny fangatahany. Nilaza tamin’ilay mpanjaka koa ireo misionera, indray mandeha, fa mbola betsaka ny zavatra tokony hampianarin’izy ireo ny vahoaka, anisan’izany ny teny grika sy hebreo. Hoy anefa ny mpanjaka: “Tsy dia raharahaiko loatra izay teny grika sy hebreo, fa asa raha afaka mampianatra zavatra mahasoa kokoa ny vahoakako ianareo, toy ny fanaovan-tsavony, ohatra.” Takatr’ireo misionera fa mety horoahina hiala teto izy ireo, talohan’ny hahavitan’ny Baiboly malagasy. Nangataka ny homena herinandro àry i Cameron, mba hieritreretana momba ny soso-kevitry ny mpanjaka.

Nanao savony kely roa vita tamin’ny akora teto an-toerana i Cameron. Nomeny an’ireo iraky ny mpanjaka izany, ny herinandro nanaraka. Nahafaly ny mpanjakavavy ireo savony sy ny zavatra hafa nataon’ireo misionera mpanao asa tanana. Nanam-potoana àry izy ireo nanaovana pirinty ny Baiboly manontolo, afa-tsy ny boky vitsivitsy ao amin’ny Soratra Hebreo.

Gaga, avy eo diso fanantenana

Nahagaga ny didy navoakan’ny mpanjakavavy tamin’ny Mey 1831. Navelany hatao batisa izay olom-peheziny te ho lasa Kristianina. Tsy naharitra anefa izany. Hoy ilay boky hoe Tantaran’i Madagasikara (anglisy): “Nampiahiahy an’ireo manam-pahefana mpandala ny nentin-drazana ny nahita ny fitomboan’ny isan’ny vita batisa. Noresen’izy ireo lahatra ny mpanjakavavy hiaiky fa toy ny manao voady tsy hivadika amin’ny Anglisy ireo mandray ny fanasan’ny Tompo.” Norarana àry ny batisa kristianina tamin’ny faran’ny taona 1831, enim-bolana monja taorian’ny nivoahan’ilay didy.

Niezaka mafy ireo misionera hamita ny fanaovam-pirinty ny Baiboly, rehefa hitany fa niovaova hevitra ny mpanjakavavy, sady nitombo ny fahefan’ireo mpandala ny nentin-drazana tao amin’ny fitondrana. An’arivony ny Soratra Grika Kristianina efa vita pirinty sy voazara. Namoaka didy indray anefa Ranavalona I tamin’ny 1 Martsa 1835 fa raran’ny lalàna ny Fivavahana Kristianina, ary tokony hatolotra an’ireo manam-pahefana ny boky kristianina rehetra.

Tsy nahazo niasa tao amin’ilay fanontam-pirinty intsony koa ireo mpiasa malagasy. Misionera vitsy kely monja àry no namita ilay asa, ka niasa andro aman’alina mandra-pahavitan’ny Baiboly manontolo tamin’ny Jona 1835. Ela ny ela ka vita ihany ny Baiboly malagasy!

Nozaraina haingana ireo Baiboly, ary nisy 70 nalevina mba tsy hisy hamotika. Soa ihany fa natao izany satria misionera roa monja sisa no tavela teto amin’ny Nosy Mena, tamin’iny taona iny. Na izany aza, dia efa niparitaka teto ny tenin’Andriamanitra.

Tia Baiboly ny Malagasy

Faly erỳ ny Malagasy afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fiteniny! Marina fa nisy diso ilay dikan-teny, ary efa tranainy ny fiteny tao amin’izy io. Vitsy anefa ny tokantrano tsy misy Baiboly, ary maro no mamaky azy io tsy tapaka. Tsara homarihina fa miverina imbetsaka ao amin’ilay dikan-teny ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny Soratra Hebreo. Hita ao amin’ny Soratra Grika koa ilay anarana. Fantatry ny Malagasy maro àry ny anaran’Andriamanitra.

Hitan’Atoa Baker, mpanao pirinty, ny hafalian’ny Malagasy raha vao nisy vita pirinty ny Soratra Grika. Hoy izy: “Tsy hoe mpaminany akory aho, kanefa inoako fa tsy ho fongotra eto amin’ity nosy ity ny tenin’Andriamanitra!” Marina tokoa ny teniny. Tsy nisy nahasakana ny fielezan’ny Tenin’Andriamanitra teto Madagasikara na ny tazomoka, na ny fianarana fiteny sarotra, na ny fandraran’ny mpanjaka.

Vao mainka miely izao ny Baiboly. Navoaka tamin’ny 2008 mantsy ny Baiboly manontolo hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny malagasy. Fandrosoana lehibe no vita, satria maoderina sy mora azo io dikan-teny io. Vao mainka àry mafy orina eto amin’ny Nosy Mena ny Tenin’Andriamanitra.—Isaia 40:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Ny Didy Folo sy ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo no ampahany tamin’ny Baiboly natao pirinty voalohany tamin’ny teny malagasy tatsy Maorisy, tamin’ny Aprily/Mey 1826. Ny fianakavian-dRadama Mpanjaka sy ny manam-pahefana sasany ihany anefa no nahazo tamin’izany.

[Sary, pejy 31]

Manome voninahitra an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny teny malagasy