Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Atao Nefa Faly Manompo An’Andriamanitra

Be Atao Nefa Faly Manompo An’Andriamanitra

Be Atao Nefa Faly Manompo An’Andriamanitra

TIAN’I Jehovah ho faly ianao. (Sal. 100:2) Mpanompony ianao, ka azo inoana fa be atao. Toa mahatsiaro ho tototry ny andraikitra kristianina sy andraikitra hafa anefa ianao izao, fa tsy toy ny tamin’ianao vao nanokan-tena ho an’Andriamanitra. Mety hanamelo-tena mihitsy aza ianao rehefa misy tsy vitanao izay nokasainao hatao. Inona no azonao atao mba hahaizanao handanjalanja sy hanananao foana an’ilay “fifaliana avy amin’i Jehovah”?—Neh. 8:10.

Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika sady tototry ny olana, ka mila mahay mandamin-javatra. Mety tsara àry ity torohevitry ny apostoly Paoly ity: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.”—Efes. 5:15, 16.

Ahoana àry no hanananao tanjona azo tratrarina, nefa mbola hahita fotoana hianarana samirery, hikarakarana tokantrano, hanompoana, hiasana, ary hanaovana zavatra hafa?

Tsaroanao ve ny fifalianao tamin’ianao nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa? Mety ho nianatra mafy nandritra ny volana maro ianao, vao nahalala an’i Jehovah sy ny fikasany. Nahafaly anao anefa izany, ary tsy very maina ny ezaka nataonao, satria nihatsara ny fiainanao.

Mila misakafo ara-panahy tsy tapaka ianao raha te ho faly foana. Alamino ny fotoananao raha sarotra aminao ny mahita fotoana hamakiana sy hianarana Baiboly. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao, na dia minitra vitsy monja isan’andro aza no atokanao hianarana sy hisaintsainana. Azo antoka fa hampitombo ny fifalianao izany.

Mahay manararaotra tsara ny fotoana ny ankamaroan’ny Kristianina, ka izay zava-dehibe kokoa no ampiasany ny fotoanany. Saintsaino izao: ‘Adiny firy no laniko hamakiana gazety tsy ara-pivavahana na gazetiboky, hijerena tele, hihainoana hira, na hialana voly?’ Hahafinaritra ireo raha lanjalanjaina tsara. (1 Tim. 4:8) Miezaha handamina ny fandaharam-potoananao, raha tsapanao fa tsy mahay mandamim-potoana ianao.

Anti-panahy manambady i Adam, ary manan-janaka telo. Nohazavainy hoe inona no nanampy azy. Hoy izy: “Miezaka ny hanana fiainana tsotra aho. Tsy manao fialam-boly mandany fotoana be aho ary tsy mitady hanana zavatra mila fikarakarana be. Tsy hoe mampijaly tena akory aho, fa fialam-boly tsotsotra fotsiny no tiako.”

Ho faly indray ianao ary tsy ho kivikivy mihitsy, raha misaintsaina ny vokatra tsara azonao noho ny fanapahan-kevitra noraisinao. Hoy, ohatra, i Mariusz, anti-panahy manan-janaka telo: “Lasa be fanantenana aho, rehefa nianatra Baiboly. Misy ihany ny olana, ary i Jehovah irery no mahalala ny ankamaroany. Manohana ahy anefa izy ka lasa mibanjina ny hoavy amim-pifaliana aho.”

Asehon’izay nitranga tamin’i Mariusz fa tsy hoe ho foana ny fanahiana raha be fanantenana. Ho hainao kosa ny hiatrika olana ary hahafinaritra kokoa ny fiainanao. Hoy ny Baiboly: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.” (Ohab. 15:15) Saintsaino koa ny fitiavana efa nasehon’Andriamanitra taminao. Hitombo ny fitiavanao azy sy ny fifalianao raha manao izany ianao.—Mat. 22:37.

Vao mainka ho faly ny mpianakavy raha i Jehovah sy ny sitrapony no ataon’izy ireo loha laharana. Tsy dia hisy ny fifandirana ary hifankatia sy ho faly kokoa ny mpianakavy, raha samy manana toetra kristianina. Tena hanjaka ao an-trano ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina amin’izay.—Sal. 133:1.

Mampitombo fifaliana koa ny fiarahan’ny fianakaviana manao zavatra mifandray amin’ny fivavahana. Hoy ihany i Mariusz: “Sarobidy amiko ny fotoana hiarahanay mianakavy. Tena manohana ahy ny vadiko. Miaraka amiko foana izy rehefa afaka, na eny amin’ny fanompoana izany, na rehefa manadio kianja hanaovana fivoriambe, na rehefa manao lahateny any amin’ny fiangonana hafa aho. Mampahery ahy izany.”

Mandidy ny Kristianina mba hanome izay ilain’ny ankohonany ny Soratra Masina. (1 Tim. 5:8) Raha mandany fotoana sy manasatra loatra anefa ny asa fivelomana, dia tsy hahafaly anao intsony ny manompo an’i Jehovah. Mivavaha aminy raha izany no mitranga. (Sal. 55:22) Hitan’ny sasany fa nila niova asa izy mba ho loha laharana eo amin’ny fiainany ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy tokony hanaiky hohajambain’ny vola ny Kristianina ka ho variana amin’ny asa manasatra be. Hahatonga azy hanadino ny zava-dehibe kokoa izany, dia ny fanompoany an’Andriamanitra.—Ohab. 22:3.

Tsara angamba raha soratanao ny lafy tsarany sy lafy ratsin’ny asanao, na ny asa kasainao hatao. Marina fa tsara ny asa be karama sy mahafa-po. Moa ve anefa ny asanao ahafahanao mikarakara izay ilain’ny fianakavianao eo amin’ny lafiny ara-panahy? Mandiniha tsara àry, ka mandraisa fanapahan-kevitra izay hahatonga ny fanompoanao an’i Jehovah ho loha laharana.

Raha tsy manatsara ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny asanao izao, dia manaova fanovana. Maro ny Kristianina nanao fanovana lehibe mba hananany fotoana hanaovan-javatra mifandray amin’ny fanompoana. Hoy ny rahalahy iray any Polonina: “Tsy maintsy nialako ilay orinasa niasako, satria tsy teo matetika aho fa nanao dia lavitra. Tsy nanana fotoana ampy hanompoana an’Andriamanitra sy hikarakarana tsara ny fianakaviako aho.” Asa tsy dia mandany fotoana sy tsy dia mandreraka izao no ataony.

Faly rehefa manampy ny hafa

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, hoy i Jesosy. (Asa. 20:35) Maro ny fomba azon’ny Kristianina anomezana. Tsikitsiky kely na fandraisan-tanana fotsiny indraindray dia efa mahafaly ny andaniny sy ny ankilany. Azo isaorana amim-pahatsorana koa ny olona iray noho ny ezaka mafy nataony, mba hanatontosana andraikitra eo anivon’ny fiangonana.

Nampirisika ny Kristianina toa azy ny apostoly Paoly mba “hanao teny mampahery ny kivy” sy “hanohana ny malemy.” (1 Tes. 5:14) Mety ho tsapan’ny olona kivy fa tsy ho vitany irery ny hiatrika ny olana mahazo azy. Afaka manampy azy ireny ve ianao? Ampaherezo ny rahalahinao, raha hitanao fa tsy mahita fifaliana amin’ny fanompoana izy. Hampahery anao koa izany. Marina fa tsy ho voavahantsika mihitsy ny olana sasany. Afaka miara-miory aminy anefa ianao, ary mampirisika azy hitoky amin’i Jehovah satria tsy manary antsika mihitsy izy. Tsy ho diso fanantenana mihitsy izay manao izany.—Sal. 27:10; Isaia 59:1.

Azo atao koa ny manasa an’ilay Kristianina kivy hiara-manompo aminao. Nirahin’i Jesosy handeha “tsiroaroa” ny mpianany 70. (Lioka 10:1) Nahoana? Tsy mba hahafahan’izy ireo hifampahery ve? Azonao atao koa ve ny miara-manompo amin’ilay Kristianina kivy, mba hanampiana azy hahita fifaliana indray?

Maro ny zavatra mety hampanahy antsika. Nampirisika antsika anefa i Paoly hoe: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo, eny, hoy indray aho: Mifalia!” (Fil. 4:4) Lasa misy heviny ny fiainanao, satria tia an’Andriamanitra sy mankatò azy ianao ary mazoto foana manao ny asa ampanaoviny. Mahafaly anao izany. Ambonin’izany, dia manampy anao hiatrika ny olana tsy maintsy atrehinao i Jehovah.—Rom. 2:6, 7.

Manam-pinoana isika, ka hitantsika fa efa tena akaiky ilay tontolo vaovaon’i Jehovah. Hitondra fitahiana sy fifaliana maro izy io. (Sal. 37:34) Tokony ho miramirana isika ka tsy hanadino fa tena mitahy antsika i Jehovah, na dia amin’izao fotoana izao aza. Afaka ‘manompo [azy] amim-pifaliana’ àry isika.—Sal. 100:2.

[Kisary, pejy 8]

(Jereo ny gazety)

Ilainao angamba ny mitsinjara tsara ny fotoananao raha te ho faly foana ianao

FIALAM-BOLY

FIKARAKARANA TOKANTRANO

ASA

FIVORIANA

FIANARANA SAMIRERY

FANOMPOANA

[Sary, pejy 10]

Afaka manampy olon-kafa ve ianao mba hahitany fifaliana indray?