Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola “Hitady” Kely Ihany

Mbola “Hitady” Kely Ihany

Mbola “Hitady” Kely Ihany

NANOMBOKA niboboka toaka i Mika tamin’izy 11 taona. * Nilalao tany an’ala izy sy ny namany, ary naka tahaka an’izay hitany tamin’ny filma. Naka tahaka fotsiny ry zareo, saingy tena toaka no nosotroiny.

Nitombo tsikelikely ny toaka nosotroin’i Ndriana, tamin’izy 40 taona. Iray na roa vera isan-kariva izany, nefa lasa dimy na enina vera. Tsy fantany intsony tatỳ aoriana ny habetsahan’izay laniny isan’andro.

Nitady fanampiana i Mika. Tsy nanaiky hampian’ireo havana aman-tsakaiza be fitiavana kosa i Ndriana. Mbola velona i Mika ka afaka mitantara ny fiainany. Matin’ny lozam-pifamoivoizana kosa i Ndriana, taona vitsivitsy lasa izay, tamin’izy avy nisotro be loatra.

Na miboboka toaka * irery aza ny olona iray, dia hisy vokany eo amin’ny hafa foana izany, ary mety ho ratsy be. * Matetika ny olona miboboka toaka no mikasi-tanana sy tsy mahafehy ny lelany, mandratra sy mamono, tratran’ny loza any am-piasana sy lozam-pifamoivoizana, ary voan’ny aretina maro. Lany vola an’arivony tapitrisa dolara isan-taona ny fiaraha-monina, vokatry ny fibobohan-toaka. Manginy fotsiny ny voka-dratsiny eo amin’ilay olona sy eo amin’ny toe-pon’ny hafa, anisan’izany ny fianakaviany sy ny zanany.

“Tsy izay rehetra zatra misotro [anefa] no manana olana amin’ny toaka, ary tsy izay rehetra manana olana amin’ny toaka no misotro isan’andro”, hoy ny Fikambanana Amerikanina Misahana ny Fahasalamana. Maro amin’ny olona mbola tsy miankin-doha amin’ny toaka no tsy tonga saina akory hoe efa lasa zatra misotro be loatra. Ny hafa indray mahalana vao misotro, nefa tonga dia miboboka.

Raha mifidy ny hisotro ianao, ahoana no ahalalanao fa be loatra ny laninao? Ahoana no ahafantaranao fa tsy mety intsony raha mbola ‘mitady’ kely ihany ianao? (Ohabolana 23:29, 30) Manome torohevitra mahasoa momba izany ireo lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Labiera sy divay ary toaka mahery hafa no tiana holazaina amin’ny hoe “toaka” ato.

^ feh. 5 Ny lehilahy matetika no mora miankin-doha amin’ny toaka. Natao ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy anefa ny torohevitra ato.