Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mandanjalanja ny Toaka Sotroinao

Mahaiza Mandanjalanja ny Toaka Sotroinao

Mahaiza Mandanjalanja ny Toaka Sotroinao

NETY ho hafa mihitsy ny fiainan’i Ndriana, ilay voaresaka tany aloha, raha mba niaiky izy fa nanana olana amin’ny fisotroana. Nihevitra anefa izy fa voafehiny tsara ny fiainany, satria toa nahazaka toaka betsaka ihany izy. Nahoana izy no diso hevitra?

Tsy nisaina tsara intsony i Ndriana noho ny fisotroana tafahoatra. Izao no marina, na fantany na tsia: Ny atidohany mihitsy, izany hoe ny taova mibaiko ny fihetsiny sy ny fisainany ary ny fihetseham-pony, no tsy niasa tsara rehefa vonton’ny toaka. Vao mainka tsy fantany ny tena nanjo azy arakaraka ny nisotroany.

Diso hevitra koa i Ndriana satria tsy te hiala amin’ny toaka. Tamin’ny voalohany i Mika, ilay voaresaka tany aloha, dia tsy niaiky hoe manana olana amin’ny fisotroana. Hoy izy: “Nafeniko hoe nisotro aho, ary nitady fialana aho rehefa tratra. Nodiako tsy hita hoe efa nisotro tafahoatra aho. Tsy te hiala fotsiny aho, ka niaro tena foana.” Samy nihevi-tena ho tsy nanana olana i Ndriana sy Mika, nefa efa hitan’ny olona hoe nofehezin’ny toaka. Nila nanao zavatra izy ireo. Inona anefa izany?

Manaova zavatra!

Maro tamin’ireo afaka tamin’ny toaka no nanaraka an’ity tenin’i Jesosy ity: “Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao. Fa mahasoa anao kokoa ny hamoy rantsambatana iray, toy izay ny vatanao manontolo no hatsipy any amin’ny Gehena.”—Matio 5:29.

Tsy te hilaza i Jesosy hoe tapaho ny rantsambatanao. Nampiasa an’ireo teny an’ohatra ireo kosa izy mba hanamafisana fa tokony ho vonona hanaisotra an’izay rehetra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika. Mety ho mafy be izany nefa hisakana antsika tsy hieritreritra na hanao zavatra mety hahatonga antsika hisotro tafahoatra. Manaova zavatra àry raha efa nisy nilaza taminao hoe be loatra ny toaka sotroinao. * Tokony ho vonona ny tsy hisotro intsony ianao, raha hitanao fa tsy voafehinao mihitsy ny toaka. Mafy izany, nefa aleo lavitra manao an’izany toy izay hanimba ny fiainanao.

Mitady hisotro tafahoatra ve ianao na dia tsy miankin-doha amin’ny toaka aza? Ahoana àry no hahaizanao mandanjalanja?

Aiza no hahazoana fanampiana?

1. Matokia fa misy heriny ny vavaka matetika sy avy amin’ny fo. Manoro hevitra an’ireo rehetra te hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly hoe: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Inona no azonao lazaina amin’ny vavaka mba hananana an’izany fiadanan-tsaina izany?

Ekeo amim-pahatsorana aloha hoe manana olana amin’ny fisotroana ianao, ary ianao ihany no tompon’andraikitra amin’ilay izy. Hotahin’Andriamanitra ianao raha milaza aminy izay kasainao hatao, ary miezaka mitady fanampiana sy manalavitra izay olana mety hitranga. “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.” (Ohabolana 28:13) Nilaza i Jesosy fa afaka mivavaka isika hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Matio 6:13) Ahoana anefa no hanaovanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka toy izany? Aiza no hahazoanao valim-bavaka?

2. Manovoza hery avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ... ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Hebreo 4:12) Nanampy olona maro mpiboboka toaka ny famakiana sy fisaintsainana andinin-teny vitsivitsy isan’andro. Hoy ny mpanao salamo iray matahotra an’Andriamanitra: ‘Sambatra ny olona tsy mandeha araka ny torohevitry ny ratsy fanahy. Fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina. Hahomby daholo izay ataony.’—Salamo 1:1-3.

Nahavita niala tamin’ny toaka i Mika rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Azoko antoka fa efa maty aho hoatr’izay, raha tsy nanampy ahy hiala tamin’ny toaka ny Baiboly sy ny toro lalany.”

3. Mahaiza mifehy tena. Milaza ny Baiboly fa voasasa madio “tamin’ny fanahin’Andriamanitsika”, ireo mpimamo lasa Kristianina. (1 Korintianina 6:9-11) Anisan’ny nanampy azy ireo hiala tamin’ny fibobohan-toaka sy ny lanonana feno filibana ny fifehezan-tena. Manampy hanana an’io toetra io ny fanahy masin’Andriamanitra. “Aza mba mamon-divay, fa mitarika ho amin’ny filibana izany. Fa aoka kosa ianareo ho feno fanahy masina hatrany.” (Efesianina 5:18; Galatianina 5:21-23) Nampanantena i Jesosy Kristy fa ‘hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy ilay Ray any an-danitra.’ “Mangataha foana [àry] dia homena” ianao.—Lioka 11:9, 13.

Afaka mifehy tena ireo maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah, raha mamaky sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary mivavaka matetika sy avy amin’ny fo. Aza milavo lefona fa matokia an’ity fampanantenan’ny Baiboly ity: ‘Izay mamafy ho an’ny fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy. Koa aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.’—Galatianina 6:8, 9.

4. Miaraha amin’ny namana tsara. “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” (Ohabolana 13:20) Ilazao ny namanao hoe efa nanapa-kevitra ny hitandrina ianao rehefa misotro. Mampitandrina anefa ny Baiboly hoe rehefa miala amin’ny ‘fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, ary ny fifaninanana misotro’ ianao, dia ho “very hevitra” ny namanao taloha, ka ‘hanevateva anao tsy misy farany.’ (1 Petera 4:3, 4) Miezaha àry hisaraka tanteraka amin’ireo olona mety hanelingelina ny ezaka ataonao.

5. Fero ny habetsahany. “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Hankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fiainanao raha ny toro lalan’ny Baiboly no avelanao hametra ny habetsahan’ny toaka hosotroinao, fa tsy ny namanao na “ity tontolo ity.” Ahoana anefa no ahalalanao izay sahaza anao?

Efa be loatra ny toaka laninao raha tsy afaka misaina tsara intsony ianao. Raha mifidy ny hisotro àry ianao, dia aza atao anjoanjo fotsiny ilay fetra eritreretinao, fa ataovy hentitra tsara. Ekeo fa manana olana amin’ny fisotroana ianao. Fero tsara ny habetsahan’ny toaka hosotroinao, ary aza atao manakaiky ny habetsahana toaka mety hahamamo anao izany.

6. Mahaiza mandà. “Fa aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.” (Matio 5:37) Mahaiza mandà amim-panajana, raha mampirisika anao tsy an-kijanona hisotro toaka ny olona tsara fanahy saingy diso hevitra. ‘Aoka [àry] ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainao, mba ho fantatrao izay tokony havalinao ny olona tsirairay.’—Kolosianina 4:6.

7. Mangataha fanampiana. Mitadiava namana vonona hanampy anao ho tapa-kevitra kokoa hitandrina amin’ny fisotroana, sady afaka manatanjaka ny finoanao. “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony. Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.” (Mpitoriteny 4:9, 10; Jakoba 5:14, 16) Manoro hevitra toy izao koa ny Fikambanana Miady Amin’ny Fisotroana Tafahoatra, any Etazonia: “Mety ho mafy be ny miala amin’ny toaka. Iangavio hanampy anao hanatratra ny tanjonao ny havanao sy ny namanao.”

8. Aza miovaova hevitra. ‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany, ka hamita-tena amin’ny fiheveran-diso. Fa izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra izy rehefa mankatò.’—Jakoba 1:22, 25.

Fialana amin’ny toaka

Tsy izay rehetra misotro tafahoatra no lasa miankin-doha amin’ny toaka. Miboboka toaka na misotro matetika loatra anefa ny olona sasany ka lasa andevoziny. Lasa mitady an’ilay fangaron-javatra mahery ao amin’ny toaka ny vatany sy ny sainy, ka na tena vonona hiala aza izy, ary mety ho efa misy manampy azy hanana finoana matanjaka, dia tsy ampy izany. Hoy i Mika: “Nanaintaina be aho tamin’izaho niala tamin’ny toaka. Teo vao tsapako fa nila fitsaboana aho, ankoatra ny fanampiana ahy mba hatanjaka ara-panahy.”

Mpisotro toaka maro no mila ny fanampian’ny dokotera, mba hialany amin’ny fisotroana tafahoatra sy tsy hiverenany amin’izany intsony. * Mila ampidirina hopitaly ny sasany mba hahazakany ny fanaintainana mafy vokatry ny fialana amin’ny toaka. Mila fanafody kosa ny hafa mba hampihenana ny faniriana mafy hisotro toaka sy hanampiana azy tsy hisotro intsony. Hoy ilay Zanak’Andriamanitra mpanao fahagagana: “Tsy ny matanjaka no mila dokotera, fa ny marary.”—Marka 2:17.

Mahasoa ny manaraka ny toromarik’Andriamanitra

Mirakitra torohevitra mahasoa momba ny toaka ny Baiboly, ary avy amin’ilay tena Andriamanitra izy ireny. Mitady izay hahasambatra antsika izy, tsy ankehitriny ihany fa ho mandrakizay mihitsy. Hoy i Mika, 24 taona taorian’ny nialany tamin’ny toaka: “Tena faly aho nahalala hoe afaka nanao fiovana, sy hoe naniry hanampy ahy hanitsy ny fiainako i Jehovah sady...” Saika nirotsaka ny ranomasony rehefa nitamberina tao an-tsainy ny lasa. Nisento izy ary nanohy hoe: “Takatr’i Jehovah ny manjo ny olona ary mikarakara sy manome ny fanampiana ilainy izy. Toa tsy mampino izany!”

Aza mora kivy àry na mihevitra fa tsy misy antenaina intsony ny aminao, raha andevozin’ny toaka ianao na misotro be loatra. Mitovy amin’izay nanjo an’i Mika sy ny olon-kafa maro ny manjo anao izao. Nahavita nifehy ny fisotroany anefa izy ireny, na afaka tanteraka tamin’izany. Tsy nanenina izy ireo, ary tsy hanenina koa ianao!

Na mifidy ny hisotro araka ny antonony ianao, na mifidy ny tsy hisotro mihitsy, dia araho izao fiangaviana feno fitiavana avy amin’Andriamanitra izao: “Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!”—Isaia 48:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ilay efajoro hoe  “Fehezin’ny Toaka ve Ianao?”, eo amin’ny pejy 8.

^ feh. 24 Maro ny toeram-pitsaboana sy hopitaly ary fomba fitsaboana hafa, afaka manampy ny olona hiala amin’ny toaka. Tsy manohana fitsaboana manokana Ny Tilikambo Fiambenana. Mila mandinika tsara an’izay fomba fitsaboana fidiny ny tsirairay, ka handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

 Fehezin’ny Toaka ve Ianao?

Mety ho azonao eritreretina izao:

• Nitombo ve ny habetsahan’ny toaka fisotroko?

• Misotro matetika kokoa noho ny taloha ve aho?

• Mihamahery ve ny toaka sotroiko?

• Misotro toaka ve aho mba hizakana adin-tsaina na mba hamonoana eritreritra?

• Efa nisy namako na fianakaviako ve nilaza fa mampanahy azy ny fisotroako toaka?

• Efa nanana olana tamin’ny fisotroana ve aho tao an-trano, na tany am-piasana, na rehefa nanao dia lavitra?

• Mafy amiko ve ny tsy misotro toaka mandritra ny herinandro?

• Tsy azoazoko ve ny aiko rehefa mahita olona mifady toaka aho?

• Afeniko ve ny habetsahan’ny toaka sotroiko?

Manaova zavatra mba hifehezana ny fahazaranao misotro, raha nisy hoe eny ny valin-teninao tamin’ireo fanontaniana ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Mahaiza Manapa-kevitra Rehefa Hisotro

Eritrereto ireto alohan’ny hisotroana:

Mety amiko ve ny misotro toaka sa tokony hifady aho?

Torohevitra: Tokony hifady ianao raha tsy mahafehy tena.

Manao ahoana ny habetsahan’ny toaka tokony hosotroiko?

Torohevitra: Fero ny toaka hosotroinao dieny mbola misaina tsara ianao.

Rahoviana aho no hisotro toaka?

Torohevitra: Tsy tokony hisotro ianao rehefa hitondra fiara, na hanao zavatra ilana fifantohana, na hanao zavatra mifandray amin’ny fivavahana, na rehefa mitondra vohoka, na rehefa mihinana fanafody sasany.

Aiza aho no hisotro?

Torohevitra: Tsy any amin’ny toerana takontakona na eo imason’ireo tsy tia mahita olona misotro toaka, fa any amin’ny toerana azo antoka.

Iza no hiarahako misotro?

Torohevitra: Miaraha amin’ny namana tsara na fianakaviana, fa tsy amin’ny mpisotro toaka.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Nanampy Mpisotro Toaka Iray ny Tenin’Andriamanitra

Mpiboboka toaka i Supot, any Tailandy. Isan-kariva ihany izy no nisotro, tamin’ny voalohany. Lasa nisotro koa anefa izy ny maraina, ary tatỳ aoriana dia nisotro koa rehefa antoandro. Matetika izy no nisotro mba ho mamo fotsiny. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy avy eo. Nianaran’i Supot fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fimamoana, ka tsy nisotro intsony izy. Niverina nisotro indray anefa izy, taoriana kelin’izay. Kivy be ny fianakaviany.

Mbola tia an’i Jehovah anefa i Supot ary naniry hahazo ny fankasitrahany. Nanampy azy foana ny namany. Nampirisihin’izy ireo ny fianakavian’i Supot mba hanokana fotoana bebe kokoa hiarahana aminy, ary tsy ho kivy. Mazava tsara ny voalazan’ny 1 Korintianina 6:10 hoe ‘tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny mpimamo.’ Nanampy an’i Supot izany mba hahatsapany hoe tena nanana olana lehibe izy, ka nila niezaka mafy mba hiala amin’ny fahazarany misotro.

Vonona ny hiala tanteraka amin’ny toaka i Supot, tamin’izay. Nahazo hery izy ary nahavita tsy niankin-doha tamin’ny toaka intsony. Nanampy azy ny fianakaviany sy ny mpiara-mivavaka aminy, ary teo koa ny fanahy masina sy ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. Faly be ny fianakaviany rehefa nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa izy. Tanteraka izao ilay fanirian’i Supot hatramin’izay, dia ny hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Mampiasa ny fotoanany hanampiana ny hafa hanao toy izany koa izy.