Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Taiza ny lalan’ny apostoly Paoly tamin’ny diany voalohany ho any Roma?

Lazain’ny Asan’ny Apostoly 28:13-16 fa niantsona tao Potioly (Pouzzoles ankehitriny), any amin’ny Helodranomasin’i Naples, ny sambo nitondra an’i Paoly ho any Italia. Nanaraka ny Lalana Apianina i Paoly, avy eo, mba hankanesana any Roma.

Nanomboka nanamboatra an’io lalambe io ilay manam-pahefana romanina atao hoe Appius Caecus tamin’ny 312 Talohan’i Kristy, ary avy tamin’ny anarany ny anaran’ilay lalambe. Vato lehibe no nanaovana an’io lalana rarivato io. Dimy na enina metatra eo ho eo ny sakany. Tonga hatrany amin’ny 583 kilaometatra any atsimoatsinanan’i Roma izy io, ary mampitohy an’i Roma amin’i Brundisium (Brindisi ankehitriny), izay misy seranana ahafahana miantsinanana. Misy toerana fijanonana isaky ny 24 kilaometatra eo ho eo, ary teny ny mpanao dia lavitra no nividy vatsy, na natory, na nanova soavaly sy fitaovam-pitaterana.

Nety ho nandeha an-tongotra anefa i Paoly, ary namakivaky 212 kilaometatra tamin’ny Lalana Apianina. Nandalo teo amin’ny honahonan’i Pontins ilay lalana nandehanany. Mando lava ilay faritra, ka nahatonga mpanoratra romanina iray hitaraina hoe be moka sy maimbo tao. Miala 65 kilaometatra eo ho eo avy ao Roma ny Tsenan’i Apio, ary 50 kilaometatra eo ho eo kosa ny Tranombahiny Telo. Samy teo avaratr’ilay honahona no nisy azy ireo. Niandry an’i Paoly teo amin’ireo toerana roa ireo ny Kristianina avy ao Roma. “Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vao nahita [azy ireo], ary nihanahery.”—Asan’ny Apostoly 28:15.

Toy inona ilay takela-kazo fanoratana resahin’ny Lioka 1:63?

Resahin’ny Filazantsaran’i Lioka fa nanontanian’ny namany i Zakaria hoe iza no ho anaran-janany. “Nangataka takela-kazo i Zakaria ka nanoratra hoe: ‘Jaona no anarany.’ ” (Lioka 1:63) Natao hanoratana ny takela-kazo toy izany ary nohosorana savoka ilay faritra azo anoratana. Nampiasa fitaovana fanoratana ny olona mba hanoratana teo amin’ilay takelaka. Azo fafana ilay soratra, ary averina hosorana savoka ilay takelaka mba ho azo ampiasaina indray.

Hoy ny boky Famakiana sy Fanoratana Tamin’ny Andron’i Jesosy (anglisy): “Maro no nampiasa takela-kazo, araka ny asehon’ny sary hoso-doko tany Pompéi, sy ny sary sokitra tany amin’ny faritra samihafa nanjakan’ny Romanina, ary ireo zavatra nofongarina tany amin’ny toerana maro tany Ejipta ka hatrany amin’ny Rindrim-ben’i Hadrien [Grande-Bretagne Avaratra].” Nety ho nampiasa azy ireny ny olona samihafa, anisan’izany ny mpivarotra sy ny manam-pahefana, ary angamba aza ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany.

[Sary, pejy 11]

Lalana Apianina

[Sary, pejy 11]

Takela-kazo misy savoka, fampiasan’ny mpianatra tamin’ny taonjato faha-2

[Sary nahazoan-dalana]

By permission of the British Library