Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Mila Manokan-tena ho An’i Jehovah?

Nahoana Ianao no Mila Manokan-tena ho An’i Jehovah?

Nahoana Ianao no Mila Manokan-tena ho An’i Jehovah?

‘Nisy anjelin’ilay Andriamanitra tompoko nitsangana teo anilako halina.’—ASA. 27:23.

1. Inona no dingana efa nataon’ireo hatao batisa, ary inona avy no fanontaniana aterak’izany?

“MIORINA amin’ny soron’i Jesosy Kristy, moa ve ianao nibebaka noho ireo fahotanao ka nanokana ny tenanao ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?” Io no anisan’ireo fanontaniana roa valian’ireo hatao batisa, amin’ny faran’ny lahatenin’ny batisa. Nahoana ny Kristianina no mila manokan-tena ho an’i Jehovah? Inona no soa azo avy amin’izany? Nahoana isika no tsy maintsy manokan-tena ho an’Andriamanitra raha te hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany? Mba hamaliana izany, dia andeha aloha hodinihintsika ny dikan’ny hoe manokan-tena.

2. Inona no dikan’ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah?

2 Inona no dikan’ny hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra? Mariho izay nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. “Andriamanitra tompoko”, hoy izy teo anoloan’ireo niaraka taminy tao amin’ilay sambo efa ho rendrika. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 27:22-24.) Fananan’i Jehovah ny tena Kristianina rehetra. Izao tontolo izao kosa “eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Lasa fananan’i Jehovah ny Kristianina, rehefa ekeny ny fanokanan-tena ataon’izy ireo amim-bavaka. Voady ataon’ny tsirairay ny fanokanan-tena toy izany. Atao batisa anaty rano ilay olona aorian’izay.

3. Inona no dikan’ny batisan’i Jesosy, ary inona no ataon’ny mpanara-dia azy mba hanahafana azy?

3 Nanome modely ho antsika i Jesosy rehefa nifidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Efa voatokana ho an’Andriamanitra i Jesosy, satria teraka teo anivon’ny firenena voatokana ho an’Andriamanitra, dia ny firenen’ny Israely. Nanao zavatra mihoatra noho izay notakin’ny Lalàna anefa i Jesosy rehefa natao batisa. Lazain’ny Baiboly fa niteny izy hoe: “Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!” (Heb. 10:7; Lioka 3:21) Ny batisan’i Jesosy àry dia midika fa nanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony izy. Manao toy izany koa ny mpanara-dia azy rehefa atao batisa. Ny batisan’izy ireo anaty rano anefa dia mampiseho amin’ny besinimaro fa efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra tamim-bavaka izy.

Ny soa azon’ireo manokan-tena

4. Mila manaiky hanao inona ny mpinamana, rehefa jerena ny fisakaizan’i Davida sy Jonatana?

4 Tena raharaha lehibe ny fanokanan-tena, fa tsy fifanekena fotsiny. Nahoana anefa isika no handray soa raha manokan-tena? Diniho ange ny soa azo rehefa manao fifanekena amin’olona e! Raha te handray soa avy amin’ny fananana namana, ohatra, ianao, dia mila manaiky ny adidy aterak’izany. Anisan’izany ny hoe mila miahy an’ilay namanao ianao. Resahin’ny Baiboly fa tena niavaka ny fisakaizan’i Davida sy Jonatana. Nanao fifanekena mihitsy aza izy roa lahy. (Vakio ny 1 Samoela 17:57; 18:1, 3.) Vitsy ny mpinamana hahavita hatramin’ny hoe hanao fifanekena. Mihamifankatia anefa ny mpinamana, raha samy mahatsapa ny adidiny hifanao soa.—Ohab. 17:17; 18:24.

5. Mila manao inona ny mpanompo raha te handray soa maharitra avy amin’ny tompony tsara fanahy?

5 Mandray soa koa ny olona iray rehefa manao fifanarahana amin’ny hafa, araka ny hita tamin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita. Ho voaro, ohatra, ny mpanompo, raha manao fifanarahana maharitra amin’ny tompony tsara fanahy, ary manaiky ho fananany mandrakizay. Hoy ny Lalàna: “Raha manizingizina anefa izy hoe: ‘Tena tiako ny tompoko sy ny vady aman-janako, ka tsy te hiala aho ary tsy te ho olona afaka’, dia hoentin’ny tompony manatona an’Andriamanitra izy, ka hankininy eo amin’ny varavarana na eo amin’ny tolàna, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.”—Eks. 21:5, 6.

6, 7. a) Inona no soa azon’ny olona manao fifanekena? b) Inona no ampianarin’izany antsika momba ny fifandraisana amin’i Jehovah?

6 Tena manan-danja koa ny fifaneken’ny mpivady, satria olona no anaovana fifanekena fa tsy taratasy. Tsy ho azo antoka mihitsy ny fiainan’ny olon-droa miray trano nefa tsy misoratra, ary ho toy izany koa ny an’ny zanany. Ho voatosika handamina amim-pitiavana ny olana mitranga kosa ireo mpivady ara-dalàna nifanaiky hanefa ny voadiny, satria izany no takin’ny Soratra Masina.—Mat. 19:5, 6; 1 Kor. 13:7, 8; Heb. 13:4.

7 Nandray soa ny olona fahiny satria nanao fifanarahana teo amin’ny resaka varotra sy asa. (Mat. 20:1, 2, 8) Mandray soa koa, ohatra, isika raha manao fifanarahana an-tsoratra, alohan’ny hanaovana raharaham-barotra na hiasana ao amin’ny orinasa iray. Manatsara ny fifandraisan’ny mpinamana sy ny mpivady ary ny mpiasa sy mpampiasa ny fanaovana fifanekena. Tsy vao mainka ve hanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fanokanan-tena tanteraka ho azy? Andeha hodinihintsika ny soa azon’ireo olona fahiny, rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Hojerentsika koa hoe nahoana ny fanokanan-tena no tsy fifanekena fotsiny.

Nandray soa ny Israelita satria nanokan-tena

8. Midika inona ho an’ny Israelita ny hoe voatokana ho an’Andriamanitra?

8 Lasa firenena voatokana ho an’i Jehovah ny Israelita, rehefa nanao voady taminy. Nasain’Andriamanitra nivory teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay izy ireo, ary nilazany hoe: “Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo, dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo.” Namaly indray niredona ny vahoaka hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 19:4-8) Tsy hoe nanaiky hanao zavatra fotsiny ny Israelita rehefa lasa firenena voatokana, fa lasa fananan’i Jehovah koa. Tena nihevitra azy ireo ho ‘fananany manokana’ i Jehovah.

9. Inona no soa noraisin’ny Israelita, noho izy ireo voatokana ho an’Andriamanitra?

9 Nandray soa ny Israelita rehefa lasa fananan’i Jehovah. Tsy nivadika tamin’izy ireo i Jehovah sady nikarakara azy, toy ny ataon’ny ray be fitiavana amin’ny zanany. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Mety hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy, ka tsy hangoraka an’izay naloaky ny kibony? Mety hanadino tokoa ireny vehivavy ireny, fa izaho kosa tsy mba hanadino anao.” (Isaia 49:15) Nomen’i Jehovah azy ireo ny Lalàna mba hitari-dalana azy. Nirahiny koa ny mpaminany mba hampahery azy, ary ny anjely mba hiaro azy. Hoy ny mpanao salamo: “Milaza ny teniny amin’i Jakoba izy. Ary lazainy amin’ny Israely ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany. Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa izy.” (Sal. 147:19, 20; vakio ny Salamo 34:7, 19; 48:14.) Nikarakara an’ilay firenena voatokana ho azy i Jehovah, taloha. Hikarakara an’izay manokan-tena ho azy koa izy ankehitriny.

Nahoana isika no tokony hanokan-tena ho an’Andriamanitra?

10, 11. Anisan’ny fianakaviamben’Andriamanitra ve isika raha vao teraka? Hazavao.

10 Hoy angamba ny sasany, rehefa mieritreritra hoe hanokan-tena sy hatao batisa sa tsia: ‘Angaha moa tsy maintsy manokan-tena ho an’Andriamanitra aho vao afaka manompo azy?’ Hazava amintsika izany, raha dinihintsika ny toerantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Tadidio fa nanota i Adama, ka tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra isika rehetra raha vao teraka. (Rom. 3:23; 5:12) Tena mila manokan-tena ho an’Andriamanitra àry isika, mba hanekeny antsika ho anisan’ny fianakaviambeny. Fa nahoana?

11 Tokony ho afaka nampita aina lavorary tamintsika ny raintsika, kanefa tsy izany no zava-misy. (1 Tim. 6:19) Vao teraka isika dia efa tsy anisan’ny zanak’Andriamanitra. Tafasaraka tamin’ilay Mpamorona sady Ray be fitiavana mantsy ny taranak’olombelona, rehefa nanota ny mpivady voalohany. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:5.) Tsy anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah ny olombelona nanomboka teo, ary tafasaraka taminy.

12. a) Ahoana no ahafahan’ny olombelona tsy lavorary ho lasa fianakavian’Andriamanitra? b) Inona no dingana tsy maintsy atao alohan’ny batisa?

12 Afaka mangataka amin’Andriamanitra anefa ny tsirairay amintsika, mba hanekeny antsika ho anisan’ny fianakaviany misy an’ireo mpanompony. * Ahoana no hetezan’izany nefa isika mpanota? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Fony mbola fahavalo isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.’ (Rom. 5:10) Rehefa atao batisa isika, dia mangataka amin’Andriamanitra mba hanana feon’ny fieritreretana madio ka hahazo sitraka aminy. (1 Pet. 3:21) Misy dingana tsy maintsy atao anefa alohan’ny batisa. Tsy maintsy mahafantatra an’Andriamanitra isika, mianatra mitoky aminy, mibebaka, ary miova. (Jaona 17:3; Asa. 3:19; Heb. 11:6) Mbola misy zavatra hafa mila atao koa alohan’ny haneken’Andriamanitra antsika ho anisan’ny fianakaviany. Inona izany?

13. Nahoana no ara-dalàna raha manao voady mba hanokan-tena ho an’Andriamanitra ny olona te ho anisan’ny fianakaviany?

13 Mila manao voady amin’i Jehovah aloha ny olona tafasaraka aminy, vao afaka ny ho anisan’ny fianakaviana misy ny mpanompo ankasitrahany. Nahoana? Intỳ misy ohatra: Tsara fanahy tamin’ny kamboty iray ny raim-pianakaviana iray nohajaina, ka te hanangana azy ho zanany. Malaza ho olona tsara ilay lehilahy, nefa tiany hanao fifanekena aminy aloha ilay ankizy, vao hatsangany ho zanany. Hoy àry ilay lehilahy: “Mila fantariko aloha raha ho tia sy hanaja ahy ianao, vao hekeko ho zanako.” Tsy heken’ilay lehilahy ho anisan’ny fianakaviany ilay ankizy, raha tsy vonona hanao voady aminy. Tsy ara-dalàna ve izany? Toy izany koa fa ireo vonona hanao voady mba hanokan-tena ho an’i Jehovah ihany no hekeny ho anisan’ny fianakaviany. Hoy ny Baiboly: ‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an’Andriamanitra sady ankasitrahiny.’—Rom. 12:1, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Porofon’ny fitiavana sy finoana

14. Nahoana ny fanokanan-tena no porofon’ny fitiavana?

14 Tena tia an’i Jehovah isika matoa mivoady hanokan-tena ho azy. Mitovitovy amin’ny voadim-panambadiana izany. Asehon’ny lehilahy kristianina fa tiany ny vehivavy iray, rehefa mivoady izy fa tsy hivadika aminy, na inon-kidona na inon-kihatra. Fianianana amin’ilay olona mihitsy izy io, fa tsy fampanantenana hanao zavatra fotsiny. Fantatr’ilay lehilahy kristianina fa tsy afaka ny hanambady an’ilay vehivavy izy, raha tsy manao voadim-panambadiana. Tsy tena ho afaka ny hahazo ilay tombontsoa ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah koa isika, raha tsy mivoady hanokan-tena ho azy. Manokan-tena ho an’Andriamanitra àry isika na dia tsy lavorary aza, satria tiantsika ny ho fananany sady tapa-kevitra ny tsy hivadika aminy isika, na inon-kidona na inon-kihatra.—Mat. 22:37.

15. Nahoana ny fanokanan-tena no porofon’ny finoana?

15 Porofointsika fa manam-pinoana isika, raha manokan-tena ho an’Andriamanitra. Ny finoana an’i Jehovah mantsy no mahatonga antsika hatoky fa tsara amintsika ny manakaiky azy. (Sal. 73:28) Fantatsika fa tsy ho mora foana ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra sady miaina eo anivon’ny “taranaka tsy marina sy ratsy fanahy.” (Fil. 2:15; 4:13) Matoky anefa isika fa hitahy ny ezaka ataontsika Andriamanitra, araka ny nampanantenainy. Tsy lavorary isika, nefa matoky fa hiantran’i Jehovah na dia manao fahadisoana aza. (Vakio ny Salamo 103:13, 14; Romanina 7:21-25.) Mino isika fa hamaly soa antsika i Jehovah, noho isika tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy.—Joba 27:5.

Mahasambatra ny manokan-tena

16, 17. Nahoana no mahasambatra ny manokan-tena ho an’i Jehovah?

16 Sambatra ny olona manokan-tena ho an’i Jehovah, satria manome ny tenany ho azy. Tena marina ity tenin’i Jesosy ity: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Tena sambatra i Jesosy satria nanome, nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Mba hanampiana ny hafa hahazo ny fiainana, dia tsy niala sasatra izy, na nisakafo, na nampiadan-tena, tamin’ny fotoana sasany. (Jaona 4:34) Nahafinaritra azy ny nampifaly ny fon’ny Rainy. Hoy izy: “Manao izay sitrany foana aho.”—Jaona 8:29; Ohab. 27:11.

17 Natoron’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy àry ny fomba fiaina mahafa-po, ka hoy izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany.” (Mat. 16:24) Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha manao izany. Aiza indray isika no hahazo fikarakarana tsara kokoa noho izany?

18. Nahoana isika no ho sambatra kokoa raha miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika?

18 Tsy toy ny manokan-tena ho an’olona na ho an-javatra ny manokan-tena ho an’i Jehovah, satria mahasambatra kokoa ny miaina mifanaraka amin’izy io sy ny manao ny sitrapon’i Jehovah. Maro, ohatra, no manokana ny fiainany hikatsahana harena sy fananana, nefa tsy tena sambatra sy afa-po akory. Ny olona manokan-tena ho an’i Jehovah kosa sambatra foana. (Mat. 6:24) Sambatra izy satria voninahitra ho azy ny hoe “mpiara-miasa amin’Andriamanitra.” Tsy manokan-tena ho an’ny asa iray anefa izy, fa ho an’ilay Andriamanitra mahay mankasitraka. (1 Kor. 3:9) Andriamanitra ihany no tena mahay mankasitraka ny fahafoizan-tenan’ny olony tsy mivadika. Haveriny ho tanora mihitsy aza izy ireo, mba ho afaka handray soa mandrakizay amin’ny fikarakarany.—Joba 33:25; vakio ny Hebreo 6:10.

19. Inona no fitahiana ho azon’ireo manokan-tena ho an’i Jehovah?

19 Lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah ianao, rehefa manokan-tena ho azy. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8; Sal. 25:14) Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe nahoana isika no tsy hanenina mihitsy raha mifidy ny ho fananan’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Tsy ho lasa zanak’Andriamanitra ny “ondry hafa”, raha tsy tapitra ny arivo taona. Nanokan-tena ho azy anefa izy ireo ka mety ny hiantsoany azy hoe ‘Ray.’ Azo heverina ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah misy ny mpanompony koa izy ireo.—Jaona 10:16; Isaia 64:8; Mat. 6:9; Apok. 20:5.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ny hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra?

• Inona no soa ho azontsika raha manokan-tena isika?

• Nahoana ny Kristianina no mila manokan-tena ho an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 6]

Ho sambatra foana isika raha miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika