Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitondran’i Jehovah no Tsara Indrindra!

Ny Fitondran’i Jehovah no Tsara Indrindra!

Ny Fitondran’i Jehovah no Tsara Indrindra!

“Ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona.”—DAN. 4:17.

1, 2. Nahoana no tsy mahomby ny fitondran’olombelona?

TSY mahomby ny fitondran’olombelona! Iaraha-mahita izany. Fa nahoana? Tsy ampy fahendrena izy ireo. Maro tokoa ankehitriny ny mpitondra ‘tia tena, tia vola, matin-kambo, manambony tena, tsy mena-mivadika, tsy azo ifanarahana, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, masiaka be, tsy tia ny tsara, mpamadika, ary mpieboebo.’—2 Tim. 3:2-4.

2 Nanohitra ny fitondran’Andriamanitra i Adama sy Eva. Nihevitra angamba izy ireo fa hahaleo tena. Lasa teo ambany fahefan’i Satana anefa izy ireo, raha ny marina. Enina arivo taona teo ho eo izay no nisian’ny fitondran’olombelona nofehezin’i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31) Inona no vokany? Mijaly be izao ny olombelona. Hoy ny boky iray miresaka ny tantaran’ny taonjato faha-20: ‘Ho sasa-poana izay olona miezaka mitady tontolo lavorary. Tsy hisy mihitsy izany. Vao mainka aza miteraka loza sy didy jadona ary ady faran’izay mahatsiravina ny ezaka ataony.’ Marina tokoa izany! Tena tsy mahomby ny fitondran’olombelona.

3. Ho nanao ahoana ny fitondrana nisy, raha tsy nanota i Adama sy Eva?

3 Hadalana tokoa àry ny nanoheran’i Adama sy Eva ny fitondran’Andriamanitra, ilay hany fitondrana mahomby. Marina aloha fa tsy fantatsika hoe ahoana no mety ho nitondran’Andriamanitra ny tany, raha tsy nivadika ny olona. Azo antoka anefa fa ho nanjaka ny fitiavana ary tsy ho nisy ny fanavakavahana. (Asa. 10:34; 1 Jaona 4:8) Tsy ho nisy koa ny hadalana nataon’ireo mpanohana ny fitondran’olombelona. Tena hendry mantsy Andriamanitra. Ho nahavita ‘nanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy. (Sal. 145:16) Raha tsorina, dia fitondrana tonga lafatra no ho nanjaka. (Deot. 32:4) Tena mampalahelo fa tsy tian’ny olona izany!

4. Tsy misy fetrany ve ny fahefan’i Satana? Hazavao.

4 Tadidio anefa fa mbola mpanjakan’izao rehetra izao foana i Jehovah, na dia namela ny olona hanangana fitondrana aza. Voatery niaiky na dia ilay mpanjaka mahery tao Babylona aza, fa “ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona.” (Dan. 4:17) Ny sitrapon’Andriamanitra koa no tsy maintsy hatao any aoriana any, amin’ny alalan’ny Fanjakany. (Mat. 6:10) Marina fa avelan’i Jehovah hanjaka vetivety eto amin’ity tontolo ity i Satana, mba ho voaporofo fa diso ny fiampangany. (2 Kor. 4:4; 1 Jaona 5:19) Efa noferan’i Jehovah anefa ny zavatra azon’i Satana atao, ka tsy afaka mihoatra an’izany mihitsy izy. (2 Tan. 20:6; ampitahao amin’ny Joba 1:11, 12; 2:3-6.) Misy foana koa ny olona manaiky ny fahefan’Andriamanitra, na dia miaina eto amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity aza.

Fitondran’Andriamanitra teo amin’ny Israely

5. Inona no voady nataon’ny Israelita?

5 Maro ny olona nanompo an’i Jehovah sy nankatò ny didiny, nanomboka tamin’ny andron’i Abela ka hatramin’ny niforonan’ny firenen’ny Israely. (Heb. 11:4-22) Nanao fifanekena tamin’io firenena io i Jehovah, tamin’ny andron’i Mosesy. Nivoady ny Israelita tamin’ny 1513 T.K., fa hanaiky an’i Jehovah ho Mpitondra izy ireo sy ny taranany. Hoy izy ireo: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”—Eks. 19:8.

6, 7. Ahoana no nitondran’Andriamanitra ny Israelita?

6 Nisy antony matoa nifidy ny Israelita ho vahoakany i Jehovah. (Vakio ny Deoteronomia 7:7, 8.) Tiany ho sambatra izy ireo. Mbola nisy zava-dehibe kokoa noho izany anefa. Nifidy azy ireo izy noho ny anarany sy ny zony hitondra. Izy ireo no ho vavolombelona fa i Jehovah no tena Andriamanitra. (Isaia 43:10; 44:6-8) Hoy àry i Jehovah: “Vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin’i Jehovah avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.”—Deot. 14:2.

7 Tsy sarotiny loatra tamin’ny Israelita Andriamanitra, satria fantany fa tsy lavorary izy ireo. Na izany aza dia lavorary ny lalàna nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy, sady nampiseho ny toetrany. Hita tsara tamin’ireny didy ireny fa masina i Jehovah, tia rariny, vonona hamela heloka, ary manam-paharetana. Nankatò ny didiny ny Israelita tamin’ny andron’i Josoa sy taoriana kelin’izay, ka niadana sy nahazo fitahiana maro. (Jos. 24:21, 22, 31) Porofo izany fa nahomby ny fitondran’i Jehovah.

Mampahory ny fitondran’olombelona

8, 9. Inona no nangatahin’ny Israely, ary inona no vokany?

8 Nanohitra ny fitondran’Andriamanitra imbetsaka anefa ny Israelita, tatỳ aoriana, ka tsy narovany intsony. Nangataka mpanjaka olombelona tamin’i Samoela mpaminany izy ireo. Nilaza tamin’i Samoela i Jehovah mba hanatanteraka izany. Hoy koa anefa izy: “Tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.” (1 Sam. 8:7) Navelan’i Jehovah hanana mpanjaka olombelona ny Israelita, nefa nilaza izy fa hampahory azy ireo izany.—Vakio ny 1 Samoela 8:9-18.

9 Nasehon’ny tantara fa marina izay nolazain’i Jehovah. Nanjary nisy olana lehibe teo amin’ny Israely, indrindra rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra ny mpanjakany. Raha ny Israelita aza nahita olana rehefa nanana mpitondra olombelona, mainka moa fa ny firenen-kafa? Tsy nitondra vokatra tsara sy maharitra mihitsy ny fitondran’olombelona tsy mahalala an’i Jehovah. Marina fa misy mpitondra mangataka amin’Andriamanitra mba hanampy azy hampisy fiadanana sy filaminana. Ahoana anefa no hitahian’Andriamanitra azy, nefa izy ireo aza tsy manaiky ny fitondrany?—Sal. 2:10-12.

Firenena vaovao fehezin’Andriamanitra

10. Nahoana no tsy neken’Andriamanitra ho firenena voafidiny intsony ny Israelita?

10 Nivadika tamin’i Jehovah ny Israelita. Nanda ny Mesia voatendrin’Andriamanitra izy ireo, tatỳ aoriana. Nolavin’i Jehovah koa àry izy ireo ka nosoloany vondron’olona vaovao na firenena vaovao. Niforona tamin’ny taona 33 ny fiangonana kristianina, ary mpanompon’i Jehovah voahosotry ny fanahy avokoa no teo anivony. Io indray no firenena nofehezin’i Jehovah, ary nantsoin’i Paoly hoe “Israelin’Andriamanitra.”—Gal. 6:16.

11, 12. Inona no mampitovy ny Israely fahiny sy ny “Israelin’Andriamanitra”?

11 Misy itovizany ny firenen’ny Israely fahiny sy ny “Israelin’Andriamanitra”, nefa koa misy tsy mampitovy azy. Tsy manana mpanjaka olombelona, ohatra, ny fiangonana kristianina, sady tsy mila manao sorona biby noho ny fahotany. Misy anti-panahy kosa eo anivony, toy ny teo amin’ny Israely fahiny. (Eks. 19:3-8) Tsy manjakazaka amin’ny andian’ondry ny anti-panahy. Mikarakara ny fiangonana kosa izy ireo ary mazoto mitarika ny asa kristianina. Maneho fitiavana sy manaja ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana izy ireo.—2 Kor. 1:24; 1 Pet. 5:2, 3.

12 Lasa mankasitraka kokoa an’i Jehovah ny “Israelin’Andriamanitra” sy ny “ondry hafa”, rehefa mandinika ny fomba nitondrany ny Israely fahiny. (Jaona 10:16) Tena nahay nitondra izy. Mandray lesona avy amin’izany ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana, ka miezaka ny ho modely amin’ny finoana. (Heb. 13:7) Takany mantsy fa afaka mitarika ny olona hanao ny tsara na ny ratsy izy, toa an’ireo mpanjaka israelita.

Ny fitondran’i Jehovah ankehitriny

13. Inona no zava-dehibe nitranga tamin’ny 1914?

13 Mitory eran-tany ny Kristianina fa tsy hisy fitondran’olombelona intsony atsy ho atsy. Niorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’izy io. Nomen’i Jehovah fahefana i Jesosy mba “handresy sy hamita ny fandreseny.” (Apok. 6:2) Hoy izy taminy: “Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.” (Sal. 110:2) Mampalahelo fa tsy mety manaiky ny fitondran’i Jehovah ireo firenena. Toy ny hoe “tsy misy” i Jehovah amin’izy ireo.—Sal. 14:1.

14, 15. a) Ahoana no fomba itondran’Andriamanitra antsika ankehitriny, ary inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretintsika? b) Inona no porofo fa ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra?

14 Vitsy sisa ny Kristianina voahosotra etỳ an-tany. “Ambasadaoro solon’i Kristy” izy ireo, ary manao izany asany izany foana. (2 Kor. 5:20) Izy ireo no mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ary voatendry hanome sakafo ara-panahy ho an’ireo voahosotra namany sy ny Kristianina an-tapitrisany manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. (Mat. 24:45-47; Apok. 7:9-15) Mitondra soa be dia be ho an’ny tena Kristianina ny asan’io mpanompo io, ka hita fa tena mitahy azy io i Jehovah.

15 Mila mieritreritra àry isika tsirairay hoe: ‘Tena manohana ny fitondran’i Jehovah ve aho, ka mankatò an’ilay mpanompo voatendriny? Mirehareha ve aho satria olom-pehezin’ilay Fanjakany? Tapa-kevitra ve aho fa hitory hatrany momba ny Fanjakan’Andriamanitra, araka izay azoko atao? Tsapako ve fa misy anjara asa tokony hataoko eo anivon’ny fiangonana?’ Vonona foana isika hankatò ny tari-dalan’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny anti-panahy. Izany no fomba ampisehoantsika fa manaiky ny fitondran’Andriamanitra isika. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Manjary miray saina isika, rehefa samy manaiky an-tsitrapo ny fitondrany. Tsy fahita izany eto amin’ity tontolo misara-bazana ity. Lasa miadana sy tsara fitondran-tena koa isika, ary manome voninahitra an’i Jehovah. Porofo izany fa ny fitondrany no tsara indrindra.

Mandresy foana ny fitondran’i Jehovah

16. Inona no safidy tsy maintsy ataon’ny tsirairay?

16 Kely sisa dia ho voalamina ny olana napoitran’i Satana tany Edena. Fotoana handraisana fanapahan-kevitra àry izao. Tsy maintsy mifidy ny tsirairay na hanohana ny fitondran’i Jehovah na ny fitondran’olombelona. Adidintsika ny manampy an’ireo tso-po hahay hisafidy. Tsy ho ela mantsy dia haringan’i Jehovah ao Hara-magedona ny fitondran’olombelona eo ambany fahefan’i Satana. (Dan. 2:44; Apok. 16:16) Tsy hisy intsony izy ireny, fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanjaka eran-tany. Hiharihary tanteraka fa ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra.—Vakio ny Apokalypsy 21:3-5.

17. Inona no hanampy an’ireo olona tso-po hahay hisafidy?

17 Mbola tsy nanapa-kevitra ny hanohana ny fitondran’i Jehovah ve ianao? Nahoana raha mivavaka sy mandinika ny soa hoentin’izy io? Tsy nahavita nanafoana ny heloka bevava sy ny fampihorohoroana ny fitondran’olombelona. Ny Fanjakan’Andriamanitra kosa handringana ny mpanao ratsy rehetra. (Sal. 37:1, 2, 9) Nampisy ady maro be ny fitondran’olombelona, fa ny fitondran’Andriamanitra kosa ‘hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany.’ (Sal. 46:9) Ho vitany mihitsy aza ny hampihavana indray ny olona sy ny biby! (Isaia 11:6-9) Nisy foana ny fahantrana sy mosary hatramin’izay nitondran’ny olombelona. Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa izany. (Isaia 65:21) Tsy nahavita nanafoana ny aretina sy ny fahafatesana, na dia ny mpitondra tsara sitrapo toy inona aza. Ho sitrana anefa ny marary ary ho tanora indray ny antitra, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra. (Joba 33:25; Isaia 35:5, 6) Ho paradisa ny tany, ary na ny maty aza hatsangana.—Lioka 23:43; Asa. 24:15.

18. Ahoana no hampisehoantsika fa ny fitondran’Andriamanitra no tsara indrindra?

18 Hanafoana ny fijaliana rehetra vokatry ny nataon’i Satana ny fitondran’Andriamanitra. Efa 6 000 taona izay i Satana no nitondra fijaliana teto an-tany, hatramin’ny nitaomany an’i Adama sy Eva hikomy. Ao anatin’ny 1 000 taona monja anefa no hanafoanan’Andriamanitra izany, amin’ny alalan’i Kristy! Porofo lehibe izany fa tsara lavitra ny fitondrany! Vavolombelony isika, ka izy no ekentsika ho Mpitondra antsika. Aoka àry hasehontsika hatrany eo amin’ny fiainantsika fa mpanompony isika ary olom-pehezin’ny Fanjakany. Hirehareha koa isika fa Vavolombelony. Lazao hatrany amin’izay vonona hihaino, fa ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra!

Inona no Nianaranao Momba ny Fitondran’Andriamanitra, avy Amin’ny...

Deoteronomia 7:7, 8?

1 Samoela 8:9-18?

Hebreo 13:17?

Apokalypsy 21:3-5?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Mpanjakan’izao rehetra izao foana i Jehovah

[Sary, pejy 31]

Miray saina ny vahoakan’i Jehovah eran-tany satria manaiky an-tsitrapo ny fitondrany