Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miderà An’Andriamanitra Isan’andro

Miderà An’Andriamanitra Isan’andro

Miderà An’Andriamanitra Isan’andro

HOY i Davida mpanao salamo tamin’i Jehovah: ‘Amin’ny maraina, dia ataovy izay handrenesako ny hatsaram-panahinao feno fitiavana. Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako.’ (Sal. 143:8) Niangavy an’Andriamanitra hanampy azy hanapa-kevitra sy handeha amin’ny lalana tsara indrindra i Davida. Manao toy izany ve ianao rehefa mifoha, ka misaotra an’i Jehovah noho ny andro vaovao omeny anao? Azo inoana fa manao izany ianao.

Nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, ka miezaka ‘manao ny zava-drehetra ho voninahitr’Andriamanitra, na mihinana [isika] na misotro, na inona na inona ataontsika.’ (1 Kor. 10:31) Takatsika fa mety hanome voninahitra an’i Jehovah na hanala baraka azy ny fomba fiainantsika isan’andro. Tadidintsika koa fa milaza ny Baiboly hoe miampanga ny rahalahin’i Kristy sy ny mpanompon’Andriamanitra rehetra “andro aman’alina” i Satana. (Apok. 12:10) Mamaly izany àry isika sady mampifaly an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, rehefa manao fanompoana masina ho azy “andro aman’alina.”—Apok. 7:15; Ohab. 27:11.

Andeha isika handinika fomba roa lehibe azontsika iderana an’Andriamanitra isan’andro. Voalohany, mila ataontsika loha laharana ny fanompoana masina. Faharoa, mila miahy ny hafa isika.

Miaina mifanaraka amin’ny voadintsika

Naneho ny faniriantsika hanompo an’i Jehovah isika, rehefa nanokan-tena ho azy. Nampanantena azy koa isika fa handeha amin’ny lalany “isan’andro”, ary mandrakizay mihitsy. (Sal. 61:5, 8) Ahoana àry no iainantsika mifanaraka amin’izany? Ahoana no anaporofoantsika isan’andro fa tiantsika amin’ny fontsika manontolo i Jehovah?

Lazain’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara ny zavatra tian’i Jehovah hataontsika. (Deot. 10:12, 13) Misy lisitra maromaro ao amin’ilay efajoro hoe  “Andraikitra Omen’Andriamanitra Antsika”, eo amin’ny pejy 22. Zava-dehibe izy rehetra ireo. Ahoana no amantarantsika izay loha laharana amin’ireo, rehefa misy zavatra roa na maro hafa mila ataontsika koa?

Ny fanompoana masina no ataontsika loha laharana, anisan’izany ny fianarana Baiboly, vavaka, fivoriana, ary ny fanompoana. (Mat. 6:33; Jaona 4:34; 1 Pet. 2:9) Tsy ny zavatra ara-panahy ihany anefa no ataontsika ao anatin’ny andro iray. Eo koa ny asa sy ny fianarana ary ny raharaha ao an-trano. Miezaka mandamina ny asantsika sy ny zavatra hafa anefa isika, mba tsy ho voasakantsakana ny fanompoana masina ataontsika, toy ny famonjena fivoriana. Rehefa mieritreritra ny hanao vakansy, ohatra, isika, dia ataontsika azo antoka fa ho eo isika amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, fivoriambe manokana, fivoriamben’ny faritra, na fivoriamben’ny vondrom-paritra. Azo atambatra ny zavatra sasany indraindray. Azo ampidirina amin’ny fandaharan’ny fianakaviana, ohatra, ny fanadiovana Efitrano Fanjakana. Afaka mitory amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra koa isika, mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro. Ahoana rehefa mila manao safidy isika, toy ny fifidianana asa na fianarana na namana? Ampifanarahintsika amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, ny fanapahan-kevitsika. Izany mantsy no loha laharana eo amin’ny fiainantsika.—Mpito. 12:13.

Mila miahy ny hafa isika

Tian’i Jehovah hiahy ny hafa sy hanao soa ho azy ireo isika. Mampirisika ny olona ho tia tena anefa i Satana. Feno olona “tia tena” sy “tia fahafinaretana” ary ‘mamafy ho an’ny nofo’ ity tontolony ity. (2 Tim. 3:1-5; Gal. 6:8) Maro no tsy miraharaha ny vokatry ny zavatra ataony eo amin’ny hafa. Miharihary hatraiza hatraiza “ny asan’ny nofo.”—Gal. 5:19-21.

Hafa tanteraka ny toe-tsain’ireo manana ny fanahy masin’i Jehovah. Maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary hatsaran-toetra izy ireo rehefa mifandray amin’ny hafa! (Gal. 5:22) Lazain’ny Baiboly fa tokony hifantoka amin’izay ilain’ny hafa aloha isika, izay vao ny antsika. Mifampiahy àry isika, nefa mitandrina koa mba tsy hitsabaka amin’ny fiainan’ny hafa. (1 Kor. 10:24, 33; Fil. 2:3, 4; 1 Pet. 4:15) Anehoantsika fiheverana manokana ny mpiray finoana amintsika. Miezaka manampy an’ireo tsy mitovy finoana amintsika koa anefa isika. (Gal. 6:10) Nahoana ianao raha mitady fomba anehoana hatsaram-panahy amin’ny olona mihaona aminao, androany?—Jereo ilay efajoro hoe  “Miahy Azy Ireo ve Ianao?”, eo amin’ny pejy 23.

Tsy hoe amin’ny fotoana na toe-javatra manokana ihany isika no mila miahy ny hafa. (Gal. 6:2; Efes. 5:2; 1 Tes. 4:9, 10) Hiezaka hamantatra ny toe-javatra misy azy kosa isika isan’andro ary ho vonon-kanampy, na dia sarotra aza izany. Maniry ny halala-tanana isika ka manome izay ananantsika, toy ny fotoanantsika sy ny fananantsika ary ny traikefantsika. Manome toky antsika i Jehovah fa halala-tanana amintsika izy, raha malala-tanana amin’ny hafa isika.—Ohab. 11:25; Lioka 6:38

Fanompoana masina “andro aman’alina”

Azo atao ve ny manao fanompoana masina ho an’i Jehovah “andro aman’alina”? Eny, raha mazoto foana isika manao ny lafiny rehetra amin’ny fanompoantsika. (Asa. 20:31) Manao fanompoana masina andro aman’alina isika, rehefa mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, mivavaka tsy tapaka, mamonjy ny fivoriana rehetra, ary manararaotra mitory raha vao misy fahafahana.—Sal. 1:2; Lioka 2:37; Asa. 4:20; 1 Tes. 3:10; 5:17.

Efa manao an’ireo ve isika? Raha izany no izy, dia ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika isan’andro fa maniry hampifaly an’i Jehovah sy hamaly ny fiampangan’i Satana isika. Miezaka manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra isika. Ny toro lalany no avelantsika hitarika antsika eo amin’ny fomba fiteny sy ny fitondran-tena ary ny fanapahan-kevitsika. Asehontsika fa mankasitraka ny fikarakarany amim-pitiavana sy ny fanampiany isika, rehefa matoky tanteraka azy sy mampiasa ny herintsika hanompoana azy. Mandray tsara ny toroheviny sy ny fanitsiany isika, raha sendra nanao fahadisoana satria tsy lavorary.—Sal. 32:5; 119:97; Ohab. 3:25, 26; Kol. 3:17; Heb. 6:11, 12.

Enga anie isika ka hidera an’Andriamanitra isan’andro. Ho velombelona isika amin’izay, ary hankafy ny fikarakarana amim-pitiavana omen’ilay Raintsika any an-danitra.—Mat. 11:29; Apok. 7:16, 17.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

 Andraikitra Omen’Andriamanitra Antsika

• Vavaka tsy tapaka.—Rom. 12:12.

• Famakiana sy fianarana Baiboly ary fampiharana.—Sal. 1:2; 1 Tim. 4:15.

• Fanompoana an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana.—Sal. 35:18; Heb. 10:24, 25.

• Fanomezana izay ilain’ny fianakaviantsika eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po.—1 Tim. 5:8.

• Fitoriana ny vaovao tsara sy fanaovana mpianatra.—Mat. 24:14; 28:19, 20.

• Fikarakarana ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po, anisan’izany ny fanaovana fialam-boly mahasoa.—Mar. 6:31; 2 Kor. 7:1; 1 Tim. 4:8, 16.

• Fanatontosana ireo andraikitra eo anivon’ny fiangonana.—Asa. 20:28; 1 Tim. 3:1.

• Fikarakarana ny tranontsika sy ny Efitrano Fanjakana.—1 Kor. 10:32.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

 Miahy Azy Ireo ve Ianao?

• Rahalahy na anabavy be taona.—Lev. 19:32.

• Olona kivy na tsy salama.—Ohab. 14:21.

• Olona mila fanampiana maika eo anivon’ny fiangonana.—Rom. 12:13.

• Ny fianakavianao akaiky.—1 Tim. 5:4, 8.

• Mpiray finoana maty vady.—1 Tim. 5:9.

• Anti-panahy miasa mafy eo anivon’ny fiangonana.—1 Tes. 5:12, 13; 1 Tim. 5:17.