Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy Inona Marina Izany Lanitra Izany?

Toy Inona Marina Izany Lanitra Izany?

Toy Inona Marina Izany Lanitra Izany?

MISY milaza fa tsy mahalala izay any an-danitra any izy, satria mbola tsy tany. Hadinony angamba fa niteny i Jesosy hoe: ‘Nidina avy any an-danitra aho.’ (Jaona 6:38) Hoy koa izy tamin’ny mpitondra fivavahana sasany: “Ianareo avy atỳ ambany, izaho avy any ambony.” (Jaona 8:23) Inona no noresahin’i Jesosy momba ny lanitra?

Niteny, ohatra, izy fa any i Jehovah Andriamanitra no mipetraka. Niantso azy hoe ny ‘Rainy any an-danitra’ i Jesosy. (Matio 12:50) Nampiasain’i Jesosy hilazana zavatra hafa koa anefa ny hoe lanitra. Nantsoiny hoe lanitra, ohatra, ny habakabaka. Hoy izy: “Rehefa hariva ny andro, dia mahazatra anareo ny miteny hoe: ‘Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.’ ” (Matio 16:2) Any ankoatran’ny habakabaka anefa i Jehovah no mipetraka. Hoy ny Baiboly: “Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity.”—Isaia 40:22.

Eny amin’ny lanitra misy an’ireo kintana àry ve izy no mipetraka? Antsoin’ny Baiboly hoe ‘lanitra’ koa mantsy io faritra io. Nilaza, ohatra, ny mpanao salamo hoe: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao?”—Salamo 8:3, 4.

Eritrereto izao: Hipetraka ao anatin’ny arimoara noforoniny ve ny mpandrafitra? Tsia! Toy izany koa fa tsy hipetraka mihitsy eo amin’ny zavatra noforoniny i Jehovah Andriamanitra. Hoy i Solomona Mpanjaka tamin’izy nitokana ny tempolin’i Jerosalema: ‘Andriamanitra ve dia honina etỳ an-tany tokoa? Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!’ (1 Mpanjaka 8:27) Aiza àry ilay lanitra misy an’i Jehovah?

Efa nandinika ny lanitra tamin’ny teleskaopy matanjaka ny olombelona, ary efa nankany ambony tsy taka-maso mihitsy aza. Mbola marina anefa ilay tenin’ny Baiboly hoe: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18) Nohazavain’i Jesosy ny antony. Hoy izy: “Andriamanitra dia Fanahy.”—Jaona 4:24.

Ambony noho ny olombelona ny fanahy, ary tsy nofo aman-dra ka sady tsy hita maso no tsy azo tsapain-tanana. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina, rehefa niteny izy hoe niaraka tamin’ny Rainy tany an-danitra? Te hilaza izy fa efa fanahy koa taloha, izany hoe ambony lavitra noho ny zavaboary hita maso. (Jaona 17:5; Filipianina 3:20, 21) Toerana tsy hita maso àry ilay lanitra misy an’i Jesosy sy ny Rainy. Toy inona marina izy io? Inona no zava-misy any?

Toerana misy asa mahafinaritra

Milaza ny Baiboly fa misy anjely an-jatony tapitrisa any an-danitra, ary miasa be izy ireo. (Daniela 7:9, 10) Samy manana ny toetrany koa izy rehetra. Nahoana isika no milaza izany? Tsy misy mitovy tanteraka ny zavaboary hita maso, ka azo antoka fa toy izany koa ny any an-danitra. Miavaka anefa ny anjely satria miray saina, fa tsy mba toy ny olombelona, izay mahalana vao mahay mifanaraka.

Hoy ny Baiboly momba ny asan’ny anjely: “Derao i Jehovah, ry anjeliny mahery dia mahery, izay manatanteraka ny baikony sy mihaino ny feony. Derao i Jehovah, ry tafiny rehetra, dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.” (Salamo 103:20, 21) Miasa be àry ny anjely any an-danitra any. Azo inoana anefa fa mahafinaritra ny asany.

Mbola tsy nisy ity tany ity, dia efa niasa ny anjely, ary nahafaly azy ireo izany. Milaza ny Baiboly fa “nanao antsoantsom-pifaliana” sy “nihoby” ireo zanak’Andriamanitra, rehefa noforonina ny tany. (Joba 38:4, 7) Voatendry hanampy an’Andriamanitra mihitsy aza ny iray tamin’izy ireo, rehefa noforonina izao rehetra izao. (Kolosianina 1:15-17) Misy asa mahafinaritra àry any an-danitra, ka mety hanontany ianao raha natao ho any isika na tsia.

Natao ho any an-danitra ve ny olona?

Efa nanompo an’Andriamanitra tany an-danitra ny anjely talohan’ny nisian’ny tany. Tsy natao hiaina any an-danitra àry i Adama sy Eva razambentsika, matoa napetraka teto an-tany. Hoy Andriamanitra taminy: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:28; Asan’ny Apostoly 17:26) I Adama no zavaboary voalohany teto an-tany afaka nianatra momba an’Andriamanitra sy nanompo azy. Natao honina eto izy sy ny taranany. “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.”—Salamo 115:16.

Tsy te ho faty ny ankamaroantsika, satria tsy natao ho faty. Nilaza tamin’i Adama Andriamanitra fa rehefa tsy mankatò ihany izy vao ho faty. Tsy maty àry i Adama raha nankatò.—Genesisy 2:17; Romanina 5:12.

Tsy niteny mihitsy Andriamanitra hoe ho any an-danitra i Adama. Tsy toerana natao hitsapana antsika àry eto an-tany mba hahitana raha mendrika ny ho any an-danitra isika na tsia. Natao hiaina mandrakizay eto kosa isika, ary tena hotanterahin’Andriamanitra izany. Mampanantena ny Baiboly fa “ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Tsy natao ho any an-danitra àry isika. Nahoana anefa i Jesosy no nampanantena an’ireo apostoliny fa ho any an-danitra izy ireo? Te hilaza ve izy fa mankany daholo ny tsara fanahy?