Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Tokony Hanao ny Marina Foana?

Nahoana Ianao no Tokony Hanao ny Marina Foana?

Nahoana Ianao no Tokony Hanao ny Marina Foana?

MANAO ny marina daholo ny olona tsindraindray. Maro no manao izany matetika. Firy anefa no miezaka manao ny marina foana?

Tsy manao ny marina amin’ny lafiny maro ny olona ankehitriny. Fantany tsara anefa ny hevitr’Andriamanitra momba izany. Hain’ny olona maro ilay didy fahavalo ao amin’ny Didy Folo hoe: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15) Betsaka anefa no mihevitra fa azo atao indraindray ny mangalatra na manao zavatra hafa tsy ara-dalàna. Andeha isika handinika antony telo ataon’ny olona fialan-tsiny hangalarana.

Mangalatra satria mahantra

Hoy ny mpitondra fanjakana romanina iray: “Ny fahantrana no loharanon’ny heloka bevava.” Mety hihevitra ny mahantra fa tsy diso izy raha mangalatra. Mety tsy hanome tsiny azy koa ny olona. Toy izany koa ve ny hevitr’i Jesosy? Marina fa “nangoraka izy” rehefa nahita ny mahantra. (Matio 9:36) Tsy nanala tsiny ny halatra mihitsy anefa izy. Inona àry no tokony hataon’ny mahantra?

Mangoraka an’ireo tena miezaka hankatò azy Andriamanitra. Hampiany izy ireo rehefa mitady izay ilainy. (Salamo 37:25) Hoy ny Baiboly: “Tsy havelan’i Jehovah ho noana ny olo-marina, fa holaviny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 10:3) Afaka matoky an’io fampanantenana io ve ny mahantra? Eny. Izany no niainan’i Victorine.

Maty vady izy ary manan-janaka dimy mbola mianatra. Tena tsy mora ny fiainany. Mipetraka any amin’ny tany mahantra koa izy, ka tsy dia mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Any ivelan’ny trano ny androatokom-piainany, ary maro ny zavatra azony angalarina eny rehetra eny. Tsy mangalatra mihitsy anefa izy. Aleony kosa mivarotra eny an-dalana mba hahazoana izay ilainy. Nahoana izy no manao ny marina foana?

Hoy izy: “Voalohany, mino aho fa manao ny marina Andriamanitra, ka tsy hanadino ahy izy raha miezaka manahaka azy aho. Faharoa, te ho modely ho an’ny zanako aho.”

Manao ahoana ny fiainany? Hoy izy: “Manan-kanina sy fitafiana ary fonenana izahay. Tsy maintsy nindram-bola tamin’ny namako anefa aho indraindray, mba hividianana fanafody. Nahazo izay nilaiko foana aho. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo fa ny tena marina no lazaiko, ary tsy mangataka mihoatra noho izay ilaiko aho.

“Lasa manao ny marina koa ny zanako. Nahita vola teo ambony latabatray ny mpiray tanàna taminay, indray mandeha. Nanontany ahy izy raha tsy natahorako haka an’ireo vola ireo ny zanako. Tsy nino izy rehefa nilazako fa tsy hanao izany mihitsy izy ireo. Nitsapa azy ireo izy, indray andro, fa tsy nilaza tamiko. Nametraka vola [800 ariary teo ho eo] tao an-tranonay izy. Nataony teo amin’ny toerana mora hita ilay izy. Tonga izy ny ampitso, ary gaga fa tsy nihetsika teo ilay vola. Tsara kokoa ny manana zanaka manao ny marina noho ny manankarena.”

“Manao izany ny rehetra”

Be dia be izao ny olona mangalatra any am-piasana. Maro àry no mihevitra hoe: “Manao izany ny rehetra, koa nahoana aho no tsy mba hanao?” Hoy anefa ny Baiboly: “Aza manaraka ny maro mba hanao ratsy.” (Eksodosy 23:2) Nankatò izany i Victoire. Nahasoa azy ve izany?

Niasa tao amin’ny orinasa mpanao menaka palmie izy, tamin’izy 19 taona. Nisy vehivavy 40 hafa koa niasa tao. Tsy ela dia voamariny fa nanafina nofona palmie tao anaty harona izy ireo, ary nentiny nody izany. Amidin’izy ireo ilay izy rehefa faran’ny herinandro, ary ahazoany vola mitovy amin’ny karama telo na efatra andro. Hoy i Victoire: “Nanao izany ny rehetra. Nasain’izy ireo hanao izany koa aho, fa tsy nanaiky. Nolazaiko fa manao ny marina foana aho. Naneso ahy izy ireo, ary nilaza fa voa mafy aho.

“Efa hivoaka ny orinasa izahay indray andro no nipoitra tampoka ny tompon’andraikitra. Nisava ny haron’ny mpiasa izy, ary nahitany nofona palmie daholo ny haron’izy ireo afa-tsy ny haroko. Noroahina avy hatrany ireo tratra, na nasaina niasa maina nandritra ny tapa-bolana. Niaiky ireo mpiara-miasa tamiko fa tsy voa mafy aho.”

“Nahita aho fa tsy nangalatra”

Ahoana no hataonao raha mahita zava-tsarobidy very ianao? Maro no haka izany avy hatrany, ary tsy hieritreritra ny hamerina an’ilay izy. Mihevitra izy ireo hoe: ‘Nahita aho fa tsy nangalatra.’ Tsy ratsy, hono, izany. Mieritreritra izy ireo fa efa nafoin’ny tompony ilay izy. Ny hafa indray milaza fa tsy anjarany ny mitady ny tompony. Mety hitaky ezaka be mantsy izany.

Ahoana no hevitr’Andriamanitra? Milaza ny Deoteronomia 22:1-3 fa tokony hitazona an’ilay zavatra very ilay nahita azy io ‘mandra-pitadin’ny [tompony] azy. Dia averiny [aminy] ilay izy.’ Azo lazaina hoe mpangalatra ilay olona, raha tsy mampahafantatra ny zavatra hitany. (Eksodosy 22:9) Mbola misy mamerina ny zavatra hitany ve ankehitriny? Diniho izay nitranga tamin’i Christine.

Talen-tsekoly i Christine. Nandray karama izy, indray alarobia. Nofatorany ireo vola, ary nataony tao anaty poketra. Izany mantsy no fanaon’ny olona any Afrika Andrefana. Nanakana taxi izy avy eo, ary nandeha nanatrika fivoriana iray. Nisava vola madinika tao anaty poketrany izy rehefa tonga, mba homeny an’ilay mpamily. Maizina ny andro ka tsy hitany fa latsaka ireo vola nifatotra.

Nandalo teo amin’ilay lalana i Blaise, 19 taona, minitra vitsy taorian’izay. Vahiny teo an-toerana izy. Nifanao fotoana tamin’ny namany tao amin’ilay fivoriana natrehin’i Christine izy. Hitany ireo vola nifatotra, ary noraisiny. Nilazany ilay namany, taorian’ny fivoriana, fa nisy zavatra hitany tao ivelany, ka afaka miantso azy an-telefaonina izay olona very zavatra ary hiteny hoe inona ilay izy.

Nody i Christine ary taitra be rehefa nahita fa very ny karamany. Notantarainy tamin’i Josephine namany izany, herinandro tatỳ aoriana. Nilaza i Josephine fa nahita zavatra very ny vahiny iray tao amin’ilay fivoriana. Nitelefaonina an’i Blaise i Christine ary nampahafantatra hoe ohatrinona ilay vola very. Faly be izy rehefa naverin’i Blaise ilay izy. Inona no tsapan’i Blaise? Herinandro ilay vola no tany aminy, nefa hoy izy: “Tsy ho faly toy izao aho raha tsy namerina azy io.”

Nahoana izy ireo no miezaka hanao ny marina foana?

Mipetraka any amin’ny toerana samy hafa i Victorine sy Victoire ary Blaise, ary tsy mifankahalala. Misy zavatra itovizan’izy ireo anefa. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary manao ny marina araka ny atoron’ny Baiboly. Miandry ny tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra izy ireo. ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ Hanao ny marina daholo ny olona amin’izay.—2 Petera 3:13.

Tsy manantena ho afa-pahasahiranana i Victorine raha tsy ao amin’ny tontolo vaovao. Manankarena ara-panahy anefa izy, ary tsy voavidim-bola izany. Manao ny marina sy mahalala fomba ny zanany. Tena faly izy ireo, isaky ny alahady, miresaka amin’ny hafa momba ny hatsaran-toetran’Andriamanitra. Hazavainy koa fa homen’Andriamanitra fahafaham-po “izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana”, ary harovany “izay rehetra tia azy.”—Salamo 145:7, 18, 20.

Niala tamin’ilay orinasa mpanao menaka palmie i Victoire, tatỳ aoriana. Niasa tena izy ary nivarotra garri (karazana mofo mangahazo) tany an-tsena. Nandeha be ny tsenany, noho izy manao ny marina. Tsy voatery nijanona ela be tany an-tsena àry izy, ka afaka nanokana fotoana misimisy kokoa hitoriana. Mitory izy fa hanao ny marina daholo ny olona indray andro any. Nanambady izy, tatỳ aoriana, ary mpitory manontolo andro izao izy mivady.

Teo anoloan’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah i Christine no very vola. Tsy dia nisy fantatr’i Blaise ny olona tao. Fantany anefa fa rahalahiny sy anabaviny kristianina daholo izy ireo, ary miezaka ny hanao ny marina foana.

Firy ny olona fantatrao hoe tena miezaka ny hanao ny marina foana? Eritrereto hoe miaraka amin’olona 50 na 100 na 200 toy izany ianao. Izany no zava-misy any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana raha mankany mba hifanerasera amin’izy ireo?

[Teny notsongaina, pejy 12]

“Tsara kokoa ny manana zanaka manao ny marina noho ny manankarena”—VICTORINE

[Efajoro, pejy 14]

Manala Tsiny ny Halatra ve ny Ohabolana 6:30?

Hoy ny Ohabolana 6:30: “Amin’ny olona, dia tsy mampaninona raha mangalatra zavatra hahavoky azy ny mpangalatra rehefa noana.” Manala tsiny ny halatra ve ireo teny ireo? Tsia. Hita eo amin’ny teny manodidina fa tsy avelan’Andriamanitra ho afa-maina ny mpangalatra. Hoy ny andininy manaraka: “Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra avo fito heny, ka hanome ny zava-tsarobidy rehetra ao an-tranony.” (Ohabolana 6:31) Marina fa tsy fitiavan-karena na fitia te hanisy ratsy olona no nahatonga azy hangalatra, fa noho ny hanoanana. Tsy maintsy ‘manonitra’ anefa izy. Tsy tokony hangalatra mihitsy àry ireo maniry ny fankasitrahan’Andriamanitra.