Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Ampy Antsika Foana ve ny Sakafo sy Angovo Vokarin’ny Tany?

Ho Ampy Antsika Foana ve ny Sakafo sy Angovo Vokarin’ny Tany?

Manontany ny Mpamaky

Ho Ampy Antsika Foana ve ny Sakafo sy Angovo Vokarin’ny Tany?

▪ Ampy tsara ho an’ny zavamananaina rehetra ny sakafo sy angovo vokarin’ity planeta kanto misy antsika ity. Mihamaro anefa ny mponina. Vetivety koa dia tsy misy miangana ny zavatra vokarin’ny tany, na betsaka toy inona aza. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Dia ho sanatria ve tsy hahita hanina sy angovo intsony isika?’

Tsy tokony hatahotra isika, satria nampanantena toy izao Andriamanitra, 4 000 taona mahery lasa izay: “Fa raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hitsahatra mihitsy ny famafazam-boa sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.” (Genesisy 8:22) Raha mbola misy koa àry ny andro, dia afaka matoky isika fa hamokatra foana ny tany mba hamelomana ny zavamananaina.

Hoy i Alex Kirby, mpanao gazety momba ny tontolo iainana, tamin’ny 2004: “Tena ampy ho an’ny rehetra ny sakafo vokarin’ny tany. Mivangongo na mihitsoka any amin’ny toerana sasany anefa ilay izy mazàna, na lafo loatra, na mora simba. Raha tiana ho ampy sakafo àry ny olon-drehetra, dia ny fitantanana no mila hatsaraina fa tsy dia ny fikarakarana ny tany loatra.” Tsy hisy mihitsy ny mosary, raha ampiasaina araka ny tokony ho izy ny tany sy ny vokatra avy aminy. Nasain’Andriamanitra nanao toy izany ny Israelita fahiny. Nanome izao toromarika mazava izao izy, araka ny Levitikosy 25:4: ‘Hisy sabata fialan-tsasatra tanteraka ho an’ny tany amin’ny taona fahafito. Aza amafazana voa ny sahanao.’ Tsy navelany namboly izy ireo isaky ny taona fahafito. Nampanantena anefa izy fa mbola ho tondraka ny sakafo amin’io, ka tsy hisy hampanahy.—Levitikosy 26:3-5.

Efa miady mafy izao ny olona sasany, mba hamerenana amin’ny laoniny ny hatsaran’ny tany sy ny vokatra avy aminy. Maro anefa no mahita hoe tsy ampy izany ezaka izany sady tara loatra. Hita ao amin’ny Apokalypsy 11:18 ny hany vahaolana. Voalaza ao fa ‘handringana izay manimba ny tany’ i Jehovah. Ho ringana àry izay tsy mampiasa ny tany sy ny vokatra eo aminy araka ny tokony ho izy. Ho ringana koa ireo tsy miraharaha ny fikasan’Andriamanitra sy tsy manao afa-tsy ny mitady tombony ho an’ny tenany. Hataon’i Jehovah mamokatra be ny tany, mba ho ampy sakafo ny rehetra, araka ny Salamo 72:16 hoe: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.” Izay vonona hanohana ny fitondran’i Jehovah ihany no hahita izany.

Tena hendry sy be fitiavana i Jehovah, ka tiany hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona, ary hikarakara azy io. (Genesisy 1:28) Ny fanjakany no hitondra amin’izay. Hianatra hampiasa tsara ny sakafo sy ny angovo avy amin’ny tany ny olona, ary tsy ho lany mihitsy izy ireny. Hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra i Jehovah. Tena ankasitrahantsika izany!—Salamo 145:16.

[Teny notsongaina, pejy 22]

‘Raha tiana ho ampy sakafo ny olon-drehetra, dia ny fitantanana no mila hatsaraina fa tsy dia ny fikarakarana ny tany loatra’