Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hamirapiratra Tahaka ny Masoandro ny Olo-marina’

‘Hamirapiratra Tahaka ny Masoandro ny Olo-marina’

‘Hamirapiratra Tahaka ny Masoandro ny Olo-marina’

“Amin’izany fotoana izany ... ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.”—MAT. 13:43.

1. Inona avy no nampianarin’i Jesosy tamin’ireo fanoharana momba ilay Fanjakana?

NANAO fanoharana i Jesosy Kristy mba hanazavana lafiny maro momba ilay Fanjakana. ‘Tsy niteny tamin’ny vahoaka izy raha tsy tamin’ny fanoharana.’ (Mat. 13:34) Nasongadiny tamin’ireo fanoharana momba ny famafazana ny voan’ilay Fanjakana, ohatra, fa miankina amin’ny toe-pon’ny olona no hanekeny ny vaovao tsara na tsia, ary i Jehovah no tena manampy azy handroso. (Mar. 4:3-9, 26-29) Noresahiny fa hitombo be ny isan’ny olom-pehezin’ilay Fanjakana, na dia tsy hita aza izany amin’ny voalohany. (Mat. 13:31-33) Nasongadiny koa fa tsy izay rehetra mandre ny vaovao tsara no ho lasa vahoakan’ilay Fanjakana.—Mat. 13:47-50. *

2. Iza ireo voa tsara ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy tsimparifary?

2 Nanao fanoharana hafa mahakasika ny fanangonana an’ireo hiara-manjaka aminy i Jesosy. Ao amin’ny Matio toko faha-13 izy io, ary miresaka momba ny vary sy tsimparifary. Eto dia “ny zanak’ilay fanjakana” no voa tsara, fa tsy “ny teny momba ilay fanjakana” toy ny hita any amin’ny fanoharana hafa. (Mat. 13:19, 38) Tsy olom-pehezin’ilay Fanjakana izy ireo, fa ‘zanaka’ na mpandova ilay Fanjakana.—Rom. 8:14-17; vakio ny Galatianina 4:6, 7.

Ny vary sy tsimparifary

3. Inona no olana nahazo an’ilay mpamafy, ary ahoana no nandaminany izany?

3 Izao ilay fanoharana: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny. Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary teo amin’ny vary, dia lasa. Rehefa naniry ny vary ka niteraka, dia nipoitra koa ny tsimparifary. Koa tonga ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: ‘Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao teny an-tanimbarinao? Koa nahoana no misy tsimparifary koa?’ Dia hoy izy tamin’ireo: ‘Fahavalo no nanao izany.’ Ary hoy ireo: ‘Tianao àry ve ny handehananay hanangona an’ireny?’ Hoy izy: ‘Tsia! Sao manongotra ny vary koa ianareo rehefa manangona ny tsimparifary. Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Amin’izay fotoana izay aho no hilaza amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana, ary avy eo vao angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitehirizako vokatra.’ ”—Mat. 13:24-30.

4. a) Iza ilay lehilahy ao amin’ilay fanoharana? b) Oviana i Jesosy no nanomboka namafy ilay voa, ary ahoana no nanaovany izany?

4 Iza ilay lehilahy namafy voa tsara? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona.” (Mat. 13:37) I Jesosy no “Zanak’olona.” Niasa an’ilay tanimbary izy rehefa nanompo teto an-tany nandritra ny telo taona sy tapany. (Mat. 8:20; 25:31; 26:64) Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 izy no namafy ny voa tsara, dia “ny zanak’ilay fanjakana.” Nasain’i Jehovah nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianany mantsy izy, mba hanosorana azy ireo ho zanak’Andriamanitra. * (Asa. 2:33) Naniry ilay voa ka masaka azo nojinjaina. Namafy ny voa tsara àry i Jesosy mba hahafahana hijinja, izany hoe hanangona an’ireo rehetra hiara-manjaka aminy.

5. Iza ilay fahavalo ary iza ireo tsimparifary?

5 Iza ilay fahavalo ary iza ireo tsimparifary? Nilaza i Jesosy fa ny “Devoly” ilay fahavalo, ary “ny zanak’ilay ratsy” no tsimparifary. (Mat. 13:25, 38, 39) Misy poizina ilay karazana tsimparifary noresahin’i Jesosy, ary mitovy be amin’ny vary rehefa maniry. Tena toy izany mihitsy ireo milaza azy ho zanak’ilay Fanjakana nefa tsy mamoa voa tsara! Mihambo ho Kristianina izy ireo nefa ‘taranaky’ ny Devoly raha ny marina.—Gen. 3:15.

6. Oviana no nipoitra ny tsimparifary, ary inona no dikan’ny hoe “natory” ny olona?

6 Oviana no nipoitra ireo Kristianina toy ny tsimparifary ireo? “Raha mbola natory ny olona”, hoy i Jesosy. (Mat. 13:25) Oviana izany? Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo anti-panahin’i Efesosy: “Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:29, 30) Nampirisihiny àry izy ireo mba hifoha ara-panahy hatrany. Ny apostoly no ‘nisakana’ ny fivadiham-pinoana, ka rehefa lasa natory izy ireo, izany hoe nodimandry, dia maro ny Kristianina nanjary natory ara-panahy. (Vakio ny 2 Tesalonianina 2:3, 6-8.) * Nanomboka teo ny fivadiham-pinoana lehibe.

7. Nisy vary nivadika ho tsimparifary ve? Hazavao.

7 Tsy nilaza i Jesosy hoe lasa tsimparifary ny vary, fa hoe nafafy teo amin’ny vary ny tsimparifary. Tsy Kristianina niala tamin’ny fahamarinana àry ireo tsimparifary ireo. Niezaka mafy kosa i Satana hampiditra olona ratsy fanahy teo anivon’ny fiangonana mba hanimbana azy io. Efa nanomboka nisy izany rehefa antitra i Jaona, ilay apostoly farany.—2 Pet. 2:1-3; 1 Jaona 2:18.

‘Niara-naniry mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana’

8, 9. a) Nahoana no azon’ireo nihaino an’i Jesosy ny toromarik’ilay lehilahy? b) Ahoana no nahatanterahan’ilay hoe niara-naniry ny vary sy tsimparifary?

8 Nanontany an’ilay lehilahy ny mpanompony hoe: “Tianao àry ve ny handehananay hanangona [ny tsimparifary]?” (Mat. 13:27, 28) Somary mahagaga ny valin-tenin’ilay lehilahy. Nilaza izy hoe aleo hiara-maniry ny vary sy ny tsimparifary mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Azon’ny mpianatr’i Jesosy tsara anefa izany. Fantatr’izy ireo fa sarotra be ny manavaka ny vary amin’ny tsimparifary. Mifamatotra koa ny fakan’izy roa tonta mazàna. * Tsy mahagaga àry raha nasain’ilay lehilahy niandry aloha ny mpanompony!

9 Nirongatra be ny tsimparifary, tao anatin’ny taonjato maro. Namokatra Kristianina sandoka maro aloha ny Fivavahana Katolika sy Ortodoksa, ary avy eo ny Protestanta. Nisy voa tsara vitsivitsy nafafy ihany anefa nandritra izany fotoana izany. Ela vao naniry ireo voa, nefa nanam-paharetana ilay mpamafy. Niandry ny fotoam-pijinjana izy.

Tonga ihany ny fotoam-pijinjana!

10, 11. a) Oviana no tonga ny fotoam-pijinjana? b) Ahoana no anangonana ny vary ho ao amin’ny trano fitehirizam-bokatr’i Jehovah?

10 Hoy i Jesosy: “Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity, ary ny mpijinja dia anjely.” (Mat. 13:39) Avahana amin’ny tsimparifary ny zanak’ilay Fanjakana ary angonina, mandritra ny andro faran’ity tontolo ity. Hoy ny apostoly Petera momba izany: ‘Izao no fotoana voatondro hanombohan’ny fitsarana eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra. Koa raha manomboka amintsika izany, hanao ahoana no hiafaran’ireo tsy mankatò ny vaovao tsaran’Andriamanitra?’—1 Pet. 4:17.

11 Nanomboka notsaraina ireo milaza ho Kristianina, teo am-piandohan’ny andro farany na “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Nojerena raha tena “zanak’ilay fanjakana” izy ireo, na “zanak’ilay ratsy.” Rehefa nanomboka ilay fotoam-pijinjana, dia nianjera “aloha” i Babylona Lehibe, ary “avy eo” nangonina ny zanak’ilay Fanjakana. (Mat. 13:30) Ahoana anefa no anangonana azy ireo ho ao amin’ny trano fitehirizam-bokatr’i Jehovah? Lasa anisan’ny fiangonana kristianina marina izy ireo, ary tahin’i Jehovah sy arovany. Nisy koa nahazo ny valisoany any an-danitra.

12. Haharitra hafiriana ny fotoam-pijinjana?

12 Haharitra hafiriana ilay fitsarana? Haharitra elaela izany, satria elaela mazàna ny “fotoam-pijinjana.” (Apok. 14:15, 16) Mitohy mandritra ny andro farany àry ny fitsarana ny voahosotra tsirairay. Tsy ho tapitra izany raha tsy efa voaisy tombo-kase farany izy ireo.—Apok. 7:1-4.

13. Nahoana ny tsimparifary no lazaina fa manafintohina sady mpandika lalàna?

13 Iza no havoaka avy ao amin’ilay Fanjakana, ary nahoana izy ireo no lazaina fa ‘mpandika lalàna sy mahatonga ny hafa hanota [na ho tafintohina, Fandikan-teny Protestanta]’? (Mat. 13:41) Namitaka olona an-tapitrisany ny mpitondra fivavahana, nandritra ny taonjato maro. Manafintohina olona izy ireo satria mampianatra zavatra manala baraka an’Andriamanitra. Anisan’izany ny afobe sy ny Andriamanitra telo izay iray, izay fampianarana tsy mazava sy hafahafa. Tsy fakan-tahaka ny mpitondra fivavahana maro, satria misakaiza amin’izao tontolo izao. Ny sasany aza tsy menatra manao zavatra mamoafady. (Jak. 4:4) Lasa milefitra loatra amin’ny mpiangona ratsy fitondran-tena koa izy ireo. (Vakio ny Joda 4.) Mbola miseho ho mpivavaka be ihany anefa izy ireo. Tena faly ny zanak’ilay Fanjakana satria tafasaraka amin’ireny tsimparifary ireny, sady tsy manaraka intsony ny fampianarany manafintohina!

14. Inona no dikan’ny hoe mitomany sy mitoloko ny tsimparifary?

14 Inona no dikan’ny hoe mitomany sy mitoloko ny tsimparifary? (Mat. 13:42) Mijaly “ny zanak’ilay ratsy” satria ahariharin’ny “zanak’ilay fanjakana” fa poizina ho an’ny olona. Malahelo koa izy ireo satria tsy dia manohana azy intsony ny mpiangona, sady tsy manaiky hofeheziny.—Vakio ny Isaia 65:13, 14.

15. Inona no dikan’ny hoe hodorana ny tsimparifary?

15 Inona no dikan’ny hoe hangonina sy hodorana ny tsimparifary? (Mat. 13:40) Hatsipy ao amin’ny lafaoro mirehitra izy ireo amin’ny farany, izany hoe horinganina tanteraka. (Apok. 20:14; 21:8) Mandritra ny “fahoriana lehibe” izany no hitranga.—Mat. 24:21.

“Hamirapiratra tahaka ny masoandro”

16, 17. Inona no faminanian’i Malakia momba ny tempolin’Andriamanitra, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

16 Rahoviana ny vary no “hamirapiratra tahaka ny masoandro”? (Mat. 13:43) Hoy i Malakia rehefa naminany momba ny fanadiovana ny tempolin’Andriamanitra: “ ‘Ho avy tampoka ao amin’ny tempoliny ilay tena Tompo tadiavinareo sy ilay iraky ny fifanekena izay sitrakareo. Ho avy tokoa izy’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. ‘Iza anefa no hahatanty ny andro iaviany, ary iza no hahajoro rehefa miseho izy? Fa ho toy ny afon’ny mpandrendrika metaly izy sady ho toy ny savonin’ny mpanasa lamba. Ary hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy izy, dia hodioviny ny taranak’i Levy. Hodioviny toy ny volamena sy volafotsy ireo, ka ho vahoakan’i Jehovah manolotra fanatitra atao fanomezana izay atolotra amim-pahamarinana.’ ”—Mal. 3:1-3.

17 Tanteraka izany nanomboka tamin’ny 1918, rehefa nanara-maso ny tempoly ara-panahy i Jehovah sy Jesosy Kristy, “ilay iraky ny fifanekena.” Resahin’i Malakia ny vokatr’io fanadiovana io. Hoy izy: “Ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” (Mal. 3:18) Narisika indray ny tena Kristianina, ka nandroso be ny asa fitoriana. Izany no porofo fa nanomboka ny fotoam-pijinjana.

18. Inona no nolazain’i Daniela fa hitranga ankehitriny?

18 Hoy i Daniela mpaminany momba ny androntsika: “Hamirapiratra toy ny famirapiratry ny habakabaka ireo lalin-tsaina. Ary izay mitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana dia hamirapiratra toy ny kintana, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.” (Dan. 12:3) Iza ireo mamirapiratra ireo? Tsy iza fa ny voahosotra, na ny vary tao amin’ny fanoharan’i Jesosy! Mihamaro hatrany koa ny vahoaka be mahita fa ‘navoaka’ ny tsimparifary, dia ny Kristianina sandoka. Mampamirapiratra ny hazavany miaraka amin’ny sisa voahosotra izy ireo eto amin’ity tontolo feno haizina ity, ary manantena ny ho lasa vahoakan’ilay Fanjakana.—Zak. 8:23; Mat. 5:14-16; Fil. 2:15.

19, 20. Inona no andrandrain’ny “zanak’ilay fanjakana”, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Efa tsy andrin’ny “zanak’ilay fanjakana” ny hahazo ny valisoany lehibe any an-danitra. (Rom. 8:18, 19; 1 Kor. 15:53; Fil. 1:21-24) Miezaka mafy anefa izy ireo mba tsy hivadika sy hamirapiratra hatrany ary hiavaka amin’ny “zanak’ilay ratsy.” (Mat. 13:38; Apok. 2:10) Tena faly isika mahita fa nisy vokany tsara ny ‘namoahana’ ny tsimparifary!

20 Inona anefa no ifandraisan’ny zanak’ilay Fanjakana sy ilay vahoaka be mitombo isa hatrany, izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2008, pejy 12-21.

^ feh. 4 Tsy ny asa fitoriana sy fampianarana ilay famafazana eto, satria natao hanangonana olona ho eo anivon’ny fiangonana fotsiny izany, ary atỳ aoriana ilay olona vao mety ho lasa voahosotra. Tsy nilaza i Jesosy hoe “ho lasa” zanak’ilay fanjakana ny voa tsara, fa hoe “ny voa tsara dia ny zanak’ilay fanjakana.” Ny fanosorana azy ireo amin’ny fanahy masina àry no famafazana resahin’ilay fanoharana.

^ feh. 6 Rehefa jerena ny teny grika nandikana ireo andininy ireo, dia tsy ny Kristianina mivadika ihany no atao hoe ‘mpivadi-pinoana’, fa ny Kristianina sandoka miditra eo anivon’ny fiangonana koa.

^ feh. 8 Mifamatopatotra be ilay izy, ka mety hiongotra ny vary raha esorina alohan’ny fijinjana ny tsimparifary eo akaikiny.—Jereo ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 1, pejy 836.

Tadidinao Ve?

Inona no dikan’ireto, ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy tsimparifary?

• Ny voa tsara

• Ilay lehilahy namafy

• Ny famafazana

• Ilay fahavalo

• Ny tsimparifary

• Ny fotoam-pijinjana

• Ny trano fitehirizam-bokatra

• Mitomany sy mitoloko

• Ny lafaoro mirehitra

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 ny famafazana ny voa tsara

[Sary, pejy 23]

Angonina ao amin’ny trano fitehirizam-bokatr’i Jehovah izao ny vary

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.