Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andiany Iray Sady Iray Ihany ny Mpiandry

Andiany Iray Sady Iray Ihany ny Mpiandry

Andiany Iray Sady Iray Ihany ny Mpiandry

“Hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.”—MAT. 19:28.

1. Ahoana no nifandraisan’i Jehovah tamin’ny taranak’i Abrahama? Midika ve izany fa tsy noraharahainy ny olona hafa firenena? Hazavao.

TIA an’i Abrahama i Jehovah, ka naneho fitiavana foana tamin’ny taranany, dia ny firenen’ny Israely. Nofidiny ho vahoakany sy ho “fananany manokana” izy ireo, nandritra ny 1 500 taona mahery. (Vakio ny Deoteronomia 7:6.) Midika ve izany fa tsy noraharahainy ny olona hafa firenena? Tsia. Navelan’i Jehovah hiaraka tamin’ny Israelita izy ireo, raha naniry hanompo azy. Noraisina ho anisan’ilay firenena ireny olona ireny, sady tsy navakavahana. (Lev. 19:33, 34) Tsy maintsy nankatò ny lalàn’i Jehovah rehetra koa izy ireo.—Lev. 24:22.

2. Inona no nolazain’i Jesosy, ary inona no fanontaniana aterak’izany?

2 Hoy anefa i Jesosy tamin’ireo Israelita, fony izy tetỳ an-tany: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mat. 21:43) Iza no ho ao anatin’io firenena vaovao io, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fiainantsika?

Ilay firenena vaovao

3, 4. a) Inona no nolazain’ny apostoly Petera momba ilay firenena vaovao? b) Iza io firenena io?

3 Nampahafantarin’ny apostoly Petera hoe iza io firenena io. Hoy izy tamin’ny mpiray finoana taminy: ‘Ianareo dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay” niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ (1 Pet. 2:9) Ireo Jiosy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia no voalohany anisan’io firenena io, araka ny faminaniana. (Dan. 9:27a; Mat. 10:6) Maro koa ny tsy Israelita lasa anisan’izy io tatỳ aoriana. Hoy mantsy i Petera: “Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.”—1 Pet. 2:10.

4 Iza àry ilay firenena vaovao? Hoy i Petera eo aloha kokoa: ‘Naterak’Andriamanitra indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho anareo.’ (1 Pet. 1:3, 4) Ireo Kristianina manantena ny ho any an-danitra, na ny voahosotra àry ilay firenena vaovao. Izy ireo no “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana fa miisa 144 000 izy ireo, ary ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.’ Ho “mpisorona” izy ireo, ary ‘hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona.’—Apok. 5:10; 7:4; 14:1, 4; 20:6; Jak. 1:18.

Ny voahosotra ihany ve no atao hoe Israely?

5. a) Iza no antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra”? b) Inona no porofo fa ampiasaina hanondroana olon-kafa koa ny hoe “Israely”?

5 Ny Kristianina voahosotra ihany no antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra.” Mety hanondro Kristianina ankoatra ny voahosotra anefa ny hoe Israely. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny apostoliny tsy nivadika: “Manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny fanjakako ianareo, ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Lioka 22:28-30) Hitranga izany amin’ny “fotoanan’ny fanavaozana”, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.—Vakio ny Matio 19:28.

6, 7. Iza ireo “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” resahin’ny Matio 19:28 sy Lioka 22:30?

6 Ho mpanjaka sy mpisorona ary mpitsara ny 144 000, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Apok. 20:4) Iza no hotsarainy sy hanjakany? Milaza ny Matio 19:28 sy Lioka 22:30 fa hitsara ny “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” izy ireo. Iza no antsoina hoe “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” eto? Ireo manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Mino ny soron’i Jesosy izy ireo, saingy tsy anisan’ireo mpanjaka sy mpisorona. (Tsy nisaina ho anisan’ny foko 12 teo amin’ny Israely fahiny ny fokon’i Levy, izay nisy ireo mpisorona.) Handray soa avy amin’ny asan’ny mpisorona ataon’ny 144 000 ireo foko 12 an’ohatra. Vahoakan’Andriamanitra izy ireo, ka tiany sy ankasitrahany. Tsy mahagaga àry raha nampitoviny tamin’ny vahoakany fahiny izy ireo.

7 Nahita “vahoaka be” tsy tambo isaina ‘avy tamin’ny firenena rehetra’ ny apostoly Jaona, taorian’ny nahitany an’ireo 144 000 nasiana tombo-kase farany. (Apok. 7:9) Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo, ary ho olom-pehezin’i Kristy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hisy maty an’arivony tapitrisa koa hatsangana, ka hiaraka amin’izy ireo. (Jaona 5:28, 29; Apok. 20:13) Ireo rehetra ireo no antsoina hoe “foko roa ambin’ny folon’ny Israely”, izay hotsarain’i Jesosy sy ny 144 000.—Asa. 17:31; 24:15; Apok. 20:12.

8. Inona no zava-nisy tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny 144 000 sy ny olon-kafa?

8 Hita mialoha avy tamin’ny zava-nisy nandritra ny Andro Fandrakofam-pahotana ny momba ny 144 000 sy ny olon-kafa. (Lev. 16:6-10) Tamin’io andro io, dia tsy maintsy nanao fanatitra omby ho an’ny ‘tenany sy ny fokony’ aloha ny mpisoronabe. Ireo mpisorona 144 000 hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra àry no mandray soa voalohany amin’ny sorona nataony. Nisy osy roa natao sorona koa tamin’io andro io, mba hanadiovana ny fahotan’ny Israelita hafa. Iza no mifanitsy amin’ireo Israelita ireo? Ireo manantena ny hiaina eto an-tany. Tsy ireo mpisorona voahosotry ny fanahy àry no antsoina hoe “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” ao amin’ny Matio 19:28, fa izay rehetra mino ny soron’i Jesosy. *

9. Iza no mifanitsy amin’ireo mpisorona sy ireo Israelita tsy mpisorona, ao amin’ny fahitan’i Ezekiela?

9 Nahazo fahitana momba ny tempolin’i Jehovah i Ezekiela. (Ezek., toko 40-48) Hitany niasa tao amin’ny tempoly ny mpisorona. Nampianatra izy ireo, ary nampita ny torohevitra sy ny fanitsiana avy amin’i Jehovah. (Ezek. 44:23-31) Tonga hivavaka tao sy hanao fanatitra koa ireo foko samihafa. (Ezek. 45:16, 17) Mifanitsy amin’ny voahosotra ny mpisorona, ary mifanitsy amin’ireo manantena ny hiaina eto an-tany ireo foko hafa tsy mpisorona. Asongadin’io fahitana io fa miray saina ireo antokon’olona roa ireo, ary ny mpisorona no mitarika eo amin’ny fivavahana madio.

10, 11. a) Inona no tenin’i Jesosy tanteraka ankehitriny? b) Inona no fanontaniana mipetraka momba ny ondry hafa?

10 Nilaza i Jesosy fa manana “ondry hafa” izy, ary tsy iray “vala” amin’ny “ondry vitsy”, na ny voahosotra izy ireo. (Jaona 10:16; Lioka 12:32) Hoy izy: “Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” Tena mampahery fa tanteraka ireo teny ireo ankehitriny! Lasa andiany iray ny voahosotra, izay vitsy an’isa, sy ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa. (Vakio ny Zakaria 8:23.) Na dia tsy manompo ao amin’ny tokotany anatiny amin’ny tempoly ara-panahy aza ny ondry hafa, dia manompo ao amin’ny tokotany ivelany.

11 Manondro an’ireo manantena ny hiaina eto an-tany àry indraindray ny hoe Israely. Midika ve izany fa tokony hihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana izy ireo? Andeha hojerentsika.

Ny fifanekena vaovao

12. Inona ilay zava-baovao nolazain’i Jehovah fa hataony?

12 Nilaza i Jehovah fa hanao zava-baovao ho an’ny vahoakany. Hoy izy: ‘Izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany: Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.’ (Jer. 31:31-33) Ho tanteraka amin’ny fomba miavaka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama, noho io fifanekena vaovao io.—Vakio ny Genesisy 22:18.

13, 14. a) Iza no ao anatin’ny fifanekena vaovao? b) Iza no mandray soa amin’izy io, ary inona no dikan’ny hoe “mifikitra” amin’ilay fifanekena izy ireo?

13 Hoy i Jesosy momba ilay fifanekena, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.” (Lioka 22:20; 1 Kor. 11:25) Tafiditra ao amin’io fifanekena io ve ny Kristianina rehetra? Tsia. Ny sasany ihany no ao anatiny, anisan’izany ireo apostoly, izay nisotro tamin’ilay kaopy. * Nanao fifanekena hafa tamin’izy ireo koa i Jesosy. (Lioka 22:28-30) Nilaza izy fa hiara-manjaka aminy izy ireo.—Lioka 22:15, 16.

14 Ahoana ny amin’ireo ho vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany? Mandray soa amin’ilay fifanekena vaovao izy ireo. (Gal. 3:8, 9) Marina fa tsy ao anatin’ilay fifanekena izy ireo, nefa “mifikitra” amin’izy io, ka mankatò ny lalàna mifandray amin’izany, araka ny nolazain’i Isaia mpaminany hoe: “Ny hafa firenena izay miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah ka ho mpanompony, eny, izay rehetra mitandrina ny sabata ka tsy manazimbazimba azy, sy mifikitra amin’ny fifanekena nataoko, dia hoentiko ho any amin’ny tendrombohitro masina koa, ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.” Hoy ihany i Jehovah: “Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”—Isaia 56:6, 7.

Iza no mihinana ny mofo sy divay?

15, 16. a) Inona no valisoa azon’ireo ao anatin’ilay fifanekena vaovao? b) Nahoana no tsy tokony hihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana ny ondry hafa?

15 “Manana fahasahiana hiditra eo amin’ilay lalana mankao amin’ny toerana masina” ireo ao anatin’ilay fifanekena vaovao. (Vakio ny Hebreo 10:15-20.) “Hahazo fanjakana tsy azo hozongozonina” izy ireo. (Heb. 12:28) Ireo ho mpanjaka sy mpisorona hiaraka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra ihany àry no misotro amin’ny “kaopy”, izay mariky ny fifanekena vaovao. Natolotra ho fofombadin’ny Zanak’ondry izy ireo. (2 Kor. 11:2; Apok. 21:2, 9) Tsy mihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana kosa ireo manantena ny hiaina eto an-tany, fa manatrika amim-panajana fotsiny.

16 Manaporofo izany ny tenin’i Paoly. Hoy izy tamin’ny voahosotra: “Fa isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.” (1 Kor. 11:26) Rahoviana no ‘ho avy’ ny Tompo? Rehefa hanangana ny voahosotra maty farany ho any an-danitra. (Jaona 14:2, 3) Tsy hitohy mandrakizay àry ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Hifarana izany rehefa lasa any an-danitra daholo ny “sisa” amin’ny taranak’ilay vehivavy. (Apok. 12:17) Lasa tsy hisy farany kosa io fankalazana io, raha mihinana ny mofo sy divay ireo hiaina mandrakizay eto an-tany.

‘Ho oloko izy ireo’

17, 18. Ahoana no nahatanterahan’ny Ezekiela 37:26, 27?

17 Nilaza i Jehovah fa hiray saina ny vahoakany. Hoy izy: “Hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho, ka ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. Hapetrako ao amin’ny taniny izy ireo, ary hataoko lasa maro be. Dia hataoko eo amin’izy ireo, mandritra ny fotoana tsy voafetra, ny toerako masina. Ho eo amin’izy ireo ny tranolaiko, ka ho Andriamaniny tokoa aho ary izy ireo ho oloko.”—Ezek. 37:26, 27.

18 Tanteraka io fampanantenana miavaka io, ary mandray soa amin’izany ny vahoakan’Andriamanitra rehetra. Noho ilay fifanekem-pihavanana mantsy, dia tena mifankatia izy ireo. Hita fa maneho ny vokatry ny fanahy ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Manaraka ny fivavahana madio izy ireo, ka toy ny hoe eo aminy ny toerana masin’Andriamanitra. Lasa olony izy ireo, satria niala tamin’ny fanompoan-tsampy rehetra, ary mivavaka aminy irery ihany.

19, 20. Iza koa no antsoin’i Jehovah hoe ‘olony’, ary inona no tanteraka noho ny fifanekena vaovao?

19 Tena faly isika satria miray saina ny voahosotra sy ny vahoaka be! Tsy manantena ny ho any an-danitra ny vahoaka be, nefa faly miandany amin’ny voahosotra na ny Israelin’Andriamanitra. Antsoin’i Jehovah hoe ‘olony’ koa àry izy ireo. Tanteraka aminy ity tenin’i Jehovah ity: “Firenena maro no hiandany [amiko] amin’izany andro izany, ka ho tonga oloko. Ary honina eo aminao aho.”—Zak. 2:11; 8:21; vakio ny Isaia 65:22; Apokalypsy 21:3, 4.

20 Tanteraka izany rehetra izany noho ilay fifanekena vaovao. Olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena samihafa no lasa vahoaka ankasitrahan’i Jehovah. (Mika 4:1-5) Tapa-kevitra ny hifikitra amin’ilay fifanekena izy ireo, ka mankatò ny fitsipika rehetra mifandray amin’izy io. (Isaia 56:6, 7) Mihavana tsara foana àry izy ireo sy ny Israelin’Andriamanitra. Fitahiana lehibe izany! Enga anie ka hahazo an’io fitahiana io koa ianao dieny izao sy ho mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Intỳ misy ohatra hafa: Ny voahosotra no antsoina voalohany hoe ‘fiangonana.’ (Heb. 12:23) Antsoina hoe fiangonana koa anefa ny Kristianina rehetra, na ho any an-danitra izy na tsia.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2007, pejy 21-23.

^ feh. 13 Tsy ao anatin’ilay fifanekena i Jesosy, fa Mpanelanelana fotsiny. Azo antoka àry fa tsy nihinana tamin’ny mofo sy divay izy.

Tadidinao Ve?

• Iza ireo “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” hotsarain’ny 144 000?

• Hazavao ny ifandraisan’ny fifanekena vaovao sy ny voahosotra. Ary ahoana ny amin’ny ondry hafa?

• Tokony hihinana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana ve ny Kristianina rehetra?

• Inona no faminaniana milaza fa hiray saina ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Tabilao/Sary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Maro ankehitriny no miara-manompo amin’ny Israelin’Andriamanitra

7,313,173

4,017,213

1,483,430

373,430

1950 1970 1990 2009