Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hahazo Sitraka Amin’Andriamanitra Foana na Miova aza ny Fiainanao

Miezaha Hahazo Sitraka Amin’Andriamanitra Foana na Miova aza ny Fiainanao

Miezaha Hahazo Sitraka Amin’Andriamanitra Foana na Miova aza ny Fiainanao

NISY niova ve ny fiainanao tato ho ato, ka hoatran’ny tsy eken’ny sainao? Mety hitranga amintsika rehetra izany, na ho ela na ho haingana. Misy tantara fahiny ahitantsika ny toetra ilaina amin’ny toe-javatra toy izany.

Niovaova be, ohatra, ny fiainan’i Davida. Mbola kely izy dia efa nohosoran’i Samoela mba ho lasa mpanjaka. Mpiandry ondry izy tamin’izany. Nanolo-tena hiady tamin’i Goliata, Filistinina goavam-be, izy rehefa lehibebe. (1 Sam. 17:26-32, 42) Nasain’i Saoly Mpanjaka hipetraka tao an-dapa izy, ary lasa mpitari-tafika. Tsy nampoizin’i Davida ireny fiovana ireny, ary tsy azony an-tsaina koa izay hitranga taorian’izay.

Lasa halan’i Saoly i Davida, tatỳ aoriana. (1 Sam. 18:8, 9; 19:9, 10) Tsy maintsy nandositra foana àry izy nandritra ny taona maro, mba tsy ho faty. Rehefa lasa mpanjakan’ny Israely izy, dia mbola niova be ihany ny fiainany, indrindra rehefa nijangajanga izy ka namono olona mba hanafenana ny fahotany. Nisy loza foana tao amin’ny fianakaviany, vokatr’izany. Nikomy taminy, ohatra, i Absaloma zanany. (2 Sam. 12:10-12; 15:1-14) Nibebaka anefa i Davida, ka namela azy i Jehovah ary nankasitraka azy indray.

Mety hiova koa ny fiainanao, noho ny aretina, olana ara-bola na ara-pianakaviana, na noho ny safidy nataonao koa aza. Inona àry no toetra ilainao mba ho vonona kokoa hiatrika an’ireny zava-tsarotra ireny ianao?

Ilaina ny fanetren-tena

Mora manaiky ny zava-misy ny olona manetry tena. Raha manetry tena ianao dia ho hitanao ny tena toetranao sy ny tena toetran’ny olona. Hankasitraka ny hafa kokoa ianao, raha tsy odianao tsy hita ny toetra tsarany sy ny zava-bitany. Raha manetry tena àry isika dia mety ho takatsika hoe nahoana no mitranga amintsika ny zavatra iray, sy hoe ahoana no hiatrehana izany.

Ohatra tsara amin’izany i Jonatana, zanak’i Saoly. Niova be ny fiainany nefa tsy nisy azony natao. Rehefa niteny tamin’i Saoly i Samoela fa hesorin’i Jehovah aminy ny fanjakana, dia tsy i Jonatana no nolazainy hoe handimby azy. (1 Sam. 15:28; 16:1, 12, 13) I Davida kosa no voafidy ho mpanjaka. Nisy vokany ratsy teo amin’i Jonatana àry ny fahadisoan’i Saoly. Tsy afaka nandimby ny rainy mantsy izy, na dia tsy izy aza no diso. (1 Sam. 20:30, 31) Ahoana no nataon’i Jonatana? Tezitra ve izy satria tsy lasa mpanjaka, ka nialona an’i Davida? Tsia. Nanana traikefa sy be taona kokoa izy, nefa nanohana an’i Davida foana. (1 Sam. 23:16-18) Nanetry tena izy ka takany fa notahin’i Jehovah i Davida. Tsy ‘nihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina’ àry izy. (Rom. 12:3) Fantany ny tian’i Jehovah hataony, ka nekeny ilay fanapahan-kevitra.

Azo antoka fa sarotra tamin’i Jonatana ilay toe-javatra, satria samy tiany i Davida sy Saoly. I Davida moa namany, sady voatendrin’i Jehovah. I Saoly kosa rainy, izay mbola mpanjaka, saingy efa nolavin’i Jehovah. Nampikorontana ny fihetseham-pon’i Jonatana izany. Niezaka ny hahazo sitraka tamin’i Jehovah foana anefa izy. Mety hitebiteby koa isika rehefa misy miova ny fiainantsika. Afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah anefa isika, raha miezaka mahatakatra ny fomba fiheviny.

Tadidio fa voafetra ny azonao atao

Ilaina ny mitadidy fa voafetra ny azontsika atao. Tsy mitovy amin’ny fanetren-tena izany. Ny olona manetry tena mantsy tsy voatery hiaiky hoe voafetra ny azony atao.

Diniho ny ohatr’i Davida. Nofidin’i Jehovah ho mpanjaka izy, nefa afaka taona maro vao tena nandray fitondrana. Tsy nanazava taminy ny antony anefa i Jehovah. Mety ho nampalahelo ilay toe-javatra, nefa tsy nahakivy an’i Davida. Takany mantsy fa voafetra ihany ny azony natao. I Jehovah koa afaka nanova izany, saingy navelany hitranga ilay izy. Noho izany, na notandindomin-doza aza ny ain’i Davida, dia tsy nety namono an’i Saoly izy, ary tsy navelany koa i Abisay, izay niaraka taminy.—1 Sam. 26:6-9.

Mety hisy toe-javatra tsy mazava amintsika koa indraindray eo anivon’ny fiangonana, na misy olana heverintsika hoe tsy voalamina tsara araka ny tokony ho izy. Mila miaiky isika fa voafetra ihany ny azontsika atao momba izany. Hekentsika ve amin’izay fa i Jesosy no Lohan’ny fiangonana, ary mampiasa ireo anti-panahy izy mba hitarika? Vonona ve isika hiandry an’i Jehovah hanome tari-dalana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy? Tsy hahazo sitraka aminy isika raha tsy izay. Hiandry àry ve isika na sarotra aza?

Zava-dehibe ny fandeferana

Malemy fanahy ny olona mandefitra. Miaritra ny tsy rariny izy sady tsy tezitra, na mitana lolompo, na mitady hamaly faty. Sarotra ny manana an’io toetra io. Mariho fa mbola asain’ny Baiboly ‘mikatsaka ny fandeferana’ ihany ireo “mpandefitra rehetra amin’ny tany.” (Zef. 2:3) Sady manetry tena ny olona mandefitra, no mahalala fa voafetra ihany ny azony atao. Manana toetra tsara hafa koa izy, toy ny hoe tia manao soa. Manaiky ampianarina sy mora atoro izy, ka mandroso ara-panahy.

Nahoana no manampy antsika ny fandeferana rehefa misy fiovana eo amin’ny fiainana? Voamarikao angamba fa maro no mihevitra hoe ratsy foana ny fiovana. Azo raisina ho fomba ampiofanan’i Jehovah antsika anefa izy ireny. Manaporofo izany ny tantaran’i Mosesy.

Efa nanana toetra tsara maro i Mosesy, tamin’izy 40 taona. Tia nanampy ny vahoakan’Andriamanitra izy sady nahafoy tena. (Heb. 11:24-26) Tsy maintsy nandalo fiovana maromaro anefa izy aloha mba hahatonga azy handefitra kokoa, vao notendren’i Jehovah hitarika ny Israely hivoaka avy tany Ejipta. Voatery niala tany Ejipta izy ary nipetraka tany Midianina nandritra ny 40 taona, ka lasa mpiandry ondry fa tsy olo-malaza intsony. Tena nanatsara ny toetrany ireny fiovana ireny. (Nom. 12:3) Nianarany fa ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe fa tsy izay tiany.

Intỳ misy ohatra ahitana ny fandeferan’i Mosesy. Nilaza i Jehovah indray mandeha hoe haringany ny Israelita mpikomy, fa ny taranak’i Mosesy kosa hataony firenena matanjaka. (Nom. 14:11-20) Niangavy ho an’ilay vahoaka anefa i Mosesy. Hita tamin’ny teniny hoe tsy ny tombontsoany no notadiaviny, fa izay hiarovana ny lazan’Andriamanitra sy hahasoa ny mpiray firenena taminy. Olona be fandeferana tokoa no nilaina mba ho mpanelanelana sy mpitarika ny Israely. Na nimenomenona taminy aza i Miriama sy Arona, dia milaza ny Baiboly fa i Mosesy no “be fandeferana indrindra.” (Nom. 12:1-3, 9-15) Niaritra ny fanesoan’izy ireo izy tamin’izay. Asa izay nitranga raha tsy be fandeferana izy!

Nisy fotoana koa nilatsahan’ny fanahin’i Jehovah tamin’ny lehilahy sasany, ka lasa naminany izy ireo. Nihevitra i Josoa, mpanompon’i Mosesy, fa tsy nety ny nataon’izy ireo. I Mosesy kosa nandefitra, ka nanana ny fomba fihevitr’i Jehovah fa tsy nanahy hoe hihena ny fahefany. (Nom. 11:26-29) Raha tsy be fandeferana tokoa izy, ho nanaiky an’izany fiovana nataon’i Jehovah izany ve?

Nahay nampihatra ny fahefana lehibe nomena azy sy nahavita ny andraikiny i Mosesy, noho izy nandefitra. Nasain’i Jehovah hiakatra teo amin’ny Tendrombohitra Horeba, ohatra, izy ary nisolo tena ny vahoaka. Niresaka taminy tamin’ny alalan’ny anjely Andriamanitra, ary nanendry azy ho mpanelanelana tamin’ny fifanekena nataony. Tsy nanao zavatra tsy nankasitrahan’Andriamanitra anefa izy, na dia nahazo fahefana lehibe aza. Nanaiky an’izany fiovana izany izy, satria nandefitra.

Ahoana ny amintsika? Tena mila mandefitra koa isika tsirairay raha te handroso ara-panahy. Tokony ho be fandeferana ireo manana fahefana sy tombontsoam-panompoana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Mila an’io toetra io koa isika rehetra mba tsy ho be hambom-po rehefa misy fiovana, fa hanana toe-tsaina tsara. Tena zava-dehibe ny fihetsitsika. Hanaiky an’ilay fiovana ve, ohatra, isika? Horaisintsika ho toy ny fomba azo anatsarana ny toetrantsika ve ilay izy? Mety ho fotoana tsara hianarana handefitra mantsy amin’izay!

Efa ampoizina fa hisy fiovana foana eo amin’ny fiainantsika. Sarotra indraindray ny mahatakatra ny anton’izy ireny. Mahatsiaro ho tsy afa-manoatra mantsy isika sady mikorontana ny fihetseham-po, ka mety tsy hanana ny fomba fijerin’i Jehovah. Tena ilaina àry ny manetry tena sy miaiky fa voafetra ihany ny azontsika atao, ary koa mandefitra. Hanampy antsika izany mba hanaiky izay fiovana mitranga, ary hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Raha manetry tena ianao dia ho hitanao ny tena toetranao

[Teny notsongaina, pejy 5]

Tena mila mandefitra isika raha te handroso ara-panahy

[Sary, pejy 5]

Lasa nandefitra kokoa i Mosesy noho ireo zava-tsarotra tsy maintsy natrehiny