Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Lehilahy Nanova An’izao Tontolo Izao

Ilay Lehilahy Nanova An’izao Tontolo Izao

Ilay Lehilahy Nanova An’izao Tontolo Izao

Olona an’arivony tapitrisa no niaina teto an-tany hatramin’izay, saingy tsy nanao zavatra hahatsiarovana azy ny ankamaroany. Nitondra fanovana be kosa ny sasany, ary misy vokany eo amin’ny fiainanao angamba izany.

MIFOHA maraina ianao. Mandrehitra jiro ianao ary miomana handeha hiasa. Maka boky na gazety hovakina eny ambony bisy ianao. Tsy hadinonao koa ny mihinana ny antibiotika nasain’ny dokotera nohaninao. Vao maraina ny andro, dia efa nisy soa noraisinao sahady avy tamin’ny olo-malaza vitsivitsy.

Michael Faraday Teraka tamin’ny 1791 io Anglisy mpahay fizika io, ary izy no namorona ny maotera mandeha amin’ny herinaratra sy ny milina mamoaka herinaratra. Afaka mahazo herinaratra mora foana isika, noho ny zava-bitany.

Ts’ai Lun Niasa tao an-dapan’i Chine izy. Voalaza fa nampivoatra ny fanamboarana taratasy izy tamin’ny taona 105 tany ho any, ka nahafahana nanamboatra taratasy be dia be.

Johannes Gutenberg Io Alemà io no namorona ny milina fanontam-pirinty voalohany misy lohavỳ, tamin’ny 1450 tany ho any. Tsy dia lafo àry ny nanao pirinty, ka azo atao ny mampiely fanazavana samihafa.

Alexander Fleming Io Ekosey mpikaroka io no nahita an’ilay antibiotika nantsoiny hoe penisilinina, tamin’ny 1928. Maro izao no mampiasa ny antibiotika mba hiadiana amin’ny aretina azo avy amin’ny mikraoba.

Nitondra soa ho an’ny olona an’arivony tapitrisa sady nanatsara ny fahasalamany tokoa ny zava-bitan’ireo olona vitsivitsy ireo.

Miavaka amin’ny olon-kafa rehetra anefa ny lehilahy iray tso-piaina. Tsy zava-bita teo amin’ny siansa na fitsaboana no mampahalaza azy. Efa ho 2 000 taona izay no nahafatesany, nefa mbola manan-kery ny hafatra manome fanantenana sy fampiononana navelany. Maro no miaiky hoe tena nanova an’izao tontolo izao izy, satria misy fiantraikany eo amin’ny olona eran-tany ny zavatra nolazainy.

I Jesosy Kristy io lehilahy io. Inona no hafatra notoriny, ary inona no vokatr’izany eo aminao?