Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Vokatr’izay Nolazain’i Jesosy Kristy

Ny Vokatr’izay Nolazain’i Jesosy Kristy

Ny Vokatr’izay Nolazain’i Jesosy Kristy

“Tsara fanahy izy ka mbola mambabo ny fo sy ny saina foana. Izany no porofo maharitra indrindra fa izy ilay olon-kendry avy ao Kapernaomy.” *—GREGG EASTERBROOK, MPANORATRA.

MANAN-KERY ny teny. Mety hanohina ny fo sy hanome fanantenana ary hanova olona ny teny voafidy tsara sy feno fahendrena. Ny tenin’i Jesosy Kristy no manan-kery indrindra hatramin’izay. Izao no nosoratan’ny lehilahy iray nihaino an’ilay toriteny malaza nataony teo an-tendrombohitra: “Rehefa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany.”—Matio 7:28.

Maro amin’ny tenin’i Jesosy no misy heviny lehibe sady mbola mahazatra ny olona eran-tany. Ireto ny sasany amin’izany:

“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”—Matio 6:24.

“Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.

“Aloavy amin’i Kaisara ... izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”—Matio 22:21.

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Tsy hoe nilaza zavatra mora tadidina fotsiny i Jesosy. Nisy heriny lehibe koa ny teniny, satria nilaza ny marina momba an’Andriamanitra izy, nampianatra ny fomba hahitana fiainana mahafa-po, ary nampiseho mazava fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana amin’ny fahorian’olombelona. Rehefa mandinika ny momba izany isika ao amin’ireo pejy manaraka, dia ho hitantsika hoe nahoana no mbola mambabo ny fo sy ny sain’ny olona an-tapitrisany foana ny hatsaram-panahiny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tao Kapernaomy no noheverina fa nisy ny tranon’i Jesosy tany amin’ny faritr’i Galilia.—Marka 2:1.