Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba An’Andriamanitra?

Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba An’Andriamanitra?

Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba An’Andriamanitra?

“Tsy misy mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka. Ny Zanaka anefa te hiresaka momba ny Ray amin’ny hafa, mba hahalalan’izy ireo ny Ray koa.”—LIOKA 10:22, DIKAN-TENY ANGLISY MAODERINA.

EFA ela be no nifandray akaiky tamin-dRainy ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Kolosianina 1:15) Fantany izay eritreretin’ny Rainy sy izay tsapany ary ny fanaovany zavatra. May ny hampianatra ny marina momba an-dRainy izy rehefa lasa olombelona tetỳ an-tany. Hahalala zavatra maro momba an’Andriamanitra isika raha mihaino azy.

Ny anaran’Andriamanitra Tena zava-dehibe tamin’i Jesosy ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tian’io Zanaka malala io hahalala sy hampiasa ny anaran-dRainy ny hafa. Ny anarany aza midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.” Afaka nivavaka toy izao tamin’i Jehovah izy, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao.” (Jaona 17:26) Tsy mahagaga raha nampiasa sy nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy. Ahoana tokoa moa no hahalalan’ireo nihaino azy ny marina momba an’i Jehovah, raha tsy fantatr’izy ireo akory ny anarany sy ny hevitr’izy io? *

Be fitiavana Andriamanitra Nivavaka toy izao i Jesosy, indray mandeha: ‘Ray ô, ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.’ (Jaona 17:24) Tsapany ny fitiavan’Andriamanitra azy tamin’izy tany an-danitra, ka niezaka nampiseho ny endriny samihafa tamin’izany fitiavana izany izy tetỳ an-tany.

Nasehon’i Jesosy fa tia ny olombelona rehetra i Jehovah. Hoy izy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy manondro “ny tany” ilay teny grika nadika hoe ‘izao tontolo izao.’ Manondro ny olombelona rehetra kosa izy io eto. Tia ny olombelona tokoa Andriamanitra ka nomeny ilay Zanany tiany indrindra, mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ireo manam-pinoana, ary hanantena fiainana mandrakizay. Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy ny halalin’izany fitiavana izany.—Romanina 8:38, 39.

Nanasongadina zavatra tena mampahery koa i Jesosy, dia ny hoe tena tia ny mpanompony tsirairay i Jehovah. Nampianariny fa toy ny mpiandry ondry i Jehovah, ary sarobidy aminy ny ondriny tsirairay sady fantany tsara. (Matio 18:12-14) Nilaza i Jesosy fa tsy misy fody latsaka amin’ny tany na iray aza ka tsy ho fantatr’i Jehovah. Hoy koa izy: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.” (Matio 10:29-31) Fody iray tsy ao amin’ny akaniny aza voamarik’i Jehovah, koa mainka fa ny mpanompony! Tena mandinika sy miahy azy ireo tsirairay izy. Raha ny volo tsirairay eo an-dohantsika aza voaisany sy voamariny, dia azo antoka fa fantany daholo ny momba antsika, izany hoe izay ilaintsika sy mampanahy antsika ary ny olana atrehintsika.

Ray any an-danitra Zanaka lahitokan’Andriamanitra i Jesosy, araka ilay lahatsoratra teo aloha. Tsy mahagaga raha niantso matetika an’i Jehovah hoe “Ray” io Zanaka malala io. Niantso an’i Jehovah hoe “Raiko” izy tao amin’ilay teniny voalohany voarakitra an-tsoratra. (Lioka 2:49) Tao amin’ny tempoly izy tamin’izay ary vao 12 taona. Efa ho in-190 no ahitana ny teny hoe “Ray” ao amin’ny Filazantsara. Niantso an’i Jehovah hoe “Rainareo” sy “Rainay” ary “Raiko” i Jesosy. (Matio 5:16; 6:9; 7:21) Nasehony àry fa afaka mifandray tsara amin’i Jehovah sy mitoky aminy ny olombelona mpanota sy tsy lavorary.

Mamindra fo sady vonona hamela heloka Be famindram-po i Jehovah, ary fantatr’i Jesosy fa mila an’izany ny olombelona tsy lavorary. Tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala, dia nampitoviny tamin’ny ray be fangorahana sy mamela heloka ary vonona handray ny zanany nibebaka i Jehovah. (Lioka 15:11-32) Manome toky antsika izany fa mandinika an’izay fiovan’ny toe-pon’ny mpanota iray i Jehovah, mba hahafahany mamindra fo aminy. Tena te hamela ny heloky ny mpanota mibebaka izy. Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana mihoatra noho izany any an-danitra ny amin’ny mpanota anankiray mibebaka noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo izay tsy mila mibebaka.” (Lioka 15:7) Iza no tsy ho voasariky ny Andriamanitra mamindra fo toy izany?

Mpihaino vavaka Efa hitan’i Jesosy tamin’izy tany an-danitra fa “Mpihaino vavaka” i Jehovah ary mahafinaritra azy ny vavaky ny mpanompony tsy mivadika. (Salamo 65:2) Nandritra ny fanompoany àry, dia nampianarin’i Jesosy an’ireo mpihaino azy ny fomba fivavaka sy ny zavatra angatahina. Hoy izy: “Aza mamerimberina zavatra mitovy foana.” Nampirisihiny hivavaka izy ireo mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ‘etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra.’ Afaka mivavaka koa isika mba hahazo ny hanina sahaza isan’andro, sy hahazo famelan-keloka, ary hahatohitra fakam-panahy. (Matio 6:5-13) Nampianarin’i Jesosy fa toy ny ray i Jehovah rehefa mihaino ny vavaky ny mpanompony tso-po sy manam-pinoana, ka mamaly izany.—Matio 7:7-11.

Niezaka nampianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny toetrany i Jesosy. Nisy zavatra hafa tian’i Jesosy hampahafantarina koa anefa. Noresahiny hoe inona no hampiasain’i Jehovah mba hanovana ny tany manontolo sy hanatanterahana ny fikasany ho an’ny tany sy ny olombelona. Izany no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Hita im-7 000 eo ho eo ny hoe Jehovah, ao amin’ny soratra tany am-boalohany. Izao no hevitra mifandray amin’io anarana io: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Afaka ny ho tonga izay rehetra tiany Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany. Manome toky àry ny anarany fa tsy hivadika amin’ny teniny mihitsy izy ary ho tanteraka foana ny fampanantenany.