Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Marina Momba An’i Jesosy?

Inona no Marina Momba An’i Jesosy?

Inona no Marina Momba An’i Jesosy?

AHOANA NO HEVITRAO? MARINA SA DISO IRETO ZAVATRA INOAN’NY OLONA IRETO?

Teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy.

Nisy olon-kendry telo nitsidika an’i Jesosy tamin’izy vao teraka.

I Jesosy irery no zanak’i Maria.

Andriamanitra tonga nofo i Jesosy.

Tsy olona tsara toetra fotsiny i Jesosy.

MARO no mihevitra fa marina daholo ireo. Ny hafa indray mety hilaza fa tsy fantatra mihitsy raha marina ireo na tsia. Mieritreritra angamba izy ireo fa rehefa mino an’i Jesosy ianao, dia izay no zava-dehibe.

Hafa mihitsy anefa ny lazain’ny Baiboly. Mampirisika antsika izy io mba hahazo “fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2 Petera 1:8) Hahazo an’io fahalalana io isika raha mandinika ny Filazantsara. Hita ao ny marina momba an’i Jesosy, ka ho haintsika ny hamantatra ny hevi-diso. Andeha àry hojerentsika izay lazain’ny Filazantsara momba ireo zavatra inoan’ny olona ireo.

ZAVATRA INOANA: Teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy.

DISO.

Tsy resahin’ny Baiboly ny andro sy ny volana nahaterahan’i Jesosy. Ahoana àry no niandohan’ny 25 Desambra? Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa ny olona nilaza ho Kristianina no ‘te hampifanitsy ny daty [nahaterahan’i Jesosy] tamin’ny fankalazan’ny Romanina mpanompo sampy ny fiverenan’ny masoandro amin’ny faran’ny ririnina. Manomboka ho lava mantsy ny andro amin’io, ary mihamanakaiky ny masoandro.’ Milaza koa io rakipahalalana io fa maro amin’ireo fombafomba amin’ny Krismasy no avy amin’ny “fety teo antenatenan’ny ririnina izay nataon’ny mpanompo sampy hankalazana ny masoandro sy ny andriamanitry ny fambolena.”

Tian’i Jesosy ve ny hankalazana ny nahaterahany ny 25 Desambra? Mariho fa tsy fantatra ny daty nahaterahany. Tsy mandidy antsika hankalaza izany koa ny Baiboly, sady tsy lazainy hoe nanao izany ny Kristianina voalohany. Ny daty nahafatesan’i Jesosy kosa no hita ao, ary nandidy ny mpianany izy mba hahatsiaro azy io. * (Lioka 22:19) Ny nahafatesany ho sorona àry no tian’i Jesosy hankalazaina fa tsy ny nahaterahany.—Matio 20:28.

ZAVATRA INOANA: Nisy olon-kendry (na mpanjaka) telo nitsidika an’i Jesosy tamin’izy vao teraka.

DISO.

Efa nahita ny sary mampiseho ny nahaterahan’i Jesosy angamba ianao. Ao anaty fihinanam-bilona izy, ary misy olon-kendry telo manolotra fanomezana ho azy. Tsy marina anefa izany.

Nisy olona avy any Atsinanana tokoa tonga mba hanome voninahitra an’i Jesosy zazakely. Mpanandro na magy izy ireo, raha ny marina. (Matio 2:1, Fandikan-teny Protestanta) Tao anaty fihinanam-bilona ve i Jesosy no hitan’izy ireo? Tsia. Efa tany an-trano izy. Azo antoka fa volana vitsivitsy taorian’ny nahaterahan’i Jesosy izy ireo no tonga.—Matio 2:9-11.

Firy no nitsidika azy? Roa sa telo sa telopolo? Tsy faritan’ny Baiboly izany. Misy milaza hoe telo, satria telo karazana ireo fanomezana. * (Matio 2:11) Misy mihitsy aza mihevitra fa avy amin’ny firenena samihafa ireo lazaina fa olon-kendry ireo. Tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa izany. Milaza ny boky iray momba ny Filazantsara fa “mpahay tantara tia nandefa fisainana niaina tamin’ny taonjato fahavalo” no namorona izany.

ZAVATRA INOANA: I Jesosy irery no zanak’i Maria.

DISO.

Resahin’ny Filazantsara fa nanana mpiray tam-po i Jesosy. Hita ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, ohatra, fa zanaka ‘lahimatoan’i Maria’ izy. Midika izany fa nanan-janaka hafa i Maria, tatỳ aoriana. * (Lioka 2:7) Araka ny Filazantsaran’i Marka, dia nihevitra ny olona sasany tao Nazareta fa tsy nisy nampiavaka an’i Jesosy tamin’ireo iray tam-po taminy. Hoy izy ireo: ‘Tsy io ve ilay rahalahin’i Jakoba sy Josefa sy Jodasy ary Simona? Ary tsy etỳ amintsika ve ireo anabaviny?’—Marka 6:3; Matio 12:46; Jaona 7:5.

Mbola manizingizina ihany anefa ny teolojianina maro fa zaza tokana i Jesosy. Misy milaza fa zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy ireo lazaina fa rahalahiny sy anabaviny. * Ny hafa indray mihevitra fa zanak’i Josefa manokana izy ireo. Diniho anefa izao: Raha i Jesosy irery no zanak’i Maria, ho nilaza an’ireo teny etsy aloha ve ireo olona tao Nazareta? Azo inoana fa nahita an’i Maria bevohoka an’ireo zanany hafa izy ireo. Fantany tsara fa iray tamin’ireo zanaka maro naterak’i Maria i Jesosy.

ZAVATRA INOANA: Andriamanitra tonga nofo i Jesosy.

DISO.

Efa ela ny olona maro no nino fa Andriamanitra lasa olombelona i Jesosy. Izany no fototry ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy nino izany anefa ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: “Na ny teny hoe Andriamanitra telo izay iray na ny fampianarana momba azy io, dia tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. ... Nihanahazo vahana tsikelikely io fampianarana io tao anatin’ny taonjato maro, ary efa niadian-kevitra foana.”

Manambany an’i Jesosy ny fivavahana, rehefa milaza fa Andriamanitra tonga nofo izy. * Nahoana? Aoka hatao hoe mangataka zavatra amin’ny tompon’andraikitra iray ny mpiasa maromaro. Milaza izy fa tsy manana fahefana hanome izany. Raha marina ny teniny, dia tena hendry izy satria miaiky fa voafetra ny fahefany. Mpamitaka kosa izy raha afaka manatanteraka ny fangatahan’izy ireo ihany, nefa mifidy ny tsy hanao izany.

Ahoana no navalin’i Jesosy rehefa nangataka ny homeny toerana ambony ny apostoliny roa? Hoy izy: “Ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany. Fa ho an’izay efa nanomanan’ny Raiko azy ihany izany toerana izany.” (Matio 20:23) Tsy ho lainga ve izany teniny izany, raha izy ihany no Andriamanitra? Nekeny kosa fa Andriamanitra no manana fahefana kokoa noho izy, ary tsy mitovy aminy izy. Tena mendri-kotahafina ny fanetren-tenany.

ZAVATRA INOANA: Tsy olona tsara toetra fotsiny i Jesosy.

MARINA.

Nambaran’i Jesosy fa tsy hoe olona tsara toetra fotsiny izy. Hoy izy: “Zanak’Andriamanitra aho.” (Jaona 10:36) Mazava ho azy fa afaka milaza hoe Zanak’Andriamanitra na iza na iza. Raha nandainga anefa i Jesosy, ho azo lazaina hoe olona tsara toetra ve izy? Tsia. Mpamitaka izy, raha izany.

Andriamanitra mihitsy no nanamarina fa tsy hoe olona tsara fanahy fotsiny i Jesosy. Indroa izy no nilaza momba an’i Jesosy hoe: “Io no Zanako.” (Matio 3:17; 17:5) Asehon’ny Baiboly fa mahalana no re tetỳ an-tany ny feon’Andriamanitra. Indroa anefa izy no nanambara fa Zanany i Jesosy. Izany no porofo mampiaiky indrindra fa marina izay nolazain’i Jesosy momba ny tenany.

Nahafantatra zava-baovao momba an’i Jesosy ve ianao tato amin’ity lahatsoratra ity? Raha eny, nahoana raha mandinika bebe kokoa ny Filazantsara? Tena hahafinaritra sy hahasoa anao izany. Nilaza i Jesosy fa ‘hahazo fiainana mandrakizay’ ny olona mianatra ny marina momba azy sy ny Rainy.—Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Maty ny andron’ny Paska, na ny 14 Nisana ao amin’ny kalandrie jiosy, i Jesosy.—Matio 26:2.

^ feh. 18 Mitantara i Matio fa ‘navoakan’izy ireo ny fanomezana sarobidy nentiny’, dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy mihitsy ireo fanomezana lafo vidy ireo. Sahirana mantsy ny fianakavian’i Jesosy, nefa voatery nitsoa-ponenana tsy ela taorian’izay.—Matio 2:11-15.

^ feh. 21 Fahagagana no nahatonga an’i Maria ho bevohoka an’i Jesosy. Zanany tamin’i Josefa kosa ireo ankizy hafa.—Matio 1:25.

^ feh. 22 I Jérôme no nilaza izany tamin’ny taona 383 tany ho any. Tena tia an’io hevitra io ireo olona mino fa virjiny mandra-pahafatiny i Maria. Nitsotra i Jérôme, tatỳ aoriana, fa diso. Efa tafalentika tao an-tsain’ny olona maro anefa ny fampianarany, ary efa neken’ny Eglizy Katolika.

^ feh. 26 Manazava bebe kokoa momba ny Andriamanitra telo izay iray ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, pejy 43-45, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Zavatra Hafa Mety ho Mbola Tsy Fantatrao

Olona nanao ahoana i Jesosy? Sarotra nifandraisana ve izy satria nampihafy tena loatra sy tsy nampiseho fihetseham-po ary nihatakataka tamin’ny hafa? Mety hisy hilaza hoe izany mihitsy izy. Mety ho gaga àry izy ireo raha mahafantatra fa i Jesosy, dia . . .

• nanatrika lanonana.—Jaona 2:1-11.

• nidera ny hafa.—Marka 14:6-9.

• tia niaraka tamin’ny ankizy.—Marka 10:13, 14.

• nitomany teny imason’olona.—Jaona 11:35.

• nangoraka.—Marka 1:40, 41.