Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tao Amin’ny Synagoga no Nitory i Jesosy sy ny Mpianany

Tao Amin’ny Synagoga no Nitory i Jesosy sy ny Mpianany

Tao Amin’ny Synagoga no Nitory i Jesosy sy ny Mpianany

“Avy eo izy dia nandeha nanerana an’i Galilia manontolo, ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana.”—MATIO 4:23.

MAZÀNA ny filazantsara no miresaka hoe tao amin’ny synagoga i Jesosy. Matetika izy no nifidy an’ireny toerana ireny mba hitoriana sy hampianarana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nandritra ireo telo taona sy tapany nanompoany. Mety ho tany Nazareta, tanàna nahabe azy izany, na tany Kapernaomy, tanàna nipetrahany, na tany amin’ny tanàna sy vohitra rehetra nalehany. Hoy i Jesosy, rehefa niresaka momba ny fanompoany: “Nampianatra foana tao amin’ny synagoga sy ny tempoly aho, dia tany amin’izay nivorian’ny Jiosy rehetra.”—Jaona 18:20.

Matetika koa no nampianatra tao amin’ny synagoga jiosy ireo apostolin’i Jesosy sy ny Kristianina hafa fahiny. Ahoana anefa no nahatonga ny Jiosy hivavaka tao amin’ireny toerana ireny? Hoatran’ny ahoana ireny trano fivavahana ireny tamin’ny andron’i Jesosy? Andeha hodinihintsika.

Tena zava-dehibe tamin’ny Jiosy Nandeha tany Jerosalema intelo isan-taona ireo lehilahy jiosy, mba hanatrika fety tao amin’ny tempoly. Tao amin’ny synagoga teo an-toerana kosa izy ireo no nivavaka, rehefa andavanandro, na nipetraka tany Palestina izy ireo, na tany amin’ireo tany hafa nisy Jiosy.

Oviana no nanomboka nampiasaina ny synagoga? Misy milaza fa tamin’ny Jiosy natao sesitany tany Babylona tamin’ny 607-537 Talohan’i Kristy (T.K.). Rava mantsy ny tempolin’i Jehovah tamin’izay. Mety ho taoriana kelin’ny niverenan’ny Jiosy avy tany an-tsesitany koa izany. Nandrisika ny olona mantsy i Ezra mpisorona tamin’izay, mba hianatra sy handalina ny Lalàn’Andriamanitra.—Ezra 7:10; 8:1-8; 10:3.

Nidika hoe “olona mivory” ny hoe “synagoga”, tany am-boalohany. Izany no hita ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, izay fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny grika. Nanjary nilazana an’ilay trano nivorian’ny olona mba hivavahana anefa izy io, tatỳ aoriana. Saika nisy synagoga iray, fara fahakeliny, ny tanàna rehetra nalehan’i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Nahitana synagoga vitsivitsy ny tanàna lehibe, ary maro ny tao Jerosalema. Hoatran’ny ahoana ireny trano ireny?

Trano fivavahana tsotra Mazàna no nitady toerana avo ireo Jiosy rehefa hanorina synagoga, ary nataony nanatrika an’i Jerosalema ny fidirana (1) tamin’ilay izy. Toa tsy voatery narahina anefa io fepetra io, satria nisy antony tsy nahafahana nanao izany indraindray.

Tsotra sy zara raha nisy fanaka matetika ny synagoga. Tsy maintsy hita tao anefa ny vata (2) nisy ny horonan’ny Soratra Masina, izay zava-tsarobidy indrindra tao an-tanàna. Napetraka teo amin’ny fitoerany io vata azo nobataina io, rehefa nisy fivoriana. Nampirimina tao amin’ny toerana nihidy tsara (3) kosa izy io, taorian’izay.

Teo akaikin’ilay vata sy nanatrika ny olona no nisy ny toerana aloha (4) ho an’ny mpitantana ny synagoga sy ny vahiny manan-kaja. (Matio 23:5, 6) Nisy lampihazo avo teo afovoan-trano. Nahitana polipitra sy seza iray ho an’ny mpandahateny teo (5). Nanatrika an’ilay lampihazo teo amin’ny lafiny telo kosa ny seza lava ho an’ny olona (6).

Ny fiangonana teo an-toerana matetika no nampiasa sy nikarakara ny synagoga. Nanao fanomezana an-tsitrapo daholo, na ny manankarena na ny mahantra, mba hikojakojana azy io. Nanao ahoana kosa ny fivoriana tao amin’ny synagoga?

Fivavahana tao amin’ny synagoga Anisan’ny natao tamin’ny fotoam-pivavahana ny hira fiderana, vavaka, famakiana ny Soratra Masina, toriteny ary fampianarana. Natomboka tamin’ny fanononana ny Shema, na fanekem-pinoana ilay fotoana. Ny hoe Shema dia nalaina avy tamin’ny teny voalohany ao amin’ny Deoteronomia 6:4 hoe: “Mihainoa [Shema], ry Israely ô: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Io no andininy notononina voalohany tamin’ilay fanekem-pinoana.

Nisy famakiana sy famelabelarana ny Torah taorian’izay. Ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Mosesy izy io. (Asan’ny Apostoly 15:21) Novakina koa avy eo ireo teny nalaina avy amin’ny asa soratry ny mpaminany (haftarah), ary nohazavaina sy nanaovana fampiharana. Nanao an’io anjara io ny mpandahateny vahiny indraindray, toy ny nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka 4:16-21.

Tsy nisy toko sy andininy toy ny Baiboly ankehitriny ny horonam-boky nampiasain’i Jesosy tamin’io fivoriana io. Azonao sary an-tsaina àry fa tsy maintsy namaha azy io tamin’ny tanany havia i Jesosy, sady nangorona azy tamin’ny tanany havanana, mandra-pahitany ny andininy notadiaviny. Nahorona hatramin’ny voalohany ilay horonana taorian’ilay vakiteny.

Matetika no tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany ireny horonana ireny, ary nadika tamin’ny teny aramianina. Ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo kosa no nampiasaina tany amin’ny fiangonana miteny grika.

Nampiasaina isan’andro Tena nilain’ny Jiosy ny synagoga sy ny fitambaran-trano niaraka taminy, satria nampiasainy hanaovana zavatra maro. Tao indraindray no nanaovana ny fitsarana, fivoriam-pokonolona, ary fivoriambe izay nisy fiaraha-misakafo natao tao amin’ireo efitra fisakafoana. Nisy efitra fandraisam-bahiny koa tao amin’ilay fitambaran-trano.

Nisy sekoly tao amin’ny ankamaroan’ireo synagoga. Alao sary an-tsaina ny efitra iray feno ankizy mianatra mamaky soratra lehibe, izay soratan’ny mpampianatra eo amin’ny takelaka nohosorana savoka. Nahay namaky teny ny Jiosy fahiny, noho ireny sekoly ireny. Na ny sarambabem-bahoaka aza, dia nahay ny Soratra Masina.

Ny hanaovana fotoam-pivavahana tsy tapaka anefa no tena nampiasana ny synagoga. Tsy mahagaga àry raha nisy nitovizany be tamin’ny fivoriana natao tao amin’ny synagoga ny fivorian’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Ny hanompo an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, hira fiderana, ary famakiana sy fandinihana ny Tenin’Andriamanitra no tanjon’ny fivoriana kristianina. Fanomezana an-tsitrapo koa no nisahanana ny zavatra nilaina sy ny fandaniana isan-karazany tao amin’ny toeram-pivavahan’izy ireo. Afaka namaky sy nanazava ny Tenin’Andriamanitra ny rehetra, fa tsy hoe nisy mpitondra fivavahana natokana hanao izany. Lehilahy matotra no nandamina sy nitarika an’ireo fivoriana.

Miezaka manahaka ny modely nomen’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Misy itovizany amin’ny fivoriana natao tao amin’ny synagoga àry ny fivoriana ataon’izy ireo ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ny ‘hanatona an’Andriamanitra’ no antony ivorian’izy ireo. Izany foana mantsy no tanjon’ireo rehetra tia ny fahamarinana.—Jakoba 4:8.

[Sary, pejy 16, 17]

Ny planin’ny Synagoga tao Gamla tamin’ny taonjato voalohany no nanamboarana an’ity sary ity

[Sary, pejy 18]

Ankizilahy 6 taona ka hatramin’ny 13 taona no nampianarina tao amin’ny synagoga