Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampianarin’ny Tompo Hamela Heloka Izy

Nampianarin’ny Tompo Hamela Heloka Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Nampianarin’ny Tompo Hamela Heloka Izy

TSY hohadinoin’i Petera mihitsy ilay fotoana nanjombona, izay nifanojoan’ny mason’i Jesosy sy ny masony. Hitany ve fa diso fanantenana i Jesosy na nanameloka azy? Tsy azontsika antoka izany. Milaza fotsiny ny Baiboly fa “nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera.” (Lioka 22:61) Tsapan’i Petera avy hatrany anefa fa lehibe ny fahadisoany. Takany fa ny zavatra efa nambaran’i Jesosy mihitsy no nataony, dia ny hoe handa ny Tompo malalany izy. Nanizingizina anefa izy talohan’io fa tsy hanao an’izany mihitsy. Kivy be i Petera, ary io angamba no fotoana nangidy indrindra taminy.

Tsy hoe tsy nisy fanantenana intsony anefa. Olona tena nanam-pinoana i Petera, ka mbola afaka nanonitra ny fahadisoany sy nianatra lesona lehibe avy tamin’i Jesosy. Momba ny famelan-keloka io lesona io. Mila mandray fianarana avy amin’izany koa isika. Andeha hojerentsika àry izay nitranga tamin’i Petera.

Nila nianatra zavatra maro

Enim-bolana talohan’izay, dia nanatona an’i Jesosy i Petera tany Kapernaomy. Nanontany izy hoe: “Tompoko, raha manota amiko impiry ny rahalahiko no havelako ny helony? Hatramin’ny impito ve?” Toa te hampiseho i Petera fa tena tsara fanahy. Nampianatra mantsy ny mpitondra fivavahana tamin’izany fa tokony ho intelo ihany no mamela heloka. Hoy anefa i Jesosy: ‘Tsy hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.’—Matio 18:21, 22.

Te hilaza ve i Jesosy fa tokony hanisa ny fahadisoana natao taminy i Petera? Tsia. Nilaza kosa izy fa tsy tokony hisy fetrany ny famelan-keloka, rehefa novany ho 77 ilay 7. Tian’i Jesosy ho tsapan’i Petera fa nifindra taminy ilay toe-tsaina tsy tia mamela heloka sy mafy fo nanjaka tamin’izany. Tsy misy fetrany kosa ny famelan-kelok’Andriamanitra.

Tsy niady hevitra tamin’i Jesosy i Petera. Tena nandray lesona ve anefa izy? Tsy tsapantsika indraindray hoe tena ilaina ny mamela heloka, raha tsy isika mihitsy no mila izany. Andeha àry hojerentsika indray ny zava-nitranga talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Nanao fahadisoana maro i Petera tamin’io, ka nila famelan-keloka avy tamin’ny Tompony.

Vao mainka nila famelan-keloka

Fotoana niavaka tamin’izay, satria alina farany niainan’i Jesosy teto an-tany. Mbola nisy zavatra maro nila nampianariny an’ireo apostoliny, anisan’izany ny fanetren-tena. Nanome modely ho azy ireo izy, rehefa nanasa ny tongotr’izy ireo. Asa fanaon’ny mpanompo ambany indrindra izany. Nisalasala i Petera, tamin’ny voalohany, raha nety ny nataon’i Jesosy. Tsy navelany hosasana ny tongony avy eo. Nanizingizina indray izy, taorian’izay, fa tsy ny tongony ihany no hosasana fa ny tanany sy ny lohany koa. Nanam-paharetana i Jesosy ary tony tsara rehefa nanazava ny dikan’ny zavatra nataony, sy hoe nahoana izany no tena zava-dehibe.—Jaona 13:1-17.

Nifamaly momba izay lehibe indrindra tamin’izy ireo anefa ny apostoly, taoriana kelin’izay. Azo antoka fa nandray anjara tamin’io adihevitra nahamenatra io i Petera. Na izany aza, dia tsara fanahy i Jesosy rehefa nanitsy azy ireo, ary nidera ny zavatra tsara nataony mihitsy aza. Nifikitra tamin’ny Tompony foana mantsy izy ireo. Nilaza anefa izy fa handao azy izy rehetra. Namaly i Petera hoe tsy handao an’i Jesosy mihitsy, na dia ho faty aza. Raha mbola tsy maneno indroa anefa ny akoho, hoy i Jesosy, dia handa azy intelo i Petera amin’io alina io. Nanohitra ny teniny i Petera, sady nirehareha erỳ fa tsy hivadika na dia hivadika aza ny apostoly hafa rehetra.—Matio 26:31-35; Marka 14:27-31; Lioka 22:24-28.

Efa nanomboka ho tezitra tamin’i Petera ve i Jesosy? Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ireo apostoliny tsy lavorary izy, tamin’io fotoan-tsarotra io. Fantany fa handa azy i Petera, nefa hoy izy: ‘Efa nitalaho ho anao aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.’ (Lioka 22:32) Natoky àry i Jesosy fa ho tafarina i Petera, ary tsy hivadika intsony. Tena tsara fanahy sy mamela heloka izy!

Mbola nila fanitsiana indray i Petera, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Rehefa handeha hivavaka i Jesosy, dia niangavy an’i Petera sy Jakoba ary Jaona, mba hiari-tory. Ory sy nitebiteby mafy i Jesosy tamin’izay ary nila ny fanohanan’izy ireo. Resin-tory imbetsaka anefa i Petera sy ny namany. Nangoraka sy namela ny helok’izy ireo i Jesosy, ka nilaza hoe: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Marka 14:32-38.

Nisy vahoaka be tonga, tsy ela taorian’izay. Nitondra fanilo sy sabatra ary kibay izy ireo. Fotoana tokony hitandremana tamin’io. Tonga dia nanatsoaka ny sabany anefa i Petera, ary namely an’i Malko mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofiny. Nanitsy moramora an’i Petera i Jesosy. Nositraniny ny sofin’i Malko, ary nolazainy fa tsy tokony hiady ny mpanara-dia azy. Mbola arahin’ny Kristianina izany hatramin’izao. (Matio 26:47-55; Lioka 22:47-51; Jaona 18:10, 11) Efa nanao fahadisoana maro i Petera, ka nila famelan-keloka. Mampahatsiahy antsika izany fa ‘manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Iza amintsika moa no tsy mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isan’andro? Raha ny amin’i Petera, dia tsy nifarana teo ny fahadisoana nataony tamin’iny alina iny.

Ny fahadisoana lehibe indrindra nataon’i Petera

Nilaza tamin’ilay vahoaka i Jesosy fa tokony havela handeha ireo apostoly, raha izy no notadiaviny. Tsy afaka nanao na inona na inona i Petera rehefa nofatoran’ny vahoaka i Jesosy. Nitsoaka toa an’ireo apostoly hafa izy.

Nijanona i Petera sy Jaona, angamba rehefa tonga teo amin’ny tranon’i Anasy, mpisoronabe taloha. Tao mantsy no nanadinadinana an’i Jesosy voalohany. Nanaraka “teny lavidavitra teny” i Petera sy Jaona, rehefa nentina niala avy tao i Jesosy. (Matio 26:58; Jaona 18:12, 13) Tsy kanosa i Petera, satria nilana herim-po ihany ny fanarahana an’ilay vahoaka. Nirongo fiadiana mantsy izy ireo, ary efa nandratra ny iray taminy i Petera. Hita anefa fa tsy nanatanteraka ny fampanantenany tamin’ny Tompony izy. Nilaza mantsy izy fa vonona hiara-maty aminy raha ilaina.—Marka 14:31.

Maro koa ankehitriny no manao toa an’i Petera, ka manaraka an’i Kristy “lavidavitra”, izany hoe tsy te ho voamarika. I Petera mihitsy anefa no nanoratra tatỳ aoriana, fa raha ny tokony ho izy dia mila manaraka akaiky an’i Kristy araka izay azo atao isika. Tokony hanahaka azy amin’ny zava-drehetra isika, na inona na inona vokany.—1 Petera 2:21.

Nanaraka an’ilay vahoaka i Petera, ary tonga teo amin’ny iray amin’ireo trano lehibe indrindra tao Jerosalema. Tranon’i Kaiafa mpisoronabe nanan-karena sy nanam-pahefana izy io. Matetika ireny trano ireny no naorina nanodidina ny tokotany iray, ary nisy vavahady teo anoloana. Tonga teo am-bavahady i Petera, ary tsy navela hiditra. Efa tao anatiny i Jaona tamin’izay, ary niangavy ny mpiandry vavahady mba hampiditra an’i Petera. Toa tsy niaraka izy roa lahy. Tsy niditra tao an-trano koa i Petera, mba hitsangana teo anilan’ny Tompony. Nijanona tany an-tokotany kosa izy, niaraka tamin’ireo andevo sy mpanompo. Nangatsiaka ny alina, ka sady namindro izy ireo no nijery an’ireo vavolombelona mandainga nivoaka sy niditra an’ilay trano.—Marka 14:54-57; Jaona 18:15, 16, 18.

Nahatazana kokoa an’i Petera ilay tovovavy nampiditra azy teo am-bavahady, rehefa teo am-pototry ny afo. Fantany i Petera, ka hoy izy: “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Galilia!” Tsy nampoizin’i Petera izany, ka nilaza izy fa tsy nahafantatra an’i Jesosy. Niteny mihitsy aza izy fa tsy azony izay nolazain’ilay tovovavy. Nankeo akaikin’ny vavahady indray izy, mba tsy ho mora hita. Nisy tovovavy hafa anefa nahamarika azy, ka niteny hoe: “Niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io.” Nianiana i Petera hoe: “Marina raha mba fantatro izany lehilahy izany!” (Matio 26:69-72) Mety ho taorian’io fandavana fanindroany io i Petera no nandre akoho naneno. Mbola variana loatra anefa izy, ka tsy nahatsiaro an’ilay faminaniana nolazain’i Jesosy ora vitsivitsy lasa.

Mbola niezaka niafinafina ihany i Petera avy eo. Nisy olona maromaro teo an-tokotany anefa nanatona azy. Havan’i Malko, ilay noratrain’i Petera, ny iray tamin’ireo. Hoy izy: “Tsy efa hitako tao amin’ny zaridaina niaraka taminy ve ianao?” Naniry handresy lahatra azy ireo i Petera fa diso izy ireo. Nianiana àry izy hoe hisy loza hanjo azy raha nandainga izy. Vao tapitra anefa ny teniny, dia nisy akoho naneno. Io no feon’akoho fanindroany henony tamin’io alina io.—Jaona 18:26, 27; Marka 14:71, 72.

Vao nivoaka teo an-davarangana i Jesosy tamin’izay, ary nijery tany an-tokotany. Nifanojo ny mason’izy sy Petera, araka ny voalaza terỳ aloha. Tsapan’i Petera fa tena nandiso fanantenana ny Tompony izy. Niala teo amin’ilay tokotany izy, ary kivy be satria nahatsiaro tena ho meloka. Nandeha teny amin’ny arabe tao an-tanàna izy, ary ny volana fenomanana no nanazava ny lalany. Nanganohano ny ranomasony. Difotry ny alahelo izy, ka nigogogogo nitomany.—Marka 14:72; Lioka 22:61, 62.

Rehefa avy nanao fahadisoana lehibe toy izany ny olona iray, dia mora mihevitra fa tsy hahazo famelan-keloka intsony. Mety ho nieritreritra toy izany koa i Petera. Ho voavela ve anefa ny helony?

Tsy azo navela intsony ve ny helony?

Tsy hay lazaina ny fahorian’i Petera rehefa naraina ny andro, ary nanampy trotraka izany ny zavatra mbola hitranga ny androtr’iny. Maty i Jesosy ny tolakandro, rehefa avy nijaly nandritra ny ora maro. Tsy maintsy ho nanamelo-tena be i Petera! Azo antoka fa mafy taminy ny nieritreritra hoe nampitombo ny fahorian’ny Tompony izy, tamin’ilay andro farany niainan’ny Tompony tamin’ny naha olombelona azy. Tsy namoy fo anefa i Petera, na dia difotry ny alahelo aza. Fantatsika izany satria niaraka tamin’ireo apostoly indray izy, tsy ela taorian’izay. (Lioka 24:33) Tsy isalasalana fa nanenina tamin’izay nataony tamin’iny alina iny ny apostoly rehetra, ary nifampahery.

Io no anisan’ny fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisin’i Petera. Rehefa lavo ny mpanompon’Andriamanitra, dia tsy ny halehiben’ny fahadisoany no zava-dehibe, fa ny fahavononany hiarina indray, ka hanitsy ny tsy nety nataony. (Ohabolana 24:16) Kivy i Petera, nefa niara-nivory tamin’ireo rahalahiny. Hita fa nanana finoana matanjaka izy. Te hitokantokana ny olona rehefa manenina na kivy. Mampidi-doza anefa izany. (Ohabolana 18:1) Fahendrena ny miaraka foana amin’ireo mpiray finoana, mba hahazoana hery hanompoana an’Andriamanitra indray.—Hebreo 10:24, 25.

Nandre vaovao nanaitra i Petera, rehefa niaraka tamin’ireo rahalahiny. Tsy tao am-pasana intsony, hono, ny fatin’i Jesosy. Nihazakazaka nankany amin’ilay fasana i Petera sy Jaona. Tonga voalohany i Jaona satria tanora kokoa angamba. Hitany nivoha anefa ny varavaram-pasana, ka niahotra ny hiditra izy. I Petera kosa tonga dia niditra, na dia mbola sempotra aza. Foana ilay fasana!—Jaona 20:3-9.

Nino ve i Petera fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy? Tsy nino izy tamin’ny voalohany, na dia nitantara aza ireo vehivavy tsy nivadika fa nisy anjely nilaza tamin’izy ireo hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Lioka 23:55–24:11) Nisinda anefa ny alahelon’i Petera sy ny fisalasalany, rehefa hariva ny andro. Velona i Jesosy, ary lasa zavaboary ara-panahy mahery! Niseho tamin’ny apostoliny rehetra izy. Nanao zavatra manokana anefa izy, talohan’izay. Hoy ireo apostoly: “Tena marina fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona!” (Lioka 24:34) Nanoratra koa ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana, fa “niseho tamin’i Kefasy” i Jesosy tamin’io andro io, “ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy.” (1 Korintianina 15:5) Anaran’i Petera ihany ny hoe Kefasy sy Simona. Niseho taminy àry i Jesosy tamin’io andro io. Azo inoana fa nanao izany izy rehefa irery i Petera.

Tsy tantarain’ny Baiboly izay nitranga tamin’io fihaonan’i Jesosy sy Petera io. Azo inoana fa faly i Petera nahita ny Tompony velona indray. Afaka namboraka ny alahelony sy nibebaka koa izy. Tena nila famelan-keloka izy, ary azo inoana fa namela azy tanteraka i Jesosy. Mila mitadidy ny tantaran’i Petera ny Kristianina nanota. Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe tsy hamela ny helotsika Andriamanitra. “Tena mamela heloka tanteraka” mantsy izy, ary nanahaka azy i Jesosy.—Isaia 55:7.

Porofo fanampiny fa voavela ny helony

Nasain’i Jesosy nankany Galilia ireo apostoly, mba hihaona aminy. Nanapa-kevitra ny hanarato tao amin’ny Ranomasin’i Galilia i Petera rehefa tonga tany. Nanaraka azy koa ny sasany. Tonga teo amin’ilay farihy niasany taloha indray i Petera. Toa tsy vaovao taminy ny fidridroky ny vatan-tsambo, ny fikapoky ny onja, ary ny fikirakirana ny harato. Nieritreritra ve izy tamin’io alina io hoe inona no hataony, satria vita ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany? Te hanana ny fiainana tsotran’ny mpanarato indray ve izy? Na ahoana na ahoana, dia tsy nahazo trondro izy ireo tamin’io alina io.—Matio 26:32; Jaona 21:1-3.

Nisy olona niantso azy ireo teo amoron-tsiraka, rehefa nihanazava ny andro. Nasainy nanipy ny harato teo ankavanan’ny sambo izy ireo. Nataony izany, ary nahazo trondro vaventy niisa 153 izy ireo! Fantatr’i Petera hoe iza ilay olona. Nitsoraka izy ary nilomano nankeny amorony. Rehefa tonga teo amin’ny torapasika izy ireo, dia nomen’i Jesosy trondro natono. Niresaka tamin’i Petera izy avy eo.

Nanontany an’i Petera i Jesosy hoe: “Tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” Azo inoana fa nanondro an’ireo trondro izy tamin’izay. Iza no ho tian’i Petera kokoa? I Jesosy ve sa ny fanaratoana? Nanda ny Tompony intelo i Petera, ka navelan’i Jesosy hanambara ny fitiavany azy intelo teo imason’ny namany. Nolazain’i Jesosy tamin’i Petera avy eo ny fomba hampisehoany izany fitiavany izany: Ny hanao loha laharana ny fanompoana masina, ary hamahana sy hiandry ny andian’ondrin’i Kristy, izany hoe ireo mpianany tsy mivadika.—Jaona 21:4-17.

Nasehon’i Jesosy àry fa mbola nila an’i Petera izy sy ny Rainy. Nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana tarihin’i Kristy i Petera, tatỳ aoriana. Porofo lehibe tokoa izany fa mamela heloka tanteraka i Jesosy! Azo antoka fa nanohina ny fon’i Petera izany.

Notanterahin’i Petera tsara ny andraikiny nandritra ny taona maro. Nampahery an’ireo rahalahiny izy, araka ny nandidian’i Jesosy azy talohan’ny nahafatesany. Tsara fanahy sy nahari-po i Petera rehefa niandry sy nanome sakafo ara-panahy ny mpanara-dia an’i Kristy. Tena mendrika ny hantsoina hoe Petera tokoa izy. Midika hoe Vato io anarana nomen’i Jesosy azy io. Tsy nihozongozona intsony mantsy izy, ary lasa mendri-pitokisana sy ohatra tsara teo anivon’ny fiangonana. Tena miharihary izany ao amin’ireo taratasy roa nosoratany, izay lasa anisan’ny boky sarobidy ao amin’ny Baiboly. Hita ao amin’ireo taratasy ireo koa fa tsy hadinon’i Petera mihitsy ny lesona nianarany avy tamin’ny Jesosy momba ny famelan-keloka.—1 Petera 3:8, 9; 4:8.

Enga anie isika handray lesona toy izany koa. Mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra isan’andro ve isika, noho ireo fahotantsika maro? Mino ve isika avy eo fa tena voavela heloka sy madio eo imason’Andriamanitra? Mamela ny heloky ny hafa koa ve isika? Manahaka ny finoan’i Petera isika, raha manao izany, ary mamindra fo toy ny Tompo.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Nanao fahadisoana maro i Petera, ka nila famelan-keloka. Iza amintsika moa no tsy mila famelan-keloka isan’andro?

[Sary, pejy 23]

“Nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera”

[Sary, pejy 24]

‘Niseho tamin’i Simona ny Tompo!’