Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Hihozongozona ny Fanjakanao’

‘Tsy Hihozongozona ny Fanjakanao’

Manatòna An’Andriamanitra

‘Tsy Hihozongozona ny Fanjakanao’

2 SAMOELA 7:1-16

MARO ny mpitondra tsy eo amin’ny toerany intsony. Ny sasany nesorina satria tsy lany tamin’ny fifidianana. Ny hafa kosa naongana. Ary ahoana ny amin’i Jesosy Kristy, ilay notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’ny Fanjakany any an-danitra? Misy afaka misakana azy io tsy hitondra ve? Hita amin’ilay tenin’i Jehovah tamin’i Davida mpanjakan’ny Israely ny valin’izany, ao amin’ny 2 Samoela toko faha-7.

Hitantsika eo am-piandohan’io toko io fa menatra i Davida, satria olombelona izy nefa mipetraka ao amin’ny lapa tsara tarehy. Ny Vata masin’Andriamanitra anefa ao anaty tranolay tsotsotra. * Nilaza àry i Davida fa te hanorina trano na tempoly mendrika ho an’i Jehovah. (Andininy 2) Naniraka an’i Natana mpaminany anefa i Jehovah mba hilaza taminy hoe tsy izy no hanorina an’ilay tempoly fa ny zanany lahy.—Andininy 4, 5, 12, 13.

Nanohina ny fon’i Jehovah izany fanirian’i Davida izany. Noho ny fitiavan’i Davida an’Andriamanitra sy noho ny faminaniana voalaza taloha, dia nanao fifanekena taminy Andriamanitra hoe hanjaka mandrakizay ny iray amin’ny taranany. Hoy izy tamin’ny alalan’i Natana: “Tsy hihozongozona eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.” (Andininy 16) Iza àry ilay voalaza ao amin’ny fifanekena hoe hanjaka mandrakizay?—Salamo 89:20, 29, 34-36.

Taranak’i Davida i Jesosy avy any Nazareta. Hoy ny anjely iray, rehefa nampandre ny nahaterahany: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Tanteraka tamin’i Jesosy Kristy àry ilay fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida. Tsy safidin’olombelona no nahatonga azy ho mpitondra fa noho ny fampanantenan’Andriamanitra. Manana zo hitondra mandrakizay izy vokatr’izany. Tadidio fa tanteraka foana izay rehetra ampanantenain’Andriamanitra.—Isaia 55:10, 11.

Misy lesona sarobidy roa ianarantsika ao amin’ny 2 Samoela toko faha-7. Voalohany, afaka matoky isika fa tsy misy afaka manakana an’i Jesosy Kristy tsy hitondra. Azontsika antoka àry fa tsy maintsy hanatanteraka izay nampanantenainy izy rehefa lasa mpanjaka. Hataony etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka ny efa anaovana azy any an-danitra.—Matio 6:9, 10.

Faharoa, misy zavatra tena mampahery momba an’i Jehovah ao amin’io tantara io. Tadidio fa hitan’i Jehovah ary nankasitrahany ny faniriana tao am-pon’i Davida. Mampahery tokoa ny mahafantatra hoe faly i Jehovah mahita antsika tia manompo azy. Mety tsy ho vitantsika anefa indraindray izay rehetra tiantsika hatao eo amin’ny fanompoana, noho ny toe-javatra tsy azo anoarana toy ny aretina na ny fandrosoan’ny taona. Raha izany no izy, dia hampahery antsika ny mahafantatra fa hitan’i Jehovah ny faniriana ao am-pontsika. Hitany hoe tena tiantsika ny manompo azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Vata masina nasain’i Jehovah namboarina ny Vata misy ny fifanekena. I Jehovah no nanome toromarika mahakasika ny fanamboarana azy io. Midika io vata io hoe eo amin’ny Israely i Jehovah.—Eksodosy 25:22.