Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mijoroa Amin’ny Hevitrao!

Mijoroa Amin’ny Hevitrao!

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Mijoroa Amin’ny Hevitrao!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Jeremia, Ebeda-meleka, Zedekia Mpanjaka

Famintinana: Nanohitra mafy an’i Jeremia ny olona, rehefa nanambara ny hafatr’Andriamanitra izy hoe tokony hitolo-batana amin’ny Kaldeanina ny mponina tao Joda.

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY JEREMIA 38:1-5.

Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jeremia rehefa niresaka tamin’ny mponina tao Joda?

․․․․․

Hoatran’ny ahoana ny feony rehefa nilaza ny fampitandreman’i Jehovah izy?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana i Jeremia no tena sahy nanambara ilay didim-pitsarana?

․․․․․

2 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY JEREMIA 38:6-13.

Manao ahoana ilay lavaka fanangonan-drano, araka ny hevitrao? Hoatran’ny ahoana ny habeny, ny halaliny, ny fofona ao anatiny?

․․․․․

Inona no mety ho tao an-tsain’i Jeremia, rehefa “nanomboka nilentika tao anaty fotaka” izy? (Vakio indray ny andininy 6.)

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Manaova fikarohana amin’ireo boky sy gazety anananao, ka fantaro hoe nanao ahoana ny lavaka fanangonan-drano tamin’ny andron’ny Baiboly.

․․․․․

Nahoana i Ebeda-meleka no sahy nanao izay hanavotana an’i Jeremia? (Vakio indray ny andininy 7-9.)

․․․․․

Nanaiky ny hevitr’ireo andriana i Zedekia, nefa nanaiky koa rehefa nandresy lahatra azy i Ebeda-meleka. Nahoana izy no mora niova hevitra? (Vakio indray ny andininy 5 sy 10.) Olona manao ahoana izy raha izany no jerena? Mba mijoro amin’ny heviny ve?

․․․․․

Iza avy ny olona sahy nijoro tamin’ny heviny, tamin’ity tantara ity, ary iza kosa no tsy toy izany? Nahoana?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY . . .

Herim-po.

․․․․․

Olona mijoro amin’ny heviny.

․․․․․

Fiarovan’i Jehovah an’izay mankatò azy fa tsy matahotra olona.

․․․․․

Tokony hijoro amin’ny hevitrao ianao. Nahoana no manampy anao hanao ny tsara izany, rehefa misy manery anao hanao ratsy?

․․․․․

4 INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

TSY MANANA BAIBOLY VE IANAO? AZONAO ATAO NY MANGATAKA AMIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH