Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Fanarahana ny Diany

Momba ny Fanarahana ny Diany

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika

Momba ny Fanarahana ny Diany

Izao matetika no lazain’i Jesosy amin’ireo mino azy: “Andao hanara-dia ahy.” (Matio 9:9; 19:21) Inona no tafiditra amin’ny hoe manara-dia azy, na hoe lasa Kristianina? Diniho ireto lafin-javatra telo ireto.

Ahoana no tokony hifandraisanao amin’ny hafa?

▪ Tokony hanaraka ny toromarik’i Jesosy mahakasika ny fomba hifandraisana amin’ny hafa ny mpianany. Hoy, ohatra, i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” Ahoana raha misy olona mampahatezitra anao? Hoy i Jesosy: “Mifandamìna haingana amin’ilay mitory anao.” Hoy koa izy: ‘Raha tsy mamela ny heloky ny olona ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.’—Matio 5:25; 6:15; 7:12.

Nanoro hevitra ny mpivady i Jesosy hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” Avelan’ny tena Kristianina hanan-kery eo amin’ny sainy sy ny fony ny fampianaran’i Jesosy.—Matio 5:27, 28.

Vonona hamoy zavatra mampiadana ny tena Kristianina mba hanampiana olona. Nahafoy tena i Jesosy. Nandeha nitory, ohatra, izy sy ny apostoliny, ka reraka sady tsy nahita fotoana hisakafoana. Nentin’i Jesosy an-tsambokely ho any amin’ny toerana mangina àry izy ireo mba hiala sasatra. Ren’ny olona anefa izany, ka nihazakazaka nialoha azy ireo tany ny olona. Hoy ny Baiboly: “Nony niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Nangoraka an’ireo anefa izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.” (Marka 6:30-34) Manahaka an’i Jesosy ianao raha manao izay asain’Andriamanitra ataonao, na dia sarotra aza izany.

Nahoana ianao no tokony hitory ny vaovao tsara?

▪ Nampianarin’i Jesosy hitory ny vaovao tsara ny mpanara-dia azy. Hoy izy tamin’ny apostoly: “Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ” (Matio 10:7) Tena sarobidy io hafatra io. Nivavaka toy izao i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra.”—Jaona 17:3.

Niresaka momba ny asa iray hataon’ny mpanara-dia azy an-tapitrisany i Jesosy. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Tsy isalasalana fa ho faly hiresaka an’izay fantatrao ianao, raha efa nianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra ary mino ny Baiboly. Maro ny mpanara-dia an’i Jesosy nanomboka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny havany.—Jaona 1:40, 41.

Nahoana ianao no tokony hatao batisa?

▪ Toa nivavaka toy izao i Jesosy, rehefa natao batisa tao amin’ny reniranon’i Jordana: ‘Tonga mba hanao ny sitraponao aho, Andriamanitra ô.’ (Hebreo 10:7) Tokony hatao batisa koa ianao, raha te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa.”—Matio 28:19.

Inona no andraikitry ny Kristianina vita batisa sy ny soa azony? Manompo an’Andriamanitra amin’ny tenany manontolo izy. Nanonona an’izao Lalàn’Andriamanitra izao i Jesosy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.” (Matio 22:37) Hoy koa izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany.” (Matio 16:24) Asehon’ny olona iray amin’ny alalan’ny batisany fa nanapa-kevitra ny handa tena izy ka lasa fananan’Andriamanitra. Manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra izy, ka afaka mangataka feon’ny fieritreretana madio.—1 Petera 3:21.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 18 ao amin’ity boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity.