Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fo Torotoro sy Kivy”, Mitady Famelan-keloka

“Fo Torotoro sy Kivy”, Mitady Famelan-keloka

Manatòna An’Andriamanitra

“Fo Torotoro sy Kivy”, Mitady Famelan-keloka

2 SAMOELA 12:1-14

MANOTA imbetsaka isika rehetra. Mety ho efa nibebaka isika, nefa mbola manahy ihany hoe: ‘Mba nohenoin’Andriamanitra ve ireny vavaka nataoko tamin’ny fo ireny? Tena namela ahy ve izy?’ Manome toky antsika anefa ny Baiboly hoe: Na tsy mankasitraka ny fahotana aza i Jehovah, dia tena vonona hamela heloka rehefa mibebaka ilay nanota. Manaporofo an’izany ny tantaran’i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny, ao amin’ny 2 Samoela toko faha-12.

Nanao fahotana lehibe i Davida tamin’izay. Nijangajanga tamin’i Batseba mantsy izy, ary rehefa tsy hitany intsony izay hanafenana an’izany dia nasainy novonoina ny vadin’i Batseba. Tsy niteniteny izay nataony mihitsy izy nandritra ny volana maro, ka toy ny hoe tsy nanao ratsy. I Jehovah kosa nahita izay nitranga, ary fantany ny fahotan’i Davida. Hitany koa anefa ny fon’i Davida, ka fantany fa mety hibebaka izy. (Ohabolana 17:3) Inona àry no nataon’i Jehovah?

Naniraka an’i Natana mpaminany izy. (Andininy 1) Nampian’ny fanahy masina i Natana sady nitady fomba hampisaintsainana an’ilay mpanjaka. Tsy maintsy nitandrina ny zavatra hoteneniny mantsy izy. Inona àry no nolazainy mba hahatsapan’i Davida fa tena ratsy ny nataony, ka mamita-tena izy raha ny marina?

Nilaza tantara kely i Natana, mba tsy hahatonga an’i Davida hanamarin-tena. Nofidiny manokana izy io mba hanohinana ny fon’ilay mpiandry ondry taloha. Tantaran’olona roa ilay izy, ny iray mpanankarena, ary ny iray mahantra. Nanana “ondry sy omby maro be” ilay mpanankarena, fa ilay mahantra kosa tsy nanana “afa-tsy ondrivavy kely iray.” Nanam-bahiny ilay mpanankarena, ka nanao sakafo. Tsy mba ny ondriny anefa no nalainy, fa ny ondrivavy tokan’ilay mahantra. Noheverin’i Davida fa tena marina ilay tantara, ka tezitra be izy ary niteny hoe: “Mendrika ny ho faty ilay lehilahy nanao izany!” Nahoana? Satria “tsy nangoraka.” *Andininy 2-6.

Izay mihitsy no nandrasan’i Natana tamin’ilay fanoharana. I Davida ihany no niampanga ny tenany. Hoy àry i Natana: “Ianao izany lehilahy izany!” (Andininy 7) Hita tamin’ny fanazavany fa nampalahelo an’i Jehovah izay nataon’i Davida. Nandika ny lalàn’Andriamanitra izy, ka tsy nanaja an’ilay Mpanome lalàna. “Naniratsira ahy ianao”, hoy i Jehovah. (Andininy 10) Nanindrona ny fon’i Davida ilay fananarana, ka nibaboka izy hoe: “Nanota tamin’i Jehovah aho.” Nanome toky azy anefa i Natana fa namela ny helony i Jehovah. Na izany aza, dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny nataony izy.—Andininy 13, 14.

Nanoratra ny Salamo faha-51 i Davida, taorian’izay. Namboraka ny tao am-pony izy, ka hita fa nibebaka tamin’ny fony manontolo. Marina fa naniratsira an’i Jehovah izy rehefa nanota, nefa nanenina izy avy eo. Tsapany àry fa tena sarobidy ny famindram-pon’i Jehovah, ka hoy izy: “Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!” (Salamo 51:17) Teny mampahery tokoa izany, ka manome toky ny mpanota mibebaka, mitady famelan-keloka!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tsy ratsy ny nanome ondry ho an’ny vahiny, fa hatsaram-panahy aza. Tena ratsy anefa raha nangalarina ilay ondry. Voasazy hanonitra avo efatra heny izay nanao izany. (Eksodosy 22:1) Tsy namindra fo mihitsy ny fahitan’i Davida an’ilay mpanankarena. Ilay ondry mantsy no mety mba nanome ronono sy volonondry ho an’ny fianakavian’ilay mahantra. Iny koa no mba nantenainy hiteraka sy ho lasa andian’ondry.