Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Lehilahy, Ekeo ny Fahefan’i Kristy

Ry Lehilahy, Ekeo ny Fahefan’i Kristy

Ry Lehilahy, Ekeo ny Fahefan’i Kristy

“Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra.”—1 KOR. 11:3.

1. Inona no porofo fa Andriamanitry ny filaminana i Jehovah?

HOY ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona ny zava-drehetra, ka izy no Mpanjaka Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. “Tsy Andriamanitry ny fikorontanana” koa izy, “fa Andriamanitry ny filaminana.” Hita izany rehefa jerena ny fomba nandaminany ny anjely rehetra.—1 Kor. 14:33; Isaia 6:1-3; Heb. 12:22, 23.

2, 3. a) Iza no noforonin’i Jehovah voalohany? b) Inona no toerana tanan’ny Zanaka raha oharina amin’ny an’ny Rainy?

2 Efa nisy foana Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny zava-drehetra. Ilay anjely atao hoe “ny Teny” no noforoniny voalohany. Mpitondra teniny izy io. Tamin’ny alalan’ny Teny no nisian’ny zavatra hafa rehetra. Lasa olombelona lavorary tetỳ an-tany izy, tatỳ aoriana, ary nantsoina hoe Jesosy Kristy.—Vakio ny Jaona 1:1-3, 14.

3 Inona no resahin’ny Soratra Masina momba ny toerana tanan’Andriamanitra sy ny Zanany lahimatoa? Hoy ny apostoly Paoly: “Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Kor. 11:3) Eo ambany fahefan’ny Rainy àry i Kristy. Tokony hanaiky fahefana foana ny zavaboary manan-tsaina, mba hisian’ny filaminana. Na ilay “nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra” aza tsy maintsy manaiky ny fahefan’Andriamanitra.—Kol. 1:16.

4, 5. Porofoy fa nanaiky ny fahefan’ny Rainy i Jesosy.

4 Nanaiky ny fahefan’i Jehovah i Jesosy, ary vonona ny ho etỳ an-tany. Hoy ny Baiboly: ‘Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza i Kristy Jesosy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra. Tsia, fa nafoiny kosa ny zava-drehetra ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona. Ary tsy izany ihany, fa rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena ka nanjary nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.’—Fil. 2:5-8.

5 Nanetry tena i Jesosy ka nanaiky ny sitrapon’ny Rainy foana. Hoy izy: ‘Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, ary marina ny fitsarako, satria tsy ny sitrapoko no tiako hatao, fa ny sitrapon’ilay naniraka ahy.’ (Jaona 5:30) Hoy koa izy: ‘Manao izay sitraky ny Ray foana aho.’ (Jaona 8:29) Nivavaka tamin’ny Rainy toy izao izy, talohan’ny nahafatesany: “Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko.” (Jaona 17:4) Hita hoe tsy sarotra tamin’i Jesosy ny nanaiky ny fahefan’Andriamanitra.

Nanaiky ny Ray izy ka nandray soa

6. Inona avy no toetra tsaran’i Jesosy?

6 Nanana toetra tsara maro i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Tena tiany, ohatra, i Jehovah satria hoy izy: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31) Tena tia olona koa izy. (Vakio ny Matio 22:35-40.) Tsara fanahy sy niahy ny hafa i Jesosy, ary tsy nasiaka na nanjakazaka. Izao no teniny: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Tena nampionona ny olona rehetra tso-po, indrindra ireo nampahorina, ny toetra tsaran’i Jesosy sy ny hafatra nampahery notoriny.

7, 8. Inona no tsy tokony ho nataon’ilay vehivavy nandeha ra? Ary ahoana no nataon’i Jesosy taminy?

7 Lehilahy maro no manambany sy mampijaly vehivavy, anisan’izany ny mpitondra fivavahana teo amin’ny Israely. Nanaja ny vehivavy anefa i Jesosy. Jereo, ohatra, izay nataony tamin’ilay vehivavy nandeha ra nandritra ny 12 taona. “Nijaly mafy” tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera maro izy io, sady efa nandany ny fananany rehetra. ‘Vao mainka niharatsy’ anefa ny fahasalamany. Noheverina ho maloto izy, araka ny Lalàna. Maloto koa izay olona mikasika azy.—Lev. 15:19, 25.

8 Ren’ilay vehivavy fa nanasitrana ny marary i Jesosy. Nisisisisika tao anaty vahoaka izy, ary nilaza hoe: “Raha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.” Nikasika ny akanjon’i Jesosy izy ary sitrana avy hatrany. Fantatr’i Jesosy fa tsy tokony ho nanao izany ilay vehivavy. Tsy nibedy azy anefa izy, fa tsara fanahy taminy. Takany fa tsy maintsy ho nijaly mafy izy, satria efa an-taonany maro no narary. Hitany koa fa efa lany haika izy. Nangoraka azy àry i Jesosy, ka niteny hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho.”—Mar. 5:25-34.

9. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nosakanan’ny mpianatra ny ankizy?

9 Na ny ankizy aza tia niaraka tamin’i Jesosy. Nobedesin’ny mpianatra ny olona, indray andro, rehefa nitondra ankizy teo aminy. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy te hohelingelenina i Jesosy. Tsy izany anefa no izy. Hoy ny Soratra Masina: ‘Tezitra i Jesosy nony nahita izany ka niteny [tamin’ny mpianatra] hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.” Ary nitrotro an’ireo zaza izy ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.’ Tsy hoe nanaiky tsy sazoka hiaraka tamin’ny ankizy i Jesosy, fa tena faly kosa nandray azy ireo.—Mar. 10:13-16.

10. Ahoana no nananan’i Jesosy toetra tsara?

10 Ahoana no nananan’i Jesosy an’ireo toetra ireo? Efa ela be talohan’ny nahatongavany teto an-tany izy no nandinika ny Rainy sy nianatra ny fomba fanaovany zavatra. (Vakio ny Ohabolana 8:22, 23, 30.) Hitany, ohatra, fa tsara fanahy i Jehovah rehefa nampihatra fahefana tamin’ny zavaboariny rehetra, ka notahafiny izany. Ho nahavita izany ve i Jesosy raha tsy nanaiky fahefana? Nahafaly azy ny nanaiky ny fahefan’ny Rainy. Faly koa i Jehovah nanan-janaka nankatò. Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy, teto an-tany. Tena voninahitra ho antsika ny manaiky ny fahefan’i Kristy, ilay notendren’Andriamanitra hitondra an’ilay Fanjakana any an-danitra!

Tahafo i Kristy

11. a) Tokony hiezaka hanahaka an’iza isika? b) Ny lehilahy eo anivon’ny fiangonana no tena tokony hanahaka an’i Jesosy. Nahoana?

11 Tokony hiezaka mafy hanahaka an’i Kristy foana ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana, indrindra fa ny lehilahy. Efa voalaza teo aloha fa izy no “lohan’ny lehilahy rehetra.” Nanahaka ny Lohany, izany hoe ilay tena Andriamanitra, i Kristy. Tokony hiezaka hanahaka azy koa àry ny lehilahy kristianina. Nanao izany ny apostoly Paoly rehefa lasa Kristianina. Hoy izy: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Kor. 11:1) Hoy koa ny apostoly Petera: ‘Ho amin’izany lalana izany no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.’ (1 Pet. 2:21) Misy antony hafa koa tokony hanahafan’ny lehilahy an’i Kristy. Izy ireo no lasa anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Nahafaly an’i Jesosy ny nanahaka an’i Jehovah, ka tokony hahafaly ny rahalahy koa ny manahaka an’i Kristy.

12, 13. Ahoana no tokony hitondran’ny anti-panahy ny ondry?

12 Tsy maintsy miezaka manahaka an’i Kristy ny anti-panahy. Hoy i Petera: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, ary tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa, tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.” (1 Pet. 5:1-3) Tsy tokony hanao didiko fe lehibe, na hanjakazaka, na hasiaka ny anti-panahy. Manahaka an’i Kristy izy ireo, ka be fitiavana, manetry tena, tsara fanahy, ary miahy ny ondry nasaina niandraiketany.

13 Tokony hitadidy foana ny mpiandraikitra fa tsy lavorary izy ireo. (Rom. 3:23) Tsy maintsy mazoto mianatra momba an’i Jesosy àry izy ireo, mba ho be fitiavana toa azy. Mila saintsaininy sy tahafiny ny fomba nifandraisan’Andriamanitra sy Kristy tamin’ny olona. Hoy i Petera: “Aoka ianareo rehetra samy hitafy fanetren-tena eo amin’ny fifandraisanareo, satria Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”—1 Pet. 5:5.

14. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mba hanomezam-boninahitra ny hafa?

14 Tokony ho tsara toetra amin’ny ondrin’Andriamanitra ireo lehilahy voatendry eo anivon’ny fiangonana. Hoy ny Romanina 12:10: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Manaja ny hafa ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Toy ny Kristianina hafa rehetra, dia tsy tokony ‘hanao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana’ izy ireo. Mila ‘manetry tena’ kosa izy ireo, ka “hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Fil. 2:3) Tokony hihevitra ny hafa ho ambony àry ny mpiandraikitra. Manaraka ny tenin’i Paoly izy ireo amin’izay. Hoy izy: “Isika izay matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen’izay tsy matanjaka, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika. Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy. Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany.”—Rom. 15:1-3.

‘Omeo voninahitra ny vadinareo’

15. Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny?

15 Nanoro hevitra ny lehilahy manambady i Petera hoe: “Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy.” (1 Pet. 3:7) Manome voninahitra ny olona iray ianao rehefa mihevitra azy ho sarobidy. Hihaino azy àry ianao, sady tsy hanao tsinontsinona ny zavatra ilainy sy ny faniriany. Handefitra aminy ianao raha mbola azo atao. Izany no tokony hataon’ny lehilahy amin’ny vadiny.

16. Inona no fampitandreman’ny Baiboly ho an’ny lehilahy?

16 Nampitandrina i Petera fa mety “ho voasakana ny vavaka” ataon’ny lehilahy, raha tsy manome voninahitra ny vadiny izy. (1 Pet. 3:7) Raha tiany hohenoin’i Jehovah àry ny vavaka ataony, dia tokony homeny voninahitra ny vadiny. Mora amin’ny vehivavy rahateo ny manaja ny lehilahy manome voninahitra azy, sa tsy izany?

17. Vonona hanao inona ny lehilahy tena tia vady?

17 ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy, tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana. Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.’ (Efes. 5:28, 29, 33) Izany no fampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra. Vonona hanao inona ny lehilahy tena tia vady? Hoy i Paoly: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efes. 5:25) Tokony ho vonona hamoy ny ainy ho an’ny vadiny àry ny lehilahy, toy ny nataon’i Kristy. Ho mora amin’ny vehivavy ny hanaiky fahefana, raha tsy tia tena sy tsara fanahy ny vadiny, ary mitady izay hahasoa azy.

18. Inona no hanampy ny lehilahy hanome voninahitra ny vadiny?

18 Mitaky be loatra amin’ny lehilahy ve i Jehovah? Tsia. Tsy hampanao zavatra tsy ho vitan’izy ireo mihitsy izy. Azon’ny mpanompony atao koa ny manana ny fanahy masina, ilay hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Hoy i Jesosy: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy!” (Lioka 11:13) Afaka mangataka ny fanahy masina amin’i Jehovah ny lehilahy, mba hahaizany mifandray amin’ny vadiny sy ny olon-kafa.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:32.

19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mila miezaka manaiky ny fahefan’i Kristy sy manahaka azy àry ny lehilahy. Andraikitra lehibe izany. Ahoana kosa ny amin’ny vehivavy, indrindra ireo manambady? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no tokony hiheveran’ny vehivavy ny toerana tanany.

Tadidinao Ve?

• Inona avy no toetran’i Jesosy tokony hotahafintsika?

• Ahoana no tokony hitondran’ny anti-panahy ny ondry?

• Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Tahafo i Jesosy, ka omeo voninahitra ny hafa