Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fito Hanatsarana ny Famakiana Baiboly

Fomba Fito Hanatsarana ny Famakiana Baiboly

Fomba Fito Hanatsarana ny Famakiana Baiboly

“Ny Baiboly no boky be mpanana indrindra, nefa be mpividy indrindra koa isan-taona.”—GAZETIBOKY FOTOANA, ANGLISY.

“Mamaky Baiboly ihany aho indraindray fa hoatran’ny mankaleo be ilay izy!”—KEITH, MPAHAY MOZIKA MALAZA AVY ANY ANGLETERA.

MAHAGAGA fa maro no manana Baiboly, nefa hoatran’ny tsy tena mandray soa. Misy kosa tia mamaky Baiboly. Hoy, ohatra, ny vehivavy atao hoe Nancy: “Lasa mahay miatrika an’izay olana mitranga mandritra ny andro aho, rehefa mamaky Baiboly isa-maraina sy misaintsaina izany. Efa nanandrana zavatra maro aho nandritra ny 35 taona mba hanampy ahy tsy ho kivikivy. Ny famakiana Baiboly anefa no tena nandaitra.”

Na mbola tsy namaky Baiboly mihitsy aza ianao, tsy mahaliana anao ve hoe misy olona mandray soa avy amin’izany? Raha efa mpamaky Baiboly ianao, tianao ve ny handray soa kokoa? Ireto àry misy fomba fito azonao arahina.

Fomba 1​—Manàna tanjona tsara

◼ Toy ny asa soratra kanto fotsiny ve aminao ny Baiboly? Sa boky tsy maintsy vakina fotsiny? Sa hoe fakana torohevitra amin’izao fiainana sarotra izao? Handray soa kokoa ianao raha ny hianatra ny marina momba an’Andriamanitra no tanjonao. Vao mainka aza ho tsara ny vokany raha maniry hampihatra izay lazain’ny Baiboly ianao.

Oharin’ny Soratra Masina amin’ny olona mijery fitaratra ny olona mamaky Baiboly, mba hanasongadinana fa zava-dehibe ny manana tanjona tsara: “Raha misy mpihaino ny teny fa tsy mpankatò, dia toy ny olona mijery ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy. Mijery ny tenany izy dia lasa, ary hadinony avy hatrany hoe manao ahoana izy. Fa izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra izy rehefa mankatò.”—Jakoba 1:23-25

Nijery fitaratra ilay olona voaresaka teo, nefa tsy nanamboatra izay tsy nety akory. Angamba izy nanao topy maso fotsiny, na tsy te hanao fanitsiana. Tsy handray soa koa isika raha mamaky maimaika fotsiny, na tsy mampihatra izay vakintsika. Ho sambatra kosa isika raha miezaka ho “mpankatò”, ka mampifanaraka ny eritreritsika sy ny ataontsika amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra.

Fomba 2​—Fidio izay fandikan-teny marina tsara

◼ Mety hisy Baiboly maromaro azonao vakina. Misy amin’izy ireny anefa mampiasa teny tranainy loatra na sarotra be, ka tsy takatry ny olon-tsotra. (Asan’ny Apostoly 4:13) Misy aza novana ny hevitra ao anatiny noho ny lovantsofina. Araka ny hita ao amin’ny matoan-dahatsoratr’ity gazety ity, ohatra, dia nisy mpandika teny nanova ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah tamin’ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo.” Fidio àry izay fandikan-teny marina tsara sady mora azo, mba hampahazoto anao ny mamaky Baiboly.

Olona an-tapitrisany eran-tany no mahita fa marina sy mazava tsara ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. * Izany no tsapan’ny lehilahy zokiolona iray any Boligaria. Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nahazo Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hoy izy taorian’izay: “Efa an-taonany maro aho no namaky Baiboly, fa ity no fandikan-teny hitako hoe mora azo indrindra sady manohina ny fo.”

Fomba 3​—Mivavaha

◼ Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.” (Salamo 119:18) Hazava aminao koa ny Baiboly raha mangataka ny fanampian’ilay Nampanoratra azy io ianao. Mivavaha àry amin’Andriamanitra isaky ny hamaky ny Teniny ianao. Isaory koa izy satria tsy ho nahalala azy ianao raha tsy nomeny ny Baiboly.—Salamo 119:62.

Henoin’Andriamanitra ve ny vavaka toy izany? Diniho izay nitranga tamin’ny tanora roa any Orogoay. Tsy azon’izy mirahavavy ny hevitry ny Daniela 2:44, ka nivavaka izy ireo mba handefasan’Andriamanitra olona hanazava an’ilay izy. Mbola tsy nikombona akory ny Baibolin’izy ireo, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nandondona. Ilay andinin-teny tsy azon’izy mirahavavy mihitsy no novakin’ireo mpitory, ary nohazavainy fa ny dikan’ilay izy dia hoe hisolo ny fanjakan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra. * Nino izy ireo fa valim-bavaka izany.

Fomba 4​—Mamakia isan’andro

◼ Maro no tsy mamaky Baiboly raha tsy rehefa misy loza. Nilaza, ohatra, ny mpampanonta boky iray fa “nihamaro tampoka ny olona nividy Baiboly”, taorian’ny fanafihan’ny mpampihorohoro tamin’ny 11 Septambra 2001 tany Etazonia. Tokony hovakina isan’andro anefa izy io, satria hoy ny Soratra Masina: “Aoka tsy ho afaka am-bavanao ity boky misy ny lalàna ity. Ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.”—Josoa 1:8.

Tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro. Eritrereto hoe misy olona marary fo, ka tapa-kevitra fa hihinana sakafo mahasalama kokoa. Mety ve raha isaky ny manaintaina ihany ny fony, vao mihinana sakafo toy izany izy? Tsia. Tsy maintsy ataony fahazarana izany, raha te ho salama izy. Mila mamaky Baiboly isan’andro koa àry ianao, mba “hahomby izay hataonao.”

Fomba 5​—Ovaovao ny fomba amakianao azy

◼ Tsy ratsy aloha ny mamaky ny Baiboly manomboka amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Apokalypsy. Mety hahaliana anao koa anefa raha fomba hafa no ampiasaina. Ireto misy soso-kevitra:

Mifidiana tantaran’olona. Vakio izay toko na boky miresaka momba ny mpanompon’Andriamanitra iray. Ireto misy ohatra:

Josefa: Genesisy 37-50.

Rota: Rota 1-3.

Jesosy: Matio 1-28; Marka 1-16; Lioka 1-24; Jaona 1-21. *

Mifidiana foto-kevitra iray. Vakio izay andinin-teny mifandray amin’ilay izy. Raha momba ny vavaka, ohatra, no fidinao, dia vakio ny torohevitry ny Baiboly momba izany, sy ireo vavaka nataon’ny olona sasany. *

Mamakia mafy. Tena handray soa ianao raha mamaky ny Baiboly amin’ny feo avo. (Apokalypsy 1:3) Afaka mifandimby mamaky ianareo mianakavy, isaky ny fehintsoratra na isaky ny anjaran’olona samy hafa ao amin’ilay tantara. Misy koa tia mihaino Baiboly noraisim-peo. Hoy ny vehivavy iray: “Sarotra tamiko ny nanomboka namaky Baiboly, ka naleoko nihaino Baiboly noraisim-peo. Hitako izao fa mahaliana noho ny boky misy tantara noforonina izy io.”

Fomba 6​—Saintsaino izay vakinao

◼ Sarotra ny misaintsaina, noho ny rotoroton’ny fiainana sy ny zavatra maro manelingelina. Tena ilaina anefa izany rehefa avy mamaky Baiboly, toy ny ilana ny fandevonan-kanina rehefa avy misakafo. Azontsika averina ao an-tsaina, ohatra, ny hevitra novakintsika, ary tsara ny mieritreritra hoe: ‘Inona no ianarako avy amin’izany, momba an’i Jehovah Andriamanitra? Ahoana no azoko ampiharana izany? Ahoana no ampiasako izany mba hanampiana ny hafa?’

Hanohina ny fontsika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra raha saintsainintsika, ary ho fahafinaretana ho antsika ny mamaky azy io. Hoy ny Salamo 119:97: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!” Lasa tena tian’ilay mpanao salamo ny Soratra Masina rehefa nosaintsaininy nandritra ny andro.

Fomba 7​—Mitadiava fanampiana

◼ Fantatr’Andriamanitra fa tsy ho takatsika samirery avokoa ny hevitry ny Teniny. Na ny Baiboly aza milaza fa misy “zavatra saro-takarina” ao anatiny. (2 Petera 3:16) Tantarain’ny Asan’ny Apostoly fa nisy tandapa etiopianina iray tsy nahazo ny hevitr’izay novakiny tao amin’ny Baiboly. Naniraka mpanompony iray àry Andriamanitra mba hanampy azy. “Ravoravo” erỳ ilay tandapa avy eo “nanohy ny diany.”—Asan’ny Apostoly 8:26-39.

Handray soa amin’ny famakiana Baiboly koa ianao, raha mitady olona hanampy anao hahazo ny hevitr’izay vakinao. Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na manorata amin’ny adiresy ao amin’ny pejy 4 amin’ity gazety ity, raha tianao ny hianatra Baiboly maimaim-poana any an-tranonao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy amin’ny fiteny 83 izy io, amin’ny ampahany na izy manontolo. Misy fiteny 17 azonao jerena koa ny www.watchtower.org, ao amin’ny Internet.

^ Manazava momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io ny toko 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ Raha sambany ianao vao mamaky Baiboly, dia atombohy amin’ny bokin’i Marka. Mamintina ny fanompoan’i Jesosy mantsy izy io.

^ Nanampy olona maro hianatra ny Soratra Masina arakaraka ny foto-kevitra ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miresaka momba ny vavaka, ohatra, ny toko 17 amin’izy io.