Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hitranga Amin’ny Andron’i Jehovah?

Inona no Hitranga Amin’ny Andron’i Jehovah?

Inona no Hitranga Amin’ny Andron’i Jehovah?

‘Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah, ary hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy.’—2 PET. 3:10.

1, 2. a) Ahoana no fomba hifaranan’ity tontolo ratsy ity? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

LAINGA no fototra iorenan’ity tontolo ratsy ity, dia ilay lainga hoe mahavita mitondra ny tany ny olona fa tsy mila an’i Jehovah. (Sal. 2:2, 3) Mazava ho azy anefa fa tsy haharitra ny zavatra mifototra amin’ny lainga! Na izany aza, dia tsy hifarana ho azy ny tontolon’i Satana. Handringana azy io Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony, ary hataony araka izay fomba tiany hanaovana azy izany. Ho hita hoe be fitiavana sy manao ny rariny i Jehovah, mandritra izany fandringanana izany.—Sal. 92:7; Ohab. 2:21, 22.

2 Hoy ny apostoly Petera: “Ho avy tahaka ny mpangalatra ... ny andron’i Jehovah. Amin’izany andro izany dia handalo haingana ny lanitra, ka ho toy ny sioka mafy ny fandrenesana ny fandalovany. Fa ho levona ireo singan-javatra efa mahamay be, ary hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy.” (2 Pet. 3:10) Inona ilay “lanitra” sy “tany” resahina eo? Inona ireo “singan-javatra” ho levona? Ary inona no tian’i Petera holazaina amin’ilay hoe “hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy”? Ho vonona hiatrika an’ireo zavatra mampahatahotra hiseho tsy ho ela isika, raha mahalala ny valin’ireo.

Handalo haingana ny lanitra sy ny tany

3. Inona ilay “lanitra” resahina ao amin’ny 2 Petera 3:10? Hanao ahoana ny fandalovan’izy io, izany hoe ny fandringanana azy?

3 Midika hoe mpitondra, indraindray, ny teny hoe “lanitra” ao amin’ny Baiboly, satria ambony noho ny vahoaka izy ireo. (Isaia 14:13, 14; Apok. 21:1, 2) Inona àry ilay ‘lanitra handalo haingana’? Ny fitondram-panjakan’olombelona mifehy an’ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity. Voalaza fa ho toy ny “sioka mafy” ny fandalovan’io lanitra io. Mety hidika izany hoe ho ringana haingana be izy io.

4. Inona ilay “tany” resahina ao amin’ny 2 Petera 3:10, ary ahoana no fomba handringanana azy io?

4 Ilay hoe “tany” kosa dia ny fitambaran’ireo olona tafasaraka amin’Andriamanitra. Nisy olona toy izany tamin’ny andron’i Noa, ary noringanina tamin’ny alalan’ny safodrano izy ireo, araka ny didin’Andriamanitra. Milaza koa ny Baiboly hoe: “Tehirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny [didin’Andriamanitra] izany ... ny lanitra sy ny tany ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (2 Pet. 3:7) Niaraka ringana daholo ny ratsy fanahy tamin’ny Safodrano. Handeha tsikelikely kosa ny fandringanana amin’ny “fahoriana lehibe” hoavy. (Apok. 7:14) Amin’ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe, dia handrisika an’ireo mpitondra eto an-tany Andriamanitra mba handringana ny fivavahan-diso rehetra, izay antsoina hoe “Babylona Lehibe”, na mpivaro-tena. Hasehon’i Jehovah amin’izany fa tena halany izy io. (Apok. 17:5, 16; 18:8) Amin’ny tapany farany amin’ny fahoriana lehibe, izany hoe amin’ny ady Hara-magedona, dia hofoanan’i Jehovah izay sisa tavela amin’ny tontolon’i Satana.—Apok. 16:14, 16; 19:19-21.

“Ho levona ireo singan-javatra”

5. Inona ny iray amin’ireo “singan-javatra” noresahin’i Petera?

5 Inona ‘ireo singan-javatra ho levona’? ‘Singa’ maromaro mitambatambatra no ahazoana zavatra iray. Midika izany fa ny singa no fototry ny zavatra tsirairay. Toy izany koa “ireo singan-javatra” noresahin’i Petera. Izy ireo no fototra mahatonga an’ity tontolo ity hanana toetra, sy fomba fisaina, ary tanjona mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Anisan’ireo “singan-javatra” ireo ny “fanahin’izao tontolo izao”, na ny toe-tsainy, izay ‘miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.’ (1 Kor. 2:12; vakio ny Efesianina 2:1-3.) Miely eran’ny tontolon’i Satana io “rivotra” na toe-tsaina io. Izany no mahatonga ny olona hanana ny toe-tsain’ilay “mpitondra ny fahefan’ny rivotra”, dia i Satana, izay manambony tena sy mikomy. Hita taratra amin’ny eritreritry ny olona sy ny tanjony ary ny fomba fiteniny, ny toe-tsain’i Satana.

6. Inona no vokatry ny fanahin’izao tontolo izao eo amin’ny olona?

6 Manan-kery amin’ny fo sy ny sain’ireo olona mifoka ny fanahin’izao tontolo izao i Satana, na tsapan’izy ireo izany na tsia. Lasa hita taratra eo amin’izy ireo ny fomba fisainan’i Satana. Manjary manao izay tiany fotsiny izy ireo, fa tsy miraharaha ny sitrapon’Andriamanitra. Mihevi-tena ho ambony sy tia tena izy ireo, ary izay no mibaiko azy. Mikomy amin’ny fahefana koa izy ireo, ary manaram-po amin’ny “fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso.”—Vakio ny 1 Jaona 2:15-17. *

7. Nahoana isika no tsy maintsy ‘miaro ny fontsika’?

7 Tena mila ‘miaro ny fontsika’ àry isika. (Ohab. 4:23) Mila maneho ny fahendren’Andriamanitra isika, ka mifidy tsara ny olona ifaneraserantsika, ny boky vakintsika, ny fialam-boly ataontsika, ary ny zavatra jerentsika amin’ny tele na Internet. Hoy ny apostoly Paoly: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kol. 2:8) Vao mainka ilaina maika ny manaraka izany torohevitra izany ankehitriny, satria mihakaiky ny andron’i Jehovah. Hirehitra ny afon’ny fahatezeran’Andriamanitra amin’izay, ary tsy hahatanty an’izany ireo “singan-javatra” rehetra eo amin’ny tontolon’i Satana, ka hiempo. Mampahatsiahy an’ireto teny ao amin’ny Malakia 4:1 ireto izany: “Ho avy ny andro izay mandoro toy ny lafaoro, ka ho toy ny vodivary ireo sahisahy ratsy rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra. Handevona azy ireo ilay andro ho avy.”

“Hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy”

8. Inona no dikan’ny hoe “hibaribary” ny tany sy ny asa eo aminy?

8 Inona no tian’i Petera holazaina amin’ilay hoe “hibaribary ny tany sy ny asa eo aminy”? Te hilaza i Petera hoe habaribarin’i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe ny marina momba ny tontolon’i Satana. Haharihariny fa manohitra Azy sy ny Fanjakany izy io, ka mendrika ny horinganina. Naminany momba izay hitranga amin’io fotoana io i Isaia. Hoy izy ao amin’ny Isaia 26:21: “Mivoaka avy any amin’ny toerany i Jehovah mba hanao ampamoaka ny mponina amin’ny tany, noho ny fahadisoana nataon’izy ireo taminy. Dia hasehon’ny tany ny ra nalatsak’ilay tanàna, ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina tao.”

9. a) Inona no tokony hohalavirintsika, ary nahoana? b) Inona no tokony hiezahantsika hananana, ary nahoana?

9 Hampiseho an’ireo toetra tena maha izy azy ny olona novolavolain’ity tontolo ity sy ny toe-tsaina ratsiny, mandritra ny andron’i Jehovah. Hifamono mihitsy izy ireo amin’izay. Ireo fialam-boly maro misy herisetra sy be mpitia amin’izao andro izao angamba no mamolavola ny sain’ny olona maro, ka hahatonga azy ireo “hanainga tanana hifamely” amin’ny hoavy. (Zak. 14:13) Tena ilaina àry ny manalavitra an’izay rehetra mety hahatonga antsika hanana toetra halan’Andriamanitra, ohatra hoe ireo filma, na boky, na lalao video mety hitarika antsika hirehareha, na ho tia herisetra. (2 Sam. 22:28; Sal. 11:5) Mila miezaka kosa isika hanana an’ireo toetra anisan’ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra, satria tsy ho levona mihitsy izy ireny rehefa hirehitra ny afon’ny fahatezeran’Andriamanitra.—Gal. 5:22, 23.

“Lanitra vaovao sy tany vaovao”

10, 11. Inona ilay “lanitra vaovao” sy “tany vaovao”?

10 Vakio ny 2 Petera 3:13. Ny “lanitra vaovao” dia ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay nanomboka nisy tamin’ny 1914, rehefa tapitra “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) I Kristy Jesosy no mpanjakan’izy io. Misy olon-kafa 144 000 koa hiara-manjaka aminy, ary efa nahazo ny valisoany ny ankamaroan’izy ireo, dia ny hiaina any an-danitra. Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy ho toy ny “tanàna masina” ireo voafidy ireo mitambatra. Voalaza ao hoe “Jerosalema Vaovao” izy io, “nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny.” (Apok. 21:1, 2, 22-24) Tao Jerosalema no foiben’ny fanjakan’ny Israely fahiny. I Jerosalema Vaovao sy ny Mpampakatra azy kosa no hitondra ao amin’ny tontolo vaovao. ‘Hidina avy any an-danitra’ io tanàna io, izany hoe handray an-tanana ny fitondrana ny tany.

11 Ny “tany vaovao” indray dia ireo olona hiaina eto an-tany, izay efa nampiseho hoe manaiky an-tsitrapo ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa misy paradisa ara-panahy ankehitriny ary efa miaina ao ny vahoakan’Andriamanitra. Mbola hisy an’io paradisa io koa anefa ao amin’ilay “tany onenana” mahafinaritra amin’ny hoavy. (Heb. 2:5) Inona no tokony hataontsika mba ho anisan’ilay tany vaovao?

Miomàna ho amin’ny andro lehiben’i Jehovah

12. Nahoana ny olona eto amin’ity tontolo ity no ho taitra mafy, rehefa ho tonga ny andron’i Jehovah?

12 Nilaza mialoha i Paoly sy Petera hoe ho avy tampoka “toy ny mpangalatra” ny andron’i Jehovah. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:1, 2.) Na ny tena Kristianina izay efa miandry an’io andro io aza dia ho taitra satria ho tampoka be izy io. (Mat. 24:44) Tsy hoe ho taitra fotsiny anefa ny olona eto amin’ity tontolo ity. Hoy i Paoly: “Rehefa milaza [ireo olona tafasaraka amin’i Jehovah] hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.”—1 Tes. 5:3.

13. Inona no hanampy antsika tsy ho voafitak’ilay filazana hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!”?

13 Lainga haelin’ny demonia ilay hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!” Tsy ho voafitak’izany ny mpanompon’i Jehovah. Hoy i Paoly: ‘Tsy ao amin’ny maizina ianareo ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa zanaky ny mazava sy zanaky ny andro avokoa ianareo.’ (1 Tes. 5:4, 5) Mila mijanona ao amin’ny mazava isika, ary manalavitra ny haizin’ny tontolon’i Satana. Hoy koa i Petera: “Koa satria fantatrareo mialoha izany, ry malala, dia mitandrema sao ho voataona hiaraka [amin’ireo mpampianatra sandoka eo anivon’ny fiangonana] ianareo, eny, ho voataonan’ny fahadisoan’ny mpandika lalàna, ka ho lavo hiala amin’izay efa iorenanareo.”—2 Pet. 3:17.

14, 15. a) Ahoana no ahitana fa miahy manokana antsika i Jehovah? b) Inona avy ny andinin-teny mila tadidintsika tsara?

14 Mariho fa tsy milaza fotsiny i Jehovah hoe “mitandrema.” Miahy manokana antsika koa izy, ka manampy antsika amin-katsaram-panahy mba ‘hahafantatra mialoha’ izay hitranga. Lazainy amin’ny ankapobeny ny zavatra hiseho.

15 Na dia mampahatsiahy aza anefa izy hoe mila mifoha hatrany isika, dia mampalahelo fa lasa tsy miraharaha an’izany ny sasany, na maneso mihitsy. Mety hilaza izy ireo hoe: ‘Efa am-polony taona no nandrenesantsika an’izany fampahatsiahivana izany!’ Tokony hotadidin’izy ireo anefa fa rehefa milaza an’izany izy ireo, dia tsy ny mpanompo mendri-pitokisana ihany no tsy atokisany, fa i Jehovah sy ny Zanany koa. Milaza amintsika i Jehovah hoe: “Andraso ihany.” (Hab. 2:3) Hoy koa i Jesosy: ‘Miambena hatrany ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.’ (Mat. 24:42) Nanoratra koa i Petera hoe: “Olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!” (2 Pet. 3:11, 12) Tsy hanamaivana an’ireo teny mafonja ireo mihitsy ny mpanompo mendri-pitokisana sy ny Filan-kevi-pitantanana!

16. Inona no toe-tsaina tsy tokony hananantsika, ary nahoana?

16 Ilay “mpanompo ratsy fanahy” no mihevitra hoe ela ny Tompony. (Mat. 24:48) Anisan’ireo mpaneso resahina ao amin’ny 2 Petera 3:3, 4 io mpanompo io. Voalaza ao hoe ‘amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso mandeha araka ny faniriany.’ Haneso an’ireo olona mankatò sy mitadidy foana ny andron’i Jehovah izy ireo. Tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany sy izay fomba hanatanterahana ny faniriany ireny mpaneso ireny, fa tsy mifantoka amin’ny asan’ilay Fanjakana. Enga anie isika tsy hanana izany toe-tsaina izany! Tsy mankatò isika raha manao izany, ary mety hahita loza. Tokony ‘hihevitra ny faharetan’ny Tompontsika ho famonjena’ isika, ka ho revo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. (2 Pet. 3:15) Tsy tokony hanahy be loatra koa isika hoe rahoviana no ho tonga ny farany. I Jehovah Andriamanitra ihany no mamaritra izany.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:6, 7.

Matokia an’ilay Andriamanitry ny famonjena

17. Inona no nataon’ireo Kristianina tsy mivadika tamin’ny taonjato voalohany mifanaraka amin’ny fampirisihan’i Jesosy, ary nahoana?

17 Rehefa nanafika an’i Jodia ny Romanina tamin’ny taona 66, dia nankatò ny tenin’i Jesosy ireo Kristianina tsy nivadika, ka nandositra niala tao Jerosalema raha vao afaka nanao izany. (Lioka 21:20-23) Nahoana izy ireo no nankatò avy hatrany? Azo antoka fa nitadidy tsara an’ilay fampitandreman’i Jesosy izy ireo. Efa nampoizin’izy ireo hoe hiatrika zava-tsarotra izy ireo rehefa miala ao Jerosalema, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Fantatr’izy ireo anefa fa tsy hanary an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah.—Sl. 55.22.

18. Ahoana no fahitanao an’ilay fahoriana lehibe hoavy, rehefa mijery ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:25-28 ianao?

18 Mila matoky tanteraka an’i Jehovah koa isika, satria izy irery ihany no afaka mamonjy antsika, rehefa hihatra amin’ity tontolo ity ny fahoriana lehibe indrindra eo amin’ny tantara. “Ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana” ny olona, eo anelanelan’ny fotoana hanombohan’ny fahoriana lehibe sy ny fotoana handringanan’i Jehovah ny sisa tavela amin’ity tontolo ity. Hangovitra noho ny tahotra ny fahavalon’Andriamanitra, fa ny mpanompony tsy mivadika kosa tsy hatahotra mihitsy. Hifaly kosa izy ireo satria fantany fa efa akaiky ny fanafahana azy.—Vakio ny Lioka 21:25-28.

19. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Hoavy tena tsara tokoa no miandry an’ireo olona tafasaraka amin’izao tontolo izao sy amin’ny “singan-javatra” eo aminy! Tsy ampy anefa ny hoe tsy manao ratsy, raha te hahazo ny fiainana. Mila miezaka hanana an’ireo toetra mampifaly an’i Jehovah koa isika, ary manao an’ireo asa ankasitrahany. (2 Pet. 3:11) Izany no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy tsipiriany bebe kokoa momba an’ireo toetran’ny olona manana ny toe-tsain’izao tontolo izao, ao amin’ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, pejy 393-397.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no dikan’ilay hoe:

“lanitra” sy “tany” ankehitriny?

“singan-javatra”?

“lanitra vaovao sy tany vaovao”?

• Nahoana isika no tokony hatoky tanteraka an’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Ahoana no ‘iarovanao ny fonao’, ka hahatonga anao ho tafasaraka foana amin’izao tontolo izao?

[Sary, pejy 6]

Ahoana no ampisehoantsika fa ‘mihevitra ny faharetan’ny Tompontsika ho famonjena’ isika?