Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontaniana Efatra Momba ny Farany

Fanontaniana Efatra Momba ny Farany

Fanontaniana Efatra Momba ny Farany

NILAZA mialoha i Jesosy Kristy fa “ho tonga ny farany.” Hoy koa izy: “Amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.”—Matio 24:14, 21.

Mahatonga fanontaniana lehibe maro ireo tenin’i Jesosy ireo sy ny andinin-teny hafa momba ny farany. Jereo ao amin’ny Baibolinao mihitsy ny valin’ireto fanontaniana ireto:

1 Inona no hifarana?

Tsy mampianatra ny Baiboly hoe ho potika ity planeta ity. Nanoratra ny mpanao salamo fa naorin’Andriamanitra “ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Tsy milaza koa ny Baiboly hoe hirehitra ny tany, ka ho faty ny zavamananaina rehetra. (Isaia 45:18) Nambaran’i Jesosy kosa fa hisy ho tafavoaka velona amin’ny faran’izao tontolo izao. (Matio 24:21, 22) Inona àry no hifarana?

Hifarana ny fitondran’olombelona. Nasain’Andriamanitra nanoratra i Daniela mpaminany hoe: “Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Daniela 2:44.

Hifarana ny ady sy ny fanimbana ny tontolo iainana. Izao no hataon’Andriamanitra, araka ny Salamo 46:9: “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.” Mampianatra koa ny Baiboly fa ‘haringany izay manimba ny tany.’—Apokalypsy 11:18.

Hifarana ny heloka bevava sy ny tsy rariny. Mampanantena ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina.” *Ohabolana 2:21, 22.

2 Rahoviana no ho tonga ny farany?

Efa misy “fotoana voatondro” noferan’Andriamanitra hamaranana ny faharatsiana, ka ny Fanjakany no hitondra ny tany. (Marka 13:33) Milaza mazava anefa ny Baiboly fa tsy afaka manao kajy ny daty marina hitrangan’izany isika. Hoy i Jesosy: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36) Na izany aza dia nolazain’i Jesosy sy ny mpianany izay hitranga eto an-tany, mialoha ny farany. Efa tena akaiky ny farany raha miara-mitranga eran-tany ireto famantarana rehetra ireto:

Mikorontana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina ary ny fitondrana ara-politika, eran-tany. Rehefa nanontany momba ny farany ny mpianatr’i Jesosy, dia hoy izy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa, ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.” (Marka 13:8) Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:1-5.

Misy fitoriana atao eran-tany, amin’ny fiteny maro be. Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

3 Inona no hitranga aorian’ny farany?

Tsy mampianatra ny Baiboly hoe hakarina any an-danitra daholo ny tsara fanahy ka hiaina mandrakizay any. Nilaza kosa i Jesosy fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny olombelona. Hoy izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5; 6:9, 10) Mampanantena koa ny Baiboly fa hatsangana ireo maty talohan’ny farany. (Joba 14:14, 15; Jaona 5:28, 29) Iza no hitondra ary hanao ahoana ny fiainana, aorian’ny farany?

Hanjaka avy any an-danitra i Jesosy, ilay Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Daniela: “Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona [Jesosy tafatsangana tamin’ny maty] nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be [Jehovah Andriamanitra] izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy [Jesosy] ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny. Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra fa tsy handalo, ary ny fanjakany tsy ho rava.”—Daniela 7:13, 14; Lioka 1:31, 32; Jaona 3:13-16.

Ho salama tsara sy hiadana ary hiaina mandrakizay ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Isaia mpaminany: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.” (Isaia 65:21-23) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

4 Inona no tsy maintsy ataonao mba ho tafavoaka velona?

Efa niteny i Petera fa amin’ny fotoanan’ny farany dia hisy olona tsy hino, ka hihevitra hoe Andriamanitra koa ve dia hiditra an-tsehatra amin’ny raharahan’ny tany ka hanafoana ny faharatsiana! (2 Petera 3:3, 4) Izao anefa no asain’i Petera ataon’ny olona ankehitriny:

Mandraisa lesona avy amin’izay nitranga fahiny. Hoy i Petera: ‘Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fa niaro kosa an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa, fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.’ (2 Petera 2:5) Hoy koa izy momba ireo tsy nino: “Minia tsy mahalala izy ireo fa efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano. Tehirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tany * ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:5-7.

Araho ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Nilaza i Petera fa mila manana “fitondran-tena masina “ sy maneho “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra” izay te ho tafavoaka velona amin’ny faran’izao tontolo izao. (2 Petera 3:11) Nantitranteriny hoe tsy ivelany fotsiny ilay izy fa fomba fiaina mihitsy. Tsy ampy àry ny miseho ho manam-pinoana fotsiny, na hoe amin’ny ora farany vao mibebaka.

Inona kosa no tokony hataonao mba hankasitrahan’Andriamanitra? Ampitahao amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny hevitrao. Afaka manampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Asaivo asehon’izy ireo aminao avy ao amin’ny Baibolinao mihitsy ny valin’ny fanontanianao. Tsy hatahotra ny hoavy ianao amin’izay fa hatoky, na dia maro aza ny zavatra mampahatahotra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Afaka Mahalala An’Andriamanitra Daholo ve ny Olona?”, ao amin’ny pejy 22 amin’ity gazety ity.

^ feh. 19 Tsy tany ara-bakiteny no tian’i Petera holazaina eo. Tsy niresaka tany ara-bakiteny koa i Mosesy, rehefa nilaza hoe: ‘Mbola nampiasa fiteny iray ny tany manontolo.’ (Genesisy 11:1) Tsy ity planeta ity mantsy no mampiasa “fiteny iray”, ka noho izany tsy izy ity no ho potika na ho ringana. Ireo tsy matahotra an’Andriamanitra kosa no horinganina, hoy i Petera.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Ireo manimba ny tany no ho ringana, fa ny tany tsy ho potika