Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Natahotra Fara Andro Intsony Izy Ireo

Tsy Natahotra Fara Andro Intsony Izy Ireo

Tsy Natahotra Fara Andro Intsony Izy Ireo

NATAHOTRA mafy i Gary sy Karen hoe ho avy ny fara andro, taloha kelin’ny 1980. Tsy te ho faty izy ireo ka nitady hevitra. Nifindra tany ambanivohitra izy roa, ary niezaka ny tsy hiantehitra tamin’iza na iza.

Nianarany avokoa izay zavatra mety hilainy. Nanontany olona sy nanangona boky ary nanaraka fiofanana izy ireo tamin’izany. Nianatra namboly sy niompy izy roa, sady nitady teknika fitehirizana sakafo. Namboly legioma izy ireo, ary hazo fihinam-boa botry kely 50, izay vetivety dia mamoa. Nanangona fitaovana sy masomboly koa izy. Nisy namana nampianatra azy hamono biby sy hikarakara ny henany ary hitahiry izany. Nianatra namantatra ny hazo sy fakan-javamaniry tany an’ala i Karen, mba hohanina raha sanatria lany ny vatsy. Lasa hain’i Gary ny nanamboatra solika avy tamin’ny katsaka, ary nanao fatana vy ampiasana kitay. Tsotra ny trano naoriny, ary tsy nampiasa angovo avy tany ivelany.

Hoy i Karen: “Tena nahatsiravina ny zava-nitranga eran-tany tamin’izany, ka nihevitra aho hoe tsy haharitra intsony ity fiainana ity.” Hoy koa i Gary: “Nanao fihetsiketsehana niaraka tamin’ny tanora hafa aho, mba hanoherana ny fanavakavahana, ny ady tany Vietnam, ary ny kolikoly. Diso fanantenana anefa aho, satria hoatran’ny tsy ho avotra intsony ny fiainan’ny olombelona.”

Hoy i Gary: “Nipetrapetraka kely aho indray hariva ka nandray Baiboly, ary novakiko ny Matio hatramin’ny Apokalypsy. Namerina namaky indray aho isan-kariva, nandritra ny efatra andro, ary hoy aho tamin’i Karen ny ampitso: ‘Tena andro farany izao, ary tsy ho ela Andriamanitra dia hanadio an’ity tany ity. Andao isika hitady hoe iza no ho voavonjy.’ ” Nanomboka nitety fivavahana izy ireo, mba hahitana an’izay tena niomana ho amin’ny farany.

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amin’izy ireo, tsy ela taorian’izay, ary natomboka ny fianarana Baiboly. “Faly be aho”, hoy Karen, “satria tena nohazavaina tamiko ny Soratra Masina. Efa ela aho no nitady ny marina momba ny farany, ary hitako ihany ilay izy! Tena azoko antoka hoe ho tsara ny hoavy. Lasa nifandray akaiky tamin’ilay Raiko any an-danitra mihitsy aza aho, dia ilay Andriamanitra Mpamorona an’izao rehetra izao.”

Hoy i Gary: “Izay vao tena nisy dikany ny fiainako. Tsy te hijanona intsony aho rehefa nianatra Baiboly. Novakiko ny faminaniana, ary nodinihiko ny zava-misy manaporofo hoe tanteraka ilay izy, ka resy lahatra aho fa hanao zavatra tsy ho ela Andriamanitra. Tonga saina aho hoe: ‘Hay tsy tokony hiomana hiatrika loza ny olona, fa tokony hiomana ho amin’ilay tena fiainana homen’Andriamanitra!’ ” Lasa tsy nanahy momba ny hoavy i Gary sy Karen. Tsy natahotra ny farany intsony izy ireo, fa natoky hoe hesorin’Andriamanitra ny fahorian’ny olona, ary hataony paradisa ny tany.

Efa 25 taona mahery no nitrangan’izany. Inona àry izao no ataon’izy ireo? Hoy i Karen: “Mampitombo ny fitiavako sy finoako an’i Jehovah Andriamanitra foana aho, ary manampy ny hafa hanao izany koa. Mifanohana izahay sy Gary mba hahatonga ny ankohonanay hatanjaka sy samy hanompo an’Andriamanitra. Alaminay foana ny fiainanay sady ataonay tsotra, ka afaka miahy izay ilain’ny hafa izahay.”

Hoy koa i Gary: “Mivavaka foana aho mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hamonjy olona an-tapitrisany. Rehefa mitory aho, dia mivavaka mba hahita olona iray, fara fahakeliny, hizarako ny fampanantenan’ny Baiboly. Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, tao anatin’izay 25 taona mahery izay. Mino izahay sy Karen fa tsy ho ela Izy dia hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany. Tsy matahotra ny farany intsony izahay!”—Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:11, 12.

[Sary, pejy 9]

Manampy ny hafa hanana fanantenana avy ao amin’ny Baiboly izao i Gary sy Karen