Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina amin’ny hoe “filaharan’ny mpandresy”?

Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra mitarika antsika eo amin’ny filaharan’ny mpandresy, miaraka amin’i Kristy! Ary ataony mamerovero eny rehetra eny amin’ny alalantsika ny hanitry ny fahalalana azy. Fa amin’Andriamanitra, dia hanitr’i Kristy eo amin’ireo hovonjena sy eo amin’ireo ho ringana isika: Amin’ireo ho ringana, dia fofona avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana, ary amin’ireo hovonjena dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana.’—2 Korintianina 2:14-16.

Ny filaharana fanaon’ny Romanina ho fanomezam-boninahitra ny jeneraly naharesy ny fahavalon’ny Fanjakana no tao an-tsain’i Paoly. Aderadera, amin’izay fotoana izay, ireo zavatra sy olona azo babo ary misy omby entina hatao sorona. Ilay jeneraly sy ny tafiny kosa hobin’ny vahoaka. Atao sorona ireo omby ary vonoina ny maro amin’ireo babo, rehefa vita ilay filaharam-be.

Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) fa “mety ho avy amin’ilay fandoroana emboka manitra fanaon’ny Romanina mandritra ilay filaharana” ilay sarin-teny momba ny “hanitr’i Kristy”, izay midika ho fiainana ho an’ny sasany fa fahafatesana ho an’ny hafa. “Midika ho fandresena ho an’ireo mpandresy ilay hanitra, nefa mampahatsiahy an’ireo babo fa mety hovonoina tsy ho ela izy ireo”, hoy ilay boky. *

Inona ireo “toerana avo” voatonona matetika ao amin’ny Soratra Hebreo?

Rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia nasain’i Jehovah nesoriny avokoa ny toeram-pivavahan’ireo Kananita nonina tao. Hoy izy: “Poteho ny sarivongana rehetra nataon’izy ireo tamin’ny vato. Poteho koa ny sarivongany metaly rehetra, sy ny toerana avo masina rehetra eo amin’izy ireo.” (Nomery 33:52) Nety ho an-kalamanjana ireny toeram-pivavahan-diso ireny ary teny an-tampon-kavoana, na nety ho toerana namboarina teny ambany hazo na tao an-tanàna na tany an-toeran-kafa. (1 Mpanjaka 14:23; 2 Mpanjaka 17:29; Ezekiela 6:3) Mety ho nahitana alitara teny, tsangambato na tsato-kazo masina, sarivongana, toerana fandoroana emboka manitra, ary zavatra hafa fampiasa amin’ny fivavahana.

Nivavaka tamin’i Jehovah teny amin’ny toerana antsoin’ny Soratra Masina hoe toerana avo ny Israelita, talohan’ny nanorenana ny tempoly tao Jerosalema, ary neken’i Jehovah izany. Nanao sorona teo amin’ny “toerana avo” tany Zofa, ohatra, i Samoela mpaminanin’Andriamanitra. (1 Samoela 9:11-14) Mpanjaka maro tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa no niezaka nanaisotra an’ireo “toerana avo”, raha vao vita ny tempoly.—2 Mpanjaka 21:3; 23:5-8, 15-20; 2 Tantara 17:1, 6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Manazava ny hevitr’ilay fanoharana nampiasain’i Paoly Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1991, pejy 27.

[Sary, pejy 23]

Sary mivohitra mampiseho filaharan’ny mpandresy romanina, tamin’ny taonjato faharoa

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph taken by courtesy of the British Museum

[Sary, pejy 23]

Sisan’ny tsangambato masina tao Gazera