Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahariharin’i Jesosy ny Fahamarinan’Andriamanitra

Nahariharin’i Jesosy ny Fahamarinan’Andriamanitra

Nahariharin’i Jesosy ny Fahamarinan’Andriamanitra

“Natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana [i Kristy], ka ny finoana ny rany no ahazoana izany fampihavanana izany. Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana ny fahamarinany.”—ROM. 3:25.

1, 2. a) Inona no manjo ny olombelona, araka ny Baiboly? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

FANTATRY ny maro ilay fitantaran’ny Baiboly momba ny fikomiana tao Edena. Tsapantsika rehetra ny vokatry ny fahotan’i Adama, araka ilay voalaza hoe: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Rom. 5:12) Mila ny famelan’Andriamanitra isika satria manao fahadisoana na dia miezaka mafy hanao izay mahitsy aza. Ny apostoly Paoly aza nitaraina hoe: ‘Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko fanao. Indrisy! Olo-mahantra aho!’—Rom. 7:19, 24.

2 Mpanota isika rehetra, ka tsara ny handinihana an’ireto fanontaniana ireto: Nahoana i Jesosy avy any Nazareta no tsy nandova ota, ary nahoana izy no natao batisa? Nahoana ny fiainan’i Jesosy no nampiharihary ny fahamarinan’i Jehovah? Inona no vokatry ny fahafatesan’i Kristy?

Tsy ara-drariny tokoa ve ny fitondran’Andriamanitra?

3. Ahoana no namitahan’i Satana an’i Eva?

3 Nanao hadalana i Adama sy Eva ka nanda ny zon’Andriamanitra hitondra. Naleony nofehezin’ilay “menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.” (Apok. 12:9) Nataon’i Satana izay hahatonga ny hafa hisalasala hoe tsy ara-drariny ny fomba fitondran’i Jehovah Andriamanitra. Hoy àry izy tamin’i Eva: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Nolazain’i Eva taminy ilay didin’Andriamanitra hoe misy hazo iray tsy azo kasihina, raha tsy te ho faty. Nampangain’i Satana ho mpandainga Andriamanitra avy eo, ka hoy izy: “Tsy ho faty velively ianareo.” Nofitahiny i Eva ka nataony izay hinoany fa misy zavatra tsara afenin’Andriamanitra. Hitovy amin’Andriamanitra, hono, izy ireo ka ho afaka hahalala ny tsara sy ny ratsy, raha mihinana an’ilay voankazo.—Gen. 3:1-5.

4. Nahoana no lasa nofehezin’i Satana ny olona?

4 Te hilaza i Satana fa ho sambatra kokoa ny olombelona raha tsy miankina amin’Andriamanitra. Tsy nanohana ny zon’i Jehovah hitondra i Adama fa nihaino ny vadiny, ary nihinana an’ilay voankazo koa. Tsy olo-marina teo anatrehan’i Jehovah intsony àry izy, ka nahatonga antsika hovesaran’ny ota sy ny fahafatesana ary hofehezin’i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.”—2 Kor. 4:4; Rom. 7:14.

5. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hitanana ny teniny? b) Inona no nampanantenainy ny taranak’i Adama sy Eva?

5 Nitana ny teny nataony i Jehovah ka nomelohiny ho faty i Adama sy Eva. (Gen. 3:16-19) Tsy midika anefa izany hoe tsy tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Nomeny fampanantenana kanto ny taranak’i Adama sy Eva rehefa nomelohiny izy mivady. Nilaza izy fa nikasa hampipoitra ‘taranaka’ iray. Handratra ny voditongotr’izy io i Satana, nefa ho sitrana izy ary ‘hanorotoro ny lohan’i Satana.’ (Gen. 3:15) Nanazava bebe kokoa an’izany ny Baiboly ka nilaza toy izao momba an’i Jesosy Kristy: “Izao no nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Nahoana anefa no nampiharihary ny fahamarinan’Andriamanitra izay nataon’i Jesosy sy ny fahafatesany?

Ny dikan’ny batisan’i Jesosy

6. Ahoana no ahalalantsika fa tsy nandova ota i Jesosy?

6 Tsy maintsy nitovy tanteraka tamin’i Adama lavorary i Jesosy rehefa lehibe. (Rom. 5:14; 1 Kor. 15:45) Midika izany fa tsy maintsy lavorary izy raha vao teraka. Ahoana no hetezan’izany? Mazava ny tenin’ny anjely Gabriela tamin’i Maria renin’i Jesosy hoe: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 1:35) Azo inoana fa mbola kely i Jesosy dia efa nampahafantarin’i Maria zavatra maro momba ny nahaterahany. Mbola kely mantsy izy, dia efa niteny toy izao tamin’i Maria sy Josefa, tamin’izy tao amin’ny tempolin’Andriamanitra: “Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?” (Lioka 2:49) Hita fa fantany hatramin’ny mbola kely hoe Zanak’Andriamanitra izy. Zava-dehibe taminy àry ny fampiharihariana ny fahamarinan’Andriamanitra.

7. Inona avy no zava-tsarobidy nananan’i Jesosy?

7 Nasehon’i Jesosy fa tena tia zavatra ara-panahy izy ka nanatrika fotoam-pivavahana tsy tapaka. Azo antoka fa azony tsara daholo izay reny sy novakiny tao amin’ny Soratra Hebreo, satria lavorary ny sainy. (Lioka 4:16) Nanana zava-tsarobidy hafa koa izy, dia vatana lavorary azo atao sorona ho an’ny olombelona. Nivavaka i Jesosy rehefa natao batisa, ary nety ho nieritreritra an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 40:6-8.—Lioka 3:21; vakio ny Hebreo 10:5-10. *

8. Nahoana i Jaona Mpanao Batisa no nisakana an’i Jesosy tsy hatao batisa?

8 Nanao batisa an’ireo Jiosy i Jaona Mpanao Batisa, satria nibebaka noho ny nandikany ny Lalàna izy ireo. Nisakana an’i Jesosy tsy hatao batisa àry izy, tamin’ny voalohany. Havany akaiky i Jesosy ary tsy maintsy ho fantany fa tsy nisy ota ka tsy nila nibebaka. Nanome toky an’i Jaona i Jesosy fa mety ny hanaovana batisa azy. Hoy izy: “Izao no fomba tsara hanatanterahantsika an’izay rehetra marina.”—Mat. 3:15.

9. Inona no dikan’ny batisan’i Jesosy?

9 Lavorary toa an’i Adama i Jesosy, ka nety ho nanatsoaka hevitra hoe afaka ny hanana taranaka lavorary. Tsy naniry an’izany anefa izy satria tsy izany no sitrapon’i Jehovah. Nalefany tetỳ an-tany izy mba hanao ny andraikitry ny Mesia, na ilay Taranaka nampanantenaina, anisan’izany ny hoe hanao sorona ny ainy lavorary. (Vakio ny Isaia 53:5, 6, 12.) Mazava ho azy fa tsy mitovy ny dikan’ny batisan’i Jesosy sy ny antsika. Tsy fanokanan-tena ho an’i Jehovah ny batisany satria izy efa anisan’ny firenen’Israely, izay voatokana ho an’Andriamanitra. Niseho teo anatrehan’Andriamanitra kosa izy mba hanao ny sitrapony, araka izay voalazan’ny Soratra Masina fa hataon’ny Mesia.

10. Inona no tian’Andriamanitra hataon’ny Mesia, ary inona no tsapan’i Jesosy rehefa nanao izany?

10 Inona no tian’i Jehovah hataon’i Jesosy? Ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanao mpianatra ary hanomana ny mpianany mba hanao mpianatra koa. Niseho teo anatrehan’ny Rainy koa i Jesosy noho izy vonona hiaritra fanenjehana sy hijaly ary ho faty, mba hanohanana ny zon’i Jehovah Andriamanitra hitondra. Tena tian’i Jesosy ilay Rainy any an-danitra ka nahafinaritra azy ny nanao ny sitrapony ary faly izy nanolotra ny tenany ho sorona. (Jaona 14:31) Faly koa izy nahalala fa azo nomena an’Andriamanitra ho vidim-panavotana ny ainy lavorary, mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Nankasitrahan’Andriamanitra ve ny nisehoan’i Jesosy mba hanao an’ireo andraikitra lehibe ireo? Eny tokoa!

11. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nekeny ho Kristy, na ilay Mesia nampanantenaina, i Jesosy?

11 Rehefa niakatra avy tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, dia nilaza mazava i Jehovah fa nankasitraka azy. Samy manamarina izany ireo mpanoratra Filazantsara efatra. Hoy i Jaona Mpanao Batisa: ‘Hitako nidina toy ny voromailala avy tany an-danitra ny fanahy, ka nitoetra teo ambonin’i [Jesosy]. Efa hitako izany, ka nanaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.’ (Jaona 1:32-34) Hoy koa i Jehovah, tamin’izay: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.”—Mat. 3:17; Mar. 1:11; Lioka 3:22.

Tsy nivadika mandra-pahafatiny

12. Inona no nataon’i Jesosy nandritra ny telo taona sy tapany taorian’ny batisany?

12 Tsy nitandro hasasarana izy taorian’ny batisany. Nampianatra ny olona momba ny Rainy izy, nandritra ny telo taona sy tapany, ary nampiseho fa manan-jo hitondra Andriamanitra. Nandeha an-tongotra nanerana ny Tany Nampanantenaina izy ka reraka. Tsy nisy nahasakana azy tsy hanambara ny marina tamin’ny fomba feno anefa. (Jaona 4:6, 34; 18:37) Nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Nanao fahagagana izy ka nanasitrana ny marary sy nanome sakafo ny vahoaka noana ary nanangana ny maty mihitsy aza. Nasehony tamin’izany izay hataon’ilay Fanjakana.—Mat. 11:4, 5.

13. Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny vavaka?

13 Nanetry tena i Jesosy rehefa nampianatra sy nanasitrana, ka i Jehovah foana no nomeny voninahitra fa tsy ny tenany. Modely ho antsika izy. (Jaona 5:19; 11:41-44) Nampahafantarin’i Jesosy koa hoe inona no tena tokony hataontsika antom-bavaka. Anisan’izany ny ‘hanamasinana’ ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah sy ny hanesorana ny fitondrana ratsin’i Satana ka hanoloana an’izany amin’ny fitondran’Andriamanitra ara-drariny. Amin’izay dia ‘hatao etỳ an-tany ny sitrapony, tahaka ny any an-danitra.’ (Mat. 6:9, 10) Nampirisihin’i Jesosy hanao zavatra mifanaraka amin’izany vavaka izany isika, ka nasainy ‘hikatsaka ny [Fanjakan’Andriamanitra] sy ny fahamarinany aloha.’—Mat. 6:33.

14. Lavorary i Jesosy nefa nahoana izy no nila niezaka, mba hanatanterahany ny fikasan’i Jehovah?

14 Vao mainka tsapan’i Jesosy ny halehiben’ilay andraikitra niantsorohany, rehefa nihananakaiky ny fotoana hahafatesany. Tsy maintsy hiaritra fitsarana tsy ara-drariny sy hijaly ary ho faty izy, mba hahatanterahan’ny fikasan’ny Rainy sy hiarovana ny lazany. Nivavaka toy izao izy, dimy andro talohan’ny hahafatesany: “Mitebiteby mafy aho izany! Koa inona àry no holazaiko? Ray ô, vonjeo ho afaka amin’ity ora ity aho. Nefa dia ho amin’ity ora ity no nahatongavako.” Fihetseham-po ara-dalàna amin’ny olombelona izany. Tsy izay netinety taminy anefa no nifantohany fa izay zava-dehibe kokoa, ka hoy izy: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Namaly avy hatrany i Jehovah hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.” (Jaona 12:27, 28) Vonona hiaritra ny fitsapana lehibe indrindra tokoa i Jesosy, mba hampisehoana ny tsy fivadihany. Azo antoka anefa fa tena nampahery azy ny nandre ny tenin-dRainy. Natoky kokoa izy fa hahavita hampiharihary ny fahamarinan’i Jehovah sy hanohana ny zony hitondra. Ary vitany tokoa izany!

Ny vokatry ny fahafatesan’i Jesosy

15. Nahoana i Jesosy no niteny hoe: “Vita!”, taloha kelin’ny hahafatesany?

15 Hoy i Jesosy tamin’izy hiala aina ka nanaintaina mafy teo amin’ny hazo fijaliana: “Vita!” (Jaona 19:30) Nampian’Andriamanitra izy ka nahavita zavatra lehibe tokoa, nandritra ny telo taona sy tapany taorian’ny batisany. Nisy horohoron-tany mahery rehefa maty izy, ka hoy ilay miaramila romanina nasaina namono azy: “Zanak’Andriamanitra tokoa io.” (Matio 27:54) Nety ho hitan’io miaramila io ny nanesoana an’i Jesosy noho izy nilaza fa Zanak’Andriamanitra. Tsy nivadika mihitsy i Jesosy, na inona na inona niaretany, ka voaporofo hoe mpandainga mahatsiravina i Satana. Hoy tokoa i Satana momba an’ireo rehetra manohana ny zon’Andriamanitra hitondra: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Joba 2:4) Tsy nivadika i Jesosy ka nasehony fa afaka ny tsy nivadika i Adama sy Eva tamin’ilay fitsapana kely lavitra nihatra taminy. Ambonin’izany rehetra izany, dia nampiharihary sy nanohana ny zon’i Jehovah hitondra i Jesosy nandritra ny fiainany sy tamin’ny fahafatesany. (Vakio ny Ohabolana 27:11.) Mbola nisy vokany hafa koa ny fahafatesan’i Jesosy.

16, 17. a) Nahoana no azon’i Jehovah nambara ho marina ireo mpanompony talohan’ny andro kristianina? b) Inona no valisoa nomen’i Jehovah ny Zanany noho izy tsy nivadika, ary inona izao no mbola ataon’i Jesosy Kristy Tompo?

16 Maro ny mpanompon’i Jehovah niaina talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Nambaran’Andriamanitra fa marina izy ireny ary nampanantenaina fa hatsangana amin’ny maty. (Isaia 25:8; Dan. 12:13) Nahoana anefa i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, no afaka nandrotsaka fitahiana lehibe toy izany ho an’ireny olona mpanota ireny? Hoy ny Baiboly: “Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana [i Jesosy Kristy], ka ny finoana ny rany no ahazoana izany fampihavanana izany. Nanao izany Andriamanitra mba hanehoana ny fahamarinany, noho izy namela ny fahotana fahiny tamin’izy naneho fandeferana, sy mba hanehoana ny fahamarinany amin’izao fotoana izao, mba ho marina izy rehefa manambara fa marina ny olona mino an’i Jesosy.”—Rom. 3:25, 26. *

17 Namaly soa an’i Jesosy i Jehovah ka natsangany tamin’ny maty izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho izay nananany talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Anjely be voninahitra sy tsy mety maty izy izao. (Heb. 1:3) Mpisoronabe sy Mpanjaka i Jesosy Kristy Tompo, ary mbola manampy ny mpanara-dia azy hampiharihary ny fahamarinan’Andriamanitra. Mpamaly soa an’izay rehetra manao izany i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Tahiny koa ireo manohy manompo azy toa an’ilay Zanany, ka tena velom-pankasitrahana azy isika!—Vakio ny Salamo 34:3; Hebreo 11:6.

18. Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Nifandray akaiky tamin’i Jehovah ny olombelona tsy nivadika, nanomboka tamin’ny andron’i Abela. Nino sy nanantena an’ilay Taranaka nampanantenaina mantsy izy ireo. Fantatr’i Jehovah fa tsy hivadika mihitsy ny Zanany ary ny fahafatesany no ho afaka hanarona tanteraka “ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jaona 1:29) Mandray soa avy amin’ny fahafatesan’i Jesosy koa ny olona ankehitriny. (Rom. 3:26) Inona àry no fitahiana ho azonao noho ny vidim-panavotan’i Kristy? Izany no horesahin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no nampiasain’ny apostoly Paoly rehefa nanonona ny Salamo 40:6-8 izy. Misy an’izao teny izao ao: “Nanomana vatana ho ahy ianao.” Tsy misy an’ireo, ao amin’ny Soratra Hebreo fahiny fantatra hatramin’izao.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no nitranga ka nahatonga ny olona hisalasala ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra?

• Inona no dikan’ny batisan’i Jesosy?

• Inona no vokatry ny fahafatesan’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Inona no dikan’ny batisan’i Jesosy?