Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Ahoana no hanampianao ny zanakao hahay handray andraikitra?

‘Omeo modely’ izy. (Jaona 13:15) Aza manantena be loatra aminy. Rehefa mihalehibe izy, dia asaivo miezaka ny hadio sy ho marim-potoana ary hianatra tsara. Omeo toromarika voafaritra tsara izy, mba ho zatra mandray ny andraikiny.—1/5, pejy 19-20.

• Nahoana no tsy nosazin’Andriamanitra i Arona rehefa nanao zanak’omby volamena?

Nandika ny lalàna momba ny fanompoan-tsampy i Arona. (Eks. 20:3-5) Nitalaho tamin’Andriamanitra ho azy anefa i Mosesy, ary nisy “heriny lehibe” izany. (Jak. 5:16) Efa nanaporofo koa i Arona fa olona tsy nivadika. Marina fa nanaiky izy rehefa nandresy lahatra azy hanao zanak’omby ny olona. Hita anefa fa tsy nankasitrahany izany. Niandany tamin’i Jehovah niaraka tamin’ny taranak’i Levy mantsy izy taorian’izay. (Eks. 32:25-29)—15/5, pejy 21.

• Taiza no nisy an’i Ofira, ilay lazain’ny Baiboly fa misy volamena?

Nanao sambo tao Eziona-gebera i Solomona, mba hitondrana volamena avy any Ofira. (1 Mpanj. 9:26-28) Teo akaikin’i Eilat sy Aqaba ankehitriny, eo amoron’ny Ranomasina Mena, no nisy an’io seranan’i Eziona-gebera io. Mety ho tany Arabia akaikin’ny Ranomasina Mena na tany amin’ny morontsirak’i Afrika na Inde àry no nisy an’i Ofira.—1/6, pejy 15.

• Manondro inona ilay ‘balsama any Gileada’? (Jer. 8:22)

Menaka manitra avy amin’ny zavamaniry ny balsama, ary nisy azy io tany Gileada, atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, sy tany an-toeran-kafa. Manasitrana izy io, ka natao tamin’ny fery. Narary ara-panahy ny firenen’Israely, ka tokony ho nitady fanasitranana, saingy tsy nanao izany. (Jer. 8:9)—1/6, pejy 21-22.

• Inona no tokony hotadidinao raha nanitsakitsaka anao ny vadinao?

Tsy tokony hanamelo-tena ianao, raha niezaka nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Fantatr’Andriamanitra hoe mila fampiononana sy fampaherezana ianao. Hampiasa an’ireo mpiara-manompo izy mba hanampiana anao.—15/6, pejy 30-31.

• Ahoana no hanampianao namana marary?

Henoy tsara izy. (Mpito. 3:1, 7) Aoka ianao hiombom-pihetseham-po sy ho tsara fanahy. (Rom. 12:15) Mahaiza mampahery sy manampy. (Kol. 4:6; 1 Jaona 3:18) Mifandraisa aminy foana. (Ohab. 17:17)—1/7, pejy 10-13.

• Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nanam-piandohana Andriamanitra?

Nilaza izany i Mosesy tamin’ny vavaka nataony. (Sal. 90:2) I Jehovah irery àry no azo antsoina hoe “Mpanjakan’ny mandrakizay.” (1 Tim. 1:17)—1/7, pejy 28.

• Ahoana no hampianaranao ny zanakao ho tia mamaky teny?

Manehoa fitiavana ary manomeza ohatra. Omeo boky izy, ary amakio teny. Hazavao izay vakinao ary mametraha fanontaniana. Asaivo mamaky sy mametraka fanontaniana koa izy.—15/7, pejy 26.

• Nahoana i Jesosy no tsy nandeha haingana hanasitrana an’i Lazarosy?

Efa maty efatra andro i Lazarosy vao tonga i Jesosy. Niandry aloha izy, ka afaka nanao fitoriana niavaka momba ny Rainy. Maro no lasa mpino vokatr’izany. (Jaona 11:45)—1/8, pejy 14-15.

• Inona ireo “toerana avo”?

Matetika izy ireny no ilazana tampon-kavoana na toerana hafa nanaovana fanompoan-tsampy. Indraindray izy ireny nisy alitara, tsangambato masina, tsato-kazo masina, ary zavatra hafa, izay nampiasain’ny olona tamin’ny fanao halan’Andriamanitra. (Nom. 33:52)—1/8, pejy 23.