Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avelany Hisafidy Isika Satria Omeny Voninahitra

Avelany Hisafidy Isika Satria Omeny Voninahitra

Manatòna An’Andriamanitra

Avelany Hisafidy Isika Satria Omeny Voninahitra

2 MPANJAKA 18:1-7

TOKONY ho modely ho an-janany ny ray aman-dreny. Ho tsara toetra sy hahay hanapa-kevitra ny ankizy, raha tsara ny modely omen’ny ray aman-dreniny. Mampalahelo fa maro ny ray aman-dreny tsy fakan-tahaka. Tsy misy azo antenaina intsony ve ny amin’ny zanak’izy ireny? Mampahery ny mahalala fa manome voninahitra antsika i Jehovah Andriamanitra, ka mamela antsika tsirairay hisafidy. Diniho izay nitranga tamin’i Hezekia, araka ny 2 Mpanjaka 18:1-7.

“Zanak’i Ahaza mpanjakan’ny Joda” i Hezekia. (Andininy 1) Nitarika ny vahoakany mba tsy hivavaka tamin’i Jehovah i Ahaza, mpanjaka ratsy fanahy. Nivavaka tamin’i Bala izy ary nanao sorona olombelona, anisan’izany ny rahalahin’i Hezekia. Nohidian’i Ahaza koa ny varavaran’ny tempoly ary “nasiany alitara isaky ny zoron-dalana tao Jerosalema.” “Nampahatezitra an’i Jehovah” izy. (2 Tantara 28:3, 24, 25) Faran’izay ratsy fanahy ny rain’i Hezekia. Tsy afa-nanoatra ve anefa i Hezekia fa tsy maintsy namerina an’izay nataon-drainy?

Raha vao lasa mpanjaka nandimby an’i Ahaza i Hezekia, dia noporofoiny fa tsy voatery nanahaka an-drainy izy. “Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah foana” izy. (Andininy 3) Nitoky tamin’i Jehovah izy ary “tsy nisy tahaka azy ny mpanjakan’ny Joda rehetra.” (Andininy 5) Nitondra fanovana io mpanjaka tanora io, tamin’ny taona voalohany nanjakany. Nesoriny ny toerana avo fivavahana amin’ny sampy. Nosokafana indray ny tempoly, ary naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. (Andininy 4; 2 Tantara 29:1-3, 27-31) “Nifikitra tamin’i Jehovah foana” i Hezekia ary “nomba azy i Jehovah.”—Andininy 6, 7.

Inona no nanampy an’i Hezekia tsy hanahaka an-drainy? I Abia reniny ve no nahay nitaiza azy ka nisy vokany tsara teo aminy? Tsy fantatsika tsara ny momba an’io reniny io. Nisy vokany tsara teo aminy ve ny modelin’i Isaia, izay efa naminany talohan’ny nahaterahany? * Tsy lazain’ny Baiboly ny amin’izany. Na ahoana na ahoana, dia nifidy ny tsy hanahaka an-drainy mihitsy i Hezekia.

Nijaly koa ve ianao tamin’ny mbola kely, satria tsy fakan-tahaka ny ray aman-dreninao? Raha izany no izy, dia hampahery anao ny tantaran’i Hezekia. Tsy azo ovana ny lasa na dia mety hangidy aza. Tsy midika anefa izany hoe tsy misy antenaina ny aminao. Mety ho sambatra ianao amin’ny hoavy raha manao safidy tsara ankehitriny. Afaka manao toa an’i Hezekia isika ka hifidy ny hivavaka amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy ho tia azy. Ho afa-po isika dieny izao ary hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, raha manao izany. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4) Tena tokony ho velom-pisaorana an’ilay Andriamanitra be fitiavana isika, noho isika tsirairay nomeny voninahitra ka navelany hisafidy. Fanomezana sarobidy tokoa izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Naminany i Isaia nanomboka tamin’ny 778 Talohan’i Kristy (T.K.) teo ho eo ka hatrany aoriana kelin’ny 732 T.K. Nanomboka nanjaka i Hezekia tamin’ny 745 T.K., tamin’izy 25 taona.