Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro Iray Teny Amin’ny Torapasika

Andro Iray Teny Amin’ny Torapasika

Taratasy avy any Grenady

Andro Iray Teny Amin’ny Torapasika

FANTATRAO ve hoe hoatran’ny ahoana izany manao asa misionera any an-tany hafa izany? Tena mahafinaritra ilay izy. Mahaliana sy mahagaga anao daholo ny olona sy ny manodidina, indrindra moa fa ny fitoriana.

Voatendry ho misionera eto Grenady izahay mivady. Malaza ho tsara tarehy ireo torapasika eto, ary misy toerana 45 eo ho eo tena kanto. Tsy andrinay ny hahita hoe hoatran’ny ahoana àry izy ireny. Nankany amin’ny iray tamin’izy ireo izahay, indray andro, ary nahafinaritra be ilay izy. Ny fiarahanay tamin’ny olona anefa no tena nahafaly, fa tsy ny torapasika sy ranomasina fotsiny.

Tsy dia lavitra eo amin’ny misy anay ny Torapasik’i Grand Anse, raha mandeha fiara. Tena nahafinaritra ilay dia, ary nahitanay faritra faran’izay kanto! Maitso mavana ireo havoana. Nahafinaritra koa ny nitazana an’ireo tendrombohitra, ala, riandrano, ary ranomasina tsara tarehy. Tsy mahagaga raha mpizaha tany maro no tonga atỳ! Tsara loatra ny manodidina ka mila mitandrina ny mpamily mba tsy ho variana. Mivilivily koa moa ny lalana ary tery be indraindray nefa ifanenan’ny fiara. Tsy mampino hoe antonona fiara roa ilay izy!

Tonga teo amin’ny toerana fanaovana fivoriambe izahay. Eo ampitan’ny Torapasik’i Grand Anse izy io. Vavolombelon’i Jehovah efa ho 600 no nivory tao mba hianatra Baiboly. Faly ny rehetra. Niavaka anefa io andro io ho an’i Lesley sy Daphne, mpivady 70 taona eo ho eo. Natao batisa mantsy i Lesley tamin’io. Efa ela i Daphne no niandry an’izany, satria izy efa tamin’ny 1958 no vita batisa.

Aroboka tanteraka ao anaty rano ny Vavolombelona rehefa atao batisa, ary misy heviny lehibe izy io ho azy ireo. Atao batisa ny olona iray rehefa avy nianatra tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary mampihatra izany eo amin’ny fiainany. Ny batisa no fotoana miavaka anehoany ampahibemaso fa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy.

Izaho no nasaina nanazava momba izay lazain’ny Soratra Masina mahakasika ny batisa. Rehefa vita izany, dia nitsangana i Lesley sy ny mpivady iray hatao batisa miaraka aminy. Nanao lobaka fotsy voapasoka tsara sy kravaty izy, ary nitsikitsiky be. Nanontany azy ireo aho hoe: “Moa ve ianao nibebaka noho ireo fahotanao ka nanokan-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?” Namaly hoe “eny” izy ireo, ka hita mihitsy hoe tso-po sy tia an’i Jehovah.

Tena nientam-po aho satria fantatro ny tantaran’i Lesley. Efa am-polony taona izy no tsy nety nianatra Baiboly. Nitsidika nosy iray anefa izy mivady, indray mandeha. Nanapa-kevitra izy ireo tany fa samy ho any amin’ny fivavahany. Hoy i Lesley tamin’i Daphne: “Ianao mankany amin’ny fiangonanareo, fa izaho ho any amin’ny anay.”

Naterin’i Lesley tany amin’ny Efitrano Fanjakana i Daphne, ary lasa izy nankany amin’ny eglizy anglikanina teo akaiky teo. Naka ny vadiny izy rehefa nirava. Tsara fanahy sy nitsikitsiky taminy ary niarahaba azy ny olona tany amin’ny Efitrano Fanjakana, nefa tsy nahalala azy akory. Izany no nanohina ny fony. Tany am-piangonany mantsy tsy mba nisy niresaka taminy. Hoy izy tamin’i Daphne: “Tsy hiverina any intsony aho. Tsy nisy niarahaba ahy ny olona tany, na dia ny pretra aza. Tsy nisy niresaka tamiko mihitsy, na tamin’izaho tonga na tamin’izaho handeha.” Tsy niverina tany intsony tokoa izy.

Nianatra Baiboly àry i Lesley, ka hatao batisa. Nanaraka azy telo dahy nankeny amin’ny torapasika izahay. Akaiky ny ranomasina ka tsy nilaina ny nanamboatra dobo handrobohana azy ireo, toy ny any amin’ny toerana maro fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe. Niampita fotsiny izahay, dia tonga.

Mirefy telo kilaometatra eo ilay torapasika tsara tarehy. Fotsy botsiaka ilay izy, ary manga mahafinaritra ny ranomasina, sady mafana foana. Gaga ireo mpizaha tany nahita ny akanjonay. Ny lehilahy mantsy nanao lobaka sy kravaty, ny vehivavy nanao zipo nefa teny amin’ny torapasika. Nisolo akanjo i Lesley ka nanao tiserta sy pataloa fohy. Alao sary an-tsaina ny hafalian’i Daphne rehefa nahita ny vadiny natao batisa, 50 taona taorian’ny nanaovana batisa azy. Nibaliaka ny masoandro, ary miramirana erỳ izy. Na ireo mpizaha tany aza mba faly. Nitehaka koa izy ireo, isaky ny nisy avy natao batisa.

Efa manome voninahitra ny Mpamorona ilay torapasika fotsy sy ny lanitra manga ary ny onja malefaka. Vao mainka anefa nahazo dera Izy rehefa natao batisa izy telo mianadahy. Faly erỳ ny fonay nahita azy ireo! Tena niavaka iny andro iny. Andro iray toa zato izy iny ho an’i Lesley sy Daphne!