Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Fampianaran’i Calvin?

Inona no Vokatry ny Fampianaran’i Calvin?

Inona no Vokatry ny Fampianaran’i Calvin?

TANY Noyon, any Frantsa, i Jean Cauvin (Jean Calvin) no teraka, tamin’ny 1509. Nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona maro tany Eoropa, Amerika, Afrika Atsimo, ary tany an-tany hafa, ny hetsika ara-pivavahana nataony. Anisan’ireo Mpitondra Fanavaozana tena niavaka teo amin’ireo eglizy tany amin’ny tany tandrefana izy.

Mbola tsy lefy ny fampianaran’i Calvin, na dia efa 500 taona teo ho eo aza no lasa hatramin’ny nahaterahany. Mbola manaraka ny fampianarany ny Fivavahana Protestanta, toy ny Fiangonana Nohavaozina, Presbyterianina, Kongregasionaly, Puritains, sy ny hafa. Nanana mpikambana 75 tapitrisa, avy amin’ny firenena 107, ny Fikambanan’ny Fiangonana Nohavaozina Eran-tany, tamin’ny Septambra lasa teo.

Nanohitra ny Fivavahana Katolika izy

Mpisolovava sy mpitan-tsoratry ny Eglizy tao Noyon ny rain’i Calvin, ka azo inoana fa nahita tsara ny fitondran-tena ratsin’ireo mpitondra fivavahana tamin’izany. Asa na nahatonga ny rain’i Calvin hanohitra ampahibemaso ny Eglizy izany, na nanjary tsy nanaja azy io izy, fa ny azo antoka dia hoe noroahina io rainy io sy ny zokiny lahy. Rehefa maty ny rain’i Calvin, dia sahirana izy vao afaka nandevina azy araka ny fomba kristianina. Azo inoana fa vao mainka nahatonga an’i Calvin tsy hatoky ny Fivavahana Katolika izany.

Tsy dia miresaka momba ny fahatanoran’i Calvin ny ankamaroan’ny boky momba azy, fa milaza fotsiny hoe ankizy mimpirimpirina sy tsy be teny izy. Toa tsy dia nana-namana koa izy, na dia tamin’izy nianatra tany Paris sy Orléans ary Bourges aza. Nahira-tsaina anefa izy, ary tena nahay nitadidy. Nahavita nianatra nanomboka tamin’ny dimy maraina ka hatramin’ny misasakalina izy. Mbola tsy feno 23 taona àry izy dia efa nahazo diplaoman’ny mpahay lalàna. Nianatra teny hebreo sy grika ary latinina koa izy mba handalinana ny Baiboly. Ny tena ahafantarana azy anefa, dia izy hentitra sy mifantoka tsara rehefa miasa. Ireo no tonga ao an-tsain’ny olona maro ankehitriny, rehefa miresaka momba ny fampianaran’i Calvin.

Nandritra izany fotoana izany, dia nanakiana an-karihary ny Eglizy i Martin Luther, tany Alemaina, noho ny zava-dratsy nataon’izy io sy ny fampianarany tsy araka ny Baiboly. Voalaza fa nanentana ny olona hanao fanavaozana eo anivon’ny eglizy izy tamin’ny 1517, ka nametaka taratasy misy hevitra 95 teo am-baravaran’ny eglizy iray, tany Wittingberg. Maro no niombon-kevitra taminy, ka tsy ela dia niely nanerana an’i Eoropa ny Fanavaozana. Niteraka fanoherana mafy izany tany amin’ny toerana maro, ka nampijalina ireo mpanohitra, izay nantsoina hoe Protestanta, rehefa niaro ny heviny. Nanao lahateny nanohana an’i Luther ny naman’i Calvin atao hoe Nicholas Cop, tany Paris, tamin’ny 1533. I Calvin no nanoratra ilay lahateny, ka tsy maintsy nandositra niaraka tamin’i Cop izy, mba tsy ho faty. Tsy niverina nipetraka tany Frantsa intsony izy taorian’izay.

Nanoratra boky momba ny finoan’ny Protestanta i Calvin tamin’ny 1536. Fototry ny Fivavahana Kristianina (latinina) no lohatenin’izy io. Nalefany tany amin’ny François I, mpanjakan’i Frantsa, izy io mba hiarovana an’ireo Protestanta frantsay nantsoina hoe Huguenots. Nanakiana ny fampianarana katolika i Calvin tao amin’izy io, ary niaro ny fototry ny finoany, dia ny zon’Andriamanitra hitondra. Nisy heriny teo amin’ny fivavahana io boky io, sady nisy akony teo amin’ny teny frantsay sy ny fomba fanoratr’ireo mpanao asa soratra frantsay. Nohindrahindraina ho anisan’ny niavaka indrindra tamin’ny Mpitondra Fanavaozana àry i Calvin. Nanorim-ponenana tao Genève, any Soisa, izy tamin’ny farany, ary tao izy no tena nanao fanavaozana nanomboka tamin’ny 1541.

Fanavaozana tao Genève

Nisy vokany lehibe tao Genève ny fanovana nataon’i Calvin. Hentitra izy teo amin’ny resaka fitondran-tena sy fanaovana ny marina. Milaza Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy) fa “tanàna malaza ratsy i Genève teo aloha, kanefa lasa nisy fitsipi-pitondran-tena hentitra nifehy ny mponina rehetra tao.” Nisy fiovana hafa koa anefa. Hoy i Sabine Witt, mpiandraikitra ny Tranombakoka Alemà any Berlin: “An’arivony ny Protestanta frantsay nitsoa-ponenana nankany Genève, noho ny ady ara-pivavahana tany Frantsa. Nitombo avo roa heny ny mponina [tany Genève], noho izany.” Nampiroborobo ny toe-karena tao Genève ireo Huguenots ireo, izay nazoto niasa toa an’i Calvin. Lasa foiben’ny fanontam-pirinty sy ny fanamboarana famantaranandro i Genève vokatr’izany.

Nisy mpitsoa-ponenana avy any an-tany hafa koa tonga tao. Maro no avy tany Angletera, satria nandrahona ny Protestanta tany ny Mpanjaka Marie I. Mpitsoa-ponenana àry ny ankamaroan’ireo mpanara-dia an’i Calvin, izay antsoina koa hoe Kalvinista. Milaza ny gazetiboky Ny Kristianina Amin’izao Andro Izao (alemà), fa namorona ny atao hoe “foto-pampianaran’ireo enjehina” izy ireo. Namoaka an’ilay Baiboly antsoina hoe Baibolin’i Genève koa izy ireo tamin’ny 1560. Io no Baiboly anglisy voalohany ahitana andininy misy nomerao. Kelikely izy io, ka nanjary mora tamin’ny olona ny nianatra samirery ny Tenin’Andriamanitra. Izy io angamba no Baiboly nentin’ireo Puritains, rehefa nifindra monina nankany Amerika Avaratra izy ireo, tamin’ny 1620.

Tsy ny rehetra anefa no voaro tao Genève. Anisan’izany i Michel Servet, izay teraka tany Espaina tamin’ny 1511. Nianatra teny grika sy latinina ary hebreo izy io, ary nianatra ho dokotera. Tany Paris angamba izy no nihaona tamin’i Calvin, tamin’izy roa lahy nianatra tany. Hitan’i Servet tamin’ny fianarany Baiboly fa tsy araka ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, ka nifanoratra tamin’i Calvin momba izany izy. Nihevitra azy ho fahavalo anefa i Calvin. Nenjehin’ny Katolika tany Frantsa izy, ka nandositra nankany Genève, tanànan’i Calvin. Tsy noraisina tsara anefa izy tany, fa nosamborina sy notsaraina satria nampangaina ho nivadi-pinoana. Nodorana teo amin’ny tsato-kazo izy tamin’ny 1553. Hoy ilay mpahay tantara atao hoe Friedrich Oehninger: “Mbola afa-baraka hatramin’izao ilay Mpitondra Fanavaozana niavaka [atao hoe Calvin], noho ny namonoana an’i Servet.”

Nanoratra boky maro be i Calvin, no sady nanohy ny fanavaozana. Voalaza fa nanoratra boky 100 sy taratasy 1 000 mahery izy, ary nanao toriteny 4 000 teo ho eo tao Genève. Tamin’izany no nanazavany ny heviny momba ny atao hoe Fivavahana Kristianina. Nampiasa an’ireo koa izy mba hampirisihana ny olona hanaraka ny fomba fiaina noeritreretiny fa mety amin’ny Kristianina. Ny tao Genève no tena nampirisihiny satria noheveriny ho tanànan’Andriamanitra izy io.

Inona no vokatr’ireo ezaka mafy nataon’i Calvin tao Genève? Milaza ny Birao Soisa Misahana ny Antontan’isa, fa ny 16 isan-jaton’ny mponina tao Genève ihany no Kalvinista tamin’ny taona 2000, ary betsaka noho izy ireo ny Katolika izao.

Vao mainka nisara-bazana ny fivavahana

Maro ny tanàna na fanjakana niandany tamin’ny fivavahana, vokatry ny Fanavaozana. Tao ny niandany tamin’ny Katolika, tao ny Loteranina, ary tao ny Kalvinista. Nanjary nizarazara be àry ny olona tany Eoropa. Tsy nifanaraka ireo mpanaraka ny Fanavaozana, na dia samy nanakiana ny Eglizy Katolika aza. Hoy i Witt voaresaka teo aloha: “Na ny samy Protestanta aza dia nanjary tsy nitovy hevitra momba ny zavatra inoana.” Nifanohitra be ny fampianaran’izy rehetra, na dia samy nanaiky aza izy ireo hoe ny Baiboly no tokony ho fototry ny finoana kristianina. Ny tena nampiady hevitra dia ny dikan’ny Fanasan’ny Tompo sy ny fanatrehan’i Kristy. Nanjary nampianatra ny lahatra koa ny Fivavahana Kalvinista tatỳ aoriana, ary io no tena mampifanditra indrindra.

Betsaka ny adihevitra momba ny lahatra. Nisy antokona Kalvinista nilaza fa talohan’ny nanotan’ny olombelona, dia efa nanapa-kevitra Andriamanitra hoe hisy olom-boafidy vitsivitsy hovonjena amin’ny alalan’i Kristy, fa ny hafa rehetra kosa ho faty. Noho izany, dia nino izy ireo fa Andriamanitra no mandahatra hoe iza no ho voavonjy, ary tsy mitovy ny hiafaran’ny olombelona. Ny Kalvinista hafa kosa nihevitra hoe afaka ny ho voavonjy ny olona rehetra, ary safidin’ny tsirairay ny hanaiky na tsy hanaiky hovonjena. Mbola miady hevitra momba ny lahatra sy ny safidin’ny tsirairay ary ny famonjena ireo Kalvinista, na dia efa ela aza no maty i Calvin.

Nisy vokany ratsy ny fampianaran’i Calvin

Manaraka ny fampianaran’i Calvin koa ny Fiangonana Nohavaozina Holandey. Nilaza izy io tamin’ny taonjato faha-20, fa noho ny fisian’ny lahatra dia azo ekena ny fanavakavaham-bolon-koditra tao Afrika Atsimo. Nanavakava-bolon-koditra koa ny fanjakana teo amin’ny fitondrana ny vahoaka. Hoy i Nelson Mandela, filoham-pirenena mainty hoditra voalohany tao Afrika Atsimo: “Nanohana ny fomba fihevitry ny fanjakana ny Fiangonana Nohavaozina Holandey. Toa te hilaza io fiangonana io hoe olom-boafidin’Andriamanitra ny fotsy hoditra, ary olona ambany kosa ny mainty hoditra. Noho izany, dia lasa nisy antony ara-pivavahana ny fanavakavaham-bolon-koditra. Nanohana izany ny fiangonana, raha araka ny fahitan’ny fotsy hoditra azy.”

Nangata-pamelana ampahibemaso ny Fiangonana Nohavaozina Holandey tamin’ny 1990, noho izany zava-dratsy nataony izany. Niaiky toy izao ny mpitondra fivavahana tao aminy, tao amin’ny fanambarana iray natao tany Rustenburg, any Afrika Atsimo: “Nazoto erỳ ny sasany taminay nampiasa ny Baiboly tamin’ny fomba diso, mba hampisehoana hoe mety ny manavakavaka ny mainty hoditra. Noho izany, dia maro no nino hoe nankasitrahan’Andriamanitra izany.” Vokatry ny nataon’io fiangonana io, dia nijaly noho ny fanavakavahana ny mainty hoditra, nandritra ny taona maro. Tsy vitan’izany fa nanjary nihevitra izy ireo hoe Andriamanitra no tompon’andraikitra tamin’ny fijaliany!

Maty tany Genève i Jean Calvin tamin’ny 1564. Voalaza fa nisaotra an’ireo mpiara-mivavaka taminy izy tamin’ny farany, “noho izy ireo tena nanome voninahitra azy, nefa tsy mendrika an’izany izy.” Nangata-pamelana koa izy, noho izy tsy nanam-paharetana sy tezi-dava. Na izany aza, dia tena nazoto niasa izy, nahay nanitsy tena, ary nazoto nanao adidy. Mbola antitranterina ireo toetra ireo ao amin’ny fampianarana protestanta.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Maro ny tanàna na fanjakana niandany tamin’ny fivavahana, vokatry ny Fanavaozana. Tao ny niandany tamin’ny Katolika, tao ny Loteranina, ary tao ny Kalvinista. Nanjary nizarazara be àry ny olona tany Eoropa

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

ESPAINA

FRANTSA

PARIS

Noyon

Orléans

Bourges

SOISA

GENÈVE

[Sary, pejy 19]

Boky miresaka ny finoan’ny Protestanta nosoratan’i Calvin, tamin’ny taona 1536

[Sary nahazoan-dalana]

© INTERFOTO/Alamy

[Sary, pejy 20]

Mbola afa-baraka hatramin’izao i Calvin, noho ny namonoana an’i Servet

[Sary nahazoan-dalana]

© Mary Evans Picture Library

[Sary, pejy 21]

“Baibolin’i Genève”, nivoaka tamin’ny 1560: Baiboly anglisy voalohany ahitana andininy misy nomerao

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy American Bible Society

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Tanàna frantsay: © Mary Evans Picture Library