Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Vadin’i Kaina?

Iza no Vadin’i Kaina?

Manontany ny Mpamaky

Iza no Vadin’i Kaina?

▪ Matetika no mametraka izao fanontaniana mamandrika izao ny olona tsy mino ny Baiboly: “Iza no vadin’i Kaina, raha i Kaina sy Abela fotsiny no zanak’i Adama sy Eva?” Manome valiny mahafa-po momba izany ny Baiboly.

Izao no voalaza ao amin’ny Genesisy toko faha-3 sy faha-4: 1) I Eva no “renin’ny olombelona rehetra.” 2) Efa taona maro taorian’ny nahaterahan’i Kaina i Kaina vao nanao an’ilay fanatitra nolavin’Andriamanitra. 3) Natahotra i Kaina hoe hamono azy ho faty ‘izay mahita azy’, rehefa noroahin’Andriamanitra izy ka lasa ‘mpirenireny sy mpandositra.’ 4) Matoa Andriamanitra nanao famantarana ho an’i Kaina mba hiarovana azy, dia midika izany fa mety hamono azy ny mpiray tam-po aminy na ny havany. 5) “Taorian’izany” i Kaina vao nanao firaisana tamin’ny vadiny, tamin’izy “tany amin’ilay tany atao hoe Fandosirana.”—Genesisy 3:20; 4:3, 12, 14-17.

Araka izany, dia afaka milaza isika fa taranak’i Adama sy Eva ny vadin’i Kaina, ary tsy fantatra ny fotoana nahaterahan’izy io. Milaza koa ny Genesisy 5:4 fa “niteraka zazalahy sy zazavavy” i Adama nandritra ireo 930 taona niainany. Marina aloha fa tsy milaza ny Baiboly hoe zanak’i Adama sy Eva ny vadin’i Kaina. Taorian’ny nandroahana an’i Kaina anefa vao nisy firesahana momba an’io vadiny io. Midika izany fa efa taona maromaro tatỳ aoriana vao nanambady i Kaina, ka angamba iray tamin’ny zafikelin’i Adama sy Eva no vadiny. Izany no mahatonga Ny Testamenta Taloha Nohazavaina (anglisy) hilaza fotsiny hoe “iray tamin’ny taranak’i Adama” ny vadin’i Kaina.

Nanombantombana i Adam Clarke, mpivaofy teny ara-baiboly, fa matoa Andriamanitra nanao famantarana hiarovana an’i Kaina, dia satria efa be dia be ny taranak’i Adama tamin’izany. Raha atambatra izy ireo dia mety ho “nahavitana tanàna be dia be.”

Mety ho ny anabaviny àry no vadin’i Kaina, na mety ho ny zanak’anabaviny na ny zana-drahalahiny. Heverina ho tsy azo ekena izany any amin’ny tany sasany, noho ny fady na ny tahotra hoe sao dia hanan-kilema ny zanak’izy ireo. Na izany aza anefa, dia nilaza toy izao i LaGard Smith tao amin’ny bokiny: “Azo inoana fa ny mpianadahy no nivady tany am-boalohany, na dia tsy mety aza izany fanao izany amin’ny taranaka atỳ aoriana.” Tsara homarihina fa efa tatỳ aoriana vao tena norarana ny firaisana amin’ny havana akaiky toy izany, rehefa nahazo ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny firenen’Israely i Mosesy tamin’ny taona 1513 T.K.—Levitikosy 18:9, 17, 24.

Efa an’arivony taona maro izay no lasa hatramin’ny nisian’i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Mbola akaikin’ny fahalavorariana ny olona tamin’izany, ka azo inoana fa tsy dia nisy vokany be teo aminy ny fifandovan-toetra, tsy toy ny amin’izao andro izao. Ankoatra izany, dia asehon’ny fikarohana maromaro natao vao haingana, fa tsy dia atahorana hanan-kilema, araka ny inoan’ny ankamaroan’ny olona, ny zaza hateraky ny zanak’olo-mpiray tam-po mivady. Azo inoana fa tsy olana lehibe tamin’ny olona tamin’ny andron’i Adama, na talohan’ny andron’i Noa, izany hoe nanambady havana akaiky izany. Afaka milaza àry isika hoe ny anabavin’i Kaina na ny havany no lasa vadiny.