Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hitady ny Fitahian’i Jehovah

Miezaha Hitady ny Fitahian’i Jehovah

Miezaha Hitady ny Fitahian’i Jehovah

“Mpamaly soa an’izay mitady mafy azy [Andriamanitra].”—HEB. 11:6.

1, 2. a) Inona no ataon’ny olona mba hahazoana fitahiana? b) Nahoana isika no tena mila mitady ny fitahian’i Jehovah?

HOY ny olona rehefa te hangataka fanampiana na hisaotra ny hafa: “Hotahin’Andriamanitra anie ianao!” Mitahy na mitso-drano olona sy biby ary zavatra tsy manana aina ny mpitondra fivavahana sasany. Misy koa olona mankany amin’ny toerana lazaina fa hahazoana fitahiana. Mangataka foana ny fitahian’Andriamanitra ho an’ny fireneny koa ny mpanao politika. Mety ve ireny fangataham-pitahiana ireny? Mahazo fitahiana tokoa ve izy ireo? Iza no tena tahin’Andriamanitra ary nahoana?

2 Nilaza i Jehovah fa hisy vahoaka madio sy tia fihavanana, amin’ny andro farany. Avy amin’ny firenena rehetra io vahoakany io, ary hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany, na dia ankahalaina sy toherina aza. (Isaia 2:2-4; Mat. 24:14; Apok. 7:9, 14) Nanaiky hanao an’io andraikitra io isika, ka maniry sady mila ny fitahian’Andriamanitra. Tsy ho vita mantsy izy io raha tsy eo ny fitahiany. (Sal. 127:1) Ahoana anefa no hahazoana ny fitahian’Andriamanitra?

Hotahina tokoa ireo mpankatò

3. Inona no ho vokany raha nankatò ny Israelita?

3 Vakio ny Ohabolana 10:6, 7. Nilaza i Jehovah, taloha kelin’ny hidiran’ny firenen’Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, fa tena hiadana sy ho voaro izy ireo raha mankatò ny teniny. (Deot. 28:1, 2) Azo antoka tanteraka fa hotahin’i Jehovah tokoa ireo mpankatò!

4. Inona no tafiditra amin’ny hoe tena mankatò?

4 Tokony hanao ahoana ny fankatoavan’ny Israelita? Nolazain’Andriamanitra tao amin’ny Lalàny fa ho tezitra izy raha tsy nanompo azy “tamin’ny fifaliana sy faharavoam-po” ny vahoakany. (Vakio ny Deoteronomia 28:45-47.) Tsy tokony hankatò befahatany, toy ny biby na ny demonia, isika rehefa mankatò an’i Jehovah. (Mar. 1:27; Jak. 3:3) Tokony hankatò azy amin’ny fo kosa isika, satria porofon’ny fitiavana izany. Faly ny olona tena mankatò satria mino fa tsy mavesatra ny didin’i Jehovah, sady “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” izy.—Heb. 11:6; 1 Jaona 5:3.

5. Nahoana no hahavita hankatò ny Deoteronomia 15:7, 8 izay mino ny fampanantenan’i Jehovah?

5 Raha mino an’io fampanantenana io ny vahoakan’Andriamanitra, ahoana no tokony hankatoavany an’ilay lalàna ao amin’ny Deoteronomia 15:7, 8? (Vakio.) Marina fa hahazo fanampiana ny mahantra, raha mankatò tsy sazoka ilay vahoaka. Hampifankatia kokoa azy ireo ve anefa izany? Hampiseho ve izany fa te halala-tanana toa an’i Jehovah izy ireo, sady mino hoe afaka manome izay ilain’ny mpanompony i Jehovah? Hitan’Andriamanitra ny ao am-pon’ny olona tena malala-tanana, ary mampanantena izy fa hitahy ny asany rehetra sy izay rehetra hataony. (Deot. 15:10) Lasa te hanao zavatra ny olona mino izany, ary hahazo fitahiana maro.—Ohab. 28:20.

6. Inona no toky omen’ny Hebreo 11:6?

6 Asongadin’ny Hebreo 11:6 fa ilaina ny mino hoe Mpamaly Soa i Jehovah. Tsy ampy anefa izany mba hahazoana ny fitahiany. Mariho fa mamaly soa an’ireo “mitady mafy azy” i Jehovah. Mahatafiditra ezaka mafy ny hevitr’ilay teny tany am-boalohany ampiasaina eo. Manome toky tokoa izany fa hahazo fitahiana isika raha miezaka mafy. Avy amin’ilay tena Andriamanitra izay “tsy mahay mandainga” izany. (Tit. 1:2) Naharihariny nandritra ny an’arivony taona fa tena azo itokisana ny fampanantenany. Tanteraka foana ny teniny. (Isaia 55:11) Afaka matoky tanteraka àry isika fa hamaly soa izy raha tena mino azy isika.

7. Ahoana no hahazoantsika fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama?

7 I Jesosy Kristy no voalohany amin’ny ‘taranak’i’ Abrahama. Anisan’ilay “taranaka” koa ny Kristianina voahosotra, izay nirahina ‘hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay niantso azy ireo hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ (Gal. 3:7-9, 14, 16, 26-29; 1 Pet. 2:9) Tsy ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah isika, raha tsy miraharaha an’ireo notendren’i Jesosy hikarakara ny fananany. Tsy ho azontsika tsara izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary tsy ho haintsika ny hampihatra izany, raha tsy manampy antsika ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Hotahin’Andriamanitra tokoa isika raha mampihatra an’izay ianarantsika avy ao amin’ny Soratra Masina.

Mifantoha hatrany amin’ny sitrapon’Andriamanitra

8, 9. Niezaka nanao inona i Jakoba, mifanaraka amin’izay nangatahiny?

8 Mety hampahatsiahy antsika an’i Jakoba ilay hoe miezaka mafy hahazo ny fitahian’Andriamanitra. Tsy fantany ny fomba hahatanterahan’ilay fampanantenan’Andriamanitra tamin’i Abrahama, nefa nino izy fa hohamaroin’i Jehovah ny taranak’io raibeny io ka ho lasa firenena lehibe. Nankany Harana àry izy tamin’ny 1781 T.K. mba hitady vady. Tsy namana mahafinaritra fotsiny no notadiaviny fa vehivavy araka ny fanahy sy manompo an’i Jehovah ary ho reny tsara ho an-janany.

9 Fantatsika hoe nihaona tamin’i Rahely havany i Jakoba. Tiany i Rahely, ary nanaiky hiasa fito taona ho an’i Labana rain’i Rahely izy mba hahazoana azy. Tsy tantaram-pitiavana fotsiny izany. Azo antoka fa fantatr’i Jakoba ny fampanantenana nolazain’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tamin’i Abrahama raibeny sy Isaka rainy. (Gen. 18:18; 22:17, 18; 26:3-5, 24, 25) Hoy kosa i Isaka tamin’i Jakoba zanany: “Hitahy anao ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ka hanome taranaka anao, ary hataony maro be izany. Dia ho lasa firenena lehibe ianao. Ary hanome tsodrano anao sy ny taranakao izy, dia ilay tsodrano nataony tamin’i Abrahama, mba handovanao ny tany ivahinianao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.” (Gen. 28:3, 4) Natoky ny tenin’i Jehovah àry i Jakoba, matoa niezaka nitady vady tsara ary niteraka.

10. Nahoana no nahafaly an’i Jehovah ny nitahy an’i Jakoba?

10 Tsy nikatsaka harena hampiadanana ny vady aman-janany i Jakoba. Ilay fampanantenan’i Jehovah kosa no nataony an-tsaina, ary izay hahatanterahan’ny sitrapon’i Jehovah no nifantohany. Tapa-kevitra ny hanao izay fara heriny izy mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra, na teo aza ny olana. Notahin’i Jehovah izy satria izany foana no toe-tsainy, na dia efa antitra aza izy.—Vakio ny Genesisy 32:24-29.

11. Tokony hiezaka hanao inona isika?

11 Tsy mahalala amin’ny an-tsipiriany ny fomba hahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah koa isika, toa an’i Jakoba. Fantatsika amin’ny ankapobeny anefa izay hitranga amin’ny “andron’i Jehovah”, rehefa mianatra ny Teniny isika. (2 Pet. 3:10, 17) Fantatsika, ohatra, fa efa akaiky izy io na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana marina. Inoantsika ny Tenin’Andriamanitra rehefa milaza fa ho voavonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika, raha mitory amin’ny fomba feno isika mandritra ny fotoana kely sisa tavela.—1 Tim. 4:16.

12. Inona no azontsika antoka?

12 Fantatsika fa mety ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina ny farany. Tsy voatery hiandry antsika hitory amin’ny olona tsirairay eto an-tany i Jehovah. (Mat. 10:23) Mahazo toromarika tsara isika mba hahombiazana rehefa mitory. Manam-pinoana isika ka mitory araka izay fara herintsika, ary mampiasa izay rehetra ananantsika. Hahitam-bokatra foana ve ny faritanintsika? Tsy fantatsika mialoha izany. (Vakio ny Mpitoriteny 11:5, 6.) Ny mitory no andraikitsika, ary matoky isika fa hotahin’i Jehovah. (1 Kor. 3:6, 7) Azo antoka fa mahita ny ezaka mafy ataontsika izy, ary hampiasa ny fanahiny masina mba hanomezana antsika an’izay toromarika ilaintsika.—Sal. 32:8.

Mangataha fanahy masina

13, 14. Inona no manaporofo fa manampy ny mpanompon’Andriamanitra hahay foana ny fanahy masina?

13 Tsapanao ve hoe tsy ho vitanao ny andraikitra iray na ny mitory? Angataho ny fanahin’i Jehovah mba hanampy anao hahay kokoa sy hahavita ny fanompoanao. (Vakio ny Lioka 11:13.) Azon’ny fanahin’Andriamanitra ampiana mba hahay asa iray na hiantsoroka andraikitra iray ny olona, na inona na inona toe-piainany na fahaizany. Nampian’ny fanahin’Andriamanitra handresy ny fahavalony, ohatra, ireo mpiandry ondry sy andevo avy tany Ejipta, na dia mbola tsy niady mihitsy aza. (Eks. 17:8-13) Io fanahy io koa no nanampy an’i Bezalila sy Oholiaba hanangana an’ilay tranolay masina tsara tarehy, araka ny planina nomen’i Jehovah.—Eks. 31:2-6; 35:30-35.

14 Nanampy ny mpanompon’Andriamanitra koa io fanahy mahery io rehefa nila nanao ny pirintiny manokana ny fandaminana. Nanazava ny zava-bita hatramin’ny 1927 ny Rahalahy R. Martin, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty. Hoy izy: ‘Nitahy anay ny Tompo, ka nahazo milina [fanontam-pirinty] iray ngezabe izahay. Azonay ilay izy, fa tsy hainay akory ny nanambatra sy nampiasa azy. Hain’ny Tompo anefa ny nampitombo haingana ny fahaizan’ireo nahafoy tena ho azy. Herinandro vitsivitsy monja, dia vitanay ny nampandeha an’ilay milina. Mbola mandeha izy io, ary manao asa tsy noeritreretin’ny mpanao azy ho vitany mihitsy.’ Mitahy ny ezaka mafy toy izany i Jehovah hatramin’izao.

15. Nahoana no mampahery an’ireo miatrika fakam-panahy ny Romanina 8:11?

15 Maro ny zavatra ataon’ny fanahin’i Jehovah. Afaka mahazo azy io ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, ary manampy azy ireo handresy olana lehibe izy io. Mahatsapa ve isika fa be loatra ny fakam-panahy mahazo antsika? Mety hampahery antsika ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 7:21, 25 sy 8:11. Afaka manome hery handresena ny fanirian’ny nofo, ny “fanahin’ilay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty.” Nosoratana ho an’ny Kristianina voahosotry ny fanahy ireo andininy ireo, nefa mihatra amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ny toro lalana hita ao. Tsy hahazo ny fiainana isika rehetra, raha tsy mino an’i Kristy sy miezaka mafy hamono ny fanirian-dratsy ary manaraka ny fitarihan’ny fanahy.

16. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fanahy masina?

16 Tsy tokony hanantena isika hoe homen’Andriamanitra ny fanahiny, nefa tsy hanao na inona na inona. Ilaina ny mivavaka mba hahazoana azy io. Tsy maintsy mazoto mianatra Baiboly koa isika, satria avy amin’ny fanahy masina izy io. (Ohab. 2:1-6) Manana ny fanahin’Andriamanitra koa ny fiangonana kristianina. Asehontsika fa te “hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana” isika rehefa mivory tsy tapaka. (Apok. 3:6) Tsy maintsy manetry tena koa isika ka mandray tsara an’izay ianarantsika. Hoy ny Ohabolana 1:23: “Miverena ka ekeo ny anatro, dia hataoko toy ny loharano miboiboika ao anatinareo ny heriko.” Omen’Andriamanitra ny fanahiny tokoa ireo “mankatò azy amin’ny maha mpitondra azy.”—Asa. 5:32.

17. Hazavao amin’ny ohatra ny fomba hitahian’Andriamanitra ny ezaka ataontsika.

17 Ilaina ny ezaka mafy mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra. Tadidio anefa fa tsy izany fotsiny no ilaina mba hahazoana an’ireo zava-tsoa maro be avy amin’i Jehovah. Mitovy amin’ny fomba fiasan’ny sakafo mahasalama eo amin’ny vatana ny fomba hitahian’i Jehovah ny ezaka ataontsika. Afaka mankafy sakafo sy mahazo otrikaina isika, satria izay no nanaovan’Andriamanitra ny vatantsika. Izy koa no manome ny sakafo. Tsy haintsika tsara hoe nahoana no misy zavatra mahavelona ao amin’ny sakafontsika, ary tsy hain’ny ankamaroantsika koa ny manazava hoe nahoana isika no lasa matanjaka rehefa misakafo. Fantatsika fotsiny hoe izany no mitranga, ka misakafo isika raha te handray soa. Vao mainka ho tsara ny vokany raha mihinana sakafo mahasalama isika. Lazain’i Jehovah koa izay takiny mba hahazoantsika fiainana mandrakizay, ary ampiany isika mba hahafeno an’izany fepetra izany. Izy àry no tena manampy be antsika ka mendrika ny hoderaina. Mila miara-miasa aminy anefa isika, ka hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony, mba hahazoana fitahiana.—Hag. 2:18, 19.

18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, ary nahoana?

18 Ataovy amin’ny fo àry izay rehetra asaina ataonao. Miantehera foana amin’i Jehovah mba hahombiazana. (Mar. 11:23, 24) Matokia fa “izay mitady no mahita.” (Mat. 7:8) Hotahina ireo voahosotra ka “hahazo ny satroboninahitry ny fiainana” any an-danitra. (Jak. 1:12) Ahoana kosa ny amin’ireo ‘ondry hafan’i’ Kristy, izay miezaka mafy hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama? Ho faly izy ireo handre an’i Kristy hiteny hoe: “Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 10:16; Mat. 25:34) “Izay tahin’Andriamanitra [tokoa] no handova ny tany, ... ka honina eo mandrakizay.”—Sal. 37:22, 29.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no tafiditra amin’ny hoe tena mankatò?

• Inona no ilaina mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra?

• Ahoana no ahazoantsika ny fanahy masina, ary ahoana no anampian’izy io antsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nitolona tamin’ny anjely i Jakoba mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah

Miezaka mafy toy izany koa ve ianao?

[Sary, pejy 10]

Nampian’ny fanahin’Andriamanitra mba ho ampy fahaizana i Bezalila sy Oholiaba