Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Voninahitra an’Andriamanitra ny Firaisan-tsaina Kristianina

Manome Voninahitra an’Andriamanitra ny Firaisan-tsaina Kristianina

Manome Voninahitra an’Andriamanitra ny Firaisan-tsaina Kristianina

‘Miezaha mafy hitana ny maha iray ny fanahy.’—EFES. 4:3.

1. Nahoana no nanome voninahitra an’Andriamanitra ny fiangonan’i Efesosy?

NANOME voninahitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ny firaisan-tsaina nisy teo anivon’ny fiangonana tany Efesosy. Nanan-karena sady nanana andevo ny Kristianina sasany nipetraka tao amin’io tanàna niroborobo ara-barotra io. Andevo kosa ny sasany, ary azo antoka fa tena nahantra. (Efes. 6:5, 9) Nisy koa Jiosy nahalala ny fahamarinana, nandritra ireo telo volana nitorian’ny apostoly Paoly tao amin’ny synagoga. Ny hafa kosa mpivavaka tamin’i Artemisy taloha. Ny sasany zatra nampiasa herin’ny maizina. (Asa. 19:8, 19, 26) Hita araka izany fa olona avy tamin’ny fiaviana samihafa no nanjary tafaray tao amin’ny tena Fivavahana Kristianina. Niaiky i Paoly fa nanome voninahitra an’i Jehovah ny firaisan-tsaina nisy teo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Ho azy anie ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fiangonana.”—Efes. 3:21.

2. Inona no natahorana hanimba ny firaisan-tsain’ireo Kristianina tany Efesosy?

2 Notandindomin-doza anefa ny firaisan-tsaina nisy teo anivon’ny fiangonan’i Efesosy. Hoy i Paoly tamin’ireo anti-panahy tao: “Avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:30) Mbola nanana toe-tsaina mampisaratsaraka koa ny rahalahy sasany, toe-tsaina izay ‘miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana’, araka ny nolazain’i Paoly.—Efes. 2:2; 4:22.

Taratasy manasongadina ny firaisan-tsaina

3, 4. Inona no mampiseho fa manasongadina ny firaisan-tsaina ny taratasin’i Paoly ho an’ny Efesianina?

3 Takatr’i Paoly fa raha te hiara-miasa amim-piraisan-tsaina foana ny Kristianina, dia ny tsirairay no tsy maintsy miezaka mafy. Nanoratra taratasy ho an’ny Efesianina àry izy rehefa nahazo ny fanahy masin’Andriamanitra, ka ny firaisan-tsaina no foto-kevitr’izy io. Noresahiny tao, ohatra, ny fikasan’Andriamanitra ‘hanangona indray ny zava-drehetra ho ao amin’i Kristy.’ (Efes. 1:10) Nilaza koa izy fa toy ny vato isan-karazany “tafakambana mirindra tsara” ny Kristianina, ka ahavitana trano na “rafitra”, izay ‘misondrotra’ ka lasa “tempoly masina ho an’i Jehovah.” (Efes. 2:20, 21) Nanasongadina ny firaisan-tsaina nisy teo amin’ny Kristianina jiosy sy hafa firenena koa izy, ary nampahatsiahiviny an’ireo rahalahy fa samy noforonin’i Jehovah izy ireo. Nilaza izy fa i Jehovah no ‘Ray, ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.’—Efes. 3:5, 6, 14, 15.

4 Ho hitantsika eo am-pandinihana ny Efesianina toko faha-4 hoe nahoana no mitaky ezaka ny firaisan-tsaina, ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiray saina, ary inona no toe-tsaina hanampy antsika hiray saina foana. Nahoana raha vakina io toko io mba handraisanao soa bebe kokoa amin’ity fianarana ity?

Mitaky ezaka mafy ny firaisan-tsaina

5. Nahoana ny anjelin’Andriamanitra no afaka manompo amim-piraisan-tsaina, nefa nahoana no mety ho sarotra amintsika izany?

5 Niangavy ny Efesianina i Paoly, mba ‘hiezaka hitana ny maha iray ny fanahy.’ (Efes. 4:3) Nahoana no mila ezaka mafy izany? Diniho izao: Tsy misy zavamananaina roa mitovy tanteraka eto an-tany, ka azo antoka fa toy izany koa no nanaovan’i Jehovah an’ireo anjely an-tapitrisany any an-danitra. (Dan. 7:10) Afaka manompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina anefa izy ireo, satria samy miezaka mihaino an’i Jehovah sy manao ny sitrapony. (Vakio ny Salamo 103:20, 21.) Tsy mitovy toetra ny Kristianina, toy ireo anjely tsy mivadika. Sarotra kokoa amin’ny Kristianina anefa ny miray saina, satria samy manana ny fahalemeny izy ireo.

6. Inona avy ireo toetra hanampy antsika ho tia miara-miasa, na dia samy manana fahalemena aza isika?

6 Mora mahita olana ny olona tsy lavorary rehefa miara-miasa. Ahoana, ohatra, raha miara-manao zavatra ny rahalahy iray malemy fanahy saingy tara lava, sy ny rahalahy iray marim-potoana saingy mora tezitra? Mety hahatsapa ilay rahalahy iray hoe tsy mety ny ataon’ilay anankiray, ary mety ho toy izany koa no tsapan’ilay rahalahy iray. Mety samy hanadino anefa izy ireo hoe misy tsy mety ny ataony. Ahoana àry no ahafahan’izy ireo hiara-manompo amim-piraisan-tsaina? Hoy i Paoly: ‘Miangavy anareo aho mba hitondra tena mendrika, ary hanao izany amim-panetren-tena sy amim-pahalemem-panahy tanteraka, ary amin’ny fahari-po, ka hifampizaka amim-pitiavana, sy hiezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.’ (Efes. 4:1-3) Hampisy firaisan-tsaina isika raha miezaka hanana an’ireo toetra ireo.

7. Nahoana isika no tsy maintsy miezaka hiray saina amin’ny Kristianina hafa tsy lavorary?

7 Tsy maintsy miezaka manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina miaraka amin’ireo rahalahintsika tsy lavorary isika, satria fantatsika fa iray ihany ny fivavahana marina. Hoy mantsy ny Baiboly: “Iray ny vatana, ary iray ny fanahy masina, tahaka ny maha iray ny fanantenana izay niantsoana anareo. Iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa. Iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra.” (Efes. 4:4-6) Fandaminana iray ihany no ampiasain’i Jehovah anomezana ny fanahiny sy ny fitahiany. Ahoana àry raha nisy olona nampahatezitra antsika teo anivon’ny fiangonana? Misy toerana hafa azontsika aleha ve? Tsia. Tsy misy toerana hafa ahafahantsika mandre ny tenin’ny fiainana mandrakizay.—Jaona 6:68.

Manampy ireo “lehilahy ho fanomezana”

8. Inona no nataon’i Kristy mba hanampiana antsika tsy hisaratsaraka?

8 Nanolotra “lehilahy ho fanomezana” i Jesosy, mba hanampiana ny fiangonana hiray saina. Nampiasa fanoharana momba ny fanaon’ny miaramila fahiny i Paoly, mba hanazavana izany. Rehefa mody ny miaramila avy nandresy, dia mety hitondra babo. Hatao mpanompo izy io, mba hanampy ny vadiny amin’ny raharaha ao an-trano. (Sal. 68:1, 12, 18) Nandresy an’izao tontolo izao koa i Jesosy, ka nahazo babo maro vonona hanompo an-tsitrapo. (Vakio ny Efesianina 4:7, 8.) Ahoana no nampiasan’i Jesosy an’ireo babo ireo? “Nanome ny sasany ho apostoly izy, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny vaovao tsara, ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba hanitsiana ny olona masina, ka hanaovany asa fanompoana, sy hanorenana ny vatan’i Kristy. Ary izany dia mandra-pananantsika rehetra zavatra inoana iray ihany.”—Efes. 4:11-13.

9. a) Inona no ataon’ireo “lehilahy ho fanomezana” mba hahatonga antsika hiray saina foana? b) Nahoana no tokony hiezaka hampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana ny Kristianina tsirairay?

9 Mpiandry be fitiavana ireo “lehilahy ho fanomezana” ireo, ka manampy antsika hiray saina foana. Inona, ohatra, no hataon’ny anti-panahy iray raha voamariny fa misy rahalahy roa ‘mampisy fifaninanana’ eo anivon’ny fiangonana? Hiaro ny firaisan-tsain’ny fiangonana izy, ka hanome torohevitra manokana azy ireo, mba ‘hanitsiana azy ireo amim-pahalemem-panahy.’ (Gal. 5:26–6:1) Mpampianatra koa ireo “lehilahy ho fanomezana”, ka manampy antsika hanana finoana matanjaka miorina amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Mampisy firaisan-tsaina izy ireo, noho izany, sady manampy antsika ho matotra. “Tsy ho zaza intsony isika” amin’izay, ka tsy “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny olona, sy amin’ny alalan’ny hafetsen-dratsy amin’ny famoronana hevi-diso.” (Efes. 4:13, 14) Tokony hiezaka hampisy firaisan-tsaina ny Kristianina tsirairay, toy ny rantsambatana tsirairay mifanampy mba hahazoana izay ilaina.—Vakio ny Efesianina 4:15, 16.

Miezaha hanavao ny toe-tsaina

10. Nahoana no mety hanimba ny firaisan-tsaintsika ny fitondran-tena ratsy?

10 Voamarikao tao amin’ny Efesianina toko faha-4 ve fa ny fitiavana no tena manampy antsika hiray saina? Hazavaina ao koa fa tafiditra amin’ny hoe maneho fitiavana ny hoe tsy mijangajanga sy tsy manana fitondran-tena baranahiny. Nampirisika ny Kristianina i Paoly mba tsy ‘handeha tahaka an’izao tontolo izao.’ “Tsy mahalala menatra intsony” mantsy izy ireo, ka “manaram-po amin’ny fitondran-tena baranahiny.” (Efes. 4:17-19) Atahorana hanimba ny firaisan-tsaintsika ity tontolo ratsy fitondran-tena ity. Mivazivazy momba ny fijangajangana ny olona, mihira momba izany, mijery izany amin’ny tele mba hialana voly. Misy koa mijangajanga fa manafina, fa misy kosa tsy manafina. Mety hampiala anao amin’i Jehovah sy hahatonga anao tsy ho anisan’ny fiangonana intsony anefa, na dia ny fampisehoanao fotsiny aza hoe “taratara” amin’ny olona iray tsy kasainao ho vady ianao. Nahoana? Satria mety hitarika mora foana ho amin’ny fijangajangana izany. Mety hitarika ho amin’ny fanitsakitsaham-bady koa izany, ka mety hahatonga fisarahana amin’ilay vady tsy manan-tsiny, ary hahatonga ny ankizy ho tafasaraka amin’ny ray aman-dreniny. Mampisaratsaraka tokoa ny fitondran-tena ratsy! Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: ‘Tsy mba toy izany no nianaranareo momba an’i Kristy.’—Efes. 4:20, 21.

11. Inona no fiovana ampirisihan’ny Baiboly hataon’ny Kristianina?

11 Nohamafisin’i Paoly fa tokony hesorintsika ao amintsika ny toe-tsaina mampisaratsaraka, ary hiezaka isika hanana toe-tsaina hanampy antsika hiray saina. Hoy izy: “Nampianarina ianareo mba hanaisotra ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny sady mihasimba araka ny [faniriana mamitaka nanananareo tamin’izany], fa mba hohavaozina hatrany kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.” (Efes. 4:22-24) Ahoana no ‘hanavaozantsika’ foana ‘ny hery mibaiko ny saintsika’? Ho vitantsika izany raha misaintsaina sy mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra isika ary mandinika ny modely omen’ny Kristianina matotra. Handrisika antsika mantsy izany mba hiezaka hampihatra izay nianarantsika. Hanampy antsika koa izany hanana toetra vaovao, izay “noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra.”

Hatsarao ny fomba fiteninao

12. Nahoana no mampisy firaisan-tsaina ny hoe milaza ny marina? Nahoana no sarotra amin’ny sasany ny milaza ny marina?

12 Zava-dehibe ny hoe milaza ny marina eo anivon’ny fianakaviana sy eo anivon’ny fiangonana. Mampifandray ny olona mantsy ny resaka atao amim-pahatsorana sy feno hatsaram-panahy. (Jaona 15:15) Inona no hitranga raha mandainga amin’ny rahalahiny ny olona iray? Tsy hatoky azy intsony ilay rahalahiny raha fantany izany. Izany no antony nilazan’i Paoly hoe: “Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay, fa rantsambatana mifampiankina isika.” (Efes. 4:25) Mety ho sarotra amin’ny olona iray zatra nandainga hatramin’ny fahakeliny ny hilaza ny marina. Raha miezaka hiova anefa izy, dia ho faly i Jehovah ary hanampy azy.

13. Inona no tokony hataontsika mba hahatonga antsika tsy hanevateva olona?

13 Mampianatra antsika i Jehovah mba hifanaja sy hampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana sy eo anivon’ny fianakaviana, ka hifehy ny lelantsika. Hoy ny Teniny: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo. ... Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.” (Efes. 4:29, 31) Tsy hanao teny manafintohina isika raha manaja olona. Tokony hiezaka mafy hiova, ohatra, ny lehilahy iray zatra manevateva ny vadiny, indrindra rehefa fantany fa manaja ny vehivavy i Jehovah. Nisy aza vehivavy nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina, mba hiara-manjaka amin’i Kristy. (Gal. 3:28; 1 Pet. 3:7) Raha zatra milelalela amin’ny vadiny koa ny vehivavy iray, dia tokony handrisika azy hiova ny fahafantarana fa nifehy tena i Jesosy rehefa nisy nampahatezitra azy.—1 Pet. 2:21-23.

14. Nahoana no mety hampidi-doza ny fahatezerana?

14 Ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany matetika no lasa manevateva. Mety hahatonga fisaratsarahana koa izany. Toy ny afo ny fahatezerana. Mety tsy ho voafehy izy io, ka mety hitera-doza. (Ohab. 29:22) Na dia manana antony ara-drariny hanehoana ny hatezerany aza anefa ny olona iray, dia tsy maintsy mifehy izany izy mba tsy ho simba ny fifandraisany amin’ny hafa. Tokony hiezaka hamela heloka ny Kristianina, fa tsy hitana lolompo na hiresaka an’ilay fahadisoana indray. (Sal. 37:8; 103:8, 9; Ohab. 17:9) Hoy i Paoly rehefa nanoro hevitra ny Efesianina: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly.” (Efes. 4:26, 27) Raha tsy mahafehy fahatezerana isika, dia hamela ny Devoly hampisy fisaratsarahana eo anivon’ny fiangonana, na hampisy ady mihitsy aza.

15. Inona no vokany raha maka zavatra tsy antsika isika?

15 Mampiray saina ny fiangonana koa ny fanajana ny fananan’ny hafa. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony.” (Efes. 4:28) Mifampatoky ny vahoakan’i Jehovah. Raha manararaotra izany anefa isika, ka tsy manao ny marina fa maka zavatra tsy antsika, dia ho rava ny firaisan-tsaina mahafinaritra misy eo amintsika.

Mampiray saina ny fitiavana an’Andriamanitra

16. Teny manao ahoana no tokony holazaintsika mba hanamafisana ny firaisan-tsaintsika?

16 Mifampitondra amim-pitiavana ny Kristianina noho ny fitiavany an’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana. Mankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika, ka te hiezaka mafy hampihatra an’ilay torohevitra hoe: ‘[Milazà] teny tsara ho fampaherezana, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino. Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’ (Efes. 4:29, 32) Tsara fanahy i Jehovah, ka mamela ny helotsika olombelona tsy lavorary. Tsy tokony hanao toy izany koa ve isika?

17. Nahoana isika no tokony hiezaka mafy hampisy firaisan-tsaina?

17 Manome voninahitra an’i Jehovah ny firaisan-tsain’ny vahoakany. Mandrisika antsika amin’ny fomba isan-karazany ny fanahiny, mba hampisy firaisan-tsaina, ary azo antoka fa tsy te hanohitra ny fitarihan’izy io isika. Hoy mantsy i Paoly: “Aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin’Andriamanitra.” (Efes. 4:30) Harena sarobidy tokony harovana ny firaisan-tsaina. Mitondra fifaliana ho an’izay rehetra miray saina izy io, ary manome voninahitra an’i Jehovah. Koa aoka àry isika ‘hanahaka an’Andriamanitra, amin’ny maha zanaka malala antsika. Ary handeha mandrakariva amin’ny fitiavana.’—Efes. 5:1, 2.

Ahoana no Havalinao?

• Inona avy ny toetra manampy ny Kristianina hiray saina?

• Nahoana no mety hanimba ny firaisan-tsaintsika ny fitondran-tena ratsy?

• Fomba fiteny manao ahoana no manampy antsika hahay hiara-miasa amin’ny hafa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Miray saina ny tena Kristianina na dia avy amin’ny fiaviana samihafa aza

[Sary, pejy 18]

Mampidi-doza na dia ny mampiseho fotsiny aza hoe “taratara” amin’ny olona iray tsy kasainao ho vady ianao