Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Iray ny Mpitarika Anareo, dia i Kristy”

“Iray ny Mpitarika Anareo, dia i Kristy”

“Iray ny Mpitarika Anareo, dia i Kristy”

‘Aza mety hantsoina hoe “mpitarika” ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.’—MAT. 23:10.

1. Iza no eken’ny Vavolombelon’i Jehovah ho Mpitarika azy, ary nahoana?

MISY mpitarika olombelona avokoa ny fiangonan’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Ohatra amin’izany ny papa any Roma, ireo eveka sy arsevekan’ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana, ary ny mpitondra fivavahana hafa. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa tsy manana mpitarika olombelona. Tsy manara-dia olombelona mihitsy izy ireo. Efa nanome ny Zanany mantsy i Jehovah, araka ilay faminaniana hoe: “Natolotro ho vavolombelona eo amin’ireo firenena izy, ary ho filoha sy ho mpitarika an’ireo firenena.” (Isaia 55:4) Tsy misy mpitarika hafa àry eken’ireo Kristianina voahosotra sy “ondry hafa”, afa-tsy ilay nomen’i Jehovah. (Jaona 10:16) Arahin’izy ireo ilay tenin’i Jesosy hoe: “Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.”—Mat. 23:10.

Andrianan’ny firenen’Israely

2, 3. Inona no anjara asan’ny Zanak’Andriamanitra teo amin’ny Israely?

2 Taonjato maro talohan’ny nisian’ny fiangonana kristianina, dia nisy anjely notendren’i Jehovah hitarika ny vahoakany. Hoy izy rehefa nivoaka an’i Ejipta ny Israely: “Haniraka anjely eo alohanao aho, mba hiambina anao eny an-dalana sy hitondra anao hiditra any amin’ny toerana efa nomaniko. Koa mitandrema tsara fa manana fahefana izy, ka ankatoavy ny teniny. Aza mikomy aminy, fa tsy hamela ny helokao izy, satria ao aminy ny anarako.” (Eks. 23:20, 21) Azo inoana fa ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa io anjely nanana ‘ny anaran’i Jehovah tao aminy’ io.

3 Mikaela no anaran’ilay Zanak’Andriamanitra, talohan’ny naha olombelona azy. Antsoina hoe “andrianan’ny [firenen’Israely]” izy, ao amin’ny bokin’i Daniela. (Dan. 10:21) Nilaza i Joda mpianatra fa efa ela be talohan’ny andron’i Daniela no nandray anjara tamin’izay nitranga teo amin’ny Israely i Mikaela. Saika hampiasa ny fatin’i Mosesy tamin-javatra ratsy, ohatra, i Satana, angamba mba hitarihana ny Israely hanompo sampy. Nosakanan’i Mikaela anefa izy. Hoy i Joda: ‘Rehefa nifamaly tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy i Mikaela arkanjely, dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny manevateva, fa nilaza kosa hoe: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah!”’ (Joda 9) Tatỳ aoriana, talohan’ny nanafihana an’i Jeriko, dia azo antoka fa i Mikaela ilay “lehiben’ny tafik’i Jehovah” niseho tamin’i Josoa, mba hatokisany fa manohana azy Andriamanitra. (Vakio ny Josoa 5:13-15.) Izy koa no nanampy an’ilay anjely nitondra hafatra lehibe ho an’i Daniela, rehefa nisy demonia mahery nitady hisakana an’io anjely io.—Dan. 10:5-7, 12-14.

Ilay Mpitarika nambara mialoha

4. Inona ilay faminaniana momba ny hahatongavan’ny Mesia?

4 Talohan’ny nanampian’i Mikaela an’ilay anjely, dia naniraka ny anjely Gabriela i Jehovah, mba hilaza tamin’i Daniela momba ny hahatongavan’ny “Mesia Mpitarika.” (Dan. 9:21-25) * Tamin’ny fotoana voalazan’ilay faminaniana, izany hoe tamin’ny faramparan’ny taona 29, dia nataon’i Jaona batisa i Jesosy. Nilatsaka taminy ny fanahy masina, ka lasa Voahosotra izy, na Kristy ilay Mesia. (Mat. 3:13-17; Jaona 1:29-34; Gal. 4:4) Lasa Mpitarika miavaka izy taorian’izay.

5. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa Mpitarika izy, nandritra ny fanompoany teto an-tany?

5 Hita fa “Mesia Mpitarika” tokoa i Jesosy, raha vao nanomboka ny fanompoany. Nahangona mpianatra sahady izy, tao anatin’ny andro vitsivitsy, ary nanao fahagagana voalohany. (Jaona 1:35–2:11) Nentiny ny mpianany rehefa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana nanerana ilay faritra izy. (Lioka 8:1) Nampiofana azy ireo izy, sady nanome modely tamin’ny fitoriana sy fampianarana. (Lioka 9:1-6) Tokony hanahaka azy ny anti-panahy ankehitriny.

6. Inona no manaporofo fa Mpiandry sy Mpitarika i Kristy?

6 Misy lafiny hafa koa ahitana fa Mpitarika i Jesosy. Nampitaha ny tenany tamin’ny mpiandry be fitiavana izy. Tena mitarika ny ondry avy eo aloha ny mpiandry ondry any Israely. Nanoratra toy izao i William Thomson ao amin’ilay hoe Ilay Tany sy Ilay Boky (anglisy): ‘Mandeha eo aloha ny mpiandry ondry, ka tsy hoe manoro ny lalana fotsiny fa mijery koa raha tsy mampidi-doza ilay izy, ary azon’ny ondry aleha. Ny tehiny no anitsiany ny ondry, sy itarihany azy any amin’ny ahi-maitso, ary iarovany azy amin’ny fahavalo.’ Tena Mpiandry sy Mpitarika i Jesosy. Hoy izy: ‘Izaho no mpiandry tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondry. Ny ondriko mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.’ (Jaona 10:11, 27) Namoy ny ainy ho sorona ho an’ny ondriny tokoa i Jesosy. Nasandratr’i Jehovah ho “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpamonjy” izy avy eo.—Asa. 5:31; Heb. 13:20.

Mpiandraikitra ny fiangonana

7. Amin’ny alalan’ny inona no itarihan’i Jesosy ny fiangonana?

7 Hoy i Jesosy taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Mat. 28:18) Nasain’i Jehovah nandefa ny fanahy masina i Jesosy, mba hanatanjahana ny finoan’ireo mpianatra. (Jaona 15:26) Nandatsaka izany tamin’ireo Kristianina voalohany izy tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asa. 2:33) Niorina ny fiangonana kristianina, rehefa nilatsaka ny fanahy masina. Notendren’i Jehovah hitarika ny fiangonana etỳ an-tany ny Zanany. (Vakio ny Efesianina 1:22; Kolosianina 1:13, 18.) Mitarika ny fiangonana avy any an-danitra i Jesosy, amin’ny alalan’ny fanahy masina, ary mampiasa anjely, izay “nasaina nanaiky azy.”—1 Pet. 3:22.

8. Iza no nampiasain’i Kristy hitarika ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany, ary iza no ampiasainy ankehitriny?

8 Amin’ny alalan’ny fanahy masina koa no anendren’i Jesosy “lehilahy ho fanomezana”, ka ny sasany ho “mpiandry sy mpampianatra.” (Efes. 4:8, 11) Nampirisika an’ireo mpiandraikitra ny apostoly Paoly hoe: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra.” (Asa. 20:28) Voahosotry ny fanahy daholo ny mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana, tamin’ny voalohany. Ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema no filan-kevi-pitantanana. Nampiasa azy ireo i Jesosy mba hitarika an’ireo ‘rahalahiny’ voahosotra rehetra. (Heb. 2:11; Asa. 16:4, 5) Iza kosa amin’izao andro farany izao no anankinan’i Jesosy ny fananany rehetra, izany hoe izay rehetra mifandray amin’ny asan’ilay Fanjakana eto an-tany? Ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” sy ny solontenany, dia ny Filan-kevi-pitantanana izay misy lehilahy voahosotra maromaro. (Mat. 24:45-47) Fantatr’ireo voahosotra sy ondry hafa fa mankatò an’i Kristy ho Mpitarika izy ireo, rehefa manaiky ny tari-dalan’ny Filan-kevi-pitantanana.

Mitarika ny asa fitoriana

9, 10. Inona no nataon’i Kristy mba hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsara?

9 I Jesosy mihitsy no nitarika ny fitoriana sy fampianarana, hatramin’ny voalohany. Izy no nandidy hoe tsy maintsy torina amin’ny olona eran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nanome toromarika ny apostoly izy hoe: “Aza mandeha any amin’ny lalan’ny hafa firenena, ary aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha. Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ” (Mat. 10:5-7) Nitory tamin’ny Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy àry izy ireo, indrindra taorian’ny Pentekosta taona 33.—Asa. 2:4, 5, 10, 11; 5:42; 6:7.

10 Nampiasa ny fanahy masina indray i Jesosy tatỳ aoriana, ka nasainy nitoriana koa ny Samaritanina, ary avy eo ny firenen-kafa. (Asa. 8:5, 6, 14-17; 10:19-22, 44, 45) Te hampandroso ny fitoriana amin’ny hafa firenena i Jesosy, ka izy mihitsy no nanohina ny fon’i Saoly avy any Tarsosy, mba ho lasa Kristianina. Hoy izy tamin’ilay mpianatra atao hoe Ananiasy: “Mitsangàna ka mankanesa any amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy. Ary anontanio ao an-tranon’i Jodasy fa misy lehilahy atao hoe Saoly ao, ilay avy any Tarsosy. Mandehana, fa fanaka voafidy ho ahy izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely.” (Asa. 9:3-6, 10, 11, 15) Io “lehilahy” io no lasa apostoly Paoly.—1 Tim. 2:7.

11. Ahoana no nampiasan’i Kristy ny fanahy masina mba hampielezana ny vaovao tsara?

11 Nitarika an’i Paoly hanao dia misionera tany Azia Minora hatrany Eoropa ny fanahy masina, rehefa tonga ny fotoana hampielezana ny vaovao tsara tamin’ireo tsy Jiosy. Mitantara toy izao i Lioka, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:2, 3: “Raha mbola teo am-panompoana an’i Jehovah” ireo Kristianina mpaminany sy mpampianatra teo anivon’ny fiangonan’i Antiokia any Syria, “ho fanasoavana ny besinimaro sady mbola nifady hanina, dia hoy ny fanahy masina: ‘Amin’ny olona rehetra dia i Barnabasy sy Saoly no atokàny ho ahy mba hanao ny asa niantsoako azy.’ Dia nifady hanina sy nivavaka izy ireo ka nametra-tanana tamin’izy roa lahy, ary nandefa azy.” I Jesosy mihitsy no niantso an’i Saoly avy any Tarsosy mba ho “fanaka voafidy” ho azy, hitondra ny anarany any amin’ny firenena. Avy amin’i Kristy, Mpitarika ny fiangonana, àry io hevitra hampandrosoana ny asa fitoriana io. Tamin’ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly no tena niharihary hoe mampiasa ny fanahy masina i Jesosy mba hitarihana ny asa fitoriana. Mitantara ny Baiboly fa nitarika an’i Paoly sy ny namany “ny fanahin’i Jesosy”, izany hoe i Jesosy izay nampiasa ny fanahy masina. Rehefa nifidy izay faritany haleha izy ireo, dia nisy fahitana nitarika azy hankany Eoropa.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:6-10.

Fomba itarihan’i Jesosy ny fiangonana

12, 13. Inona no resahin’ny Apokalypsy ka manaporofo fa mandinika akaiky an’izay mitranga eo anivon’ny fiangonana tsirairay i Kristy?

12 Nandinika akaiky ny fiangonan’ireo mpianany voahosotra i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Fantany tsara ny momba ny fiangonana tsirairay. Manaporofo an’izany ny Apokalypsy toko faha-2 sy 3. Nanonona fiangonana fito tany Azia Minora i Jesosy ao. (Apok. 1:11) Afaka matoky isika fa fantany tsara koa ireo fiangonana tany an-toeran-kafa, nisy tamin’izany.—Vakio ny Apokalypsy 2:23.

13 Nahazo teny fiderana ny fiangonana sasany, satria niaritra sy tsy nivadika tao anatin’ny fitsapana, sady nitana ny tenin’i Jesosy, ary nanda an’ireo mpivadi-pinoana. (Apok. 2:2, 9, 13, 19; 3:8) Nisy fiangonana vitsivitsy kosa nanariny mafy satria nihena ny fitiavan’izy ireo an’i Jesosy, sady nilefitra tamin’ny fanompoan-tsampy sy fijangajangana ary fampianaran’ny sekta izy ireo. (Apok. 2:4, 14, 15, 20; 3:15, 16) Mpiandraikitra be fitiavana anefa i Jesosy, ary tiany na dia ireo nanariny mafy aza, ka hoy izy: “Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko. Koa aoka ianao hafana fo sy hibebaka.” (Apok. 3:19) Na tany an-danitra aza i Jesosy, dia nitarika ny fiangonan’ireo mpianany teto an-tany, tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Hoy izy namarana ny teniny: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.”—Apok. 3:22.

14-16. a) Inona no manaporofo fa Mpitarika mahery fo ho an’ny vahoakan’i Jehovah teto an-tany i Jesosy? b) Inona no vokany rehefa ‘nomba’ ny mpianany foana izy? d) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

14 Hitantsika fa anjely mahery fo Mpitarika ny Israely i Mikaela. Mpitarika sy Mpiandry be fitiavana koa i Jesosy, ho an’ireo mpianany voalohany. Nitarika ny asa fitoriana izy teto an-tany. Nanara-maso akaiky ny fitaran’ny asan’ilay Fanjakana koa izy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.

15 Nampiasa ny fanahy masina i Jesosy mba hielezan’ny vaovao tsara hatrany amin’ny faran’ny tany. Hoy izy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asa. 1:8; Vakio ny 1 Petera 1:12.) Nandroso be ny asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany, noho ny fitarihan’i Kristy.—Kol. 1:23.

16 Nilaza anefa i Jesosy fa hitohy mandritra ny fotoanan’ny farany io asa io. Nirahiny hitory sy hampianatra any amin’ny firenena rehetra ny mpanara-dia azy, ary nomeny toky hoe: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:19, 20) Lasa mpanjaka i Kristy tamin’ny 1914, ary vao mainka hita fa tena Mpitarika ny mpianany izy, ary ‘momba’ azy ireo foana. Ny asa lehibe nataony nanomboka tamin’izay no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava an’io faminaniana io ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, toko 11.

Famerenana

• Inona no manaporofo fa tena Mpitarika ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’ny Israely?

• Amin’ny alalan’ny inona no itarihan’i Kristy ny fiangonana eto an-tany?

• Ahoana no nataon’i Kristy mba hampielezana ny vaovao tsara?

• Inona no manaporofo fa mandinika akaiky ny fiangonana tsirairay i Kristy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

“Haniraka anjely eo alohanao aho”

[Sary, pejy 23]

Nampiasa “lehilahy ho fanomezana” i Jesosy, mba hiandry ny ondriny. Toy izany koa ankehitriny