Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Miasa Ilay Mpitarika Antsika

Tena Miasa Ilay Mpitarika Antsika

Tena Miasa Ilay Mpitarika Antsika

“Nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.”—APOK. 6:2.

1, 2. a) Oharin’ny Baiboly amin’ny inona i Kristy rehefa lasa mpanjaka tamin’ny 1914? b) Inona no nataon’i Kristy raha vao nahazo fahefana izy?

LASA Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah i Kristy, tamin’ny 1914. Raha maka sary an-tsaina azy ianao izao, ahoana no fahitanao azy? Mipetraka fotsiny eo ambony seza fiandrianana ve izy, ary mandinika tsindraindray izay mitranga amin’ny fiangonany etỳ an-tany? Tsy izany mihitsy! Araka ny Salamo sy ny Apokalypsy, dia oharina amin’ny mpitaingin-tsoavaly mahery izy, ary mivoaka mba “handresy sy hamita ny fandreseny”, ka mandroso “ho amin’ny fandresena” tokoa.—Apok. 6:2; Sal. 2:6-9; 45:1-4.

2 Nandresy an’ilay “dragona sy ny anjeliny” avy hatrany i Kristy raha vao lasa mpanjaka. Nitarika ny anjeliny i Mikaela arkanjely ka nandroaka an’i Satana sy ny demoniany avy tany an-danitra, ary nanipy azy ireo tetỳ amin’ny manodidina ny tany. (Apok. 12:7-9) Avy eo dia nampiasain’i Jehovah ho “iraky ny fifanekena” i Jesosy, ka niaraka tamin’ny Rainy mba hanara-maso ny tempoly ara-panahy. (Mal. 3:1) Notsarainy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay meloka indrindra amin’ireo anisan’i “Babylona Lehibe.” Hitany fa mpamono olona izy io sady mitsabaka amin’ny politika.—Apok. 18:2, 3, 24.

Manadio ny mpanompony eto an-tany

3, 4. a) Nampiasain’i Jehovah hanao inona i Kristy, ilay “iraky ny fifanekena”? b) Inona koa no hita teo an-tokotanin’ny tempoly, ary inona no fanendrena nataon’i Jesosy, Lohan’ny fiangonana?

3 Hitan’i Jehovah sy ilay “iraky ny fifanekena” koa fa nisy Kristianina marina teo an-tokotanin’ilay tempoly ara-panahy, ary tsy anisan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy ireo. Mbola nila nodiovina anefa ireo “taranak’i Levy” ireo, izany hoe ireo voahosotra. Hoy i Malakia mpaminany: “Hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy [i Jehovah], dia hodioviny ny taranak’i Levy. Hodioviny toy ny volamena sy volafotsy ireo, ka ho vahoakan’i Jehovah manolotra fanatitra atao fanomezana izay atolotra amim-pahamarinana.” (Mal. 3:3) Nampiasain’i Jehovah hanadio an’ireo Israelita ara-panahy i Kristy Jesosy, ilay “iraky ny fifanekena.”

4 Hitan’i Kristy koa anefa fa niasa mafy ireo Kristianina voahosotra ireo, mba hanome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety ho an’ny mpiray finoana aminy. Namoaka an’ity gazety ity izy ireo, hatramin’ny 1879, ka nampiely ny marina momba ilay Fanjakana, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Naminany i Jesosy fa rehefa ho “tonga” hanara-maso an’ireo mpanompo ao an-tranony izy mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, dia hahita mpanompo manome “sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety.” Sambatra izany mpanompo izany, hoy izy, satria “hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra.” (Mat. 24:3, 45-47) Io “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” io no ampiasain’i Kristy, Lohan’ny fiangonana, mba hiandraikitra ny asan’ilay Fanjakany etỳ an-tany. Mampiasa ny Filan-kevi-pitantanana izy mba hanomezana tari-dalana an’ireo voahosotra ‘mpanompo ao an-trano’, sy ireo “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

Fijinjana ny vokatry ny tany

5. Inona no asa ataon’ilay Mpanjaka, araka ny hitan’ny apostoly Jaona?

5 Misy zavatra hafa koa ataon’ilay Mesia Mpanjaka mandritra ny “andron’ny Tompo”, taorian’ny nahazoany fahefana tamin’ny 1914. Hoy ny apostoly Jaona momba izany: “Nahita aho fa nisy rahona fotsy, ary nisy tahaka ny zanak’olona nipetraka teo ambonin’ilay rahona, nanana satroboninahitra volamena teo amin’ny lohany sy antsy fijinjana maranitra teny an-tanany.” (Apok. 1:10; 14:14) Nisy anjely iray nirahin’i Jehovah hilaza tamin’io Mpijinja io hoe: ‘Arosoy ny antsy fijinjanao, fa masaka tanteraka ny vokatry ny tany.’—Apok. 14:15, 16.

6. Inona no nolazain’i Jesosy fa haniry miaraka amin’ny vary?

6 Mampahatsiahy antsika ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary ilay hoe “vokatry ny tany.” Nilaza i Jesosy fa izy ilay mpamafy nanantena hahazo voa tsara, izay tsy inona fa “ny zanak’ilay fanjakana”, na ireo Kristianina voahosotra hiara-manjaka aminy. Nandritra ny alina anefa, dia nisy fahavalo, izany hoe “ny Devoly”, namafy tsimparifary na “ny zanak’ilay ratsy.” Nandidy ny mpiasany ilay mpamafy hoe avelao hiara-haniry ny vary sy ny tsimparifary, mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Haniraka ny anjeliny izy amin’izay, mba hanavaka ny vary sy ny tsimparifary.—Mat. 13:24-30, 36-41.

7. Ahoana no anatanterahan’i Kristy ny fijinjana ny “vokatry ny tany”?

7 Tanteraka ny fahitan’i Jaona satria nitarika asa fijinjana eran-tany i Jesosy. Nanomboka ilay fijinjana ny “vokatry ny tany” rehefa nangonina ny sisa amin’ireo 144 000, na ireo “zanak’ilay fanjakana”, izany hoe “ny vary” tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy. Vao mainka niavaka ny Kristianina marina sy sandoka, taorian’ny Ady Lehibe I. Voamariky ny olona tso-po izany, ka lasa nisy ondry hafa koa nangonina. Io no tapany faharoa amin’ilay asa fijinjana. Tsy “zanak’ilay fanjakana” izy ireo, fa “vahoaka be” manaiky ho olom-pehezin’ilay Fanjakana. Avy amin’ny “vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny” izy ireo. Eken’izy ireo ilay Fanjakan’ny Mesia, izay misy an’i Kristy Jesosy sy ireo ‘olona masina’ 144 000 hiara-manjaka aminy any an-danitra.—Apok. 7:9, 10; Dan. 7:13, 14, 18.

Mitarika an’ireo fiangonana

8, 9. a) Inona no manaporofo fa tsy ny fitondran-tenan’ny fiangonana amin’ny ankapobeny ihany no dinihin’i Kristy, fa ny fomba fiainan’ny tsirairay eo anivony koa? b) Inona ireo “zava-dalin’i Satana” tokony holavintsika? (Jereo ny sary, pejy 26.)

8 Hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha fa nandinika akaiky ny fiangonana tsirairay tamin’ny taonjato voalohany i Kristy Mpitarika antsika. Efa Mpanjaka nahazo “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” izy, ka mitantana ny fiangonana eran-tany sy mitarika an’ireo mpiandraikitra rehetra. (Mat. 28:18; Kol. 1:18) Nataon’i Jehovah “ho lohan’ny zavatra rehetra izy, mba hahasoa ny fiangonana.” (Efes. 1:22) Tsy misy tsy hitany àry izay mitranga eo anivon’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 100 000 mahery eran-tany.

9 Hoy i Jesosy tamin’ny fiangonan’i Tyatira: ‘Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, izay manana maso tahaka ny lelafo: “Fantatro izay ataonao.”’ (Apok. 2:18, 19) Nanaram-po tamin’ny fitondran-tena maloto ny Kristianina sasany tao, ka noteneniny mafy hoe: “Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary hamaly anareo tsirairay araka izay ataonareo avy.” (Apok. 2:23) Hita avy amin’izany fa tsy ny fitondran-tenan’ny fiangonana amin’ny ankapobeny ihany no dinihin’i Kristy, fa ny fomba fiainan’ny olona tsirairay eo anivony koa. Noderain’i Jesosy izay Kristianina tany Tyatira ‘tsy nahafantatra ny “zava-dalin’i Satana.”’ (Apok. 2:24) Ankasitrahany koa ireo Kristianina tanora sy antitra tsy mikaroka ny “zava-dalin’i Satana” ankehitriny. Anisan’izany ny zavatra ratsy amin’ny Internet na lalao video misy herisetra, na ny toe-tsain’ny olona milefitra loatra. Tena faly izy mahita fa misy Kristianina maro miezaka mafy sy mahafoy tena, ka manaraka ny fitarihany amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany!

10. Oharina amin’ny inona ireo anti-panahy, nefa inona no mila eken’izy ireo?

10 Tia sy miandraikitra ny fiangonany eto an-tany i Kristy, ka mampiasa anti-panahy. (Efes. 4:8, 11, 12) Voahosotra daholo ireo anti-panahy tamin’ny taonjato voalohany. Oharin’ny Apokalypsy amin’ny kintana eny an-tanana ankavanan’i Kristy izy ireny. (Apok. 1:16, 20) Anisan’ny ondry hafa ny ankamaroan’ny anti-panahy ankehitriny. Azo lazaina hoe eny an-tanan’i Kristy na tarihiny koa izy ireny, satria mivavaka mafy sy mangataka ny fitarihan’ny fanahy masina ireo mpiandraikitra rehefa hanendry azy. (Asa. 20:28) Eken’ny anti-panahy anefa fa mampiasa ny Filan-kevi-pitantanana i Kristy, mba hitarihana ny mpianany etỳ an-tany.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:6, 28-30.

“Avia, Jesosy Tompo”

11. Nahoana no tsy andrintsika ny hahita ny Mpitarika antsika ho avy haingana?

11 Tamin’ny fahitan’i Jaona, dia imbetsaka i Jesosy no nilaza fa ho avy haingana izy. (Apok. 2:16; 3:11; 22:7, 20) Azo antoka fa ny fiaviany hampihatra didim-pitsarana amin’i Babylona Lehibe sy ny sisa amin’ny tontolo ratsin’i Satana no tiany holazaina. (2 Tes. 1:7, 8) Tsy andrin’i Jaona izay efa be taona ny hahatanterahan’izany, ka hoy izy: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!” Tsy andrintsika, izay miaina amin’ny fotoanan’ny farany koa, ny hiavian’ilay Mpitarika sy Mpanjakantsika, mba hanamasina ny anaran’ny Rainy sy hanamarina ny zony hitondra.

12. Inona no asa hovitain’i Kristy alohan’ny hamotsorana ny rivotra fandringanana?

12 Tsy maintsy hasiana tombo-kase ny farany amin’ireo 144 000, alohan’ny handringanana ny fandaminan’i Satana. Milaza mazava ny Baiboly fa tsy havotsotra ny rivotra handringanana an’ity tontolo ity, raha tsy efa voaisy tombo-kase ny 144 000 rehetra.—Apok. 7:1-4.

13. Ahoana no hampihariharian’i Kristy ny fanatrehany, mandritra ny tapany voalohany amin’ny “fahoriana lehibe”?

13 Tsy voamariky ny ankamaroan’ny olona hoe nanomboka tamin’ny 1914 ny fanatrehan’i Kristy. (2 Pet. 3:3, 4) Tsy ho ela anefa dia hiharihary izany, rehefa hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny rafitr’ity tontolo ity i Kristy. Anisan’ny “fisehoan’ny fanatrehany” ny fandringanana an’ilay “lehilahy mpandika lalàna”, na ny mpitondra fivavahana. (Vakio ny 2 Tesalonianina 2:3, 8.) Ho porofo tsy azo lavina izany fa manao ny asany i Kristy, ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah. (Vakio ny 2 Timoty 4:1.) Ny famongorana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay meloka indrindra amin’ireo anisan’i Babylona Lehibe, no hanomboka ny fandravana ny fivavahan-diso rehetra. Hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo mpitondra ara-politika ny hamongotra an’io mpivaro-tena io. (Apok. 17:15-18) Izany no ho tapany voalohany amin’ny “fahoriana lehibe.”—Mat. 24:21.

14. a) Nahoana no hohafohezina ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe? b) Hanao ahoana ny vahoakan’i Jehovah rehefa hiseho ny “famantarana ny Zanak’olona”?

14 Nilaza i Jesosy fa hohafohezina ireo andro fahoriana “noho ny olom-boafidy”, izany hoe ny sisa voahosotra mbola eto an-tany. (Mat. 24:22) Tsy havelan’i Jehovah ho ringana miaraka amin’ny fivavahan-diso ny voahosotra sy ny ondry hafa. Nilaza koa i Jesosy fa “aorian’ilay fahoriana amin’izany andro izany”, dia hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy volana ary kintana, sady “hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona.” “Hikapo-tratra sy hitomany” ireo firenena noho izany. Tsy mba toy izany kosa ny voahosotra manantena hiaina any an-danitra, sy ireo namany manantena hiaina eto an-tany. ‘Hijoro sy hitraka’ izy ireo satria “manakaiky ny fanafahana” azy.—Mat. 24:29, 30; Lioka 21:25-28.

15. Inona koa no asa hataon’i Kristy rehefa ho avy izy?

15 Rehefa ho avy ny Zanak’olona, dia hisy zavatra hafa koa hataony, alohan’ny hamitany ny fandreseny. Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.” (Mat. 25:31-33) Hita avy amin’io fa ho avy hitsara izy, ka hanavaka ny olona avy amin’ny “firenena rehetra.” Ny “ondry” dia izay mazoto manohana an’ireo rahalahiny ara-panahy (na ireo voahosotra eto an-tany). Ny “osy” kosa, dia ireo “tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tes. 1:7, 8) Hahazo fiainana mandrakizay ny ondry, izany hoe ireo “olo-marina.” Ny osy indray “ho any amin’ny fandringanana mandrakizay.”—Mat. 25:34, 40, 41, 45, 46.

Mamita ny fandreseny i Jesosy

16. Ahoana no hamitan’i Kristy ny fandreseny?

16 Hivoaka mba “hamita ny fandreseny” i Kristy, rehefa voaisy tombo-kase daholo ireo mpanjaka sady mpisorona hiaraka aminy, ka voavaka ny ondry ary napetrany eo ankavanany. (Apok. 5:9, 10; 6:2) Hitarika ny tafik’anjely mahery izy, miaraka amin’ireo rahalahiny voahosotra tafatsangana amin’ny maty, ka handrava ny tontolo ara-politika sy ara-tafika ary ara-barotra eto an-tany. (Apok. 2:26, 27; 19:11-21) Ho vita ny fandresen’i Kristy rehefa ho rava ny tontolo ratsin’i Satana. Hogadrainy arivo taona ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany avy eo.—Apok. 20:1-3.

17. Mbola hitarika ny ondry hafa ve i Kristy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? Hazavao. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

17 Nilaza i Jaona fa ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny “vahoaka be” anisan’ny ondry hafa. Naminany koa izy hoe: “Ny Zanak’ondry, izay eo akaikin’ny seza fiandrianana, dia hiandry azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.” (Apok. 7:9, 17) Mbola hitarika ny ondry hafa, izay tena mihaino ny feony, i Kristy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ary hanome azy ireo fiainana mandrakizay. (Vakio ny Jaona 10:16, 26-28.) Enga anie isika ka hanaraka foana an’ilay Mpitarika sy Mpanjakantsika, dieny izao ka hatrany amin’ny tontolo vaovao ampanantenain’i Jehovah!

Famerenana

• Inona no nataon’i Kristy raha vao lasa mpanjaka izy?

• Iza eto an-tany no ampiasain’i Kristy mba hitarika ireo fiangonana?

• Inona avy no hataon’i Kristy rehefa ho avy izy?

• Ahoana no mbola hitarihan’i Kristy antsika ao amin’ny tontolo vaovao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Ho hita miharihary fa manatrika i Kristy rehefa rava ny tontolo ratsin’i Satana