Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1 Nahoana ny Olombelona no Mivavaka?

1 Nahoana ny Olombelona no Mivavaka?

1 Nahoana ny Olombelona no Mivavaka?

Anisan’ny foto-kevitra ara-baiboly tena mahaliana ny olona ny vavaka. Handinika fanontaniana fito fametraky ny olona isika, ary hojerentsika ny valiny omen’ny Baiboly. Natao hanampiana anao hivavaka na hanatsara ny vavaka ataonao ity andian-dahatsoratra ity.

MIVAVAKA daholo ny olona, na inona na inona fireneny. Mivavaka mitokana izy ireo na miaraka maromaro. Mety ho any am-piangonana izany, na any amin’ny tempoly, na any amin’ny synagoga, na any amin’ny toerana masina. Ao ny mampiasa sapile na sarivongana, ary ao ny mandohalika eo amin’ny karipetra kely. Ny hafa kosa manodinkodina kapoaka mirakitra tonom-bavaka rehefa mivavaka, na mamaky bokim-bavaka, na mamaky tonom-bavaka misoratra amin’ny tabilao kely mihantona.

Ny vavaka no mampiavaka ny olombelona amin’ny zavaboary hafa etỳ an-tany. Marina fa maro ny zavatra itovizantsika amin’ny biby. Teraka isika, dia mihalehibe, ary avy eo maty. (Mpitoriteny 3:19) Mila sakafo sy rivotra ary rano koa isika. Ny olona ihany anefa no mivavaka. Nahoana?

Ny valiny tsotra indrindra angamba dia ny hoe satria mila manao izany isika. Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa ny vavaka no fomba ifandraisany amin’ireo zavatra ivavahany, any amin’ny tontolo ara-panahy. Asehon’ny Baiboly fa noforonina hivavaka isika. (Asan’ny Apostoly 17:24, 27) Hoy i Jesosy Kristy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Hita hoe “mila an’Andriamanitra” ny olona, rehefa jerena ireo trano fivavahana mijoalajoala, ireo zavatra maro ampiasaina mba hivavahana, ary ireo ora tsy hita isa ivavahana. Tsy tena manatona an’Andriamanitra anefa ny sasany, fa miantehitra amin’ny tenany na amin’ny olona hafa, mba hahazoana tari-dalana. Tsy mahatsapa ve anefa ianao fa voafetra ny fanampiana azon’ny olombelona omena? Malemy ihany isika olombelona, fohy andro, ary tsy mahatsinjo lavitra. Mila mpanampy hendry sy mahery ary ela velona kokoa noho isika isika mba hanome izay ilaintsika.

Mila tari-dalana sy fahendrena isika, ary te hahafantatra ny valin’ireo fanontaniana tsy hain’ny olombelona valiana. Mila fampiononana koa isika rehefa mamoy havana. Mety ho mila torohevitra koa isika rehefa misy fanapahan-kevitra mampiady saina antsika, ary mila famelana rehefa mahatsiaro tena ho meloka.

Tena ilaina àry ny mivavaka mba hahazoana an’ireo, araka ny Baiboly. Ny Baiboly no boky azo itokisana indrindra, ary voarakitra ao ny vavaky ny lehilahy sy vehivavy maro tsy nivadika. Nivavaka izy ireo mba hahazoana fampiononana, tari-dalana, famelan-keloka, ary mba hahazoana ny valin’ireo fanontaniana faran’izay sarotra.—Salamo 23:3; 71:21; Daniela 9:4, 5, 19; Habakoka 1:3.

Samy hafa ireny vavaka ireny, nefa misy zavatra iray nitovizan’izy ireo, dia ny hoe iray ihany ny Andriamanitra nivavahany. Tena zava-dehibe izany, na dia tsy raharahain’ny olona aza matetika. Iza tokoa àry no tokony hivavahantsika?