Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2 Iza no Tokony Hivavahana?

2 Iza no Tokony Hivavahana?

2 Iza no Tokony Hivavahana?

MARO no mino fa mety daholo ny vavaka rehetra, na iza na iza ivavahana. Mino an’izany ny olona tia ny fanakambanam-pinoana, sy ny olona mihevitra hoe ankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahana rehetra na dia samy hafa aza. Tena marina ve anefa izany?

Ampianarin’ny Baiboly fa diso lalana ny ankamaroan’ny vavaky ny olona. Maro no nivavaka tamin’ny sarivongana, tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. Efa nampitandrina imbetsaka anefa Andriamanitra hoe ratsy izany. Milaza, ohatra, ny Salamo 115:4-6 fa “manan-tsofina” ireny sarivongana ireny, “fa tsy mandre.” Mazava ny tiany holazaina: Tsy hisy dikany ny vavaka atao amin’ny andriamanitra tsy mandre.

Manaporofo izany ity tantara iray ao amin’ny Baiboly ity: Nilaza tamin’ny mpaminanin’i Bala i Elia mpaminanin’i Jehovah hoe aoka samy hivavaka amin’ny andriamaniny avy izy sy ny mpaminanin’i Bala, ka izay Andriamanitra mamaly vavaka no tena Andriamanitra, ary izay tsy mamaly dia andriamani-diso. Nanaiky ny mpaminanin’i Bala, ka nivavaka mafy sy naharitra tamin’ny andriamaniny, ary niantsoantso mihitsy aza. “Tsy nisy namaly na nihaino” anefa izy ireo. (1 Mpanjaka 18:29) Inona kosa no nitranga rehefa nivavaka i Elia?

Namaly avy hatrany ny Andriamaniny, ka nandefa afo avy tany an-danitra mba handevona ny fanatitra nataony. Fa nahoana izy no nahazo valim-bavaka? Diniho ny 1 Mpanjaka 18:36, 37. Tena fohy ilay vavaka nataony. Teny hebreo 30 eo ho eo monja no noteneniny, nefa nampiasa intelo ny anaran’Andriamanitra izy, dia ilay anarana hoe Jehovah.

Midika hoe “tompo” ny hoe Bala, ary nisy karazany maro ny Bala nivavahan’ny Kananita, arakaraka ny faritra nisy azy. Iray ihany anefa ny atao hoe Jehovah Andriamanitra, manerana an’izao rehetra izao. Hoy izy tamin’ny vahoakany: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa.”—Isaia 42:8.

Sao dia marina anefa ilay hoe iray ihany ny andriamanitra, ka lasa any amin’izy io daholo na ny vavak’i Elia na ny vavaky ny mpaminanin’i Bala? Diniho izao: Nasaina nivaro-tena izay nivavaka tamin’i Bala ary nanao sorona olombelona mihitsy aza. Nampietry azy ireo izany. Tsy toy izany kosa ireo Israelita nivavaka tamin’i Jehovah fa afaka tamin’ny fanao nampietry, ka lasa olona mendrika. Samy hafa be àry i Jehovah sy Bala. Noho izany dia eritrereto izao: Raha mandefa taratasy amin’ny olo-manan-kaja iray, namanao ianao, ary ataonao mazava tsara ny adiresy handefasanao azy, hieritreritra ve ianao fa ho lasa any amin’ny olon-kafa ratsy toetra be ny taratasinao? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa ny vavaka.

Mivavaka amin’ilay Mpamorona, Rain’ny olombelona rehetra, ianao raha mivavaka amin’i Jehovah. * Hoy i Isaia mpaminany rehefa nivavaka: “Ianao no Rainay, Jehovah ô!” (Isaia 63:16) Io Ray io no tian’i Jesosy horesahina, rehefa nilaza tamin’ny mpanara-dia azy izy hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Jaona 20:17) I Jehovah no Rain’i Jesosy, ary izy no Andriamanitra nivavahany. Nasainy nivavaka tamin’io Rainy io koa ny mpianany.—Matio 6:9.

Milaza koa ve ny Baiboly fa tokony hivavaka amin’i Jesosy na amin’i Maria na amin’ny olo-masina na amin’ny anjely isika? Tsia! I Jehovah ihany no tokony hivavahantsika. Ireto misy antony roa: Voalohany, anisan’ny fanompoam-pivavahana ny vavaka, ary milaza ny Baiboly fa i Jehovah irery ihany no tokony hotompoina. (Eksodosy 20:5) Faharoa, antsoin’ny Baiboly hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2) Tsy nasainy nataon’olon-kafa mihitsy izany andraikitra hihaino vavaka izany, na dia tia mizara andraikitra aza izy. Mampanantena izy fa izy mihitsy no hihaino ny vavaka ataontsika.

Raha tianao hohenoin’Andriamanitra àry ny vavaka ataonao, dia tadidio izao voalazan’ny Soratra Masina izao: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Asan’ny Apostoly 2:21) Henoin’i Jehovah daholo ve anefa ny vavaka ataon’ny olona? Sa misy zavatra hafa koa tokony ho fantatsika?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Araka ny lovantsofina ara-pivavahana sasany, dia tsy mety ny manonona ny anaran’Andriamanitra, na dia amin’ny vavaka aza. Miverina im-7 000 eo ho eo anefa io anarana io ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany, ary tao amin’ny vavaka sy salamo nataon’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika no nahitana azy io matetika.

[Sary, pejy 5]

Tsy lasa any amin’ny andriamanitra iray ihany ny vavaka nataon’i Elia sy ny vavaka nataon’ny mpaminanin’i Bala