Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4 Inona no Azo Resahina ao Amin’ny Vavaka?

4 Inona no Azo Resahina ao Amin’ny Vavaka?

4 Inona no Azo Resahina ao Amin’ny Vavaka?

MISY milaza fa ny Rainay Izay any An-danitra no vavaka fanaon’ny Kristianina indrindra. Na marina izany na tsia, dia azo antoka fa betsaka ny olona diso fandray azy io. Olona an-tapitrisany no manao tsianjery azy io isan’andro, ary angamba imbetsaka ao anatin’ny iray andro. Tsy izany mihitsy anefa no tian’i Jesosy hatao amin’io vavaka modely io. Ahoana no ahalalantsika izany?

Hoy i Jesosy, talohan’ny nilazany azy io: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.’ (Matio 6:7) Azo antoka fa tsy hilaza zavatra mifanipaka amin’izany izy avy eo, ka hamorona teny tokony hotadidina sy haverimberina rehefa mivavaka. Ny nasehony tao amin’ilay vavaka modely kosa dia hoe inona no azontsika resahina rehefa mivavaka. Andeha hodinihintsika izy io, ao amin’ny Matio 6:9-13.

“Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!”

Nampahatsiahy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe i Jehovah Rainy no tokony hivavahana. Fantatrao ve anefa hoe nahoana ny anaran’Andriamanitra no tena zava-dehibe, ary nahoana izy io no tokony hohamasinina?

Nisy nanoso-potaka ny anarany, nanomboka tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona. Nilaza i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, fa Mpitondra mandainga sy tia tena i Jehovah, ary tsy manan-jo hitondra ny zavatra noforoniny. (Genesisy 3:1-6) Maro ny olona miandany amin’i Satana, ka mampianatra fa masiaka Andriamanitra, lozabe, ary mpamaly faty. Misy koa milaza fa tsy misy ny Mpamorona. Ny sasany aza nanala ny anarany hoe Jehovah rehefa nandika Baiboly, ary tsy namela ny olona hampiasa azy io.

Milaza ny Baiboly fa handamina an’izany tsy rariny rehetra izany Andriamanitra. (Ezekiela 39:7) Hikarakara izay ilainao koa izy rehefa manao izany, ary handamina ny zava-manahirana anao. Amin’ny fomba ahoana? Mamaly izany ny tenin’i Jesosy manaraka.

“Ho tonga anie ny fanjakanao!”

Tsy mitovy ny hevitry ny mpitondra fivavahana ankehitriny momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny olona nihaino an’i Jesosy anefa nahafantatra fa efa voalazan’ny mpaminany taloha ela be hoe: Hisy Fanjakana iray hanova an’izao tontolo izao, ary ny Mesia, izany hoe ilay Mpamonjy nofidin’Andriamanitra, no ho mpitondra azy io. (Isaia 9:6, 7; Daniela 2:44) Hanamasina ny anaran’Andriamanitra io Fanjakana io, ka hampiharihary ny laingan’i Satana, ary avy eo handringana azy sy ny asany rehetra. Hofoanan’izy io ny ady, ny aretina, ny mosary, ary na dia ny fahafatesana aza. (Salamo 46:9; 72:12-16; Isaia 25:8; 33:24) Mangataka ny hahatanterahan’ireo fampanantenana rehetra ireo ianao, rehefa mangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

“Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”

Natao tany an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra rehefa niady tamin’i Satana sy ny namany ny Zanak’Andriamanitra, ka nanipy azy ireo tetỳ an-tany. Tsy nisy nahasakana an’izany. (Apokalypsy 12:9-12) Azo antoka amin’io fangatahana nolazain’i Jesosy io àry fa hatao etỳ an-tany koa ny sitrapon’Andriamanitra, toy ny efa anaovana azy any an-danitra fonenan’Andriamanitra. Rehefa manao an’io fangatahana io sy ireo roa voalohany àry isika, dia hanjary hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra, dia ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny sitrapontsika. Ny fanatanterahana ny sitrapony ihany no mitondra soa faran’izay betsaka ho an’ny zavaboary rehetra. Ary na i Jesosy, lehilahy lavorary, aza nivavaka hoe aoka ny sitrapon’Andriamanitra no atao fa tsy ny azy.—Lioka 22:42.

“Omeo anay anio izay hanina sahaza anay.”

Nilaza i Jesosy fa afaka mangataka izay ilaintsika koa isika. Tsy misy maharatsy ny mivavaka momba izay ilaintsika isan’andro. Vao mainka aza izany hampahatsiahy antsika fa i Jehovah no “manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:25) Milaza ny Baiboly fa Ray be fitiavana tia manome izay ilain’ny zanany izy, ary tsy hanome zavatra tsy hahasoa an-janany mihitsy.

“Mamelà ny helokay.”

Tena mila ny famelan’Andriamanitra tokoa ve ianao? Olona maro ankehitriny no tsy mahalala intsony ny atao hoe ota, ary tsy mahafantatra hoe tena ratsy izy io. Milaza anefa ny Baiboly fa ny ota no mahatonga an’ireo olana lehibe indrindra mahazo antsika, anisan’izany ny fahafatesana. Nandova ota isika, ka matetika no manota. Raha tsy mamela ny helotsika anefa Andriamanitra, dia tsy afaka hanantena fiainana maharitra isika amin’ny hoavy. (Romanina 3:23; 5:12; 6:23) Soa ihany fa fantatsika hoe ‘tsara toetra sy vonona hamela heloka i Jehovah’, araka ny Baiboly.—Salamo 86:5.

“Manafaha anay amin’ilay ratsy.”

Tsapanao ve fa tena mila ny fiarovan’Andriamanitra ianao? Olona maro no tsy mety mino fa misy i Satana, “ilay ratsy.” Nilaza anefa i Jesosy fa tena misy i Satana. Niantso azy io hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” mihitsy aza izy. (Jaona 12:31; 16:11) Nanimba an’ity tontolo eo ambany fifehezany ity i Satana, ary tena te hanimba anao koa mba hahatonga anao tsy hifandray akaiky amin’i Jehovah Rainao. (1 Petera 5:8) Mahery lavitra noho i Satana anefa i Jehovah, ary te hiaro an’izay tia azy.

Tsy ho voaresaka ato daholo izay azontsika resahina amin’ny vavaka, satria famintinana ny hevi-dehibe tao amin’ilay vavaka modely no nataontsika teo. Tadidio anefa izay lazain’ny 1 Jaona 5:14: ‘Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia mihaino antsika izy.’ Aza mieritreritra àry hoe tsy misy dikany ny zava-manahirana antsika ka tsy mila resahina amin’Andriamanitra.—1 Petera 5:7.

Ahoana kosa ny amin’ny fotoana sy ny toerana hivavahana? Zava-dehibe ve izany?