Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5 Rahoviana no Tokony Hivavaka?

5 Rahoviana no Tokony Hivavaka?

5 Rahoviana no Tokony Hivavaka?

MANANTITRANTITRA ny fivavahana sasany fa ilaina ny manana trano mirenty mba hivavahana. Faritan’izy ireo koa ny fotoana tokony hivavahana. Misy fotoana sy toerana manokana ve lazain’ny Baiboly hoe tokony hivavahana?

Marina aloha fa milaza ny Baiboly hoe ilaina ny mivavaka amin’ny fotoana sasany. Nisaotra an’Andriamanitra, ohatra, i Jesosy, talohan’ny hisakafoanan’izy sy ny mpianany. (Lioka 22:17) Niara-nivavaka koa ny mpianany rehefa nanao fanompoam-pivavahana. Efa fanao tao amin’ny synagoga izany no notohizin’izy ireo. Efa fanao koa izany tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, izay “trano fivavahana” nataon’Andriamanitra “ho an’ny firenena rehetra.”—Marka 11:17.

Afaka mahazo valim-bavaka koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, rehefa mivory ka miara-mivavaka. Faly Andriamanitra, raha miray saina izy ireo ary manao vavaka mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina. Mety handrisika an’Andriamanitra hanao zavatra tsy noeritreretiny mihitsy ny vavak’izy ireo. (Hebreo 13:18, 19) Mivavaka tsy tapaka ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory, ary asaina am-pitiavana ianao ho tonga any, mba hihaino izany vavaka izany.

Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe misy fotoana na toerana manokana tokony hivavahana. Hitantsika ao amin’ny Baiboly fa nivavaka tamin’Andriamanitra ny mpanompony na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, ary na taiza na taiza. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: ‘Rehefa mivavaka ianao, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny miafina. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.’—Matio 6:6.

Tsy mahafinaritra ve izany? Afaka miresaka mitokana amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao ianao, na rahoviana na rahoviana, ary azo antoka fa hihaino anao izy. Tsy mahagaga raha nivavaka nitokana i Jesosy matetika. Nivavaka nandritra ny alina manontolo izy indray mandeha, mba hahazoany tari-dalana momba ny fanapahan-kevitra iray tena lehibe.—Lioka 6:12, 13.

Milaza koa ny Baiboly fa nisy lehilahy sy vehivavy hafa nivavaka rehefa tojo olana na fanapahan-kevitra lehibe. Nivavaka anakampo izy ireo indraindray ary nivavaka tamin’ny feo avo indraindray. Nivavaka niaraka tamin’olona maromaro izy ireo na nivavaka irery. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe nivavaka izy ireo. Nampirisika mihitsy aza Andriamanitra hoe: “Aza mitsahatra mivavaka.” (1 Tesalonianina 5:17) Be fitiavana izy ka vonona hihaino foana an’ireo manao ny sitrapony.

Maro anefa ny olona tsy matoky hoe hahasoa azy ny vavaka. Tena hanampy anao tokoa ve ny vavaka?

[Teny notsongaina, pejy 9]

Afaka mivavaka isika na rahoviana na rahoviana, ary na aiza na aiza