Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

7 Mamaly Vavaka ve Andriamanitra?

7 Mamaly Vavaka ve Andriamanitra?

7 Mamaly Vavaka ve Andriamanitra?

FANONTANIANA mahaliana olona maro io, ary azo fantarina tsara ny valiny. Milaza ny Baiboly fa tena mihaino vavaka i Jehovah ankehitriny. Miankina be dia be amin’ny ataontsika anefa no hihainoany antsika na tsia.

Nihatsaravelatsihy ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy rehefa nivavaka, ka nomelohin’i Jesosy. Te hiseho fotsiny izy ireo hoe tia fivavahana. Nilaza àry i Jesosy fa “efa azony ny valisoany rehetra”, izany hoe azony izay niriny fatratra, dia ny ho voamariky ny olona. Tsy nahazo izay tena nilainy kosa izy ireo, dia ny hohenoin’Andriamanitra. (Matio 6:5) Toy izany koa ankehitriny. Manao izay tiany ny olona maro rehefa mivavaka, fa tsy mivavaka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy henoin’Andriamanitra izy ireo, satria tsy miraharaha an’ireo toro lalan’ny Baiboly nodinihintsika teo.

Ary ahoana ny aminao? Hihaino sy hamaly ny vavaka ataonao ve Andriamanitra? Tsy miankina amin’ny firazananao na ny firenenao na ny fari-piainanao izany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Matahotra azy sy manao ny marina ve ianao? Ny hoe matahotra an’Andriamanitra, dia midika hoe manaja azy fatratra, ary matahotra sao tsy hampifaly azy. Ny hoe manao ny marina kosa, dia midika hoe miezaka manao izay lazain’Andriamanitra fa tsara, fa tsy manao izay tianao fotsiny na izay tian’ny olona. Raha tena tianao hohenoin’Andriamanitra àry ny vavaka ataonao, dia araho izay asain’ny Baiboly ataonao. *

Olona maro no maniry hoe hanao fahagagana Andriamanitra mba hamaliana ny vavaka ataony. Na tamin’ny andro fahiny aza anefa, dia mahalana Andriamanitra vao nanao fahagagana. Mifanelanelana taonjato maro izy ireny indraindray. Voalaza ao amin’ny Baiboly koa fa nifarana ny fanaovana fahagagana rehefa maty ireo apostoly. (1 Korintianina 13:8-10) Midika ve izany fa tsy mamaly vavaka Andriamanitra ankehitriny? Tsy izany velively! Handinika vitsivitsy amin’ny valim-bavaka omen’Andriamanitra isika:

Manome fahendrena izy. I Jehovah no Loharanon’ny tena fahendrena. Malala-tanana izy, ka manome fahendrena an’izay te hahazo ny tari-dalany sy te hiaina mifanaraka amin’izany.—Jakoba 1:5.

Manome fanahy masina izy. Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. Tsy misy hery matanjaka noho io. Afaka manampy antsika hiaritra fitsapana izy io, ary mampitony antsika rehefa manana olana isika. Manampy antsika hanana toetra tsara sy mahatehotia koa izy io. (Galatianina 5:22, 23) Nanome toky i Jesosy fa homen’Andriamanitra fanahy masina be dia be ny mpanara-dia azy.—Lioka 11:13.

Manome fahalalana an’izay mazoto mitady azy izy. (Asan’ny Apostoly 17:26, 27) Misy olona tena mitady ny fahamarinana maneran-tany. Te hahafantatra an’Andriamanitra izy ireo: Te hahafantatra ny anarany, ny fikasany ho an’ny tany sy ny olombelona, ary ny fomba hahafahana manatona azy. (Jakoba 4:8) Mihaona amin’ny olona toy izany matetika ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tena faly mampiseho amin’izy ireo ny hevitry ny Baiboly momba izany.

Te hahalala an’Andriamanitra koa ve ianao, ka izany no nahatonga anao nandray an’ity gazety ity? Tamin’ny alalan’ity gazety ity angamba no namalian’Andriamanitra ny vavaka nataonao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy fanazavana fanampiny momba ny fomba fivavaka sy izay tokony hatao mba hohenoin’Andriamanitra, ao amin’ny toko faha-17, amin’ny boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?